logo
Lakroan'i Madagasikara
Fahasalamam-bahoaka

Pesita misy, mpizesita mahay

Ratalata Jn Bà il y a 2 mois

Iarahantsika mahalala ny fomba fiteny manao hoe : “Valala misy, mpilaza mahay”. Izany fiteny izany no mby antsaina ankehitriny manoloana ny fitrangan’ny pesita. Fa akory hoy ianao ?

Pesita misy, mpizesita mahay

Ny 28 aogositra no nitranga ny pesita. Vao iray volana mahery kely anie izany raha zohina. Vao nandre ny fisian’io tranga io ny teo anivon’ny minisitera mpiandraikitra ny fahasalamam-bahoaka dia nilaza ny tao fa “Lasa aloha ny saison pesteuse”. 

 

Nandratra sofina

Nanaitra ny nandre izany filazana izany. Misy tokoa izany ny vanim-potoana tahaka ny fisian’ny vanim-potoana ho an’ny rivo-doza na période cyclonique. Ity farany dia fantatry ny mpiandraikitra, fantatry ny mpanao politika fa tsy azo ikarakarana fifidianana. Fantatra io vanim-potoan’ny rivo-doza io ary dia natsangana ny Bngrc na Bureau national de gestion des risques et catastrophes. Samy mahalala io rafitra io ny tsirairay. Raha vao misy loza dia efa any ny maso. Milamina ny saina. Noho izay tokoa no nanaitra ny filazan’ny tekinisianina eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamana fa lasa aloha ny « saison pesteuse ». Izany hoe ry zareo ao izany mahalala ny fisian’io vanim-potoan’ny firongatan’ny aretina pesita io. Dia gaga ny tena. Fantatr’izy ireo izany koa nahoana no tsy niomana ry zareo ?

Ny fomba fiteny faharoa nandratra sofina dia ilay filazana hoe “efatra fotsiny no maty…”. Ekena e. Efa zatra mahita ry zareo mpiasan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana fa mahatratra am-polony maro matetika ny matin’ny pesita ka raha efatra izany mbola lavitra ny maridrefy fanairana. Tsiahivina tokoa ohatra fa tamin’ny taona 2014 dia 70 mahery ireo matin’ny pesita teto Madagasikara.

 

Pesita mampidorororo

Mitory ny toe-tsain’ireo tekinisianina tokoa ny voambolana nampiasain’izy ireo. Tsy ain’olona no manoloana azy ireo fa tarehimarika tsotra. Tsy ireo tekinisianina ihany anefa no toa izany fa na ireo mpitondra fanjakana mihitsy aza. Ndeha izay nitranga faramparany no hitarafantsika fa mampidorororo olobe ity pesita ity. Raha ny 28 aogositra no nitranga voalohany ny olona matin’ny pesita dia ny sabotsy 30 sepitambra vao nisy izany cellule de veille najoro izany. Io no voambolana nampiasain-dry zareo ary “rafitra manara-maso mba hifehezana faran’izay haingana ny valanaretina pesita no asany.”

Tena midororororo tokoa raha ny fitondrana satria iray volana aty aoriana vao nisy rafitra najoro. Tsy misy fivoriana mikasika ny ady hatao raha tsy eo ireo vahiny. Eny izy ireo tokoa no mamatsy vola an… 

Midorororo tokoa ireo mpitondra. Toa tsy tazana rehefa misy fivoriana ireo heverina fa hirotsaka eny antanim-piadiana. Ohatra ny Bngrc… Ohatra ny minisitry ny miaramila na zandary na polisy… Ohatra ny mpitandro ny filaminana, Emmoreg no mahazatra antsika raha ny Emmo/nat. Tsy vonona hiady ny fanjakana. Efa « cellule de combat » no tokony napetraka io sabotsy io. Jereo fa sabotsy no najoro io « cellule de veille » io ary ny alatsinainy antoandro vao nanangana ny « cellule » ho azy ny Faritra Analamanga izay akaiky vilany fa tsy io sabotsy io na ny alahady fara-fahatarany. Midorororo hoy aho.

 

Inona ary no tokony ho natao ?

Raha manoratra ny tokony hatao eto akory tsy midika fa te ho minisitra ny tena. Mitatasiaka no manavanana. Mpitatasiaka maniry ho ren’ny mpitondra kosa na izany aza.

Ny toe-tsaina itafiana voalohany indrindra dia fanalavirana ny resaka politika. Raha ny ao Analamanga no itarafana azy dia ny lehiben’ny Faritra  no tazana lohalaharana raha an’ny préfet ny asa filaminana sy fiarovana. Sa lasa resaka politika ny ady amin’ny pesita ? Nasiana rafitra ny ao Analamanga fa tsy ao anatiny ny Kaominin’Antananarivo renivohitra nefa dia izy no isan’ny be maty.

 

Mahafantatra ianareo tekinisianina eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa misy ny saison pesteuse. Ok. Efa mialohan’ny fanombohan’ny saison pesteuse no tokony nanomboka ny asa ianareo. Fanentanana mikasika ny fahadiovana. Fampahatsiahivana fa hisokatra ny saison pesteuse tahaka ny vanim-potoan’ny rivo-doza ary dia apetraka ny karazana saina (ohatra : faritra mena ho an’ny kartie maloto, faritra mavo na loko hafa, faritra fotsy ho an’ny madio…).

Efa tokony io sabotsy io dia novoriana ireo mpiandraikitra fiangonana lehibe sy be olona ary dia noresena lahatra hamaky fanentanana mikasika ny fahadiovana sy fanadiovana tanana avy amin’ny fanjakana alohan’ny toriteny.

Nandritra ny fampitana mivantana ny lalao basikety dia efa tokony ho nasiana fanentanana. Saingy tsy izay no hita sy re fa mpanao gazety mitantara baolina tahaka ny mahazatra na dia nisy maty aza ny iray amin’ireo mpikatroka, toa tsy nasiana vidiny ny aina nafoy.

Efa tokony najoro ho vavolombelona ireo narary nahazo fitsaboana ka sitrana… Mora mino kokoa ny olona raha mahita izany. Maro anie ny tahaka an’i Md Tomà e. Tsy ilaina miaka-tsehatra ny endrika Hvm ary dia tena tokony halavirina mihitsy ny mamofompofona politika.

Isan’ny tena hadinon’ireo tekinisianina miasa any ambony latabatra sy mijery tahiriela na archives dia tsy mbola nisy tambazotra tahaka ny facebook tany aloha tany ka nanaparitaka vaovao araka ny itiavan’ny olona azy, tsaho sa resabe sa inona… no iantsoana azy, dia zava-misy iainana izany ary ady atrehina. Manameloka mpanao facebook no atao sy andaniana andro, ny voalavo miriaria, ny parasy mi-saute saute.

Koa, raha izaho no minisitra dia santionany ireo…

Ho nampiasaiko ny tambazotra Facebook sy ny hafa. Tsy ho navelako nanjakan’ny ahiahy ny vahoaka fa niaina ny mangarahara. Mihaino ahy ve ianareo mpitondra ? Raha tsy hihaino ahy ianareo dia mba jereo koa ny hafatr’ireo poety ao amin’ity rohy ity : http://www.lakroa.mg/item-1178_articles_culture_18-pesita-sy-zesita.html. Eny, alaviro ny zesita dia ho faty ny pesita.

 

 

Fanampiny

Io ambony no tafavoaka tao amin’ny gazety Lakroan’i Madagasikara, taratasy, Alahady 8 okitobra 2017 ary laharana 4045, noho ny resaka toerana. Indro ny fanampiny  ho antsika mamaky eto amin’ny interinety.

 

 

 

Pesita mampivaralila

Nambarantsika teo fa mampidorororo ny pesita. Nasehontsika ny santionany. Fa mampivaralila ihany koa ity pesita ity. Ndao anie araho ireto santionany ireto e.

Ny alatsinainy maraina dia nitety radio i Paul Rabary, Minisitry ny fanabeazam-pirenena. Nambarany fa hatomboka ny fanakatonana ny sekoly ary mihodina izany fanakatonana izany. Izany hoe hisy fanadiovana ny sekoly ka ireo namendrahana fanafody dia hikatona mandritra ny telo andro. Ok. Mazava voaray ny baiko. Ny hariva dia indro ny vaovao hafa milatsaka fa hakatona daholo ny sekoly rehetra amin’ny Cisco enina (Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Toamasina I sy Toamasina II). Fanina ihany ny mpanara-baovao manoloana izany.

Mampivaralila ny fihetsik’ireo mpitondra. Jereo anie ny sary atolotra antsika eto e. Nijery ny teny amin’ny hopitalibe ao Toamasina ny minisitry ny fahasalamana. Niaro tena hatrany antampon-doha ka hatreny am-paladia izy sy ireo niara-dia taminy. Fa ahoana e ? Ary mba ahoana izany ireo miasa ao amin’ny hopitaly isan’andro ? Mba mahazo ireny fiarovana ireny va re ry zareo sa… ? Mpizesita ho’aho.

Jereo ny fanaovana fitantana mizana tsindriana ila. Misy ireo hetsika famoriam-bahoaka asaina hatsahatra fa ny hafa odian-tsy hita. Ohatra tanterahana ny hetsika salon de l’auto sa ve saranga ambony no mandeha mamonjy any ka tsy atahorana handrehoka na hikohoka ireo mpitsidika any ? Indrisy… Maty aho Madajazzcar… toa mba saranga mitovy ihany ny mamonjy ireny sy ny salon de l’auto an !

Farany, nahoana no rarahana fanafody ny sekoly kanefa ny manodidina tsy kitihana moa ve tsy mitsoa-ponenana vetivety ny parasy dia miverina indray ?

 

Santionany ireo re… Antsika ny fahoriana tongo-bakivaky ndao hifanome hery (tsy filoham-pirenena akory) hifanome zotom-po sy fandrisihana. Courage jiaby.

 

 


 


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 16 Dec. 2017 - 07:46-

    Amdp à Taolagnaro. L’Agence Malagasy de Développement économique et de Promotion des entreprises (AMDP) rattachée à la Présidence République effectue une enquête nationale sur l’économie de l’environnement des affaires à Madagasikara. Dans cette enquête les responsables de l’Amdp sillonnent le pays. Ils étaient à Taolagnaro ce 14 décembre 2017 pour effectuer l’enquête au niveau de la région Anosy. Cette enquête est constituée de consultation publique pour la contribution de toutes les forces à une étude visant l’émergence d’un développement économique durable et inclusif à Madagasikara.

  • 30 Nov. 2017 - 13:41-

    Baby shopping 2017. Pour la cinquième fois Prima Baby donne rendez-vous aux enfants et parents. Les dates à retenir sont les 1 et 2 décembre. Le lieu du rendez-vous se trouve sur le parvis de l’Hôtel de ville d’Antananarivo. Le vendredi 1 décembre : Shopping à petit prix ; Mora Mahazo (vente aux enchères) ; Coaching Parental. Le samedi 2 décembre Animations et Aire de Jeux en collaboration avec Le Marathon International de Tana. Concours de Déguisement. Coaching Parental avec les spécialistes de l'enfance. Le prix d’entrée est de 1000 ariary.

  • 28 Nov. 2017 - 14:39-

    Salon de la Microfinance. Annulé pour cause d’épidémie de peste, le rendez-vous pour mieux connaître les acteurs de la Microfinance se tient finalement ce jour 28 et le 29 novembre. Le Salon de la Microfinance des Banques et des Assurances, destiné au grand public, se tient sur le parvis de l’Hôtel de Ville d’Antananarivo. Cette première édition du salon est orientée vers les offres de crédit répondant aux attentes de tous : particuliers, fonctionnaires, salariés des privés, agriculteurs, commerçants, artisans, transporteurs, et autres. Des conférences sont proposées aux visiteurs.

  • 24 Nov. 2017 - 07:10-

    Accaparement des terres en Afrique francophone : identifier et promouvoir les solutions endogènes pour s’en sortir”, c’est le thème de la Conférence Régionale Afrique Francophone qui a eu lieu du 21 au 23 novembre 2017 à Abidjan. Cette conférence a vu la participation archevêques, des Evêques, prêtres, religieux et religieuses, Imams, chefs coutumiers, chef de village, agents pastoraux et acteurs de la société civile, les organisations partenaires. Les participants affirment que “L'accaparement des terres aggrave le fossé entre les pauvres et les riches en Afrique”. Cet accaparement est dissimulé sous le couvert des expressions de «croissance économique», «développement», «sécurité alimentaire» pour l'Afrique. Il est à noter que les participants se sont appuyés sur la parole de Dieu et l’enseignement du Pape François sur l’Environnement dans la Lettre Encyclique Laudato si (LS), et faisant suite à la conférence continentale sur l'accaparement des terres qui s'est tenue à Limuru, au Kenya, en novembre 2015.

  • 24 Nov. 2017 - 07:08-

    Convention pour le personnel du Ministère du Commerce et de la Consommation. Chabani Nourdine, Ministre du Commerce et de la Consommation, et Alexandre Mey, Directeur Général de Bni madagascar, ont signé un document de partenariat le mercredi 22 novembre. Il s’agit du Pack Mpiasam-Panjakana de Bni madagascar, une offre commerciale personnalisée avec des conditions préférentielles pour le personnel du Ministère de Commerce et de la Consommation. Cette convention leur facilite également l’obtention de crédits pour réaliser leurs projets.

  • 23 Nov. 2017 - 08:52-

    Pourquoi le foncier est-il source de conflit ? Le nombre de conflit avec en toile de fond le foncier augmente chaque jour. Des résultats ont été obtenus en 15 ans. On peut citer les différents textes de base, (lettre de politique foncière, des nouveaux textes législatifs…). Mais tout cela n’est pas suffisant pour éradiquer les conflits. Pourquoi cela ? L’Ong SIF, Sehatra Iombonan’ny Fananantany avec Transparency International organisent un atelier pour mieux appréhender les causes de ce conflit. Les raisons sont-elles conjoncturelles, structurelles ou… culturelles ? L’atelier se fera sur deux jours les 23 et 24 novembre à Antananarivo avec la participation des acteurs venant des régions.

  • 21 Nov. 2017 - 07:43-

    Parutions récentes. La Une = http://www.lakroa.mg/item-1227_articles_une_18-aoeny-marina-no-haha-olona-afaka-anareoa-jn-8-32.html ; Finoana = http://www.lakroa.mg/item-1228_articles_religion_18-aoela-varita-vous-libareraa-jn-8-32.html ; dossier = http://www.lakroa.mg/item-1229_articles_dossier_18-naaimons-pas-en-paroles-mais-par-des-actes.html ;

  • 20 Nov. 2017 - 07:54-

    Formation des formateurs de l’industrie culturelle. Le Ministère de la Culture, de la Promotion de l’Artisanat et de la Sauvegarde du Patrimoine, en étroite collaboration avec l’Organisation Internationale de la Francophonie (OIF), initie un projet portant sur la formation des formateurs de l’industrie culturelle du théâtre et renforcement de capacité des écoles de théâtre à Madagasikara. Le projet se fera en cinq jours, à partir du 20 au 24 novembre 2017 au SAF FJKM à Soavina Ambanitsena et comptera 43 participants issus des 22 régions.

  • 17 Nov. 2017 - 08:33-

    Préparation conférence interministérielle de l’Omc. Le Ministère du Commerce avec l’appui de l’Union Européenne, organise les 16 et 17 novembre 2017, un atelier qui s’inscrit dans la continuité de la 6ème réunion du Comité APEI-UE/AFOA du début d’octobre. Il se définit aussi comme une réunion préparatoire à la 11ème Conférence interministérielle de l’OMC du 11 au 14 décembre 2017 à Buenos Aires. Le Ministère du commerce a toujours prôné l’approche inclusive dans le cadre des négociations et de la mise en œuvre des accords commerciaux internationaux auxquels Madagasikara a adhéré.

  • 17 Nov. 2017 - 06:57-

    Avant-projet sur les élections. Trois Avant-projets de Loi ont fait l’objet de débats, en profondeur lors du Conseil du Gouvernement du mercredi 15 Novembre 2017. A savoir : Avant-projet de Loi organique relative au régime général des élections et des referendums ; Avant-projet de Loi organique relative à l’élection du Président de la République ; et Avant-projet de Loi organique relative à l’élection des Députés de l’Assemblée Nationale. Ces trois Avant-projets de Loi organique seront soumis au prochain Conseil des Ministres pour débats et adoption.

  • 13 Nov. 2017 - 08:46-

    Publications du 7 nov. Culture :http://www.lakroa.mg/item-1218_articles_culture_18-message-et-marche-vers-une-journae-mondiale.html

  • 13 Nov. 2017 - 08:45-

    La triplette femme en argent. La triplette malagasy engagée dans le championnat du monde féminin de pétanque, en Chine, est arrivée en finale. Elle a été battue par la triplette de la France sur le score de 13 à 6. Elle a écarté l’équipe italienne  en demi-finale (13-4) et éliminé celle de Thaïlande en 1/4 sur le score étriqué de de 13-12 et la Chine en 1/8 (13-7). La triplette est passée par le repêchage et a battu l’équipe du Canada (13-6).

  • 07 Nov. 2017 - 12:38-

    Publications du 7 nov. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1215_articles_culture_18-7-novambra-andron-ny-mpanoratra-afrikanina.html Social: http://www.lakroa.mg/item-1213_articles_societe_18-formation-des-agents-ecd-a-toliara.html

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    Chamboulement à la tête du Sénat. En fin de matinée du mardi 31 octobre, Honoré Rakotomanana se démet de ses fonctions de président du Sénat. Immédiatement après l’annonce, une élection a été organisée pour élire son successeur. Rivo Rakotovao, nouveau sénateur, président du parti Hvm est le candidat unique. Il a été élu avec 52 voix sur les 55 électeurs (63 inscrits) et 2 votes blanc et 1 nul. Le sénateur Velontsara Paul Bert a été le seul sénateur a dénoncé cette élection fait à la va-vite. Une élection qui n’a pas été inscrite à l’ordre du jour.

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    2 novembre : Journée internationale de la fin de l’impunité pour les crimes commis contre des journalistes. http://www.journee-mondiale.com/412/journee-internationale-de-la-fin-de-l-impunite-pour-les-crimes-commis-contre-des-journalistes.htm

  • 02 Nov. 2017 - 08:19-

    Publication récente. Politique : Adoubement de la manipulation des urnes http://www.lakroa.mg/item-1208_articles_politique_18-adoubement-de-la-manipulation-des-urnes.html

  • 31 Oct. 2017 - 09:58-

    Nécrologie. Deux personnalités publiques et connues ont disparu dans la journée du 30 octobre 2017. Dans la matinée de ce 30 octobre, Paul Rabary a fait savaoir sur son compte facebook la mort de sa mère dame Mathilde Rabary, femme politique, médecin, parlementaire, militante des droits de l’homme en créant l’association Sos victimes au non-droit. Et dans l’après-midi, on apprend le décès de Ralitera Etienne, âgé de 79 ans, grand chancelier de la République. Etienne Ralitera a occupé le poste de Grand Chancelier du temps du président Marc Ravalomanana. Paîx à leur âme.

  • 30 Oct. 2017 - 08:43-

    Carte professionnelle des  journalistes. Le ministère de la Communication et des Relations avec les Institutions vient de nommer les nouveaux membres de la Commission de délivrance de la carte d'identité professionnelle de journaliste. Lova Rabary Rakotondravony, Hery Rakotomalala, et Laza Marovola Rabenjamina sont nommés au titre des représentants des journalistes. Rocco Rasoanaivo, Nicolas Rabemananjara, et Salomon Ravelontsalama sont par ailleurs nommés au titre des représentants des patrons de presse, tandis que Volamiranty Donna Mara est désignée pour représenter le ministère au sein de la Commission.

  • 27 Oct. 2017 - 07:31-

    Bilan de la peste ce 26 octobre avec deux décès.  Avec deux nouveaux décès enregistrés ce 26 octobre le total des personnes décédées depuis le 1er août s’élève à 126. Les deux nouveaux cas de décès ont été enregistrés dans la Région Analamanga et dans la région Atsimo Andrefana. On constate selon la remontée des informations provenant du Ministère de la Santé publique que le nombre de nouveaux cas diminue cas (12 nouveaux cas pour la journée du 26 contre 28 pour celle du 25 octobre).

  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

Du même auteur

societe
newtech

Dans la même rubrique

sport
sport
Publicité