logo
Lakroan'i Madagasikara
Vaovao sy tononkalo

Potraka sy Barry ary vola

Nanangona i Chico il y a 2 années

Tsy mahaleo ny sampona dia tratry ny Sampona i Barry Benson. Tena izy sa sonema ? Fa toa potraka Hono Re rehefa trotraka niandry ny nandrasana ity filoha iray ? Ny resaka vola izao no mahabe resaka e na ny ravim-bola io na ny minisitry ny vola dia samy naha be karajia.

Potraka sy Barry ary vola

Raha ny fanaontsika dia ireo mpahay teny mirindra sy poety no nindramina hitondra ny fahitany ny fiaraha-monina. Ary isaky ny alatsinainy maraina no avoaka eto izany. Noho ny olana ara-tekinika anefa dia tsy tafavoaka tamin’ny alatsinainy 17 jolay teo izany. Ny zava-nitranga mijanona ho zava-nitranga hatrany. Koa indro ary ireo izay hita teny amin’ny tambazotran-tserasera hifampizarana amintsika etoana.

 

Potraka ilay Filohan’ny andrim-panjakana iray dia i Honoré Rakotomanana izany. Sao mba hananan-tsiny kosa e ity mampiasa efa be taona tsy hay na zokiolona na beantitra ?

 

HONO RE RAKOTO A!

Mba makà aina amin’izay Dadabe a !

Fa efa tsy maharaka intsony ny taona

Aleo ho an ny tanora ilay ady kilé an !

Manaova vakansy raha misy fotoana

 

Zareo tsy mahalala hoe ianao vizana

Heveriny ho tsiaro ilay reny malala

Izany no resak’ireto mpitazana

Ny mpilaza mahay raha vao misy valala

 

Trotraka izy raha niandry lehibena andrim-panjakana hafa tsy iza i zany fa i Solonandrasana Olivier. Tsy faly ve izy fa tratry ny andraso eo ? Kanefa moa tsy tokony ho fantany fa efa fahazarana ity mampiandry ? Morondava izao no tra-parany talohanao hoy i Olivier Randrianatoandro ka zary fahoriana samy manana…

(Hono re rakoto a…  tapany faharoa)

Soloy raha tsy tonga ilay olo-nandrasana

Fa ho tapitra hitsipaka eo ianareo

Sady vao mainka aza zaran’ny fasana

Ny tany Morondava aza moa dia efa leo

 

Fa ny manantena tsy misy no sarotra

Fa ny mamoy hono anie mora foana

Azo ajanona io toy ny ady varotra

 

VEVETNO 14/07/2017

https://www.facebook.com/groups/673951116123911/permalink/704947489690940/?pnref=story

 

Fa nisy ny zava-nitranga talohan’ny 14 jolay andro nahapotraka ilay Filoha noresahantsika teo. Zava-nitranga tsy hay izay fahamarinany ka ilaina fahamalinana.

 

JE SUIS BARRY BENSON

Tena tsy arak’izay noheveriny

Ka ny reninay no nalaina an keriny

Vao indray mandeha no nivoaka slam

Dia misavoritaka sy tsy milamina

 

Sa nisy nahazo lôtô tao an trano

Dia mailamailaka handroba azy

Rehefa tsy hita dia i Mama no tano

Dia amin’izay izy mipoitra ho azy

 

Tena fihetsika gestapo

Dia misandoka hoe commando

Avy eo dia lazaina fa hoe jiolahy

Vakiana fotsiny izany rangahy

 

Izay nanao fanamiana ka niaka-tsehatra

Dia ho samborina tsy amin-kenatra

Tsy inona akory fa mba te halaza

Dia manao fihetsika misain-jaza (…)

 

Na ireo mpanohana aza tsy sahy nanova pdp ho « Je suis Barry » tena sampon a ho’aho isika e… vao misy sakoroka dia hazakazaka any ambany fandriana no atao

 

JE SUIS BARRY BENSON (tohiny)

Azo eritreretina koa hoe mpanohitra

Mba handotoana ity efa vandana

No naka ity olona tsy afa manohitra

Ndao moa fa mbola ho heno miandalana

 

Dia ho hita eo tokoa raha hahaleo ny sampona

Satria hivoaka foana ny seho manaraka

Aseho vahoaka io fa tsy any amin ny takona

Dia asa isika izay hanao feon-tararaka

 

VEVETNO

 

https://www.facebook.com/MLEMada/posts/1541022509295316?pnref=story  

Fa nisy koa ny resa-bola nalaza teo. Vola vaovao maha tsy te handray hoy ny resevera sasany sasany ; omeo anay hoy ny hafa handanianay azy. Dia hoy i Toky Baritafika Ramanankohajaina 

 

Vola dimy monja (20.000 Ariary x 5)

 

Dada a !

Toa vola anaky 5 sisa ny karama raisinao ?

Fa nisy inona ry Dada tao ampiasana tao ?

Naditra nga i Dada ? Nahazo "punition" ?

No dia nahena ny karama, bedin’ny "patron" ?

 

Mitovy ihany letsy io Bema a! Iray hetsy ihany

Izaho koa ary mba torovana anontanian’ialahy izany

Eto vao tena tsapa fa kely ny karamako

Izay entiko hamelomako ny vady aman-janako

 

Vola dimy monja no raisina isam-bolana

Nefa ny vidin'entana, ampian’ireo olana

Tena mahatonga saina fa kely ireto izy

Dada eto foana, aza manahy ianareo r’ankizy

 

Hividy mofogasy amin’ity vola roa alina

Tena jifa io vao vaky, na tsy feno akory ny harona

Atao ahoana fa izay hoy ry zareo ao ambony

Nanonta vola vaovao, itony an-tanantsika itony

 

Vola dimy monja…

Baritafika (July 7th 2017)

https://www.facebook.com/toky.baritafika/posts/457395351307737?pnref=story

 

Tsy ireo ihany akory no nitranga fa eo koa ny fametraham-pialan’ny Minisitry ny Vola. Nitsoaka natanjaka. Hazakazaka ny fanoloana azy tratry ny tampoka ireo mpanatitra CV tsy araka ny kajikajin’ny mpanakanto izay nilaza


COURSE CV IZAY TONGA ALOHA BUDGET

Dia efa may indray ry tsikovoka

Hanenjika eny Iavoloha

Dia hisy zavatra hitsimovoka

Hanatitra CV tokoa

 

Samy tsisy te hahalala

Hoe fa nahoana iry no niala

Ho eo anefa tsy hateza

Jamba ka mitady seza

 

Izay tafiditra eo aloha

Dia hamory mpanao gazety

Toa hanao zavatra tokoa

Manao fidirana vedety

 

Kanefa iray minitra ihany

Dia miseho ny tsy mety

Satria akamakama tany

Dia efa rava indray ny fety

 

VEVETNO 17/07/2017

https://www.facebook.com/groups/673951116123911/permalink/706344336217922/?pnref=story

 

Ireo no azo voarambin’ny tanana ianareo tsy noraisina tsy hoe tsy mahay fa jambena koa anie izahay.

Izay no vita fa mbola be anie ny ho sisa.

Soava aby amy manaraka indray manao misimisy





Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Sep. 2019 - 11:56-

    Fondation. Le Président de la République a saisit le Président de la Haute Cour constitutionnelle sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution aussi la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que :

    Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

    Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

    Article 3.-  La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique

  • 19 Sep. 2019 - 10:05-

    Ambasadaoro 4 vaovao. Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, dia nankatoa ny fanendrena ho ambasadaoro an’i
    - Rajohnson Olivier Hugues Rija, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy  monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay.
    - Yvette Sylla, ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris
    - Albert Camille Vital, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy.
    - Jean Omer Beriziky, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles.

  • 19 Sep. 2019 - 08:35-

    Praiminisitra sady minisitry ny Raharaham-bahiny. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay ny 18 septambra no maha minisitra miandraikitra io asa io an’i Naina Andriatsitohaina farany, noho ity olom-pirenena ity nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC ny 18 septambra teo.

  • 19 Sep. 2019 - 07:37-

    Fanafoanana organismes rattachés. Entitra ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • 19 Sep. 2019 - 07:36-

    Paositra mpitatitra entana. Fantatra nandritra ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa hiverina amin’ny fitaterana entana (colis postaux) ny Ministeran’ny Paositra. Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava nandritra ny Filankevitra fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

Du même auteur

dossier
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité