logo
Lakroan'i Madagasikara
Fesiboky

Toerana fanalam-baraka ve...?

Ratalata Jn Ba il y a 2 années

Be no azo hifampizaràna raha ny vaovao farany teo. Marono namoaka ny heviny raha ny mikasika ny olzam-pifanmoivoizana nahafatesana ain'olona maro. Naneho ny heviny ny filoham-pirenena momba ny tambazotra sosialy. Toa tezitra toa te hananatra ny fandrenesana azy.

Toerana fanalam-baraka ve...?

Tahaka izao hono no voalazan'ny filoham-pirenena « RAIM-PIANAKAVIANA manana ankohonana ny Filohampirenena. Manana ny feon'ny fieritreretany ihany koa. Ka AOKA HATSAHATRA ny feo ratsy izay haelinareo, ao amin'ny TAMBAZOTRA SOSIALY, indrindra indrindra, sy eny anivon'ny Fiarahamonina amin'ny filazàna fa ny ataon'ny Mpitondra no mampirongatra ny lozam-piarakodia. »


Tsy handany andro hamaly ny Filoha isika fa ndeha re izay hita eto amin’ny fb no hilazana ny famaritana sy hitanisana ny mety ho hita eto amin’ny tambazotra sosialy ka iray amin’ireny ny Fb na fesiboky (fe sy boky na fetsy boky fa Facebook no tena izy e).

Hoy i Lantopiso Manantsoa hoe

 

FB

FB hoy aho fialam-boly

Nefa koa itanisana kolikoly

FB koa fotoam-bavaka

fiangonana iray tena miavaka

FB feom-bahoaka

Zay tsy zaka eto no avoaka

FB filam-baniny

Itantarana ny tsy rariny

FB fanalam-baraka

Ny lagy koa be no maka

FB fitadiavam-bola

Varotana eto daholo ny vao sy ny tola

FB fitifiram-basy

Amelan-kafatra, andefasan-taratasy

FB koa fitadiavam-bady

Maso mijery lasa mitondra mody

 

https://www.facebook.com/lantopiso.m

 

Dia nambarany hoe samia manohy…

Ireto ary ny tohiny e

 

 

Isan’ny tononkalo voalohany navoakantsika teto ny asan’i Ikaloyna Vony

 

 

Sova momba ny "Facebook "

 

Vaky ny sôva momba ny "Facebook" :

Tekinikam-bazaha avy tany ho any.

Mpampita vaovao maneran-tany.

Hafainganam-pandeha ts'isy ohatr'izany.

Ny hafatra anatiny tsy mety lany.

 

Tsy mifidy na an-trano na eny an-dalana.

Na solosaina na finday atao an-tanana.

Na sary na soratra hita ao daholo.

Na zaza na vantony na fotsy volo.

 

Varotra, asa, zava-mahasoa.

Ny mpitovo ao mifidy 'lay andrian'ny fo.

Ny manana mitady " 'zay ho faharoa "

dia mody hoe " mpinamana " izy roa !

Mba mailomailo re ramatoa !

Tandremo sao tezitra izay voa an !

 

Ikaloyna 08/02/15

http://www.lakroa.mg/item-960_articles_culture_18-sova-momba-ny-facebook.html

 

Dia namoaka ny heviny koa i Rasamy eo amin’ny takila iray hitantsika eo ambany ny rohy hanarahana azy. Resabe tsy mety tapitra ny azy araho anie…

 

 

Fesiboky fesiboky

 

Ity fesiboky ity ange ry zareo

Miangavy mba avalona hatreo

Tsy misy ilana azy io fa avelao

Ny asa sy fianarana atao

 

Mangina re ty vava akombony

Ny toetra tsaranao koa tazomy

Dia aza be sermona razoky

F’izahay tena mirevy fesiboky

 

Ka nareo anie toy ny adaladala

Isan’andro eo foana fa tsy miala

Marina tsy toy ny tsisy atao

Fesiboky fesiboky lava izao

 

Ka io samy manana ny reviny

Samy mba mambosaka ny heviny

Misy ny mandefa kalokalo

Ao koa ny mizara tononkalo

 

Ie, dia misy koa ny tia misehoseho

Farany hiboridana avy eo

Sary mitanjatanjaka io foana

Izany no hitanao mandavan-taona

 

Ka inona ary ny olana amin’izany

Sariny io ka izay hanaovany azy any

Raha toa ary izy mampiseho fitombenana

Ho azy fa tsy ho ahy ny fanenenana

 

Dia misy koa sarin’olona mikaly

Nefa ny any Atsimo izao mijaly

Mampidera vola sy harena

Nefa be ny mahantra mosarena

 

Ka ny mahantra tsy manao fesiboky

Ny any Atsimo koa tsy asanay razoky

Io no famelezana an-drafanjakana

Mba hiasa sy hanaraka lalàna

 

Ao koa tena misy fanalam-baraka

Mafy nohon’ny totohondry sy ny daka

Betsaka aza ireo efa nahita angano

Rava hatramin’ny fiainan-tokantrano

 

Izany kosa aloha dia tena adalana

Ny anay aza io hanovozam-pahalalàna

Ahitana izay mitranga eran-tany

Tsy miandry ela fa dia eo no eo ihany

 

Fa ao koa ny tanora no mifamotoana

Mifampitarika mba hanaonao foana

Tsy misy miafina tsara amin’ialahy

Ny zava-bitan’ilay « famille kanijah »

 

Ireny no atao hoe tanora ratsy taiza

Izany misy foana n’aiza n’aiza

Ny ankizy matoa tsy mahatoky

Tsy voatery vokatry ny fesiboky

 

Dia handeha aho f’ialahy tsy resy dohika

Aoriana isika roalahy mifankahita

Veloma koa hono ialahy hoy Madama

Ny ankizy koa ny anay izao mba salama

 

Hay, Veloma ary e dia mandram-pihaona

Amin’ny alahady ny fotoana

Fa i Madama sy ny ankizinao razoky

Hitako isan’andro anaty fesiboky

 

An? Ahoana tsara a?

 

Zany e, aza dia mba matokitoky

Fa ny zanakao efa mifesifesiboky

Dia mba araho maso koa ilay Madama

F’ianao rangahy aza dia mitamatama

 

Oadray, dia tena gaga indray aho ry zandry

Zao dia zao ihany aho fa tsy hiandry

Ndeha koa mba hanao fesiboky

Aleo ajanona amin’izay ny vaky boky

 

(Tsy mety tapitra fa aleo taperina hatreo)

Rasamy

https://rediredindrasamy.wordpress.com/2016/10/31/fesiboky-fesiboky/

 

 

Samy mikaro-tsava mahasoa anie ato amin’ity fb ity e. Ao ny sary manjamanja no handresen-dahatra, ao ny hevitra nalaina tany an-kafa no atao copie-coller ilazana fa manan-tsaina… Dia misy miroboka…

 

Aza mba voany

 

Be dia be no efa voafitaka

Tato anatin'ity fesiboky

Nisy nitia hono, dia ... nibitaka

Kanjo sendran'ny vavam-boloky.

 

Dia indro fanina nitsirepirepy

Tsy nahita zay làlan-kizorana

Voatantara eroa sy etsy

Fa hoe voadona ka mila ho torana.

 

Nefa dia resaka virtoaly

No avela hanimba ny fo

Ny sasany dia tena mijaly

Fa niakarapoka, lavo tokoa.

 

Ny hafa, rehefa tena nihaona

Vao indro kivy tanteraka mihitsy

Sendra olona efa be taona

Fa tsy ilay sary nandraraka ivy !

 

Dia nanongo tena no tezitra mafy

Nanozona sy niantso tody

Hoe anaty fesiboky dia misy olon-dratsy

Nefa izy no tsy nandinika akory.

 

Ny mahagaga dia efa be no voadona

Ka mijoro ho vavolombelona

Fa tsy nahasakana ireo mbola mirona

Hilalao afo ty fon'olombelona.

 

Tsy ny fesiboky no ratsy

Fa ny olona mihitsy no adala

Sarotra atoro sy miseho ho tena mafy

Ka voa vao "maty aho malala"

 

Ny fitia ato anaty fesiboky

Dia fitiavan-tanalahy sy boloky

Milalao fon'olona ny ankamaroany

Hafatra tsotra e : "aza mba voany"

 

fanasina7 (mpanoratsora-poana)

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1601650163186356

 

 

 

Ny nambaran’i Vevetno no entintsika hamaranana azy anio fa misy tokoa no tena nijoboka.

 

Nasosan’ny fb e!

 

Maharary ny foko ary manganohano

Ilay Ramatoa aza tera tomany

Hena kisoa efa natao be rano

Kila forehitra tao am bilany

 

Vao notrosaina aninkeheo maraina

Kanefa izao dia miala maina

Ilay vola roa alina mbola tsy azoko

Na ny hangezany aza mbola tsy tazako

 

Variana loatra amin’ny fb

Manararaotra vao connecté

Dia fatiantoka iray be dia be

Fa lasa milaoka paty amin’ny sachet

 

Rahampitso ihany aho dia hivarotra omby

Mba mety hahazo ity vola vaovao

Ka ny vilaniko ataoko ao izay omby

Fa tsy tiako ny zavatra sahala amin’izao

 

Ity connexion dia ho ferako koa

Tsisy jereko raha tsy ny mahasoa

Fa variana loatra mijery ireto olona

Sady tsy hitantana no tsy hitolona

 

VEVETNO 18/07/2017

https://www.facebook.com/groups/673951116123911/


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Sep. 2019 - 11:56-

    Fondation. Le Président de la République a saisit le Président de la Haute Cour constitutionnelle sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution aussi la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que :

    Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

    Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

    Article 3.-  La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique

  • 19 Sep. 2019 - 10:05-

    Ambasadaoro 4 vaovao. Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, dia nankatoa ny fanendrena ho ambasadaoro an’i
    - Rajohnson Olivier Hugues Rija, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy  monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay.
    - Yvette Sylla, ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris
    - Albert Camille Vital, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy.
    - Jean Omer Beriziky, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles.

  • 19 Sep. 2019 - 08:35-

    Praiminisitra sady minisitry ny Raharaham-bahiny. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay ny 18 septambra no maha minisitra miandraikitra io asa io an’i Naina Andriatsitohaina farany, noho ity olom-pirenena ity nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC ny 18 septambra teo.

  • 19 Sep. 2019 - 07:37-

    Fanafoanana organismes rattachés. Entitra ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • 19 Sep. 2019 - 07:36-

    Paositra mpitatitra entana. Fantatra nandritra ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa hiverina amin’ny fitaterana entana (colis postaux) ny Ministeran’ny Paositra. Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava nandritra ny Filankevitra fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

Du même auteur

dossier
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité