logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Loza iray, loza roa, poapoa mbay tany sao mahavoa…

Ratalata Jn Bà il y a 2 années

Saika isan’andro vaky izao no misy ny resaka faty olona hita etsy sy erao. Lalana natoraly ny fahafatesana saingy rehefa misesy ny fahafatesana volena dia mila mitsahatra, mijanona manontany tena. Mamy Rakotoarivelo, Vatofotsy Antsirabe, Ankazobe…

Loza iray, loza roa, poapoa mbay tany sao mahavoa…

Manoloana ny nahafaty an’i Mamy Rakotoarivelo dia samy nanana ny fihetseham-pony ny tsirairay. Maro ireo fanehoan-kevitra na commentaire teo amin’ny fesiboky. Nanana ny fanehoany ny zava-misy ko any mpanakanto. Roa amin’ireny no zaraina eto. Aingam-panahy samy manana ny azy tokoa ka miavaka na ny endriky ny tononkalo na ny voambolana.

 

……………

Aza...

Izaho tsy mila voninkazo

Raha efa any anaty vatan-kazo

Vao ravahana ho tsara

Atao tsara karakara

 

Aza alatsaka akory

Raha hisy ihany ranomaso

Fony aho mbola ory

Moa ianao nanafosafo?

 

Aza ambara eo an-tsofoko

Fa tsy hisy reko na dia kely

Efa nijanona ny foko

Izao ianao vao sahy niteny?

 

Aza dokafana aho hoe tsara

Fahiny ianao tsy mba nahalala

Ny lanjan'ny hatsarako

Sao hiresaka amin ny vato

 

Tsy avona ...sanatria

Na hambo diso toerana

Na midongy ny fitia

An ity fiainana miserana

 

Fa mahitsy raha ny hevitro

Mba tsy hisy nenina ao afara

Raha hikatona ny endriko

Mandry eo am-parafara

Vao hilahatra hanambara

Fa ....iny anie ka olon-tsara

 

Baritafika July 28th 2017

Noho ity hafatra farany hitako nozarainy (tpkl M.R) ity dia narafitro tsotra tao anaty tononkalo io ambony io izany. Satria nampieritreritra ahy lalina tokoa ny tiany ambara.

 

https://www.facebook.com/toky.baritafika/posts/463947287319210?pnref=story

 

Nanana ny aingam-panahiny koa i Andy Rebabe. Vakio anie.

 

……………

Bala roa...bala rora !

Misento ny aveloko

Mahery ny alaheloko

Mahita diam-bala

Roa, tsy te-hahalala !

Nanjary resabe

Manaraka arabe

Ny lasan'ny tantarako

Ka betsaka no tsy arako.

Lazaina sy dradraina

Fa izaho manary aina

Kanefa mahavita

Mitifitra ny tsy hita.

Mba tena mahatalanjona,

Fa inona no tanjona

Hanitara-kevitra

Anaty tsaho matevina ?

 

Fa izao mihelohelo

Mirongatra alahelo

Ny mody tia rehetra

Mody manetsetra

Fa tamin'ny fahaveloko

Tamin'ny alaheloko,

Firy no nitsetra

Nandingana ny fetra ?

Fa rehefa indray aho lasana

Ambadiky ny fasana

Mipongatra daholo

Ireo karazan-dolo

Hitsetsitra ny mamy ?

Betsaka ireo tamy

Miseho ho tena namana

Sy tia manolo-tanana ?

 

 

Fony aho velona

'nareo nankahala

K'izao miteronterona

Miseho ho mahalala ?

Mpihatsaravelatsihy !

Mpamingana ny dia !

Ho ketohi-nenina,

K'aleo hipenimpenina !

 

Andy Rebabe /29.07.17 (sao dia ataon'ialahy hoe...)

 Andy Rebabe 29 juillet, 13:10 ·

 

 

 Nisy ny famonoana zazamenavava, tao ny fandatsahana aina feno habibiana vehivavy tany Vatofotsy na koa i Tsiandopy Jacky Mahafaly. Izany rehetra izany dia zary mampiaka-taraina ny mpanakanto izay miantso ny mpiray tanindrazana hoe :

 

……………

Malagasy o ! Malagasy

 

Dia hifamono ve isika fa mafy ny adim-piainana ?

Dia hivarina any ankady, handoto ny fisainana ?

Noho ny tsy fananana ny ampy dia mandromba no atao ?

Tsy iza no lasibatra fa izahay havanao…

Fantatrao ?

 

Efa ho isan’andro izao no misy ra mandriaka

Iza no nanao izany ? Isika samy isika

Malagasy izao, toa ahy sy toa anao

No nahavanona ny loza sao hadinonao

 

Valifaty ve ? Sa fitsiriritana harena ?

Tsy mihonona, tsy miezaka sa fitiavan-tena ?

No nanimba ny ao an-doha, ho lasa feno olitra

Hamingananao ny olona, ho potika sy rotika ?

 

Koditra ny tenako, tsy afeniko aminao

Very ilay fanahy tao anatinao tao

Mampivarahontsana, ny sary naparitaka

Fa dia nahoana loatra, sa ianao no ratsy vintana ?

 

Raha misy fahavalo izay tokony  hiombonana

Dia ny fahantrana, mitaky fahavononana

Fa raha famonoana olona, manoatra noho ny biby

Dia miala tsiny, miala fondro… fa aza omena tsiny

Raha hitotongana ny fiainana, hitafy fitarainana

Ny taranaka ao afara, ny zanaka sy zafy

Ho foana ny olon-tsara, hitombo ny olon-dratsy…

 

Nefa izaho sy ianao anie ka samy Malagasy.

 

Baritafika July 31th 2017

 

 

Soritana fa tao amin’ny Facebook na fesiboky no nangalana ny tononkalo tahaka ny fanao mahazatra fa io tambazotra dia mampiakatra aingam-panahy araho anie…

 

……………

FB

FB hoy aho fialam-boly

Nefa koa itanisana kolikoly

FB koa fotoam-bavaka

Fiangonana iray tena miavaka

FB feom-bahoaka

Zay tsy zaka eto no avoaka

FB filam-baniny

Itantarana ny tsy rariny

FB fanalam-baraka

Ny lagy koa be no maka

FB fitadiavam-bola

Varotana eto daholo ny vao sy ny tola

FB fitifiram-basy

Amelan-kafatra, andefasan-taratasy

FB koa fitadiavam-bady

Maso mijery lasa mitondra mody

 

Lantopiso Manantsoa

 

 

Inona no atao ? Hanangana saina fotsy ? Fa iza no mpandresy hanaterana izato saina fotsy ?Hangina hitolefika ?

 

 

 

Rehefa hanakatona ny fichier dia indro fa nilatsaka ny vaovao ratsy. Tra-doza ny fiara nitondra ireo STK avy any Itasy ho an’ny Mahajanga. Maro no maty be dia be ny naratra.

 

Hoy ny tononkalo iray tao amin'ny Fesiboky nanoloana izany

 

Miara-miombon-tsaona

Amin’ny fo mangasihasy

Ny jonitra natiora

Sy ny habaka any Itasy…

Mikopaka fanahy

Hody an-Janahary !

 

Ny kiaky ny ra

Misy hasina sy jina,

Manakoako mafy

Any Soavinandriana…

 

Mandria am-piadanana

Ny dimby sy fara !

Tomany an-kopa-tanana

I Madagasikara

 

Mizou (1 aogositra 2017)

 

Miondrika ampanajana.

Fotoana hanginana…

 

Ho fara-teny entina hisarahana, ny amin’ny anio re, indro teny notsongaina tato ho fanentanana : « Raha misy fahavalo izay tokony hiombonana, dia ny fahantrana ».

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 24 Jun. 2019 - 14:06-

    Un Chinois élu pour la première fois à la tête de la FAO. Le vice-ministre chinois de l'Agriculture, Qu Dongyu, a été élu dimanche 16 juin à la tête de la FAO, Agence des nations unies pour l'agriculture et l'alimentation en obtenant une majorité absolue dès le premier tour de scrutin. M. Qu Dongyu, premier Chinois à accéder à cette fonction, a obtenu 108 voix, la candidate française Catherine Geslain-Lanéelle, 71 voix et le candidat géorgien Davit Kirvalidze, 12 voix, selon le décompte annoncé après le premier tour de scrutin.

  • 23 Jun. 2019 - 07:30-

    Coupe d'Afrique des Nations. Les Barea ont arraché le nul face au Syli national dans le cadre de la première journée de la CAN 2019 pour le groupe B. La Guinée a dominé la première période mais les hommes de Nicolas Dupuis ont vite pris le dessus grâce au but de Anicet (48’) et Carolus (55’). Les Barea affronteront le Burundi pour la deuxième journée.

  • 22 Jun. 2019 - 09:00-

    CAN 2019. La VAR sera utilisée à partir des quarts de finale de la Coupe d'Afrique des Nations. Le président de la CAF, Ahmad Ahmad, l’a annoncé la veille de l’ouverture de la compétition continentale. « Au début, c'était prévu pour les demi-finales, mais nous avons exigé qu'il fallait aller un peu plus en avant. Le comité exécutif a décidé pour les quarts de finale, pour que ce soit une réussite », a-t-il déclaré.

  • 20 Jun. 2019 - 11:30-

    5G. Depuis le début de cette année, de nombreux fabricants de téléphones ont dévoilé leurs prochains téléphones 5G. Le résumé, de ce que les principaux fabricants de téléphones prévoient, est dans l'article https://www.lakroa.mg/item-1739_articles_newtech_18-diverses-marques-compatibles-avec-le-raseau-5g.html 

  • 20 Jun. 2019 - 10:30-

    Ambassade de France. L’ambassadeur de France à Madagascar, Véronique VOULAND-ANEINI, a donné une conférence de presse, le mercredi 19 juin à Ambatomena. Elle a fait le bilan, plutôt positif, de ses quatre années à la tête de la mission diplomatique française à Madagascar.  

  • 20 Jun. 2019 - 07:05-

    Vidin-tsolika. Hidina ny vidin’ny solika avy amin’ny fihaonan’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo mpandraharahan'ny solika. Hihena 500 ariary ny vidin’ny pétrole, ny gasoil dia hihena 150 ariary ary ny lasantsy dia hihena 100 ariary. Tanjona tamin’izany ny mba hampihena ny vidim-piainana eo anivon’ny tokantrano malagasy. Hihena arak’izany ny saran’ny fitaterana solika alain’ireo mpandraharaha ireo.

  • 19 Jun. 2019 - 14:30-

    FIJEV. La Forum International des Jeunesses et Emploi Vert (FIJEV) se déroule au CCI Ivato et prendra fin le samedi 22 juin 2019. Cette édition régionale réunit 250 participants parmi lesquels 200 jeunes- entrepreneurs issus du Comores, Djibouti, Seychelles, île de la Réunion, Mayotte, Maurice, Mozambique et Madagascar avec les experts et représentants des institutions nationales et internationales. Différents ateliers pratiques et des foires pour les emplois verts sont au programme pour ce forum.

  • 19 Jun. 2019 - 12:10-

    Lalàna mifehy ny serasera. Manomboka any Mahajanga ny fihaonana fakan-kevitra isa-paritra ho fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera izay tarihan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tanjona amin’izany ny fanolorana tolo-dalàna vaovao eo anivon’ny Antenimiera.  

  • 19 Jun. 2019 - 11:00-

    Retrouvez lakroa.mg sur Facebook en cliquant sur le lien : https://www.facebook.com/lakroamg/

  • 19 Jun. 2019 - 09:00-

    CAN 2019. Finalement, la CAN 2019 se jouera avec 24 équipes. En effet, le Mali était incertain pour cette édition après l’ultimatum de la FIFA par rapport au retard du nouveau statut de la fédération malienne de foot (Femafoot). Le comité de normalisation de la Femafoot à voter de nouveaux statuts conformément aux exigences de la FIFA. Cette dernière devra valider le processus avec la CAF.  Pendant ce temps, la participation du Mali à la compétition continentale est assurée.

  • 19 Jun. 2019 - 07:21-

    Mpisoloky tratra. Nohon’ny fisolokiana volan’olona, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-6 ny vehivavy roa ary lehilahy iray. Tratra teo ampanatanterahana ny asany ilay lehilahy. Saika haka vola mitentina 40 millions ariary miaraka amin’ny taratasy hosoka tany amin’ny banky no nahatratrarana azy. Nanoro avy hatrany ny misy ireo vehivavy roa namany ity lehilahy ity.

  • 18 Jun. 2019 - 15:24-

    En garde à vue. L'ancien président de l'UEFA Michel Platini est placé en garde à vue sur une affaire de corruption relative à l'attribution de la Coupe du monde 2022 au Qatar. Platini est questionné pour « faits de corruption active ou passive de personnes n'exerçant pas une fonction publique ». La FIFA affirme être au courant des informations concernant Platini mais ne dispose pas des détails de l'enquête en cours.

  • 18 Jun. 2019 - 08:12-

    Prix du carburant. Répondant à la question concernant la hausse du prix du carburant, le Président Andry Rajoelina a vivement affirmé qu’il ne fléchira pas devant le lobby des pétroliers et que sa priorité reste l’intérêt du peuple malagasy. En ce moment, une rencontre se déroule entre le Chef d’État et les opérateurs pétroliers afin de discuter de la baisse du coût du carburant ainsi que celui des groupes utilisés par la Jirama.

  • 24 May. 2019 - 07:48-

    18 sisa ny isan’ny senatera. Raha 63 ny isan’ny senatera teo aloha dia lasa 18 sisa izany. Ny fanovana dia noraisina nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra natao tany Antsiranana ny 22 mey 2019 teo. Mitsinjara toa izao izany isa izany : ny roa ampahatelony fidiana mitovy isa, isaky ny faritany avy izany hoe 12 voafidy ka loholona roa isaky ny faritany (teo aloha). Ary ny 6 tendren’ny Filoham-pirenena avy amin’ireo vondron-kery maro an’isa indrindra amin’ny lafiny toekarena sosialy sy kolontsaina na noho ny fahaizany manokana.

  • 21 May. 2019 - 08:25-

    Drapeau à damier pour Lauda. Le triple champion du monde de F1 et président non exécutif de l'écurie Mercedes, dont l'état de santé inquiétait depuis une transplantation pulmonaire l'an dernier, est décédé à l'âge de 70 ans. Sa famille l'a annoncé dans un texte diffusé aux médias : «C'est avec une grande tristesse que nous vous annonçons que notre cher Niki s'est éteint paisiblement, entouré de ses proches, ce lund 20 mai. » L'état de santé de celui qui était devenu président non exécutif de l'écurie Mercedes en 2012 s'était dégradé à l'été 2018.

  • 03 May. 2019 - 07:39-

    2019, des médias sous influence. La précarité des journalistes et des médias malgaches les rend particulièrement vulnérables à l’influence des hommes d'affaires et des responsables politiques qui possèdent de nombreux organes de presse. L’élection présidentielle remportée fin 2018 par l’ex-leader de la transition Andry Rajoelina a confirmé la très forte politisation des médias locaux et notamment de la presse écrite. La quasi-totalité des titres ayant pris parti pour l’un ou l’autre des principaux candidats, l’accès à une information neutre et indépendante a été fortement limité. Le ministère des Affaires étrangères a directement écrit à l’ambassade d’Allemagne pour empêcher la publication d’un sondage dans un magazine d’information financé par une fondation allemande. Sur le plan légal, le Code de la communication adopté en 2016 fait référence. Au classement mondial de la liberté de la presse 2019 de RSF, Madagascar se trouve à la 54 place, classement depuis 2013.

  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 06 Mar. 2019 - 07:23-

    Carême 2019. Le temps de Carême 2019 commence ce jour, Mercredi des cendres. Pour nous accompagner dans ce temps fort de notre foi voici deux liens :

    Message intégrale du Pape pour ce Carême 2019

    https://www.lakroa.mg/item-1640_articles_une_18-ala-craation-attend-avec-impatience-la-ravalation-des-fils-de-dieua-rm-819.html  

    Et une analyse succincte de ce message

    https://www.lakroa.mg/item-1641_articles_religion_18-se-convertir-pour-auvrer-a-la-rademption-de-la-craation.html


  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

Du même auteur

sport
actualites

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité