logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafa

Bala soratra no atifi-pitondra

Ratalata Jn Bà il y a 1 année

Misesy ny loza. Tsy tazana ny Olobe fa zary toa miady antsena aza ny fahitana azy. Hangina ve? Maro ireo afaka maneho hevitra antsoratra ka hindramintsika izy ireny afahana mivoy ny alahelon'ny olona maro mba tsy ilazana mihitsy hoe alahelom-bahoaka. Araho anie.

Bala soratra no atifi-pitondra

Mampatahotra re olona ny manaraka ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena eto. Isa-kerinandro isika no mihaona kanefa dia ny eo tsy voaresaka ny eo midona sahady. Tsy voaresatsika ny momba ny “askida” nahafaty olona maro. Askida nisesy misedra finoana.

Tsy voaresatsika izany tamin’ny fotoana niaviany ka tsy hamohafoha ny efa mandry isika. Indramintsika kosa i Fanasina7 hitondra teny fohy.
 

Mandria am-piadanana

…................

Vaka ny saina, ngoly ny fo
Ny ranomaso, nirotsaka koa
Fa maro no maty tam'reo mpandeha
Nihazo ny làlana teny Ankazobe.

 

Tao no namoy, zanaka, zafy
Misy ankohonana, indray maty
Ny sasany moa, tsy hay hofantarina
Fa kila forehitra, ohatry ny àrina.

 

F'ahoana ry Tompo ô, ny lahatrao
Fa mampanontany tena hatramin'izao
Tafika masina anie no anton-dia e
Nefa dia faty no niampatrampatra ery !

 

Tsy manome tsiny anefa na hoe tsy faly
Fa ila tsy ho zaka e, ny ngidin'ny jaly
Maro no maty, tsy nialàna nenina
Tena mafy ry Tompo a ... aleo tsy afenina !

 

Ampaherezo ireo velon'aina
Ampionony 'reo 'zay namoy aina
Ary ireo maty, nandao ito tany
Dia ampiantranoy any an-danitrao any !


Indreto izahay, havana, namana

Miara-misento : ... mandria am-piadanana !

*** fanasina7 ***
020108171958
(mpanoratsora-poana)

Hasina, latsa-dranomaso, à Antsirabe.

1 août, 20:11 ·

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1799178396766864  
 
 
Loza tahaka ny loza rehefa ho avy va ireny sa loza vokatry ny tsy fahaizan’ny mpitantana ny Firenena ? Toa miana-draharaha mantsy no fahitana ireto mpitondra ka mahatonga an’i Nitiah Nofy hanoratra :
 

Basy atifi-kavana!

…................

Ho anareo mpitondra

manao anay ho “ampondra”,

ny fiainanay vahoaka,

anie tsy vakiraoka e!

Na koa andrankandrana,

hianarana mitantana!

Sa ianareo no fetsy,

ka sahy mangala-tety?

 

Toa fivoriana aty,

dia seminera ary;

nefa iaraha-mahita

fa tsisy zava-bita!

'Nareo miha-Ratrema,

'zahay toa mihenahena;

efa mba manezaka,

fa mainka mifotetaka!

 

Rehefa tsy hainareo,

tsy aleo ve miala teo e?

Sa mamy ve 'lay seza,

dia satry hatezateza?

Inty no mba tsarovy,

ny ratsy atao manody;

'ndeha faramparano,

sao lahy hahita angano!

………………………………….

 

'Ty basy atifi-kavana,

no sady tsy anavahana;

raha misy tafintohana,

omeo ny vahaolana!

Vita tompoko!

Nitiah Nosy

13 août, 11:13 · Antananarivo, Atsimo-Andrefana ·

https://www.facebook.com/nitiah.nosy/posts/1536077036454355?pnref=story&sw_fnr_id=4114091501&fnr_t=0

 

Manamafy izay voalaza izay ny poety rahavaviny iray. Raha  namoaka vola vaovao ny mpitondra firenena dia tsy naharitra i Elisah Mbolatiana fa hoy izy :

 

Endri-bola ve?
.

…................

Tsy ahoanay na ho vy na ho vato.

Tsy ahoanay na hiova tsy an-kiato
ny endri-bolatsika.

Mazava iaraha-mahita

fa tsy ny lokony na ny hateviny.

Tsy ny sariny na ny endriny

no hanaiso-pahantrana.

 

Ny eto efa higagana

ny olana miavosa,

ny anoanana, ny trosa...

mahazo anay madinika.

 

Ka aoka isika handinika,

fa na vy na taratasy

ny vola malagasy.

Tsy vain-dohan'adin-tsaina!

Ny tsy mampandry ny saina,

ny andaniana ron-doha

raha vao mifoha

dia hoe: "ahoana ny ahitana azy".

 

Tsy maintsy izahay mitady.

Tsy maintsy mitrongy sy miady

vao mahita vola sakafo

amin'ity fiainan-dafo.

Ka na toy ny ahoana ny endriny

Na toy ny ahoana ny hateviny,

tsy hanafaka kibo noana.

'Zahay sahirana eto foana.

Elisah Mbolatiana

23 juillet, 08:14 ·

https://www.facebook.com/profile.php?id=100004821253986&fref=mentions&pnref=story

 

Isan’ny nanaitra ny antso nataon’ny filoha Rajaonarimampianina ho an’ireo tsy mahavita azy mba hametra-pialana. Fa na efa hifarana aza ny fe-potoana hitantana ny filoham-pirenena sy ny ekipany an’ity Madagasikara ity dia mbola misesy hatrany ny fanovana olona any anivon’ny Ministera any. Dia hoy i Olivier Randrianatoandro  nanambara ny heviny :

 

 

Misaute ny fusible ô!

…................

Sasàna lava ny ministera

Izay mety sakana dia voazera

Izay manelingelina dia vôtacle

Dia manantena hanao miracle

 

Efa tsy lerany intsony izao

Izay ela izay moa taiza ianao

Ilay lakile ngezabe iny omano

Fa hisy mpanofa vaovao ny trano

 

Efa ilay fototra mihitsy no lo

Nitsangana ihany fa kitoatoa

Ny vokatra aloha tsy nisy nanjary

Ny asa natao koa tsisy lavorary

 

Ny firenena toy ny tokantrano

Ny andraikitra nomena anao mba tano

Fa toa lasa traikefan’ny fisehosehoana

Ministeran’ny fanolosoloana

 

Koa mba omankomano ny entana Naotra a!

Fa tsy mety intsony, efa tafahoatra

Fa ilay fifidianana aza antenaina

Fa raha 1% aminay miala maina
Olivier Randrianatoandro

11 août, 20:42

 

Izao tokoa ny hoe mifandimby misaosy.

 

Miana-draharaha tokoa ve ny mpitondra antsika araka ny voalaza teny ampanombohana ? Dahalo no fahavalo ka tifi-danitra no hianarana any an-Tampoketsa ? Mihomehy irery angamba ireo dahalo e… Mitehaka ireo tontakely mpanendaka o… Mbola hindramintsika ihany koa i Olivier Randrianatoandro hitondra ny fahitany ny raharaha :

 

Tena diso taranja sy toerana

…................

Ny any atsimo no tsy milamina
Any avaratra no manao sangodim-panina
Ny any atsimo no misy manafika
Any avaratra indray no miakanjo tafika

 

Ny any atsimo no misy mamely
Any avaratra indray no miady hotely
Ny any atsimo no misy mitady
Any avaratra indray no manangana ady

 

Sao diso adiresy ka hitonantonana
Miady mafy ho filoham-piangonana
Atsy aoriana kely dia tsy hiandry lera
Anaovana indray ny an ny pasitera

 

Momba ny sadc ilay fivoriana
Nondôsiny jiaby ny fianakaviana
Mba hampisehoana ny tany nihaviana
Misy handosirana rehefa aoriana

 

Sao dia mba tokony hiova taranja
Fa ilay comptable aloha tsy manja
Hanisa mahantra avy dia tsy ho hay
Izao indray nivadika ho vatatay(tsy nahazo grady).

 

Mba soloy vodin’ny tavoahangy (coca)
Ilay solo masonao fa tsy mety
Any atsimo no mila mpamangy
Fa tsy any amin’ireo izay hifety

 

VEVETNO 19/08/2017

Olivier Randrianatoandro

 · 15 août, 08:16

 

Tsy nijanona hatreo ny tranga nisy ahitana fa miana-draharaha sy manaotao foana ny mpitondra. Mifandroaka anaty hotely va re tsy atao ? Manao short ny ankilany dia mampiseho kilaoty koa ny andaniny. E fihavanana inona re no ho vita amin’izany ? Ny filohan’ny governamanta koa dia nijoboka nitondra ny vady aman-janaka hitety vazan-tany. Zary kilalao ny fitondrana ny firenena… Sa izao no tonga amin’ny hoe fanontaniana manao hoe : ny fitondrana no mahalasa adala sa ny adala no tonga eo amin’ny fitondrana ? Marary saina tokoa hoy i Olivier Randrianatoandro 

 

Marary saina ve?

…................

Dia efa mampanongo tena
Ny ataon’ireto filoham-pirenena
Fa raha izao no mitohy r’ise!
Hifandroaka hatrany anaty wc

 

Izao no modelin’ny fampihavanana
Izay mamporisika ny olona hinamana
Tena manala baraka ny Gasy
Mba filoha ihany ka hiady lasy

 

Ilay raikalahy koa nitondra zanaka
Handeha hamonjy ilay fivoriana
Efa tsy izy fa tena mibanaka
Dia hanao izao koa izay any aoriana

 

Ny tena mahagaga ahy tokoa
Izay alehan’iray teo aloha
Dia tonga aviavy ilay anankiray
Vao mahita hirika dia efa antsonjay

 

Mba lasa saina ihany aho ry akama
Fa Ravalo raha sendra eny Tsaralalàna
Dia tamy avy any koa ingahy domelina
Idongiany daholo ireo makorelina

 

Nefa tsy izay no anton-dian dRavalo
Fa mitady ny hamoanana ireo fahavalo
Fa ilay iray tsy kôpy tonga dia mijoboka
Tsy tonga saina raha tsy avy miboboka.

 
Olivier Randrianatoandro

· 18 août, 09:03



Bala soratra

Ary raha bala tena izy ny an’ny Fanjakana sy ny dahalo dia  ny bala soratra kosa no nampiasaina etoana hanaitra ny saina. Fijery ny zava-nitranga tao anatin’ny fotoana fohy no niaingana. Mahakivy ve ? Eny. Hiraviravy tanana ve ? Tsia.




Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

politique
societe

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité