logo
Lakroan'i Madagasikara
Asa sy fiahiana sosialy

Nanatona ny tanora ny Cnaps

Rabodoson Voahangy il y a 2 années

Nandritra ny roa andro nanaovana ny hetsiky ny fiaraha-miombon’antoka sy ny fampananan’asa manoloan’ny Lapan’ny tanàna Antananarivo dia nandray anjara navitrika ary nampahafantatra ny asa iandraiketany ny Cnaps.

Nanatona ny tanora ny Cnaps

Ny tanora no ho mpiasa rahampitso na koa ho mpampiasa rahatrizay. Izay indrindra no mahatonga ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy(CNaPS) manatona akaiky azy ireo, mampahafantatra ny momba ny fiahiana ara-tsosialy izay didin’ny lalàna velona eto amintsika ny momba azy io, ka ny CNaPS no natao hiahy izany ho an’ireo eo amin’ny sehatry ny asa tsy miankina na koa ny mpiasam-panjakana Ecd.

 

Nandritra ny roa andro (21 sy 22 jolay) nanaovana ny hetsiky ny fiaraha-miombon’antoka sy ny fampananan’asa manoloan’ny Lapan’ny tanàna Antananarivo dia nandray anjara navitrika ary nampahafantatra ny asa iandraiketany ny Cnaps ka ny “Fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra andraikitry ny rehetra” no novelabelarina ankoatra ireo fanontaniana nanitikitika ny mpitsidika teo amin’ny tranohevan’ny Cnaps.

 

Nifantoka tamin’ny fandraharahana ny hetsika natao ny 21 sy 22 jolay teo manoloana ny Lapan’ny Tanana. Ny tanora izany no tena nokendrena handray anjara mavitrika tamin’ity hetsika. Minisitera maromaro raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny Fampianarana tekinika sy ny fampananan’Asa andaniny ary ankilany ny Indostria no nandray anjara amin’ny hetsika. Nandray anjara mavitrika amin’ny fanaovana tranoheva ihany koa nefa ny Tahirim-pirenena satria ny tanora no ho mpiasa rahampitso na koa ho mpampiasa rahatrizay. Noho izany, dieny izao dia mila ampahafantarina azy ireo ny momba ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy izay iandraiketan’ity orinasam-panjakana ity, ka tsy ny mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ihany fa ny mpiasam-panjakana Ecd ihany koa dia anisan’ny misitraka ny zo momba izany. eo amin’ny vinan’ny ho avy kosa, efa andalam-pametrahana ny fampitomboana ny sokajin’olona misitraka izany zo izany ny CNaPS ka anisan’izany ireo mpiasa tenany toy ny mpanjono sy ny mpamboly sy mpiompy izay fehezina amin’ny teny tokana hoe tantsaha. Efa eo am-pijerena izany akaiky ny Tahirim-pirenena miaraka amin’ny Tranoben’ny tantsaha saingy mbola tsy vita hatramin’ny farany ny fanadihadiana.

Nampahafantarina sy niresahana mivantana

 

Koa mandritra izao hetsika ny 21 sy 22 jolay teo, niresaka tamin’ireo tanora maro be tonga nanatona ny tranohevan’ny Cnaps ireo tomponandraikitra. Tao ireo nanadihady lalina ny momba ny asa sahanin’ny Cnaps. Tao kosa ireo efa mpikambana, ka nisy ny olana nosedrain’izy ireo teo amin’ny fahazoana ny zony, ny volan-jaza, ohatra. Tao koa ireo nanana olana momba ny fisotroan-dronono satria efa 20 taona mahery no nitsahatra niasa, efa nihoarana ela ihany ny faha-60 taona nisokafan’ny zo momba ny fisotroan-dronono kanefa tsy nahalala ny pitsopitsony tokony ho natao. Nitondra fanazavana sy nanampy ireny olona samihafa nanana olana ireny ny mpiasan’ny Cnaps. Tao kosa ireo naniry ny hampahafantatra ny momba ny orinasa vao nosokafany sy ny tokony hatao ary tsy vitsy ihany koa ireo efa mpiasa mpikambana eo anivon’ny Cnaps no nijery ny kaontiny, ka afa-po tamin’ny fahazoana valiny mifanaraka amin’ny zava-misy.

 

Fa ankoatra ny tranoheva, nisy ihany koa ny lahadinika nentin’ny Cnaps tamin’ny alalan-dRandriamasimanana Nivo Sahondra, nanazavany ny momba ny “Fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra andraikitry ny rehetra”. Ny asa sahanin’ny Cnaps sy ny atao hoe fiahiana ara-tsosialy no tena novelabelariny tamin’izany. Tetsy amin’ny Hotel Le Grand Mellis Analakely ihany moa no nanaovana izany. Maro ireo liana ary tsy vitsy ireo nametraka fanontaniana. Ny sasany efa am-perin’asa, fa tao ihany koa ireo tanora mbola eo am-pamitana fianarana. Iray amin’ireny i Voahirana izay niaiky ny maha-zava-dehibe ny fiahiana ara-tsosialy satria fanoitry ny asa famokarana noho izy manosika ny mpiasa hamokatra bebe kokoa. Ny fahafantaran’ny mpiasa fa misy fiahiana ny hoaviny, indrindra ny taom-bolofotsiny, hoy hatrany izy dia manosika azy hamokatra bebe kokoa. Tsy fantatra mazava nefa ny momba ireo zo eo amin’ny fiahiana ara-tsosialy ireo raha tsy nanao iny lahadinika sy tranoheva iny Cnaps koa dia nentaniny ny tanora toa azy mba hanatona eny an-toerana amin’ity anio ity fa mahasoa ny fahafantarana izany.

 


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité