logo
Lakroan'i Madagasikara
Justice et Paix

Fehin-kevitry ny fivoriana tsy ara-potoana

admin il y a 10 mois

Izahay 52 mianadahy pretra sy lahika, solontenan’ny Justice et Paix avy amin’ny Diosezy 19, noho ny iraka nampanaovin’ny Filankevitra Maharitry Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, dia nanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana tao Ampatsakana- By Pass ny 6 ka hatramin’ny 8 septambra 2017 miompana amin’ny olana ateraky ny tsy fisian’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy.

Fehin-kevitry ny fivoriana tsy ara-potoana

FEHIN-KEVITRA TAMIN’NY FIVORIANA TSY ARA-POTOANA NATAON’NY Ampatsakana.By-Pass. 6-8 Septambra 2017).

 

Tamin’izany no nahafahanay nifampizara vaovao sy namakafaka ny fijaliana zakain’ny Malagasy amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy. Ka ireto no nisongadina indrindra tamin’ny alàlan’ny tatitr’ireo solontena :

 

1. Trangan-javatra miseho : halatr’omby, fandratràna sy vonoan’olona, fitsaram-bahoaka, vaky trano, takalon’aina, halatra lakolosy, fanakanan-dàlana amin’ny fitaterana, hala-bokatra, hala-botry, vaky fasana sy halatra taolam-paty, fanolanana isan-karazany, fanondranana olona any ivelany, hala-jaza, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanafihana mitam-piadiana, kolikoly avo lenta mihatra aman’aina, fandravana fananana sy fibodoana tanin’olona, sinto-mahery, fandoroana tanàna toy ny tany Antsakabary, fanafihana tranon-drelijiozy narahina habibiana toy ny tany Antsirabe, famonoana pretra sns…

2. Efa tsy hay lazaina intsony ny fiantraikan’ireo toe-javatra ireo eo amin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny fiainan’ny tsirairay :

·        Eo amin’ny lafiny toe-karena, mihena ny risipon’ny olona hamokatra ary miharatsy ny kalitaon’ny vokatra ;

·        Eo amin’ny lafiny politika, tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ;

·        Eo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina, rava ny fihavanana ;

·        Eo amin’ny ara-tsosialy : maro ny sekoly mikatona any ambanivohitra ; ny toeram-pitsaboana (CSB) tsy ahitàna mpitsabo ; tsy ampy sakafo ary maty mosary ny olona ka mora andairan’ny aretina.

·        Betsaka ny kamboty tsy fidiny ary mitombo ireo mpitsoa-ponenana.

·        Ara-koltoraly, simba ny toe-tsain’ny olona. Very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy ary tsy voatandro intsony ny soatoavina mahamalagasy.

 

3. Misy ny ezaka efa nataon’ny mpitondra toy ny fiaraha-miasan’ny mpitandro filaminana amin’ny fokonolona amin’ny fanarahan-dia ny omby very, ny fiarovana ny ain’ny mpandeha amin’ny lalam-pirenena ary ny fanampiana ireo tra-boina tamin’ny tanàna nodorana.

 

4. Na eo aza anefa ireo ezaka rehetra ireo dia iaraha-mahita fa miharatsy hatrany ny zava-misy. Mandry andriran’antsy na andro na alina ny vahoaka. Mihanaka ny fitaovam-piadiana mahery vaika avy any ivelany sy eto an-toerana. Mitombo ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny filokàna.

 

5. Tsy voafehin’ny tompon’andraikitra mihitsy ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny olona. Mihamaro ny tambazotra efa matihanina amin’ny fanaovan-dratsy izay fehezin’ny dahalo ambony latabatra sy ny mpanam-bola sasany avy eto an-toerana sy avy any ivelany.

 

6. Tsy voahaja intsony ny hasin’ny aina fa zary lasa kolontsaina ny fampiasana herisetra. Mamorona lalàna ny vahoaka ka mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka sy ny valifaty. Tsy misy intsony ny fifampitokisana. Mifampiahiahy ny mpiara-belona ka samy maka ho azy ny tsirairay.

 

7. Tapi-dàlan-kaleha toy ny sokina nanani-bato ny vahoaka satria ireo natao hitsikitsika hivavahana no lasa papango mipaoka zanak’akoho.

 

Noho ireo zava-misy ireo dia manolotra ireto fehinkevitra ireto ny Justice et Paix :

 

1.      Iangaviana amim-panajana ny Fivondronam-ben’ny Eveka (FEM) hifampidinika haingana amin’ireo tompon’andraikitra ambony mba hanaitra azy ireo noho izao loza mihatra mahazo ny firenena izao.

 

2.      Hamafisina ny fandraisan’andraikitra ny Justice et Paix any amin’ny diosezy amin’ny fanatonana sy fanairana ireo mpitondra sy ireo olomboafidy ary ny vahoaka any amin’ny faritra rehetra any.

 

3.      Aoka ireo manam-pahefana isan’ambaratongany mba handray fepetra hentitra hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fampiharana ny lalàna amim-pahamarinana sy ara-drariny : eo anivon’ny fitsarana, amin’ireo sampan-draharaha misahana filaminam-bahoaka, ny fahasalamana, ny fananan-tany, ny harena ankibon’ny tany, ny fanabeazana…sns. Marihina fa tsy misy ambonin’ny lalàna na iza na iza.

 

4.      Entanina ny vahoaka amin’ny mahazava-dehibe ny aina sy ho sarotiny amin’ny fiarovana ny rariny, ny marina sy ny hitsiny ary ny firaisankina, nefa kosa hanalavitra ny herisetra sy ny valifaty.

 

5.      Hamporisihina ny vahoaka mba tsy hiraviravy tanana fa ho sahy handray andraikitra anatin’ny firaisan-kina amin’ny sehatra tandrify azy.

 

6.      Takiana amin’ny fanjakana ny fanafoanana ny fanondranana omby ho any ivelany sy ny fanaraha-maso hentitra ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy ny harem-pirenena rehetra ary ny fiakaran’ny vidin’entana ilain’ny mponina andavanandro.

 

7.      Angatahina ny diosezy mba hanangana ny Justice et Paix amin’ny toerana sasany mbola tsy misy azy mba hihaino sy hanangona ny tarainan’ny vahoaka any lavitra any.

 

8.      Amporisihina ny olom-pirenena mba hiezaka hanaraka ny fepetra amam-pitsipika manaja ny soa iombonana sy ny tombon-tsoa ambonin’ny firenena. Entanina koa izy ireo haneho fitiavan-tanindrazana amin’ny sehatr’asa izay ataony.

 

9.      Haely amin’ny fampitam-baovao eto an-toerana ireo fehin-kevitra ireo ary ny Justice et Paix hifandray amin’ny sampana mikarakara ny serasera sy ireo Fikambanana tsy miankina miahy ny zon’olombelona any ivelany.

 

Natao teto Ampatsakana/ By-Pass (Antananarivo), ny 8 Septambra 2017.

 

Hoy ireo solontenan’ny Justice et Paix izay eo ambany fitantanan’i S.E. Monseigneur Roger Victor RAKOTONDRAJAO,

R.P. Jean Germain RAJOELISON, Sekretera Jeneraly.

Solontenan’ny Arsidiosezin’ Antananarivo :

1.      R.P. Andrien Rolland RAKOTONDRAMANANA, Aumônier JEP Diosezin’Antananarivo.

2.      Atoa Honoré RAZAKAMAHAROMANANA,  JEP Tsaramasay.

3.      Atoa Jean Lucien ANDRIANJATOVOMAHEFA,  JEP Antanimena.

4.      Atoa Félix RABEMANAMBOLA,  JEP Ambohipo.

5.      Rtoa Alphonsine RAKOTOMALALA, JEP Imerintsiatosika.

6.      Rtoa Lucie Raphaëlle RABARIJAONA,  JEP Andraisoro.

7.      R.P. Jean Noël SATA, Aumônier JEP Diosezin’Antsirabe.

8.      Atoa Jean Léonard RAMILISON, JEP Antsirabe.

9.      Atoa Jean Christian RAZAFINIMANANA, JEP  Antsirabe.

10.  Rtoa Christine RAZAFIMARIA, Mpikambana JEP Maintirano.

11.  Rtoa Juliette RAZANAMANDROSO, JEP Maintirano.

12.  Rtoa Natacha TSIAFA, JEP  Maintirano.

13.  R.P. Marcel RAMIARANJATOVO,  Aumônier JEP Diosezin’i Miarinarivo.

14.  Atoa Justin RAKOTOARIJAONA, JEP Miarinarivo.

15.  Atoa Gilbert IMAKA, JEP Miarinarivo.

16.  R.P. Samuël RAKOTOVAO,  Aumônier JEP Tsiroanomandidy.

17.  Rtoa Zafisoa Margueritte RANDRIANA, JEP Tsiroanomandidy.

18.  Atoa Louis de Gonzague RAKOTONDRASOA, JEP Tsiroanomandidy.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezin’Antsiranana

19.  R.P. Omer TSIAZONALY, Aumônier JEP Diosezin’Antsiranana.

20.  R.P. Emmanuel RANDRIAMAMONJY,  Aumônier JEP Diosezin’i Mahajanga.

21.  Atoa Eric Yvon RAKOTOMAHEFA, JEP Amparihigidro Mahajanga.

22.  Rtoa Séraphine RASOARINDAZA, JEP Mahajangabe.

23.  R.P. Simon ZARALAHY, Aumônier JEP Diosezin’i Port Bergé.

24.  R.P. Fidèle RAZAFIMANDIMBY, Aumônier JEP Mandritsara Diosezin’i Port Bergé.

25.  Atoa Alexice RAMAHATODY, JEP  Diosezin’i Port Bergé.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezy Atsimo Andrefana

26.  R.P. Jacques ZANATO ZANAKANDRO (Jazz), Aumônier JEP Diosezin’i Toliary.

27.  R.P. François d’Assise, Aumônier JEP Diosezin’i Morombe.

28.  Atoa Louis Joseph Alfred RANDRIANANDRASANA, JEP  Morombe.

29.  R.P. Raba Tinorossi RAZAFIMANDIMBY, Aumônier JEP Diosezin’i Morondava.

30.  Atoa Alphonse RATOVOSON, JEP Morondava.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezy Atsimo Atsinanana

31.  R.P. Théophile RAKOTONIRINA, Aumônier JEP Diosezin’i Fianarantsoa.

32.  Atoa Paul Roger RANDRIA, JEP Fianarantsoa.

33.  Atoa Rémi RATSIMBAZAFY, JEP Antamponjina Fianarantsoa.

34.  R.P. Jean Baptiste RAKOTO, Aumônier JEP Diosezin’Ambositra.

35.  Atoa Solonirina ANDRIAMIFIDY, JEP Md. Joseph Ambositra.

36.  Rtoa Hantamalala RAFANOMEZANTSOA, JEP Ilanitra Ambositra.

37.  R.P. Augustin PIERRE,  Aumônier JEP Diosezin’i Farafangana.

38.  Atoa Clovis RAZAFINDRAMBELO, JEP Mangarivotra Manakara.

39.  Atoa Martin RANDRIANANTOANINA, JEP Farafangana.

40.  R.P. Eric José ANDRIANANJA, Aumônier JEP Diosezin’Ihosy.

41.  Atoa Jean Chrysostome  RATOVOARISON, JEP St. Jean Antanimandry Ihosy.

42.  R.P. Abdon Dominique  RAKOTONANDRASANA, Aumônier JEP Diosezin’i Mananjary.

43.  Atoa Georges LEMAINTY, JEP St. Joseph Nosy Varika.

Solontena avy amin’ny Arsidiosezy Atsinanana :

44.  Atoa Botou Placide NANDRASANA, Mpikambana JEP  Mangarano II Diosezin’i Toamasina.

45.  Rtoa Eurydice MANDIMBILAZA, Mpikambana JEP Androranga Toamasina.

46.  R.P. Eric RAHARISON, Aumônier JEP Diosezin’Ambatondrazaka.

47.  RtoaNoëline Eulalie RASOANIRINA, JEP Ambatondrazaka.

48.  Atoa Jean Christian MANANTSOA, JEP Ampasambazimba Ambatondrazaka.

49.  R.P. Eloi Benoît MARSON, Aumônier JEP Diosezin’i Fenoarivo Atsinanana.

50.  Rtoa Georgine VOLAFENO, JEP Fenoarivo Atsinanana.

51.  Atoa Alexandre LAIGAONA, JEP Soanierana Ivongo.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

  • 30 Jun. 2018 - 08:34-

    Remplacement au sénat.« Le député nommé membre du Gouvernement est suspendu d’office de son mandat. Il est remplacé par son suppléant » et que « Les dispositions des articles 71 à 79 sont applicables, par analogie, au Sénat ». Que par décret n°2018-540 du 11 juin 2018, le Sénateur ANDRIAMANDAVY VII Riana a été nommé membre du Gouvernement. Qu’il y a donc lieu de suspendre d’office de son mandat le sénateur Riana  Andriamandavy VII. Est proclamé Sénateur de Madagascar le candidat Rajaonarivelo Henri Velomaro, premier suppléant de la liste « HVM » de Fianarantsoa. (Arrêt de la Hcc du 28 juin 2018.

  • 29 Jun. 2018 - 13:34-

    Dates des élections présidentielles.-  Le Premier ministre, Ntsay Christian, a annoncé lors d'un point de presse qu'il a donné à Mahazoarivo ce 29 juin la date des élections présidentielles. Le premier tour se tiendra le 7 novembre 2018 et le second tour se tiendra le 19 décembre 2018. La convocation des électeurs se fera dans le courant du mois d’août. Suivant la Constitution, le président de la République Hery Rajaonarimampianina, s'il se porte candidat, devrait démissionner le 7 septembre de cette année.

  • 16 Jun. 2018 - 10:10-

    Minisitera MPAE : mitohy ny asa. Isan’ny Miinisitera tsy nisolo ny minisitra mitantana azy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Nahatsapa ankehitriny ny mpitantana ity minisitera ity fa misy mpanakorontana tafiditra ao anatiny ka nahatonga azy i reo hanao fanambarana. Nanambara ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ny alakamisy 14 jona lasa teo teny Ampadrianomby fa mandeha tsara ny asa rehetra ao amin’ny minisitera. Tsy mba nahitana olana hatramin’izay na dia minisitra Hvm aza no nitondra tao hatramin’izay ka hatramin’izao. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa tsisy tombontsoa ho azon'ny Firenena indrindra ny tantsaha sy ny mpiompy amin'ny fanakorontanana.

  • 05 Jun. 2018 - 06:58-

    Concours pour pourvoir les 40 postes d’inspecteurs du Trésor. Le ministère des Finances et du Budget informe que le dépôt de dossier pour le concours de recrutement d'élèves inspecteurs du trésor est ouvert depuis ce 4 juin. A noter que 40 postes sont à pourvoir, dont 35 sur concours direct et 5 pour les fonctionnaires du ministère. Le concours se tiendra du 22 au 23 novembre 2018 à Antananarivo Renivohitra, Antsiranana I, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Toamasina I et Toliara I. http://www.tresorpublic.mg/tresorpublic/download.php?path=wp-content/uploads/2018/06/&file=concours_ins_2018.pdf

  • 26 May. 2018 - 11:34- GBM Fête des Mères. La GBM ou Grande Braderie de Madagascar a ouvert ses portes ce 23 mai comme annoncé dans les médias. On observe une grande affluence dans les allées. Selon MadaVision la règle de la réduction minimale de 15% est respectée par les participants.
  • 26 May. 2018 - 08:27-

    Décision HCC. Décision n°18-HCC/D3 du 25 mai 2018 Relative à une requête en déchéance du Président de la République Hery Rajaonarimampianina : La Haute Cour Constitutionnelle, Vu la Constitution ; Vu l’Ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ; Vu la loi n°2014-043 relative à la Haute Cour de Justice ; Les rapporteurs ayant été entendus… (lire la suite sur  http://www.lakroa.mg/item-1389_articles_politique_18-dacision-relative-a-une-requate-en-dachaance-du-prasident.html

  • 22 May. 2018 - 07:11-

    Nouveau cardinal. Le Pape François a annoncé ce 20 mai dimanche de Pentecôte, qu’il créera le 29 juin prochain 14 nouveaux cardinaux dont 11 parmi eux sont des électeurs. Parmi ces 14 nouveaux cardinaux se trouvent l’Archevêque Désiré Tsarahazana. L’équipe de http://www.lakroa.mg/ salue ce nouveau cardinal en particulier et toute l’Eglise catholique notamment à Madagascar pour cette nomination. Que le souffle de l’Esprit Saint souffle sur ce nouveau cardinal pour donne un nouvel élan toujours plus positif sur l’EKAR que cela influe positivement sur la vie du pays.

  • 19 May. 2018 - 09:50-

    GBM Fête des mères. La Grande Braderie de Madagascar dédiée à la fête des Mères se déroulera du 23 au 27 mai 2018. Comme d’habitude les visiteurs bénéficieront d’une garantie d’obtenir une remise de 15% minimum. Les visiteurs auront une large gamme de choix pour honorer les mamans. Mais les stands traditionnels seront aussi là pour satisfaire toutes les demandes.

  • 09 May. 2018 - 11:42-

    Daty 3. Nanao fanambarana ny CENI ka nanolotra daty telo. Momba ny datim-pifidianana dia tranga telo no azo eritreretina ka nanaovan'ny CENI tolokevitra :
    - Tranga voalohany: Fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fotoana (alarobia 29 aogositra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga faharoa: Fifidianana Filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha 47 amin'ny lalàm-panorenana (alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga fahatelo: Fanemorana ny fifidianana noho ny antony voalazan'ny Lalàm-panorenana hatrany (29 mai 2019 ny fihodinana voalohany)
    Hahafahana mandrindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana sy manatanteraka izany ao anatin'ireo tranga roa voalohany (izany hoe amin'ity taona 2018 ity) dia takiana hazava amin'ity volana mey 2018 ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika.

  • 05 May. 2018 - 15:04-

    Médiation du FFKM. Le FFKM continue à son rythme sa médiation. Une médiation qui a été ouverte par un culte œcuménique le dimanche 29 avril 2018. Un culte où déjà on a remarqué l’absence d’une certaine partie des acteurs politiques. Puis le lundi 30 avril, le FFKM a invité les députés de chaque camp. Seul le camp des députés “pro-régime” s’est fait représenter. Le camp des députés 73 n’a pas répondu à l’invitation du FFKM. Les quatre chefs d’Eglise du FFKM se sont déplacés, ce 4 mai, à Tsimbazaza pour rencontrer le président de l’Assemblée nationale et à Anosikely pour rencontrer le président du Sénat.

  • 05 May. 2018 - 12:59-

    Dates du recensement. Le Premier Ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier, a présidé ce 3 mai 2018 la cinquième réunion du Conseil National du Recensement (CNR). Cette réunion du CNR s’inscrit toujours dans le cadre de la préparation du troisième recensement général de la population et de l’habitation (RGPH-3). L’objet principal de cette réunion du CNR est de soumettre aux membres du CNR une proposition de date pour la réalisation du lancement du dénombrement. Ainsi, il a été validé que le recensement aura lieu du 18 mai au 10 juin 2018 à commencer par la numérotation de bâtiments (18 au 24 mai 2018), et par la suite, le  dénombrement de la population et des ménages (25 mai au 10 juin 2018).

  • 05 May. 2018 - 09:21-

    MTS. Le parti MTS (Malagasy Tonga Saina) a tenu son congrès le 4 mai 2018 à Antanimena. A l’issue de ce congrès, Mirasoa Razanamasy a été élu au poste de Secrétaire général du parti. Il remplace à ce poste Benjamina Ramanantsoa. Le Congrès a également désigné les coachs par Faritany. Concernant les afairres nationales, Roland Ratsiraka, président national du MTS, prône le « Soa toavina », faisant valoir le dialogue. Pour lui, il vaut mieux qu’un candidat soit présenter par un parti cela suppose l’existence d’une organisation. Le MTS affirme aligner des candidats à toutes les échéances électorales.

  • 03 Apr. 2018 - 08:58-

    Joyeuses Pâques à tous et à chacun. www.lakroa.mg souhaite à tous et à chacun de Joyeuses fêtes de Pâques. Que chaque jour qui se lève soit un jour de Pâques, un jour de victoire pour le monde. Dans son homélie de la nuit de Pâques 2018, le Pape François nous a invités à « transformer l’espérance en gestes concrets de charité ». La suite nous appartient.

  • 23 Mar. 2018 - 07:59-

    Passage de Eliakim (bilan du 22 mars à 20h). Le bilan provisoire global en date du 22 mars 2018 transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 21 décédés ; 50 872 sinistrés ; 19 439 déplacés cumulés ; 1 491 cases d’habitations endommagées ; 13 345 d’habitations inondées ; 2 392 cases détruites.

  • 20 Mar. 2018 - 07:58-

    José Vianey candidat aux présidentielles. Chaque week end apporte son lot de candidat à la candidature au poste de président de la République de Madagasikara. José Vianey vient d’annoncer sa candidature ce samedi 17 mars 2018 au Paon d’Or. Si l’on se réfère aux informations dans les informations, José Vianey ou Vijo a annoncé sa candidature en son  nom propre et non comme candidat du parti RAM. Ce parti certainement va entériner prochainement cette volonté du candidat Vijo. C’est devenu le modus vivendi.

  • 19 Mar. 2018 - 08:45-

    Passage de Eliakim. Le bilan provisoire global en date du 18 mars 2018 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 17 décédés ; 15 772 sinistrés ; 6 282 déplacés cumulés ; 251 cases d’habitations endommagées ; 1 271 cases d’habitations inondées ;  648 cases détruites.

  • 19 Mar. 2018 - 08:29-

    200 étudiants s’imprègnent du Fisandratana2030. Hugues Ratsiferana, Conseiller spécial du Président de la République, a eu comme invité près de 200 étudiants issus de plusieurs universités de la Capitale (des universités publiques et des instituts supérieurs privés). Ces étudiants ont pu s’imprégner du Fisandratana 2030, dans l’amphithéâtre du Centre d’Application de Développement Intégré (Cadi), durant la matinée du 17 mars 2018. Après la présentation succincte du Fisandratana 2030 les étudiants ont pu poser des questions sur ce programme présidentiel. Le président Rajaonarimampianina est passé pour partager avec ces étudiants son expérience de vie.

  • 15 Mar. 2018 - 07:38-

    Jour J pour Aok’izay. C’est aujourd’hui 15 mars de 12h à 12h05 que le rendez-vous a été fixé par les organisateurs pour sensibiliser les tenants du pouvoir sur l’insécurité. Les organisateurs demandent une table ronde aux dirigeants mais surtout l’effectivité des décisions prises. Pour ce jour les organisateurs demandent à tous et à chacun de faire le maximum de bruit (klaxon, son de cloche, sifflet…) pour que ce cri soit entendu en haut lieu. Les organisateurs se donnent rendez-vous sur le parking de Jumbo Score Ankorondrano pour faire le maximum de bruit.

  • 15 Mar. 2018 - 07:36-

    Salon du chocolat et de la gourmandise. Pour la deuxième année consécutive, Wednesday Morning Group a choisi le chocolat et la gourmandise pour son activité de levée de fonds. Cet événement se déroulera durant la journée du 17 mars et se tiendra au Carlton Anosy. “Ce sera une journée d’animation, de démonstration, de préparation, mais surtout de dégustation” annonce les organisatrices car WMG est une association composée uniquement de femmes. Le but de WMG est de recueillir des fonds pour permettre la réalisation des actions sociales de cette Ong.

Du même auteur

chronique
societe

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité