logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Pesita, Zafy, AAA...

Ratalata Jn Bà il y a 9 mois

Zava-maro loha no nitana ny sain’ny maro tao anatin’ny andro vitsivitsy. Tantara mitohy ny resaka pesita. Nampivarahontsana ilay tantara Ambohitrarahaba. Nampitanondrika ny fahalasan’i Pr Zafy Albert.

Pesita, Zafy, AAA...

Tantara mitohy ny momba ny resaka pesita. Tsy nitsahatra nanaraka ny vaovao momba ny resaka pesita ny maro. Voafehy hoy ny mpitondra tany ampiandohana, mi tombo hatrany anefa ny isan’ny maty. Voafehy toka ve ? Raha tsy voafehy izany dia efa azo novisavisaina ny ny fahafatesan’olona maro ?

 

Dia hoy ny Andy Rebabe, poety iray mpiara-dalana amintsika eto :

 

MIZESTA AMIN'NY PESTA !

……………

Ny pesta iadiako tsy aretina mandringana

Fa ny haratsiam-panahin'ireo tsy sahy mandingana

Tokonam-baravaran'ireo tsy misy atokona

Fa resy atambokon'

Ny fara-fahantarana

Mahantra mangotana.

Fa firifiry moa ireo be tatasika

Be resaka masiaka

Fa afaka hanarina ireo fadiranovana

Hay tsimivaditrovana

Miforitra anaty

Fa tsy mahatanty

Ny mifanerasera na mitotototo

Hamindra fahadiovana

Ireo tandalerin-doto ?

Zarany aza misy fitobiam-pako

Ifandrombahan-jaza misarakorako

Mba anilihan-tsaina

Fa ny voretra fiaina

No mpitondra aretina

Fa izy tsisy pentina !

Zarany aza misy voalavo sy parasy

Anasoketana fa ny malagasy

No tsy mahatandrin-tena

Voretra mahonena...

 

Dia inian-tampenana ny vava indrindra indrindra

Sao mipiti-drora mamindra dia mamindra

Irony mikraoba tsy fanta-pihaviana

Be ny ho ripaka eto ho azom-panaviana

Maty tsy azo alevina ao am-pasandrazana

Fa atokan-toerana zara raha ho tazana...

 

Pesta, hono, pesta

Betsaka ny zesta

Entina hanakonana

Entina hanaronana

Ny kinarinarina

Ny tsy marimarina

Ara-pitondrana,

Mpitondra mihanahana...

 

Ny tena pesta eto sy aretina mandringana

Dia ny fitiavan-tena sy ny fingampingana

Ny fanahy iniana atao hanambakana

Ny vahoaka maro tsy ho tan-dalàna.

Ny tena pesta eto natao hiadiana

Dia ny tsindry bokotra sy ny fijaliana

Mampifararemotra vahoaka isan'andro

Fa voavidy vola ireo natao hitandro

Ny anjara filaminana

Ka ny kely azo manjary anombinana

Anaovan-kolikoly sy aferafera

Amin'ny asa bizina sy ny serasera...

Andy Rebabe /zoma 13 oktobra 2017 (sao dia ataon'ialahy hoe...)

 

https://www.facebook.com/andy.rebabe/posts/10203872828977624

 

P E S T A C I T O !

……………

Kohaka kely sendra tao an tenda

Tsaky nohanina ka nahakenda

Tsisy fanontaniana hoe : "Ahoana ity ?"

Tonga dia voaroaka avy any Dzaoudzi

 

Mba nanazava hoe:"Izaho anie...!"

Tsy nisy resaka fa avy dia billet

Naterin’ny polisy tao am aeroport

Tsy mila tombohina ny passeport

 

Vao Gasy mikohaka dia efa dehors

Nefa ny bandy mba olona d'or

Ny asa rehetra dia mbola tsy vita o !

Lazaina fa tratry ny PESTACITO

 

Dia efa afa baraka isika zalah

Fa tena gravy ty eto Mada

Fa na olona sendra nandeha tevi-doha (ran'orona)

Dia efa voaroaka fa "on s'en fout"

 

Ka hitoka monina isika angamba

Satria koa ny eto efa tanin’ny jamba

Fa na inona zavatra miseho eto

Raha vao misy miteny dia hoe "Aforeto!"

VEVETNO 15/10/2017

https://www.facebook.com/groups/673951116123911/permalink/743139722538383/

 

Ny pesita tsy voafehy dia indro nidonam-pahoriana indry ny firenena. Nodimandry ny 13 okitobra ny filoham-pirenena Albert Zafy. Zoma io andro io. Andro ratsy ho an’ny tandrefana.

 

Maty ve vao Ramalala?

……………

Maty ve vao Ramalala?

Mody ho hava-mahalala,

dia mba latsa-dranomaso,

mitrotro ireto voninkazo!

Indrisy nefa fahavelony,

sanatria toa zary helony:

'lay izy mbola niatrik’ady,

nailikao raha niangavy!

Raha iny izy nitaraina,

nila vonjy ho avotr'aina.

Moa noheverinao akory?

Mainka ianao toa nampahory!

"Velona" izy tsy nahoana,

izao miseho fa hoe: "misaona"?

Fa fahavelony nariana,

dia maty ve vao havan-tiana?

 

Nitiah Nosy  07/11/15

https://www.facebook.com/NitiahNosyPoeta/posts/1853363711660436


Maty vao Ramalala, maty…

 

VAO OMENA VONINAHITRA

 

……………

Efa maty ianao, vao omena voninahitra

Nefa fony velona, toy ny fako s'irony ahitra

Nahilikilika ery, natao tsinontsinona

Fa rahefa nodimandry, vao mody hajaina tahaka ny inona !

 

Ventesina ombieny, f'ianao 'lay demokraty

Ankalazaina izany, rahefa indro ianao fa maty

Kanefa nihomehezana, fony velon'aina

Naongana mihitsy aza, satria hoe tsy nilaina.

 

'Zao ianao nandao, zareo mody malahelo

Jereo fa miondrikondrika, mody mamafa lelo

Nefa taloha ianao nogainy, hoe mpanao "mada raid"

Filoha tsisy apoaka, mpandany vola tena gaigy.

 

Dia hasampy anao izao, 'lay voninahitra ambony

Anefa ianao tsy hahatsapa n'inona n'inona intsony

Toa fihatsaram-belantsihy, anefa akory atao

Tsy nomen-jareo mihitsy io, fony fahavelonao.

 

Koa mandria am-piadanana e, ny anao efa vita

F'izahay velon'aina eto, mbola hifankahita.

 

*** fanasina7 ***

061410172311

(mpanoratsora-poana)

- partage autorisé -

[fahatsiarovana ny nahafatesan'Andriamatoa Zafy Albert, Filohampirenena teo aloha]

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1890804294270940

 

TMaty vao tsisy pentina ilay Filoha kanefa dia tsy nisalasalana nanaovana empêchement ary ankehitriny toa vitsy mpandova zara raha nahafeno ny Palais des sports raha toa Mahamasina no noheverina ho sahaza ny lazany. Fitia ambava ihany tokoa va re ?

 

 

Fa nisy koa ny fanakatonana ny ozinina Tiko na AAA ao Andranomanelatra. Hoy ny poety mahakasika izany

 

SENDRA MPITONDRA JIOLAHIMBOTO

 

……………

Tsy mahagaga raha hoe gisitra ianao ry Gasikara

F'ireo mpitondra anao dia ratsy saina fa tsy tsara

Tena ory hava-manana sady tena be fialonana

Mpihatsaravelatsihy daholo rehefa mivavaka am-piangonana.

 

Rehefa misy fety masina na irony fihaonambe

Dia hitanao zareo, f'indreo miseho tele

Toa mpitondra masina, mpivavaka tokoa

Fa raha loaranao ny fony, dia feno lolom-po.

 

Anaovany antsonjay, 'zay tiam-bahoaka sy mamy hoditra

Amoronany dosie, 'zay miseho ho mpanohitra

Dia alainy ireo be baoty, hatao biby fampitahorana

Herisetra no hany tokana, ampiasainy ho vahaolana.

 

Dia toy izany no mahazo, ilay "Vita malagasy"

Nakatona, nafody, fa "advà" tena mafy

Tsy ivakiany loha 'zay mpiasa tsy hihinan-kanina

Sendra mpitondra faikam-boto : mpitondra tsy milamina.

 

Ny dahalo any atsimo, manaram-po sy miridana

Ny pesta tsy voafehy, fa vao maika toa mandringana

Fa tsy dia ivakiany loha e, tsy laharam-pahamehany

F' ilay "Vita malagasy" ihany, no kingainy hopotehany.

 

Tsy mahantra ianao ry Gasy, fa nampahantraina

Sendra mpitondra jiolahimboto, ambany toe-tsaina.

*** fanasina7 ***

051310170433

(mpanoratsora-poana)

- partage autorisé -

 

Voalaza fa noho ny kabary  nataon’ny Ben’ny tanana tao amin’izany Carlton izany ary teny  imasom-bazaha ka nahavasoka ny mpitondra no nahatonga izao fanakatonana izao efa teo koa ny resaka Samva izay tsy çà va mihitsy no nandraisan’ny mpitondra foibe azy.

 

Dia izay aloha ny tafatafa anio fa samia velon’aina dia amin’ny manaraka indray manao misimisy irariana ho ny soa no ho betsaka toy ny hoe nofy sisa ilay resaka pesita.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

  • 30 Jun. 2018 - 08:34-

    Remplacement au sénat.« Le député nommé membre du Gouvernement est suspendu d’office de son mandat. Il est remplacé par son suppléant » et que « Les dispositions des articles 71 à 79 sont applicables, par analogie, au Sénat ». Que par décret n°2018-540 du 11 juin 2018, le Sénateur ANDRIAMANDAVY VII Riana a été nommé membre du Gouvernement. Qu’il y a donc lieu de suspendre d’office de son mandat le sénateur Riana  Andriamandavy VII. Est proclamé Sénateur de Madagascar le candidat Rajaonarivelo Henri Velomaro, premier suppléant de la liste « HVM » de Fianarantsoa. (Arrêt de la Hcc du 28 juin 2018.

  • 29 Jun. 2018 - 13:34-

    Dates des élections présidentielles.-  Le Premier ministre, Ntsay Christian, a annoncé lors d'un point de presse qu'il a donné à Mahazoarivo ce 29 juin la date des élections présidentielles. Le premier tour se tiendra le 7 novembre 2018 et le second tour se tiendra le 19 décembre 2018. La convocation des électeurs se fera dans le courant du mois d’août. Suivant la Constitution, le président de la République Hery Rajaonarimampianina, s'il se porte candidat, devrait démissionner le 7 septembre de cette année.

  • 16 Jun. 2018 - 10:10-

    Minisitera MPAE : mitohy ny asa. Isan’ny Miinisitera tsy nisolo ny minisitra mitantana azy ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana. Nahatsapa ankehitriny ny mpitantana ity minisitera ity fa misy mpanakorontana tafiditra ao anatiny ka nahatonga azy i reo hanao fanambarana. Nanambara ireo tompon’andraikitra ao amin’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ny alakamisy 14 jona lasa teo teny Ampadrianomby fa mandeha tsara ny asa rehetra ao amin’ny minisitera. Tsy mba nahitana olana hatramin’izay na dia minisitra Hvm aza no nitondra tao hatramin’izay ka hatramin’izao. Nilaza ireo tompon'andraikitra fa tsisy tombontsoa ho azon'ny Firenena indrindra ny tantsaha sy ny mpiompy amin'ny fanakorontanana.

  • 05 Jun. 2018 - 06:58-

    Concours pour pourvoir les 40 postes d’inspecteurs du Trésor. Le ministère des Finances et du Budget informe que le dépôt de dossier pour le concours de recrutement d'élèves inspecteurs du trésor est ouvert depuis ce 4 juin. A noter que 40 postes sont à pourvoir, dont 35 sur concours direct et 5 pour les fonctionnaires du ministère. Le concours se tiendra du 22 au 23 novembre 2018 à Antananarivo Renivohitra, Antsiranana I, Fianarantsoa I, Mahajanga I, Toamasina I et Toliara I. http://www.tresorpublic.mg/tresorpublic/download.php?path=wp-content/uploads/2018/06/&file=concours_ins_2018.pdf

  • 26 May. 2018 - 11:34- GBM Fête des Mères. La GBM ou Grande Braderie de Madagascar a ouvert ses portes ce 23 mai comme annoncé dans les médias. On observe une grande affluence dans les allées. Selon MadaVision la règle de la réduction minimale de 15% est respectée par les participants.
  • 26 May. 2018 - 08:27-

    Décision HCC. Décision n°18-HCC/D3 du 25 mai 2018 Relative à une requête en déchéance du Président de la République Hery Rajaonarimampianina : La Haute Cour Constitutionnelle, Vu la Constitution ; Vu l’Ordonnance n°2001-003 du 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle ; Vu la loi n°2014-043 relative à la Haute Cour de Justice ; Les rapporteurs ayant été entendus… (lire la suite sur  http://www.lakroa.mg/item-1389_articles_politique_18-dacision-relative-a-une-requate-en-dachaance-du-prasident.html

  • 22 May. 2018 - 07:11-

    Nouveau cardinal. Le Pape François a annoncé ce 20 mai dimanche de Pentecôte, qu’il créera le 29 juin prochain 14 nouveaux cardinaux dont 11 parmi eux sont des électeurs. Parmi ces 14 nouveaux cardinaux se trouvent l’Archevêque Désiré Tsarahazana. L’équipe de http://www.lakroa.mg/ salue ce nouveau cardinal en particulier et toute l’Eglise catholique notamment à Madagascar pour cette nomination. Que le souffle de l’Esprit Saint souffle sur ce nouveau cardinal pour donne un nouvel élan toujours plus positif sur l’EKAR que cela influe positivement sur la vie du pays.

  • 19 May. 2018 - 09:50-

    GBM Fête des mères. La Grande Braderie de Madagascar dédiée à la fête des Mères se déroulera du 23 au 27 mai 2018. Comme d’habitude les visiteurs bénéficieront d’une garantie d’obtenir une remise de 15% minimum. Les visiteurs auront une large gamme de choix pour honorer les mamans. Mais les stands traditionnels seront aussi là pour satisfaire toutes les demandes.

  • 09 May. 2018 - 11:42-

    Daty 3. Nanao fanambarana ny CENI ka nanolotra daty telo. Momba ny datim-pifidianana dia tranga telo no azo eritreretina ka nanaovan'ny CENI tolokevitra :
    - Tranga voalohany: Fifidianana Filoham-pirenena mialoha ny fotoana (alarobia 29 aogositra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga faharoa: Fifidianana Filoham-pirenena tanterahina araka ny voalazan'ny andininy faha 47 amin'ny lalàm-panorenana (alarobia 28 novambra ny fihodinana voalohany)
    - Tranga fahatelo: Fanemorana ny fifidianana noho ny antony voalazan'ny Lalàm-panorenana hatrany (29 mai 2019 ny fihodinana voalohany)
    Hahafahana mandrindra araka ny tokony ho izy ny fifidianana sy manatanteraka izany ao anatin'ireo tranga roa voalohany (izany hoe amin'ity taona 2018 ity) dia takiana hazava amin'ity volana mey 2018 ity ny lalàm-pifidianana sy ny fandaminana ara-politika.

  • 05 May. 2018 - 15:04-

    Médiation du FFKM. Le FFKM continue à son rythme sa médiation. Une médiation qui a été ouverte par un culte œcuménique le dimanche 29 avril 2018. Un culte où déjà on a remarqué l’absence d’une certaine partie des acteurs politiques. Puis le lundi 30 avril, le FFKM a invité les députés de chaque camp. Seul le camp des députés “pro-régime” s’est fait représenter. Le camp des députés 73 n’a pas répondu à l’invitation du FFKM. Les quatre chefs d’Eglise du FFKM se sont déplacés, ce 4 mai, à Tsimbazaza pour rencontrer le président de l’Assemblée nationale et à Anosikely pour rencontrer le président du Sénat.

  • 05 May. 2018 - 12:59-

    Dates du recensement. Le Premier Ministre, Mahafaly Solonandrasana Olivier, a présidé ce 3 mai 2018 la cinquième réunion du Conseil National du Recensement (CNR). Cette réunion du CNR s’inscrit toujours dans le cadre de la préparation du troisième recensement général de la population et de l’habitation (RGPH-3). L’objet principal de cette réunion du CNR est de soumettre aux membres du CNR une proposition de date pour la réalisation du lancement du dénombrement. Ainsi, il a été validé que le recensement aura lieu du 18 mai au 10 juin 2018 à commencer par la numérotation de bâtiments (18 au 24 mai 2018), et par la suite, le  dénombrement de la population et des ménages (25 mai au 10 juin 2018).

  • 05 May. 2018 - 09:21-

    MTS. Le parti MTS (Malagasy Tonga Saina) a tenu son congrès le 4 mai 2018 à Antanimena. A l’issue de ce congrès, Mirasoa Razanamasy a été élu au poste de Secrétaire général du parti. Il remplace à ce poste Benjamina Ramanantsoa. Le Congrès a également désigné les coachs par Faritany. Concernant les afairres nationales, Roland Ratsiraka, président national du MTS, prône le « Soa toavina », faisant valoir le dialogue. Pour lui, il vaut mieux qu’un candidat soit présenter par un parti cela suppose l’existence d’une organisation. Le MTS affirme aligner des candidats à toutes les échéances électorales.

  • 03 Apr. 2018 - 08:58-

    Joyeuses Pâques à tous et à chacun. www.lakroa.mg souhaite à tous et à chacun de Joyeuses fêtes de Pâques. Que chaque jour qui se lève soit un jour de Pâques, un jour de victoire pour le monde. Dans son homélie de la nuit de Pâques 2018, le Pape François nous a invités à « transformer l’espérance en gestes concrets de charité ». La suite nous appartient.

  • 23 Mar. 2018 - 07:59-

    Passage de Eliakim (bilan du 22 mars à 20h). Le bilan provisoire global en date du 22 mars 2018 transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 21 décédés ; 50 872 sinistrés ; 19 439 déplacés cumulés ; 1 491 cases d’habitations endommagées ; 13 345 d’habitations inondées ; 2 392 cases détruites.

  • 20 Mar. 2018 - 07:58-

    José Vianey candidat aux présidentielles. Chaque week end apporte son lot de candidat à la candidature au poste de président de la République de Madagasikara. José Vianey vient d’annoncer sa candidature ce samedi 17 mars 2018 au Paon d’Or. Si l’on se réfère aux informations dans les informations, José Vianey ou Vijo a annoncé sa candidature en son  nom propre et non comme candidat du parti RAM. Ce parti certainement va entériner prochainement cette volonté du candidat Vijo. C’est devenu le modus vivendi.

  • 19 Mar. 2018 - 08:45-

    Passage de Eliakim. Le bilan provisoire global en date du 18 mars 2018 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation du Bngrc nous donne les chiffres suivants : A l’échelle nationale, le bilan provisoire global fait état de : 17 décédés ; 15 772 sinistrés ; 6 282 déplacés cumulés ; 251 cases d’habitations endommagées ; 1 271 cases d’habitations inondées ;  648 cases détruites.

  • 19 Mar. 2018 - 08:29-

    200 étudiants s’imprègnent du Fisandratana2030. Hugues Ratsiferana, Conseiller spécial du Président de la République, a eu comme invité près de 200 étudiants issus de plusieurs universités de la Capitale (des universités publiques et des instituts supérieurs privés). Ces étudiants ont pu s’imprégner du Fisandratana 2030, dans l’amphithéâtre du Centre d’Application de Développement Intégré (Cadi), durant la matinée du 17 mars 2018. Après la présentation succincte du Fisandratana 2030 les étudiants ont pu poser des questions sur ce programme présidentiel. Le président Rajaonarimampianina est passé pour partager avec ces étudiants son expérience de vie.

  • 15 Mar. 2018 - 07:38-

    Jour J pour Aok’izay. C’est aujourd’hui 15 mars de 12h à 12h05 que le rendez-vous a été fixé par les organisateurs pour sensibiliser les tenants du pouvoir sur l’insécurité. Les organisateurs demandent une table ronde aux dirigeants mais surtout l’effectivité des décisions prises. Pour ce jour les organisateurs demandent à tous et à chacun de faire le maximum de bruit (klaxon, son de cloche, sifflet…) pour que ce cri soit entendu en haut lieu. Les organisateurs se donnent rendez-vous sur le parking de Jumbo Score Ankorondrano pour faire le maximum de bruit.

  • 15 Mar. 2018 - 07:36-

    Salon du chocolat et de la gourmandise. Pour la deuxième année consécutive, Wednesday Morning Group a choisi le chocolat et la gourmandise pour son activité de levée de fonds. Cet événement se déroulera durant la journée du 17 mars et se tiendra au Carlton Anosy. “Ce sera une journée d’animation, de démonstration, de préparation, mais surtout de dégustation” annonce les organisatrices car WMG est une association composée uniquement de femmes. Le but de WMG est de recueillir des fonds pour permettre la réalisation des actions sociales de cette Ong.

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité