logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Midira midira ry zanakay

Ratalata Jn Bà il y a 10 mois

Maro ireo sekoly efa nanomboka ny taom-pianara 2017-2018. Tsy ho ela dia hanokatra ny vavahadiny koa ireo sekoly hafa. Irariana ho taom-pahombiazana ny taom-pianarana 2017-2018.

Midira midira ry zanakay

Maro dia maro ry havana ny tononkalo mandalo eto ambany maso. Ny safidy etoana moa dia ireo manaraka ny vanim-potoana sy ny zava-misy. Eo ianareo niresaka pesta ary mitaky ny fialan’ny mpitondra fa lasa be zesta nahavita fandidiana kanefa izato pesta anie tsy voafehy. Eo ny fivahinian’ny Filoha tany amin’ny firenena mikambana toa resaka manidintsidina fa ny Nosy manodidina zary ambin-javatra. Eo ny resaka Lalampanorenana izay nanaovana fianianana vao tsy ampy efa taona akory dia io fa iniana goahina fa tsy sahaza ity endrika sondenda.


Na eo aza izany rehetra izany sy ny filazan’ireo poety nahaliana dia handeha ity fidiran’ny mpianatra no hitafatafana mba ho taona zina ny taom-pianarana.

 

Ny fanombohan’ny taom-pianarana iray dia tsy maintsy eo i Dada sy i Neny mamporisika mety koa aza nanery mihitsy hampianatra ny zanany ka niteraka tsianjery.

 

Dadanay sy neninay

……………

Dadanay sy neninay,

nitrotro sy nibaby ahy!

Nanolotra ahy vatomamy,

raha sendra ka tomany!

 

Dadanay sy neninay,

nampianatra ahy hahay:

hiarahaba sy hisaotra,

hianatra ary koa hivoatra!

 

Dadanay sy neninay,

be fitia, tsara fanahy!

manoro hatrany ny tsy haiko,

manome izay ilaiko!

 

Dadanay sy neninay,

anilany aho tsy manahy!

Tsy namotsotra ny tanako,

rehefa sarotra ny lalako!

 

Dadanay sy neninay,

ireo no naha-olona ahy,

fahendrena no havaliko,

ireo soa nataony tamiko!

Nitiah Nosy

Nitiah Nosy - Poeta

19 septembre, 21:56 ·

 

Ny fianarana

……………

Rehefa ny fianarana

no tsy mba isasarana,

atao ambanin-javatra

sy ankahalaina fatratra

dia aza asiana nenina

rehefa mipenimpenina.

 

Rehefa ny fianarana

no tsy mba nanitarana

ny soa tsy maintsy ilaina

ho entintsika miaina

dia aza taitra intsony

ra' toa tsy lasa ambony.

 

Rehefa ny fianarana

no tsy mbola iangarana

fa atao an-jorom-bala

vao misy ilay malala

dia aoka tsy hitomany

ra'rendrika avy hatrany.

 

Rehefa ny fianarana

no tsy mba nanazarana

ny saina anananao

fa "revy" sy lalao...

Tsy misy fahagagana

ny ditra re, mazàna.

 

Rehefa ny fianarana

no tsy mba namaharana

fa nasolo...Nanekena

ny vola aman-karena

dia 'zay ny anao no vita,

na miseho "mahitahita" !

Fredy Jaofera

http://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fianarana

 

 

Fianarana

……………

Raha te ho tafita,

ity ny marina tsy azo odian-tsy hita:

ny miditra am-pianarana no lalana!

ndao f'aza mialangalana!

Any no fandrafetana,

ireo drafitra sy fanomanana ny hoavy!

f'izao:manana faharetana!

ilaina fikirizana ny any fa tsy adin-tavy!

Any no ahitana ny fahalalàna!

izay ahaizana ny rehetra!

tsisy dikany ny manàna nefa olona sanàna!

satria tsy mahay:fa kamo no sady voretra.

Ny fianarana rahavana!

no lova tsy azo arina,

entano ny saina,hianatra am-pitiavana!

hialào ny tsy firaharahiana!

Ravonjison Herizo

http://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/fianarana

 

 

Ny fianarana

……………

Ny fianarana rankizy

No sakafo tsara indrindra

Tohan'aina izay tsy izy

Dia ny hoavy voarindra

 

Mampanan-tena ny aoriana

Ny fianarana izay lofoina

Mandreraka sy mahasondriana

Nefa tsy maintsy tompoina

 

Indro hoavy ilay maraina

Masoandro miratra ho anao

Raha tena izay no hantenaina

Dia ny fianarana no atao

Izao ianao no miasa loha

Torovana sy rerak'aina

Efa miandry anao ny soa

Rehefa tonga ilay maraina

 

Iaretana ny fisedrana

Enti-mody lava izao

Hakatokin'ny hatanorana

Hiposaka ny anjaranao

 

Masoandro mena mibaliaka

Tsy laitran'iza ho vonoina

Ilay fahantrana nanaliaka

Dia ho fongorina sy ho soloina.

Jeankely Razafimamonjy

http://vetso.serasera.org/tononkalo/razafimamonjy-jeanbaptiste/ny-fianarana

 

 

Maro ny kasinga mety handentika ny faniriana ary hiteraka faharendrehana. Isan’izany ny rendrarendra indrindra ity fesiboky Facebook ity. Hafatra alohan’ny hanombohan’ny taona sy teny entina hisarahana :

 

Ry zanako

……………

Tiako ianao ry zanako matoa re teneniko

Ny mibedy anao dia tena tsy ho neniko

Tombontsoa ho anao izato fananarako

Mbola adidiko ianao fa mitondra ny anarako.

Tandremonao ry zanako ny miboridandridana

Aza mandeha mafy ka hanidina hiridana

Tsinjovy ny ho avy, mbola ho reny anie ianao

Raha inty ny sarinao, ho hitan'ireo zanakao !

Raha tianao tahaka ny inona izy, aza mety halainy sary

Fa haparitany iny avy eo, eo ianao vao hanahy vary

Sahia mandray fepetra, mahaiza manao tsia

Fa matetika ny mila ireny, tsy anjaranao doria.

Ry zanako a ! na tsy voafehinao aza re ny ditra

Mba matahora ihany Ilay Andriamanitra tsy hita

Aza avela ho afa-baraka izahay ray aman-dreny

Eny re, aza avela ho fotsy rora raha indro mba miteny.

Ny fahatsaranao ry zanako, efa hitan'olona rehetra

Tsy ilaina ampiana "zaima", amoahan-tsary mamohehatra

Ataovy anatra ho anao, ireo 'zay voa ka nanenina

Naparitak'olona ato, ny sarin-taova 'zay afenina.

Be dia be no tsy mahafehy ity fesiboky ity

Toraha'olona amin'ny "zaima" dia miboridandridana ery.

fanasina7

 

 https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1846719102012793

 

dia hoy Ratalata mamarana ny tafatafa anio « Ho taom-pahombiazana ny taom-pianarana 2017-2018 ho anareo Rankizy ho reharehan’ireo ray sy reninareo tsirairay avy. »

 

 

 

Loharano :

Maro ireo tranonkala ahitana tononkalo. Iray amin’ireny ny http://vetso.serasera.org  izay nangalana ny tononkalo sasany naroso teto ary ao ireo mpanakanto efa niara-dalana amintsika eto. Samy tolorana fisaorana izy ireo isanisany avy.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

  • 30 Jun. 2018 - 08:34-

    Remplacement au sénat.« Le député nommé membre du Gouvernement est suspendu d’office de son mandat. Il est remplacé par son suppléant » et que « Les dispositions des articles 71 à 79 sont applicables, par analogie, au Sénat ». Que par décret n°2018-540 du 11 juin 2018, le Sénateur ANDRIAMANDAVY VII Riana a été nommé membre du Gouvernement. Qu’il y a donc lieu de suspendre d’office de son mandat le sénateur Riana  Andriamandavy VII. Est proclamé Sénateur de Madagascar le candidat Rajaonarivelo Henri Velomaro, premier suppléant de la liste « HVM » de Fianarantsoa. (Arrêt de la Hcc du 28 juin 2018.

  • 29 Jun. 2018 - 13:34-

    Dates des élections présidentielles.-  Le Premier ministre, Ntsay Christian, a annoncé lors d'un point de presse qu'il a donné à Mahazoarivo ce 29 juin la date des élections présidentielles. Le premier tour se tiendra le 7 novembre 2018 et le second tour se tiendra le 19 décembre 2018. La convocation des électeurs se fera dans le courant du mois d’août. Suivant la Constitution, le président de la République Hery Rajaonarimampianina, s'il se porte candidat, devrait démissionner le 7 septembre de cette année.

  • 16 Jun. 2018 - 10:10-

    Minisitera MPAE : mitohy ny asa. Isan’ny Miinisitera tsy nisolo ny minisitra mitantana azy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Nahatsapa ankehitriny ny mpitantana ity minisitera ity fa misy mpanakorontana tafiditra ao anatiny ka nahatonga azy i reo hanao fanambarana. Nanambara ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ny alakamisy 14 jona lasa teo teny Ampadrianomby fa mandeha tsara ny asa rehetra ao amin’ny minisitera. Tsy mba nahitana olana hatramin’izay na dia minisitra Hvm aza no nitondra tao hatramin’izay ka hatramin’izao. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa tsisy tombontsoa ho azon'ny Firenena indrindra ny tantsaha sy ny mpiompy amin'ny fanakorontanana.

  • 05 Jun. 2018 - 06:58-

    Concours pour pourvoir les 40 postes d’inspecteurs du Trésor. Le ministère des Finances et du Budget informe que le dépôt de dossier pour le concours de recrutement d'élèves inspecteurs du trésor est ouvert depuis ce 4 juin. A noter que 40 postes sont à pourvoir, dont 35 sur concours direct et 5 pour les fonctionnaires du ministère. Le concours se tiendra du 22 au 23 novembre 2018 à Antananarivo Renivohitra, Antsiranana I, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Toamasina I et Toliara I. http://www.tresorpublic.mg/tresorpublic/download.php?path=wp-content/uploads/2018/06/&file=concours_ins_2018.pdf

  • 26 May. 2018 - 11:34- GBM Fête des Mères. La GBM ou Grande Braderie de Madagascar a ouvert ses portes ce 23 mai comme annoncé dans les médias. On observe une grande affluence dans les allées. Selon MadaVision la règle de la réduction minimale de 15% est respectée par les participants.
  • 26 May. 2018 - 08:27-

    Décision HCC. Décision n°18-HCC/D3 du 25 mai 2018 Relative à une requête en déchéance du Président de la République Hery Rajaonarimampianina : La Haute Cour Constitutionnelle, Vu la Constitution ; Vu l’Ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ; Vu la loi n°2014-043 relative à la Haute Cour de Justice ; Les rapporteurs ayant été entendus… (lire la suite sur  http://www.lakroa.mg/item-1389_articles_politique_18-dacision-relative-a-une-requate-en-dachaance-du-prasident.html

  • 22 May. 2018 - 07:11-

    Nouveau cardinal. Le Pape François a annoncé ce 20 mai dimanche de Pentecôte, qu’il créera le 29 juin prochain 14 nouveaux cardinaux dont 11 parmi eux sont des électeurs. Parmi ces 14 nouveaux cardinaux se trouvent l’Archevêque Désiré Tsarahazana. L’équipe de http://www.lakroa.mg/ salue ce nouveau cardinal en particulier et toute l’Eglise catholique notamment à Madagascar pour cette nomination. Que le souffle de l’Esprit Saint souffle sur ce nouveau cardinal pour donne un nouvel élan toujours plus positif sur l’EKAR que cela influe positivement sur la vie du pays.

  • 19 May. 2018 - 09:50-

    GBM Fête des mères. La Grande Braderie de Madagascar dédiée à la fête des Mères se déroulera du 23 au 27 mai 2018. Comme d’habitude les visiteurs bénéficieront d’une garantie d’obtenir une remise de 15% minimum. Les visiteurs auront une large gamme de choix pour honorer les mamans. Mais les stands traditionnels seront aussi là pour satisfaire toutes les demandes.

  • 09 May. 2018 - 11:42-

    Daty 3. Nanao fanambarana ny CENI ka nanolotra daty telo. Momba ny datim-pifidianana dia tranga telo no azo eritreretina ka nanaovan'ny CENI tolokevitra :
    - Tranga voalohany: Fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fotoana (alarobia 29 aogositra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga faharoa: Fifidianana Filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha 47 amin'ny lalàm-panorenana (alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga fahatelo: Fanemorana ny fifidianana noho ny antony voalazan'ny Lalàm-panorenana hatrany (29 mai 2019 ny fihodinana voalohany)
    Hahafahana mandrindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana sy manatanteraka izany ao anatin'ireo tranga roa voalohany (izany hoe amin'ity taona 2018 ity) dia takiana hazava amin'ity volana mey 2018 ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika.

  • 05 May. 2018 - 15:04-

    Médiation du FFKM. Le FFKM continue à son rythme sa médiation. Une médiation qui a été ouverte par un culte œcuménique le dimanche 29 avril 2018. Un culte où déjà on a remarqué l’absence d’une certaine partie des acteurs politiques. Puis le lundi 30 avril, le FFKM a invité les députés de chaque camp. Seul le camp des députés “pro-régime” s’est fait représenter. Le camp des députés 73 n’a pas répondu à l’invitation du FFKM. Les quatre chefs d’Eglise du FFKM se sont déplacés, ce 4 mai, à Tsimbazaza pour rencontrer le président de l’Assemblée nationale et à Anosikely pour rencontrer le président du Sénat.

  • 05 May. 2018 - 12:59-

    Dates du recensement. Le Premier Ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier, a présidé ce 3 mai 2018 la cinquième réunion du Conseil National du Recensement (CNR). Cette réunion du CNR s’inscrit toujours dans le cadre de la préparation du troisième recensement général de la population et de l’habitation (RGPH-3). L’objet principal de cette réunion du CNR est de soumettre aux membres du CNR une proposition de date pour la réalisation du lancement du dénombrement. Ainsi, il a été validé que le recensement aura lieu du 18 mai au 10 juin 2018 à commencer par la numérotation de bâtiments (18 au 24 mai 2018), et par la suite, le  dénombrement de la population et des ménages (25 mai au 10 juin 2018).

  • 05 May. 2018 - 09:21-

    MTS. Le parti MTS (Malagasy Tonga Saina) a tenu son congrès le 4 mai 2018 à Antanimena. A l’issue de ce congrès, Mirasoa Razanamasy a été élu au poste de Secrétaire général du parti. Il remplace à ce poste Benjamina Ramanantsoa. Le Congrès a également désigné les coachs par Faritany. Concernant les afairres nationales, Roland Ratsiraka, président national du MTS, prône le « Soa toavina », faisant valoir le dialogue. Pour lui, il vaut mieux qu’un candidat soit présenter par un parti cela suppose l’existence d’une organisation. Le MTS affirme aligner des candidats à toutes les échéances électorales.

  • 03 Apr. 2018 - 08:58-

    Joyeuses Pâques à tous et à chacun. www.lakroa.mg souhaite à tous et à chacun de Joyeuses fêtes de Pâques. Que chaque jour qui se lève soit un jour de Pâques, un jour de victoire pour le monde. Dans son homélie de la nuit de Pâques 2018, le Pape François nous a invités à « transformer l’espérance en gestes concrets de charité ». La suite nous appartient.

  • 23 Mar. 2018 - 07:59-

    Passage de Eliakim (bilan du 22 mars à 20h). Le bilan provisoire global en date du 22 mars 2018 transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 21 décédés ; 50 872 sinistrés ; 19 439 déplacés cumulés ; 1 491 cases d’habitations endommagées ; 13 345 d’habitations inondées ; 2 392 cases détruites.

  • 20 Mar. 2018 - 07:58-

    José Vianey candidat aux présidentielles. Chaque week end apporte son lot de candidat à la candidature au poste de président de la République de Madagasikara. José Vianey vient d’annoncer sa candidature ce samedi 17 mars 2018 au Paon d’Or. Si l’on se réfère aux informations dans les informations, José Vianey ou Vijo a annoncé sa candidature en son  nom propre et non comme candidat du parti RAM. Ce parti certainement va entériner prochainement cette volonté du candidat Vijo. C’est devenu le modus vivendi.

  • 19 Mar. 2018 - 08:45-

    Passage de Eliakim. Le bilan provisoire global en date du 18 mars 2018 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 17 décédés ; 15 772 sinistrés ; 6 282 déplacés cumulés ; 251 cases d’habitations endommagées ; 1 271 cases d’habitations inondées ;  648 cases détruites.

  • 19 Mar. 2018 - 08:29-

    200 étudiants s’imprègnent du Fisandratana2030. Hugues Ratsiferana, Conseiller spécial du Président de la République, a eu comme invité près de 200 étudiants issus de plusieurs universités de la Capitale (des universités publiques et des instituts supérieurs privés). Ces étudiants ont pu s’imprégner du Fisandratana 2030, dans l’amphithéâtre du Centre d’Application de Développement Intégré (Cadi), durant la matinée du 17 mars 2018. Après la présentation succincte du Fisandratana 2030 les étudiants ont pu poser des questions sur ce programme présidentiel. Le président Rajaonarimampianina est passé pour partager avec ces étudiants son expérience de vie.

  • 15 Mar. 2018 - 07:38-

    Jour J pour Aok’izay. C’est aujourd’hui 15 mars de 12h à 12h05 que le rendez-vous a été fixé par les organisateurs pour sensibiliser les tenants du pouvoir sur l’insécurité. Les organisateurs demandent une table ronde aux dirigeants mais surtout l’effectivité des décisions prises. Pour ce jour les organisateurs demandent à tous et à chacun de faire le maximum de bruit (klaxon, son de cloche, sifflet…) pour que ce cri soit entendu en haut lieu. Les organisateurs se donnent rendez-vous sur le parking de Jumbo Score Ankorondrano pour faire le maximum de bruit.

  • 15 Mar. 2018 - 07:36-

    Salon du chocolat et de la gourmandise. Pour la deuxième année consécutive, Wednesday Morning Group a choisi le chocolat et la gourmandise pour son activité de levée de fonds. Cet événement se déroulera durant la journée du 17 mars et se tiendra au Carlton Anosy. “Ce sera une journée d’animation, de démonstration, de préparation, mais surtout de dégustation” annonce les organisatrices car WMG est une association composée uniquement de femmes. Le but de WMG est de recueillir des fonds pour permettre la réalisation des actions sociales de cette Ong.

Du même auteur

chronique
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité