logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Tsy mahavoky ny abidia

Ratalata Jn Bà il y a 2 années

Vao mivoaka ny valin’ny fanadinana bakalorea dia zavatra tokana no mby antsaina : “Tapitra ny vakansy”.

Tsy mahavoky ny abidia

Efa manomana ny fidiran’ny mpianatra ny ray aman-dreny hatrany amin’ny garabola ka hatramin’ny ireo mamerin-taona fa nibakabaka.

 

Ao ireo te hianatra ka miantsoantso ndeha hindramina i Nitiah Nosy hilaza ny hetahetan’izy ireo :

 

…………….

Impiry moa izaho ry Dada no naniry ho an-tsekoly !

Novalianao boraingina sy tsy nahoanao akory:

Fa : “ny abidy tsy mahavoky ary koa mandany ny azo,

ho an'ireo manan-katao fa tsy ho antsika mavomavo” !

 

 

Te hianatra fa tsy afa-manoatra ! Indrisy

 

(Ny tononkalo manontolo mitondra ny lohateny “Omeo ny zony…” izay mitaky ny zon’ny ankizy dia mora hitanao ao amin’ny rohy : https://mcmparis.wordpress.com/2017/06/13/omeo-ny-zony-nitiah-nosy-2/

 

Eny hianatra no faniriana. Mba maro no maniry hianatra amin’izato sekoly raitra ka tsy mampiasa tsaoka intsony rehefa ho any amin’ny solaitrabe (tableau blanc) na koa avy hatrany di a hita eny amin’ny grand écran ny valiny rehefa manao fanazarana. Eny misy izany ka hamporisihana ny fampitomboana isa ireny sekoly ireny. Fa mbola maro no mianatra amin’ny SFF izay naverina ho EPP.

 

S.F.F (Sekoly Fanabeazana Fototra)

 

…………….

Andrianiko, resahako fa toera-nahasoa,

nahaizanay nanao kajy, sy namaky "a" sy "o".

Namolavola hankamamy ny fiteny Malagasy,

reharehanay hatrany fa nahaizan-taratasy.

 

Dabilio mihozohozo, solaitrabe tsy dia mazava,

trano eny tsy zarizary sy mienda-tafo lava.

Tsy nampihemotra anay, nihafianay hatrany,

tanjonay ny ho tafita dia nitozo teny ihany.

 

Sekolin'ny sarambambe, nikolokolo sy nanondrotra,

tokony omena lanja fa fanabeazana ny fototra:

ao ny zaza gasy maro no mandresy ny habadoana,

aza atao an-jorombala fa fanoitram-pandrosoana.

 

 

 

Nitiah Nosy

30/06/15

 

https://www.facebook.com/nitiah.nosy

 

SFF na EPP maro amin’izy ireny no tsy manara-penitra saingy sokajiana ho ara-dalana satria an’ny Fanjakana. Misy ireo sekoly hakatona satria ahiana ho manabe fahavalo hono re  na hita izao aza fa mamofono politika ilay fanapahana. Izay izany… Zava-nisy izany ka ambara fa mijanona ho tantara.

 

Vao mivoaka ny valin’ny fanadinana bakalorea dia hazakazaka hijery voka-panadinana ny lahasan’ireto mpiadina sy ny ray aman-dreny. Fa a o koa ireo mpangarom-paosy fa mitandrema. Isan-taona izao dia misy hatrany no tratra ekena fa tsy hamerin-taona izy ireny fa fay ka hitandrina raha sanatria hamerin-taona.

Mahatsiaro manokana an’ireo tsy maintsy mamerin-taona i Ikaloyna Vony. “Tsy mora tokoa ny tsy afa-panadinana, mila fanohanana ara-tsaina avy amin'ireo manodidina azy ny famerenan-taona. Niniana nasiana tenin-jatovo ao anatiny mba ho latsaka tanteraka ao am-pon'ny mpianatra ny hafatra” hoy izy.

 

Nanaiky hamerin-taona

 

…………….

Zandry a,

Ekena tsy mora leitsy

ny namerina nandia

iny tokontany iny.

Fa, voadinganao ny fefy.

 

Izao ireo akama

" torony " * ny lasa,

Amin'ny herintaona

Ialahy tsy maintsy " tafa ".

 

Raha hiteny i Neny

hoe aza be lalao

tsy izy no masiaka

Fa, tiany ialahy tafita.

" Siora " leitsy, zandry

dia mametraha fanamby !

Izoky

 

 

 (Atolotro ho an'ireo zandry tsy afaka BAC ka hamerin-taona)

 

Toro : tour

https://www.facebook.com/ikaloyna.vony

 

 

Nivoaka ny valim-panadinana bakalorea dia ao ireo nibitaka fa nahazo izato diplaoma sady lakile hidirana amin’ny fampianarana ambony. Arahabaina izy ireny fa na anjoria na tena fahaizana dia ny vokatra soa mijanona ho doria. Ny tsapa dia mibitaka ireo mpitantana fa tsisy hono ny olana. Kanefa raha mpianatra no tsy mahazo naoty antsasa-manila amin’izay takiana dia sokajiana ho tsy mahay. Fa inona kosa no ilazana ny mpiandraikitra ka tsy afa-panadinana ny antsasa-manilan’ireo mpiadina ? Vendrana koa aho mametraka izany fanontaniana izany. Matoa tsy alana ireo minisitra dia nahatratra ny tanjona nokendreny izy ireo. Mazava angamba izany.

 

Ao koa ireo nandamoaka noho ny antony tsy fantatra na fantatra fa odiana tsy hay. Hazakazaka hafa indray koa ny hitady ny sekoly hanohizana ny dia. Hijanona eto sa hiampita ? Mbola lavitr’ezaka ny tolona. Aza kivy mahereza.

 

Misy ireo lasa lavitra any ivelany any no nanohy fianarana. Ao ireo mahavita soa ny fianarana dia manontany tena manao hoe :

 

Gasikara « afobe »

…………….

Kely sisa dia hifarana

izato fianarana

niaretana ny mafy

taona maro aty andafy.

Taona maromaro

izay nampifangaroharo

hafaliana sy tomany

niampy fizahan-tany.

Nanovozam-pahalalàna

heverina hampandroso ny tanàna.

Ka hikasa hiverina amin’izay

handeha hody any aminay.

 

Saingy, … toa misalasala indray.

Tena sadaikatra ankehitriny

sanatria ve ho azon-tsiny

na koa hoe ho voan’ny tody

satria tsy mazoto tampoka ny hody.

Fa nahoana hoy ianao manontany

Inona no anton’izany?

 

Raha mahita an-gazety

sy amin’ny internet

ireo zavatra tsy mety

any Madagasikara.

Dia aleo tsorina sy ambara

fa tena mahalasa saina

sady mampiferon’aina

ny mihaino ireo taraina

sy mahita sary marobe.

Moa va tsy efa « afobe »?

 

Vono olona sy dahalo

politikam-pahavalo

vaky fasana sy trano

tsy tantara na angano

fa dia izay no zava-misy

na zandary na polisy

toa mivadika ho milisy.

Ankoatra ny takalon’aina

sy ny any Atsimo karakaina

dia tanàna maro koa voasazy

tratran’ny delestazy.

Loza hatrany no mba re

Moa va tsy efa « afobe »?

 

Kolikoly avokoa

heno etsy sy eroa

isaky ny minisitera

resabe hoe misy afera

hatramin’ny antenimiera.

Fa vao mainka fahagagana

tsy misy intsony fitsarana

fa ny vahoaka no Mpitsara

ireo miseho misary adala,

ka avy hatrany dia mamono

sy mandoro manatono.

Ka mahatonga ahy hilaza hoe:

Moa va tsy efa « afobe »?

 

Ka raha hody aho androany

Inona no hanjo ahy any?

Moa ve aho hahita asa?

Hahavita hanangana Orinasa?

Moa hisy zavatra atao?

Sao hipetra-potsiny ao?

Moa ve aho mbola ho tamàna

nefa hono ilay tanàna

tena lasa ratsy be

Moa va tsy efa « afobe »?

Indrisy, …

Ratsy Laza ianao ry fireneko

vokatry ny aterineto

satria dia zava-doza hatrany

no aparitaka eran-tany.

Izao ny ankizy tsy mety mody

Fa toy ny azom-panafody.

Hijanona any elabe

Fa tsy hody any amin’ny « afobe »

 

https://rediredindrasamy.wordpress.com/2016/11/08/gasikara-afobe/

 

 

Ny adin-tsaina tahaka izao voalaza teo izao zary manamarina ny voalazan’i Nitiah Nosy tany ampiandohana izay manao hoe :

…………….

“ny abidy tsy mahavoky ary koa mandany ny azo,

ho an'ireo manan-katao fa tsy ho antsika mavomavo” !

 

 

 

Hisokatra indray ny taom-pianarana iray vaovao. Mety misalasala ianao mahita ny voka-dratsy etsy sy eroa. Tsarovy fa ny mahay tsy ambakaina.  Mbola Nitiah Nosy ihany no milaza ao amin’ilay tononkalony “Herezo razandry!” fa

 

…………….

Ka esory ny laina fa hisy fotoana,

handrombahantsika an'ilay diplaoma!

Ho reharehan'Ikaky s'ilay Reny tiana,

ary hasoavintsika ny akany niaviana!

Asiana fianarana eny an-tanana,

ny habadoana tsy maintsy hialana!

Ho akaiky sekoly amin’izay ny kilonga,

ka sady hahay no ho dongadonga!!

 


Nalaza ny hiran’i Odéam Rakoto nanao hoe :

…………….

Rankizy malagasy ô!

Mianara taratasy, vonjeo ny lakilasy

 

Fa fahiny izany

Navadiky ny ankehitriny hoe

…………….

Ry Vahoaka Malagasy ô,

Izay mahay mibizina no basy

Aza milasilasy ilaozy ny lakilasy

 

Natao hisaintsainana.

 

Vita tompoko ny tafan-dRatalata.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Aug. 2019 - 10:00-

    Journée humanitaire mondiale. Dans un tweet, le Pape François soutient les femmes investies dans l’humanitaire à l'occasion de la journée humanitaire mondiale. «Souvenons-nous aujourd’hui de toutes les femmes courageuses qui vont à la rencontre de leurs frères et sœurs en difficulté. Chacune d’elle est un signe de la proximité et de la compassion de Dieu», déclare-t-il.

  • 19 Aug. 2019 - 07:15-

    #Worldphotographyday. Le 19 août est un jour exceptionnel pour les amoureux de la photographie puisqu’il s’agit de la journée mondiale de la photographie. L’invention officielle de la photographie remonte au 19 août 1839. Ainsi, cette date est choisie pour la célébrer. Pour fêter l’événement, les photographes sont invités à réaliser un cliché ce jour-là à 18h39 et à le partager sur les réseaux sociaux avec l’hashtag #jmp18h39.

  • 16 Aug. 2019 - 08:30-

    Fanentanana. Nidina nanentana ireo mpampiasa ny lalana mba hitandrina mandritry ny dian’izy ireo amin’ny lalam-pirenena voalohany ny vondron-tobim-pileovana Itasy sy ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo ary ny tobi-paritra misahana ny fifamoivoizana ny 14 Aogositra 2019. Natao izany noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana manerana ny Nosy tato ho ato. Narahana fizaràna takelaka mirakitra ireo tsara ho fantatra mandritry ny fampiasana ny lalana moa ity hetsika ity mba ahafahan’ny tsirairay mandray fepetra arak’izay tandrify azy avy.

  • 14 Aug. 2019 - 10:30-

    Décès d'un cardinal mexicain. Le cardinal Sergio Obeso Rivera, archevêque émérite de Xalapa s’est éteint à l’âge de 87 ans. Ce cardinal mexicain, dont l'enterrement est prévu mardi 13 août, avait été promu lors du dernier consistoire, le 28 juin 2018, mais il n’avait jamais été électeur, puisqu’il avait déjà largement dépassé les 80 ans lors de sa création.

  • 13 Aug. 2019 - 10:15-

    Fanafihan-dahalo tao Ianabinda Betroka. Dahalo 6 nanafika sy nangalatra omby roa vala tao amin'ny Fokontany Fenoarivo Cr Ianabinda ny 11 aogositra tamin’ny 12 ora alina. Samy nivoaka ny tranony ka nanao izay ho afany hamaliana ireo tifitra variraraka nataon'ny dahalo ny fokonolona rehefa naheno ny koika na hazolava. Resy tosika ireo dahalo ka vaky nandositra niaraka tamin'ireo omby miisa 25. Raikitra ny aradia sy ny fifandonana ka dahalo iray no lavo ary omby 14 no azo fa ny 11 kosa mbola any apelatanan'ny dahalo.

  • 13 Aug. 2019 - 07:30-

    Coupure d’électricité. Pour améliorer la qualité de la fourniture d'énergie, la JIRAMA informe ses clients que la distribution d'énergie électrique est interrompue ce mardi 13 août 2019 de 09h00 à 16h00 dans le quartier d’Antanimora.  Des travaux d'entretien périodique sont en cours pour apporter des améliorations au niveau de l’électricité.

  • 12 Aug. 2019 - 08:50-

    L’Afrique doit se réveiller. En marge de la 18ème assemblée plénière du SECAM (symposium des conférences épiscopales d’Afrique et de Madagascar), le président de Caritas Afrique a appelé à un réveil du continent. « Nous avons choisi des leaders qui n’ont pas aidé l’Afrique depuis l’indépendance. Nous avons eu de bons dirigeants qui ont été chassés du pouvoir par des coups d’État, ourdis par des personnes ou des puissances obéissant à des intérêts propres », déclare Mgr Gilbert Justice Yaw Anokye, archevêque de Kumasi au Ghana.

  • 08 Aug. 2019 - 07:19-

    JIRAMA ho diovina. Araka ny tapaka tao amin’ny Filankevitry ny Ministra dia  tsy maintsy diovina ny fitantanana ny JIRAMA ary vitaina anatin’ny 2 taona raha ela indrindra ny fanarenana ny trosa sy ny orinasa. Tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny fitantanana ny orinasa JIRAMA manomboka izao. Tsy maintsy hapetraka mazava ny tetiandro hanatanterahana ny fanarenana ny orinasa. Tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ireo sampan-draharaham-panjakana hananan’ny JIRAMA trosa izay mitentina 30 miliara ariary nanomboka ny voalohan’ny volana Janoary 2019 ka hatramin’ny volana Jona 2019. Tokony hisy amin’izay ny fametrahana business plan vaovao sy ny fijerena ireo contrats fanofana groupes mamokatra herinaratra manomboka izao. Hisy ny contrat programme hiarahan’ny fitondram-panjakana sy ny JIRAMA mametraka ny amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana eo amin’ny fitantanana ny orinasa.

  • 07 Aug. 2019 - 07:25-

    Nomination. Le Saint-Père a nommé neuf nouveaux membres au sein de la Congrégation pour les Églises orientales. Les nommés sont : le cardinal Gualtiero Bassetti, archevêque de Pérouse et président de la Conférence épiscopale italienne, le cardinal Carlos Osoro Sierra, archevêque de Madrid, le cardinal Anders Arborelius, évêque de Stockholm, le cardinal Luis Francisco Ladaria Ferrer, préfet de la Congrégation pour la Doctrine de la foi, Mgr Anthony Colin Fisher, archevêque de Sydney, Mgr Georges Bacouni, archevêque greco-catholique melkite de Beyrouth et Jbeil, Mgr Borys Gudziak, archevêque de Philadelphie des Ukrainiens, Mgr Michel Aupetit, archevêque de Paris, et Mgr Miguel Ángel Ayuso Guixot, président du Conseil pontifical pour le dialogue interreligieux.

  • 05 Aug. 2019 - 08:35-

    Qualification CHAN 2020. Malgré la défaite face aux Mambas 3-2 à Maputo, les Barea se qualifient pour le prochain tour dans le cadre de la qualification pour le Championnat d’Afrique des Nations (CHAN) 2020. Madagascar affrontera le Namibie pour ce troisième tour où le match aller est prévu le 20 au 22 septembre et le retour du 18 au 20 octobre. 

  • 02 Aug. 2019 - 08:00-

    Mercato des Barea. L’après CAN des Barea est mouvementé au niveau du mercato. Andriamirado Arohasina évoluera au Black Leopards FC pour cette saison dans le cadre d’un prêt. Le vice-capitaine des Barea, Ibrahim Amada, signe au Qatar avec Al Khor Sports Club. Pour sa part, Dimitry Caloin annonce sa signature au FC Villefranche pour la saison 2019-2020.

  • 31 Jul. 2019 - 07:00-

    Naufrage au large de la Libye. Le Pape François évoque le naufrage d’un bateau, jeudi dernier, transportant à bord 250 migrants. « J'ai appris avec douleur la nouvelle du naufrage dramatique survenu ces derniers jours dans les eaux de la Méditerranée, où des dizaines de migrants, y compris des femmes et des enfants, ont perdu la vie ».  Pour éviter que de tels drames ne se reproduisent, il a appelé les États du monde à « agir avec rapidité et détermination ».

  • 29 Jul. 2019 - 13:45-

    Fanafihana tao Befandriana Avaratra. Nahazo antso an-tariby ny tobi-paritra tao Befandriana avaratra fa misy manafika ny tranon’ny mpandraharaha sinoa ao an-toerana ny 29 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Mitentina 60.000.000 ariary ny vola voaroba tamin'izany. Voan'ny balan'ireo jiolahy nandritra ny fifampitifirana ny komandin’ny tobi-paritra zandarimaria avy ao amin'io toerana io. lavo teo noho eo ny iray tamin'ireo olon-dratsy nohon'ny fititra nataon'ny zandary.

  • 25 Jul. 2019 - 14:15-

    Fanavoazana « station de pompage ». Fotodrafitr’asa manaraka ny teknolojia avo lenta ny « station de pompage » ary afaka mitroka sy mamarina ny rano maloto avy any amin’ireo fokontany manodidina azy ho any ivelan’Antananarivo. Vita ny fanavaozana azy io etsy Andavamamba Anatihazo Isotry rehefa namboarina sy nokarakaraina nandritra ny 2 taona. Mahazo tombony betsaka amin’izany ireo mponina izay eny amin’ny faritra iva.

  • 24 Jul. 2019 - 11:25-

    JIOI 2019. Madagascar s’est bien débrouillé en judo, lors de la deuxième journée en épreuves individuelles, avec 2 médailles d’or obtenus par  Nazir Bin Abdou (-60kg) et Rasoanaivo Laura (-63kg), 5 médailles d’argent et 3 médailles de bronze. Place à la compétition par équipe le 25 juillet à partir de 9h30.

  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

Du même auteur

culture
dossier

Dans la même rubrique

education
education
Publicité