logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Pesita sy fantsy

Ratalata Jn Bà il y a 10 jours

Isaka talata isika dia mindrana ny penin’ireo mpanakanto eo amin’ny lafiny tononkalo na poezia. Fotoana iray tokoa mampikorisa ny penina ny fahitana zava-misy ary dia maro ireo poety nanoratra fa ireo efa nahazatra aloha no nomena vahana.

Pesita sy fantsy

Misy amin’ireo poety aza no namoaka sangan’asa imbetsaka satria nitombo betsaka ny marary sy isan’ny maty vokatry ny aretina pesita. Tsy tsaho intsony na dia nampigadra aza izany tany ampiandohana.

 

Tsaho mampigadra

.......................

Nogadraina ilay bandy, nolazaina fa nanely tsaho

Hoe nirodana ny tonelina, ao an-drenivohitra ao

Notefena ny dosie, maika ery ny fikarohana

Ary andro vitsy monja : tonga ilay fisamborana.

 

Toy izany ilay tary, ampangaina ho nitsaho

Hoe efa efapolo no matin’ny pesita amin’izao

Tsy ampy herinandro akory, dia voasambotra i nedala

Rapida be ny fomba fiasa, rehefa ny madinika no misary adala.

 

Fa tsy nogadrainareo, ‘lay olona nilaza

Fa telo volana monja ny delesitazy dia ho rava

Nefa dia tsaho misy porofo, an-dradio sy an-gazety

Ary azonao jerena amin’ny interinety.

 

Dia tsy nosamborina mihitsy, ilay minisitra nitsaho

Fa voafehy hono ny pesita, milamin-tsaina izaho sy ianao

‘Zao ny gasy mihorohoro, miha-betsaka no dangy

Ny fahasalaman’ny vahoaka, ataonareo sangisangy.

 

Eto amintsika, be dia be, ireo ambonin’ny lalàna

Na folo taona aza mitsaho foana : tsy mba sahy hogadraina.

 fanasina7

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1876627662355270

 

Mitombo ny isan’ny maty. Nahita mialoha ny zava-doza mitranga izao va re ireo milaza ho mpaminany ? Sa… tsy miresaka raha tsy efa mipoaka ny raha ?

 

 

Mpaminany sy ny Pesita

.......................

Fantsy kely adaladala, ho anareo mpaminany

Miàla tsiny indrindra, fa tsy maintsy hanontany

Ity pesita mandringana, ‘ngaha tsy azonareo nofy ?

Sa ireo tompo” tsy nilaza, fa ho be ny maty sy marofy ?

 

Ao ianao r’ingahy Mailhol, ianao ho’aho toa mangina

Tsy miresaka ity pesita, fa ‘lay maika hofidiana

Maninona raha mba zaraina, ‘zay ampahafolon’ny azonao

Dia mba hahazo tampim-bava, ‘zao vahoaka rehetra izao !

 

Ary ianao ry Tatandraza, ianao ‘lay maikamaika hody

Sao dia pesita no làlana, sady siora fa hahomby

Sao manko ‘lay handeha irery, no tena atahoranao

Fa be dia be no hiray dia, alain’ny pesita amin’izao.

 

Ary ingama lava volo, mpanao ctik ctak cdou

Maninona ary ity pesita, tsy anaovanao foa foa

‘Zao anie no fotoana e, itilianay vahoaka

Hoe tsy mpimôly ianao, na sanatria mpimamo toaka.

 

Ary ianao koa toa nangina, ry apôstôly tsaratsara

Angaha tsy hofoananao, ‘ty pesita eto Gasikara ?

Mitenena indray màka, mba sitrano ireo marary

Izahay vahoaka misy anao, aza avelanao hijaly.

 

Be dia be ireo mpaminany, toa tsy misy manao ny asany

Mahagagagaga ihany, asa iza re no andrasany !

*** fanasina7 ***

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1878741725477197

 

Nahoana moa izy ireo no omen-tsiny kanefa ny mpitondra aza tsy nahita kanefa izy ireo efa nahalala fa misy izany saison pesteuse izany  ary vao miandoha anie ity saison ity ? Mpitondra midororororo zatra manao ampihimamba ary miandry ny fanampiana avy any ivelany no misy araka ny eritreritry ny olona maro.

 

 

.......................

‘Ra tsy ireo mpandroba,

dia pesita mandoza,

no mandripadripaka,

ireo vahoaka vizaka!

Ny fahantrana itony,

tsy lazaina intsony,

fa tandra vadin-koditra,

Mikiķy sy mandrotika!

 

Misy nefa indrisy,

andian’olom-bitsy;

manao ampihimamba,

sy tsy mihambahamba,

maka sy mandroaka,

ny harem-bahoaka!

Mirehaka fa tsara,

hay tsy valahara!

Nitiah Nosy

05/10/17

https://www.facebook.com/NitiahNosyPoeta/

 

Soritana fa misy dia misy tokoa ny olona no manahy fa aretina noforonina izao mitranga izao, aretina nafafy hampihenana ny  isan-dRamalagasy, aretina nafafy hahavery saina ny vahoaka ka afaka manararaotra ireo mpandromba harem-pirenena.

 

Pesita mifangaro politika

 

.......................

Mafy ny fako eny amoron-dalana

fa tsy laitran’aretina politika

malemy ny mpitsabo nomena alalana

hizaha ireo mararin’ny bibonika

 

Io ilay aretina noforonina

hanenana ny isan’ny Malagasy

mantsy ny mpitondra dia mila sorona

hanomanana fifidianana atsy ho atsy

 

Raha tany Toamasina no niandohana

dia efa ao Tana izao ilay rivotra naparitaka

mitady hanongana fanjakana

angamba ilay mpanaboka voahitsakitsaka

 

Raha hoe tena pesita marina io

fa tsy aretina nafafifafy

dia izao no fantaro ry ankehitrio

hoe efa maro no maty ny Malagasy

 

Rivotra nge izany pesita izany ry olona ee

mitsoka lavitra noho i Gafilo

ianao tsy afaka hanampina lavak’orona

rehefa maneno ilay rimorimo

 

Tsy azo tsidihana ilay marary

fa sao dia mamindra amin’ny olombelona

tsy azo alevina ambonin’ny tany

fa tonga dia dorana ho lasa lavenona

 

Tsy azo ampidirina am-pasan-drazana

fa sao dia mamindra amin’ny efa maty

tsy maintsy eny an-tanety no hamafazana

ireo matin’ny pesita ilay aretina piraty

Rafenomanantsoa Santatra

 

http://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/pesita-mifangaro-politika

 

 

Nahoana ianao ry mpanao politika rehefa mitsidika anay aty amin’ny lopitaly no manao fiarovan-tena hatrany antampin-doha ka hatrany ampaladia kanefa na ireo mpiasan’ny fahasalamana aza zara raha manana sarom-bava ? Fiangarana tsisy tahaka izany. Ka zary lasa paika ataon’ny sasany ny mikohoka. Araho anie e ny filaza izany e…

 

Nikohakohaka aho

.......................

Nifandrombaka ny olona, nivoaka ny fiara

Tsy nifanontany ny antony, fa toa samy nahalala

Anefa, mody nikohaka aho, fa tery ny plasy

Dia noheverina ho mararin’ity pesita mahafaty.

 

Tonga tao amin’ny banky, filaharana aok’izany

Hatrany anatin’ny birao ka hatrany an-tokotany

Izaho anefa maika, ka mody nikohakohaka

Raima sy valo ny olona, nitsoaka nisahotaka.

 

Teny Mahamasina aho, te-hitsindroka firipy

Saingy marobe ny olona, ka tsy afa-po mihitsy

Mody niteha-tratra aho, sy nikohaka im-polo

Fa indray mipi-maso dia nangina ny tontolo.

 

Raha te-handrava fivoriana, andramo ny mikohaka

Fa hohitanao ny olona, mitsoaka mikoropaka.

fanasina7

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1874979652520071  

 

 

Samy manana ny fanehoany ny fihetseham-po nanoloana ny firongatan’ny aretina pesita ity ny tsirairay. Moa renao va izany ahiahian’ny vahoaka entina izany ry mpitondra Fanjakana ? Enga anie… fa mbola lavitra anie vao ho tapitra ity saison pesteuse ity e. Mivavaha fa miasa mafy ihany aloha e ka aza diso adva…

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

politique
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité