logo
Lakroan'i Madagasikara
Mpitsoa-ponenana

Tsy sirianina hoy aho ny resaka

Ratalata Jn Bà il y a 2 années

Nahabe resaka teto amin’ny tanàna ity filazana fa handray sirianina isika. Vaovao niely. Tsy fantatra na marim-pototra na tsia. Niaka-pofona ny maro.Olona iray na roa no niharo ny fandraisana izay ho mpitsoa-ponenana. Ny sisa dia tsisy alaharo alaharo fa raoka alika raha azo ampiasaina izany teny izany fa olona no ho raisina etoana.

Tsy sirianina hoy aho ny resaka

Dia isan’ny namoaka ny eritreriny ny poety. Ireo efa mahazatra antsika teto no nangalana ny sangan’asany. Tsy fiangarana fa efa fantatra izy ireo.


Dia hoy i  Baritafika any lavitra any hoe “Very letsy ialahy

 

Very letsy ialahy

 

……………….

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

……………….

Ry Gasikara kely, very letsy ialahy

Lasa vata fitatazana, very saina fo fanahy

Ny mponina mahantra, ny jiolahy mahazo laka

Izay Malagasy mihezaka, avy hatrany dia voadaka

 

Alaina, atao an-tery, ireo tany fambolena

Fa ny vahiny indray ity no hosoram-bolamena

Aiza moa ialahy, ry Gasikara kelinay

No ho tafavoaka raha izao no iainanay ?

 

Firy raha isaina, ireo mandry ambody tatatra

Tsy misy mba nijoro ry zareo mahatsiaro sambatra

Fa ny hameno paosy ihany, tsy misy indra-fo

Hitsahina, potehina... tsy avela raha tsy ho lo

 

Handray ny hafa ve, fa ny an'ny tena avela ho faty ?

Mosary sy kere, sa izahay natao hihafy ?

Tsy ho tompon-tany intsony fa ho mpindrana ihany sisa

Ry Gasikara kelinay, miha-mahantra isa-minitra

 

Ontsa aloha ny fo, tebiteby sesilany

Ampian'ny fahantrana, sa misy mafy ankoatr'izany ?

Ny loto tsy voakosoka, ny fotaka tatazana

Very letsy ialahy ry Gasikara maitso mavana

Baritafika September 5th 2017

https://www.facebook.com/baritafika/

 

 

 

Isan’ny nanome ny heviny koa i Olivier Randrianatoandro.

 

HIVAVAKA HITSINGOLOKA DAHOLO VE NO HIAFARANY,

TSY AFAKA AHO HOY RAMADA ZAY.

 

……………….

 

 

 

 

 

 


 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

……………….

Hanainga handeha aho ho any zeparsa

Fara fahatarany ny volana Marsa

Fa i Gasikara hono ho fenoina syrianina

Hanamainty molaly koa ny afrikanina

 

Ny taninay bodoin’ny sinoa

Ny trano moa efa an’ny karàna

Lanin’ny sinoa hatramin’ny amboa

Rava tanteraka ny eto an-tanàna

 

Ny ombinay efa tapitra voaondrana

Sendra izay olona manondratsondrana

Tapitra lasa avokoa ny fananako

Ho entiko hitsoaka ny vady aman-janako

 

Ela tokoa no naha tany ny tany

Fa mbola tsy nisy ny ohatr’izany

Rava sy potika sady mibanaka

Tsisy antenaina ho an’ny taranaka

 

Milaza an-gazety tsy ahavaha inona

Izay rehetra mitaky atao tsinontsinona

Sendra izay olona lohan’ampondra

Aleoko mandeha raha ireo no mpitondra

VEVETNO 08/09/2017

 

Nijoro ho niseho tia tanindrazana ny maro. Saika izy rehetra. Mandavan-taona anefa tsy tazana ry zareo na ndeha atao hoe ny ankamaroan-dry zareo. Izany no nangalana ity sangan’asa ity izay manafatra. Araho anie…

HAFARAKO...

……………….

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

……………….

Ho any ianao k'izao

ataoko fantatrao

ny dindon'ny tantara

mangitsy mamanala...

fa io toerana io

tsarovy, tadidio

nisy poa-basy

nandavo malagasy

taona maro izay...

 

toeram-piokoana, nitakiana zo

hitaky fahafahana tsy manam-paharoa

toera-nifaharan'ny gasy maro be

mitady fanovana ho amin'ny tena tsara

nananganan-tsaina sy nivarotan'aina...

 

kanefa koa toeran'ny mpilalao vahoaka

s'ireo malama vava, mpanao sarontava

toeran'amboadia mitafy zanak'ondry

mpamely diamanga sy donan'ny komondry

ianao no he badenina, f'izy efa mitsoaka...

 

ho any angamba ianao

fa liam-baovao

hamantatra ny endrik'ireo mpitari-tolona

mahay mampanantena ny ampitso hamololona...

izaho tsy hoe mandrara na mampisalasala

izaho tsy mampirisika anao raha te hisisika

fa mba te hanafatra

sao faty miampatrampatra

no hitranga eny,

izaho izay efa niteny !

andy Rebabe / 19 aogositra 2016

https://www.facebook.com/andy.rebabe?ref=br_rs

 

Eny ho safotry ny vahiny isika rehefa maro izy ireo no indray tonga. Kanefa moa va tsy efa safotra isika na vitsy an’isa aza izy ireo ? Moa tsy vitsy an’isa fa manana ny lakilen’ny fiainana ry zareo ireo ? Sinoa, Karana, Vazaha no mibaiko ny toekarena. Ny Gasy ? Mpanatanteraka. Very tanteraka. Tendrom-po tsy mba namana no hita fa izay tena hanangana sy hiary tsy miseho.

Araka ny sary nampanarahana izao lahatsoratra izao dia tsy voatonona tao ny hoe hangatahana handray sirianina na mpitsoa-ponenana avy amina firenen-kafa i Madagasikara. Safobe mantsina ilay fangatahana.  Niteraka zavatra mantsina avy eo. Mba avy aiza ary re no nipoiran’ilay resaka hoe handray sirianina e ? Avy any Torikia ve ? Esy aho e ry mpilaza vaovao… Asa sarotra e. Mankahery fa ny ahy dia ny mitatasiaka no aiko.

Soava herinandro indray dia samia velon’aina amin’ny Talata indray. Ny akamanao Ratalata ihany.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité