logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Jeneraly manampi-maso sy manao miao…

Ratalata Jn Ba il y a 23 jours

Rehefa noterena i Ratalata dia nanaiky hiverina. Fahiny vao haingana dia isaky ny talata i Ratalata no nizara ny eritreriny teto. Dia indro izy naka ny fahitan’ny poety na poeta ny tontolo misy.

Jeneraly manampi-maso sy manao miao…

Maro ny vaovao niarahana niaina teto. Tao ny jeneraly nangataka dolara iray isan’olona. Fa nisy ity minisitra niala sa nanala ka tsy fantatra izay tena ao ambadika. Fa teo koa ireo mpanao gazety izay nampanantsoina fa tian’ny zandary ho hita akaiky ny tavany fa tsy fandrahonana akory no antony.

 

Nangataka dolara iray isan’olona ity jeneraly iray fa izany hono no vahaolana ahafahany mividy raopilanina tsa vao vita na angindimby. Mangidy tokoa anie izany mandre jeneraly manao miao re olona a. Efa mitalaho sy mitoreo ity jeneraly.

Dia hoy i Olivier  Olivier Randrianatoandro

 

JE NE RÂLE JAMAIS

Mba miangavy anareo hono izay manana

Fa tena tsy ampy ny eto am-pelan-tanana

Mipetra potsiny ireto saofera

Mba hividianana helikoptera

 

Aza alaina baràka ity fitondràna

Fa tsisy mahantra hono eto an tanàna

Ilay taloha nilaza fa ny vola dia misy

Izao indray mitady ny plisy plisy

 

Ndehàna mangataka any amin’i Zandry

Satria ianareo ilay nanome sandry

Nanampy azy tamin’ilay nanongana

Ny azy izao mety,ny anareo mitotongana

 

Ndehàna mangataka any amin’i Deba

Nankaiza daholo ny vola naorony

Lazainy fa tsy nisy na dia rebareba

Jereo fa misokatra ny lavak’orony (…)

 

Dia efa sahy lahy ity jeneraly. Moa tsy efa fanitarana ny hetra isan-dahy ho hetra mian-dahy miam-bavy fa izany ? Fa nahoana no dia manao izany ? Ny dahalo eo anoloana efa mamely dia ianao ve ry jeneraly mbola handefona ireo sisa tsy maty ? Lozanao.

 

 

(…)Tsy hoe mandatsa na koa mikafara

Tsy olana amiko izay iray dolara

Fa mba miverena amin’ireo vahoaka

Fa tao amin’ireo ianareo no nivoaka

 

Ny eto anie ka tsy faha mpanjaka

Ka izay mitondra dia hahazo laka

Koa miovà haingana raha tena maika

Fa vonona izahay ny hanao tsipaipaika

 

VEVETNO 23/07/2017

 

https://www.facebook.com/groups/673951116123911/permalink/709138552605167/?pnref=story.unseen-section

 

 

Nanamarika ny faha-90 taona nisiany ny Gazety Lakroan’i Madagasikara. Arahabaina ianao ry zokiny indrindra amin’ny gazety mivoaka eto antanana. Zao anefa toa zary nandalo fotsiny izany fa na RaFanja aza toa tsy re niarahaba anao sa ianao sy ny tsy misy no nampitoviany ? Angamba. Tsoriko kosa fa zaranao koa aza tsy fantany fa malalaka kokoa ianao hanatontosa ny fanambinao hoe “feon’ny tsy manam-peo”. Jereo ihany anefa RaLakroa fa sao miteny an’efitra ianao. Etsy ankilany tokoa dia misy ireo mpiara-miasa aminao eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety no hanaovan-dry zalahy sonema. Nampanantsoina rehefa namoaka ilay fandaharana “tsy azo tsampona”. Sampona ho’aho isika e.

Dia hoy notsiahivin’ny poety Andy Rebabe  ny nambarany tany aloha tany.

 

Ho an'ialahy poeta sy ialahy mpanao gazety

 

Toa te hiteny ialahy, te hidradra mihitsy

fa sarintsariny ihany

ny zo sy ny safidy;

fa resabe sy fitaka

ny tena fahafahana,

fa kabary lava ambony vavahady

ny sata sy saranga

lazaina fa mitovy.

Kanefa ialahy tsy afaka, na dia maniry mafy !

 

fa voafehy ny vava,

tadiavin'"ny mpitondra" ho vidiana vola

 

fa voafehy ny tanana,

k'izay tian'"ny ngeza" no asainy ambara lava

 

fa voafehy ny maso;

takonana abobo sy resa-politika

 

fa voafehy ny sofina ;

tsy manan-jo hihaino ny marina rehetra ?

 

Kanefa izao tsarovy, mpanoratra ialahy

mpanao gazety sambatra :

andry andrasanay hijoro am-pahasahiana,

loharano soa hamelon'aina anay matin-ketaheta,

afo sy fanilo hany manazava ny haizinkitrokay,

tany itsanganan'ny tongotray marefo sy kere,

habakabamanga antenaina hitondra fanan'ny johary !

 

Hangina ve ialahy ? ho moana an-tsitrapo

sa hanampimaso, hanao raosy jamba ?

minia hanampi-tsofina, minia ho bemarenina,

sa hamonkon-tanana, hamihina ny azo ?

 

Mba saino ho'aho lehiroa......

.....ho lo anie ny penina é !

 

Andy Rebabe 24 novambra 2012

 

https://www.facebook.com/photo.php?fbid=4467794509463&set=a.2579191575570.69485.1727822127&type=3&theater

 

Ahitana izany fa ny omaly tsy miova ny fiainanao mpilaza vaovao. Efa tany amin’ny taona 2012 no noraketina an-tsoratra izao ary dia mbola ny omaly ihany no anio. Koa sahia manova fa ny penina no fitaovanao, ny rezo sosio no basy marovavanao…

 

Fa isan’ny nanaitra koa ny fametraham-pialan’ny minisitra Gervais. Tsy idirako izay antony nametrahan'Andriamatoa Minisitra ny fialana fa DERAIKO ny fomba filazany AMIN'NY TENY MALAGASY tsy mifangaro teny vahiny hoy i Andy Rebabe.

Fa inona tokoa re no ao ambadik’izao fialana izao ? Araho ny fitsokan’ny rivotra politika hoy ny fomba fitenin’ny Rouges Experts fahiny. Tsy miova izany hafatra izany. Toy ny ao anaty lakana misy lay isika ka manaraka ny fitsokan’ny rivotra rehefa tsy mahatakatra sambo mandeha amin’ny motera. Fa ao ireo milaza fa resaka vola vaovao no nahakivy ity mpampianatra. Tsy ny kalitaon’ireo ravim-bola akory fa ny tsy manaram-penitra ny famoahana azy na ny fotoana ny fombafomba namoahana azy. Ao ireo miteny fa misisika mafy loatra ny Sinoa ka tsy manaiky mora foana ny tandrefana.

 

Dia hoy ary i Andy Rebabe  

 

Razery ve ?

 

Razery ve no diso

Sa ireto piso

Mileladela-molotra

Fa indro efa atolotra

Izay handimby azy ?

 

Razery niala-nenina

Sy nipenimpenina

Nametraka fanamby

Tsy niandry tamby

Nisedra vazivazy ?

 

Razery ve no fositra

Nandà ireo tolo-botsitra

Niala fandrahonana

Sy tifitra an-takonana

Nataon'ireo mpanenjika ?

Razery mafy fo

Nihifikifi-doha

Tsy mety mba niaro

Na nifangaroharo

Tamin'ny endrikendrika ?

 

Razery ô ! Razery

Ovay ny fijery

Diniho ireo mpiserana

Mpitsiriritra toerana,

Manao ny fomba rehetra

Be tetika voretra

Handimby sy handroba

Tsy mahalala fomba !

Amboa mitafy ondry

Manafina komondry,

Te hanasohaso

Mpandaka tsy hita maso !

 

Razery ve no diso

Sa ireto piso ?

 

Andy Rebabe ( sao dia ataon'ialahy hoe...)

Andy Rebabe

17 juillet, 19:34 ·

 

Tsy idirako izay antony nametrahan'Andriamatoa Minisitra ny fialana fa DERAIKO ny fomba filazany AMIN'NY TENY MALAGASY tsy mifangaro teny vahiny hoy Andy Rebabe.

Fa inona tokoa re no ao ambadik’izao fialana izao ? Araho ny fitsokan’ny rivotra politika hoy ny fomba fitenn’ny Rouges Experts fahiny. Tsy miova izany hafatra izany. Toy ny ao anaty lakana misy lay isika ka manaraka ny fitsokan’ny rivotra rehefa tsy mahatakatra sambo mandeha amin’ny motera. Fa ao ireo milaza fa resaka vola vaovao no nahakivy ity mpampianatra. Tsy ny kalitaon’ireo ravim-bola akory fa ny tsy manaram-penitra ny famoahana azy na ny fotoana ny fombafomba namoahana azy. Ao ireo miteny fa misisika mafy loatra ny Sinoa ka tsy manaiky mora foana ny tandrefana.

 

Fa ny vaovao farany nahoraka teto antanana dia ity hoe

“Hody hono i Marc Tatandraza”.

dia misy manisy sira hoe

mitahia rehefa lasan-ko raza.  

 

Tsaroako ny fitenin’ny ankizy fahiny

 

Aleo handeha izay tsy tamana

fa izahay koa tsy mitana

 

Veloma iaby antikany fa amin’ny manaraka koa manao misimisy rô.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Aug. 2017 - 12:18-

    Articles du  14-8-2017. Education : http://www.lakroa.mg/item-1135_articles_education_18-22-futurs-receveurs-des-postes-ont-ata-formas.html et Société : http://www.lakroa.mg/item-1136_articles_societe_18-ganaration-2000-vs-zenerasion-salaka.html

  • 14 Aug. 2017 - 10:35-

    Football Chan 2018. Le match de football entre les équipes de Madagasikara et Angola s’est terminé sur le score nul à Mahamasina. Les deux équipes se sont séparées sur le score vierge après les 90 minutes temps réglementaires. Pour l’entraineur malagasy c’est un bon résultat dans la mesure où l’équipe adverse n’a pas marqué à Mahamasina. Les Barea devront en tout cas trouver le chemin des filets pour le match retour. Ce match retour se déroulera dans une semaine. Les Barea devront marquer et faire au minimum match nul mais gagner serait préférable.

  • 11 Aug. 2017 - 14:30-

    Fermeture d'un collège à Talatamaty. La décision prise par la justice Mercredi dernier force le "Light Collège International" a fermé ses portes. Nombreux sont les causes de ce verdict comme : l'insécurité. Un chef de service du MEN a assisté à ce procès. Comme il est dit que ce collège entraîne les enseignants à devenir des terroristes, le Haut  Commissariat des Nations Unies pour les réfugiés ou UNHCR décide d'intervenir pour y voir plus clair. Ils désapprouvent les divers  accusations portés sur le collège. Pour le moment, le LCI reste fermer.

  • 10 Aug. 2017 - 10:20-

    Divers problèmes pour l’installation du numérique. Selon l’Union Internationale des Télécommunications (UIT), le basculement vers le numérique des pays africains doit être effectué en 2020. Madagascar risque d’avoir du retard car de nombreuses étapes sont à suivre. Outre l’élaboration des diverses structures et les textes règlementaires, il lui faut trouver le financement nécessaire. D’après le secrétaire général du ministère de la communication et des relations avec les institutions, le financement de ce projet s’élève à plus de 160 millions de dollars.


  • 03 Aug. 2017 - 13:27-

    Georges Ruffin au sein d’un problème foncier. Un terrain de 569 ha sis à Soavinandriana est le sujet d’un litige entre l’ancien ministre Georges Ruffin et les gens qui ont occupé ce terrain depuis de nombreuses années. Aux dires de gens qui occupent ce terrain leurs ancêtres ont occupé ce terrain bien avant la colonisation. Une fois les colons en place, ils ont pris le terrain sans réellement le mettre en valeur. Puis de 1970 à 1988 les paysans ont occupé le terrain sans rencontrer de problème. L’affaire est en cours devant la justice.

  • 02 Aug. 2017 - 14:56-

    Farmshop présente au FierMada. L’entreprise Farmshop est présente au FierMada comme à l’accoutumée. Les technicies de cette entreprise sont à la disposition des visiteurs de cette foire. Pour Lila Ratovoharisoa la présence de Farmshop est car elle se dédie au monde rural (éleveurs et cultivateurs). Cette entreprise assure la distribution des produits Avitech (poulet d’un jour) et des provendes Lfl. Farmshop assure en temps ordinaire une séance de formation gratuite pour tous les éleveurs. Cette année 2017, Farmshop célèbre ses 5 ans. Le programme de cette célébration sera publié prochainement.

  • 02 Aug. 2017 - 14:55-

    FierMada 2017. La foire internationale de l’économie rurale ou FierMada pour l’année 2017 a ouvert ses portes ce 2 août 2017. Il durera jusqu’au dimanche 6 août. Une foire dédiée au monde rural. Les stands de cette foire présentent les produits des agriculteurs et des éleveurs (animaux et poissons) venant de plusieurs régions de Madagasikara. Rivo Rakotovao, ministre de l’Elevage et de l’Agriculture, a procédé à l’ouverture officielle de cette foire. Il était entouré de deux ministres du gouvernement (le Ministre de l’Industrie et la Ministre de l’environnement et de l’écologie).

  • 31 Jul. 2017 - 08:26-

    Portes ouvertes de l’Ispm. L’Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar organise une porte ouverte hors de ses locaux. Cet événement se déroule au Carlton Anosy (Antananarivo) les 1er et 2 août 2017. Ce rendez-vous annuel fait suite aux portes ouvertes organisées récemment dans les locaux de l’Ispm. Durant ces deux jours les meilleurs projets élaborés par les étudiants dans les différents parcours et diverses mentions au sein de cet établissement supérieur sont présentés au grand public notamment aux futurs ou récents bacheliers. Il est à noter que l’Ispm présente ce rendez-vous depuis plus de vingt ans.

  • 31 Jul. 2017 - 08:25-

    EGM et son festival conservatoire. Pour clore l’année scolaire 2016-2017, l’école de musique EGM devenu conservatoire de musique a organisé ce samedi 29 juillet et dimanche 30 juillet un événement 2 en 1. Il y a eu le 29 juillet les examens devant public et le dimanche 30 juillet un concert de violon. Tous les étudiants issus des différentes sections ont envoyé leurs représentants. EGM est présente à Antananarivo (67 ha, Ambatonakanga, Anjanahary), Antsirabe, Toamasina. Selon Sitraka Randrianarivony, un responsable pédagogique de l’EGM, EGM délivre un diplôme de DTS.

  • 31 Jul. 2017 - 08:23-

    FIZA Mangoro. Les natifs de Mangoro se sont donné rendez-vous ce samedi 31 juillet 2017. C’est une rencontre organisée par l’association Fiza Mangoro. pour se souhaiter les meilleurs vœux, pour se divertir et pour se mobiliser. En matière de divertissement les organisateurs ont invités de grands artistes comme Njakatiana, tarika Nantenaina et des groupes artistiques issus du terroir. Malgré la pluie les artistes ont donné le meilleur d’eux-mêmes.  Augustin Rakotonirina, président de Fiza Mangoro, a rappelé que l’association vise à mobiliser les forces vives de Mangoro pour réaliser diverses actions visant le développement de cette région.

  • 26 Jul. 2017 - 08:41-

    5ème édition de la foire Ankolagny. La cinquième édition de la foire économique Ankolagny se déroulera du 11 au 13 août 2017. Cette foire est organisée par l’équipe du programme Prosperer Sofia. L’objectif de cette manifestation est de faire rencontrer les organisations de producteurs aves les opérateurs de marché afin de promouvoir les relations commerciales entre les deux entités. Selon Rafaralahy Redeck, coordonnateur du programme Prosperer Sofia, cette cinquième édition se veut être plus ouverte aux participants venant de diverses filières et des opérateurs originaires d’autres régions. Il invite tous les opérateurs économiques à visiter la centaine de stands (donc d’opportunités) prévue pour la foire.

  • 26 Jul. 2017 - 07:53-

    Nodimandy i Mgr ZEVACO Pierre. Nindaosin'ny fahafatesana ny 25 jolay 2017 tamin'ny 7 ora sasany maraina teo i SE Mgr ZEVACO Pierre. Lavo teo amin'ny faha 92 taonany ny andrarezin'ny Fiangonana. Ny nofo mangatsiaka dia amin'ny tranon'ny Fikambanana Lazarista Tanantsoa ao Fianarantsoa. Anarany feno: Jean-Pierre-Dominique Zévaco. Teraka ny 30 Jolay 1925 (92 taona) tao Vico France. Fikambanana: Lazaristes. Nanamasinana ho pretra: 29 juin 1959, Fikambanan-dRelijiozy Lazariste. Fanamasinana ho eveka: 12 janvier 1969 - Mgr Gilbert Ramanantoanina. Evekan’ny Diosezy Tolagnaro: 26 septambra 1968 - 24 avrily 2001 ary Évêque émérite nanomboka teo. Aoka samy hiara-hiombom-bavaka ho an’ny fialantsasatry ny fanahiny isika mianakavy.

  • 26 Jul. 2017 - 06:57-

    Région Anosy dynamique. Pour Tanjaniana Juliot, Chef de Région Anosy, plusieurs signes indiquent le dynamisme de la région qu’il préside. Pour ce chef de régionles publication sur le compte Facebook de la Région Anosy (https://www.facebook.com/regionanosy.anosy) indique ce dynamisme. Il cite entre autres les différents ateliers de formation pour le développement local du 10 au 14 juillet, la dotation en matériel (motos cross), les initiatives des organismes comme la Chambre de Commerce et d’Industrie cette dernière initie pour la fin du mois de juillet du festival de la mer.

  • 25 Jul. 2017 - 09:19-

    Lahatsoratra ny 25 jolay 2017. ao amin'ny sokajy politika no misy lahatsoratra navoaka ho an'ny anio : http://www.lakroa.mg/item-1118_articles_politique_18-jeneraly-manampi-maso-sy-manao-miaoa.html

    Sy ao amin’ny sokajy NTIC http://www.lakroa.mg/item-1119_articles_newtech_18-fablab-solidaire-mamiratra-racompensa.html

  • 24 Jul. 2017 - 07:16-

    Epreuves du baccalauréat session 2017. Les épreuves écrites du Baccalauréat général se dérouleront du lundi 24 au jeudi 27 juillet prochain pour l’année scolaire 2016-2017. Les épreuves écrites pour l’EPS auront lieu le vendredi 28 juillet. Les épreuves écrites du Baccalauréat technique et technologique se dérouleront du 31 juillet au 3 août 2017. Le nombre total de candidats au baccalauréat dans la Grande Ile atteint 177 686 pour cette session. Ils sont répartis dans 270 centres d’examen.

  • 21 Jul. 2017 - 06:52-

    20 juillet 1947 - 20 juillet 2017 Pour tes 90 ans,
    Nous cueillons la joie de tes dix ans,
    La folie de tes vingts ans,
    La sagesse de tes trente ans,
    Le travail de tes quarante ans,
    Les découvertes de tes cinquante ans,
    Le renouveau de tes soixante ans,
    Les voyages de tes soixante-dix ans
    La quiétude de tes quatre-vingts ans.
    Prend tout cela comme un bouquet,
    Si agréable à contempler.
    Joyeux anniversaire Lakroan'i Madagasikara

  • 18 Jul. 2017 - 11:56-

    Open Fokontany. Orange Madagascar, Habaka et Giz allient leurs capacités d’innovation pour accompagner la transformation digitale de la commune rurale d’Anosizato Ouest. Habaka met à disposition les données de la commune en libre accès et sur une plateforme géospatiale. Cette innovation va permettre aux sept fokontany de la commune de s’ouvrir sur de nouveaux horizons de développement, et d’accéder  à de nouvelles opportunités d’investissement. La mise en place d’un tel dispositif d’accès à des données nécessite des moyens techniques et humains. Francia Andriamampionona, directeur des relations publiques d’Orange Madagascar, a remis ce 18 juillet des équipements nécessaires pour la réalisation de cet open fokontany (100 smartphones, 28 tablettes pour les développeurs et une connexion internet ultra haut débit).

  • 18 Jul. 2017 - 06:48-

    Cours Rasolotafika. Les professeurs au sein du groupe Cours Rasolotafika affirment qu’ils ne craignent pas les conséquences des déclarations répétées du ministre de l’Education Nationale. Ces déclarations concernent la volonté des responsables du Ministère d’augmenter les difficultés au niveau des examens officiels ceci afin de piéger les élèves qui se contentent de répéter les exercices dits sujets-types. Pour ce groupe les professeurs ne distribuent pas de polycops ni de sujets types. Ils ne donnent pas non plus de cours après bacc pour préparer les différents concours. Ce sont des signes que les bases sont bonnes.

  • 17 Jul. 2017 - 11:54-

    25ème anniversaire du Fiefa MirMad. Le FieFa Mir Mad  ou Fikambanana Entanin’ny Fampihavanana eto Madagasikara branche à Madagasikara du Mouvement International de la Réconciliation  va célébrer son 25ème anniversaire cette année. La célébration de cet anniversaire se fera ce vendredi 21 juillet en son siège au Village Saint François. La célébration commencera par une prière œcuménique qui sera suivie par une conférence-débat avec trois intervenants (le pasteur Tehindrazanarivelo, Rabetafika Fulgence, Serge Ramiandrasoa). « La non-violence électorale » est le thème de cette conférence-débat.

  • 14 Jul. 2017 - 07:21-

    AFIFAB 35 taona. Ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia mankalaza ny faha-35 taonan’ny AFIFAB na Asa Fifandraisana sy Fampahalalam-baovao. « Maro ny fandahanarana entina hanamarihana izany tsingerin-taona izany ka ny fanompoam-pivavahana no hanokafana izany vanim-potoana izany ary hanasana ny rehetra » hoy ny sekretera jeneralin’ny Afifab . Ny fanompoam-pivavahana fanakalazana an’Andriamanitra dia ho tontosaina ny sabotsy 15 jolay 2017 amin’ny 3 ora tolakandro ao amin’ny fiangonana Fjkm Atsimon’i Mahamasina. Ny fanapariahana ny Radio Fahazavana no ho tsangambaon’ny faha-35 taonan’ny Afifab.

Du même auteur

societe
education

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité