logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

“Iny lehilahy iny” ho fanajana ny ray niteraka

Ratalata Jn Bà il y a 18 jours

Namoaka boky i Toky Baritafika Ramanankohajaina. “Iny lehilahy iny” no lohateny nampitondrainy io boky io. Nahoana re ? Tia tena va re ity tovolahy ity ? Angano sa arira no ventesiny ? Ankoatran’ity tafatafa ity dia ho hitanao anatin’ireo pejy 100 ny valiny.

“Iny lehilahy iny” ho fanajana ny ray niteraka

www.lakroa.mg. - Toa manatsafa raha hanontany hoe "inona no vaovao". Vaovao efa iarahana mahita antsary eto dia ity boky vaovao ity izany. Arahabaina e. Oviana moa izany no tena daty nivoahany ?

TBR- Efa tamin’ny faran’ny volana septambra no vonona ny boky fa niandry ilay daty 26 Oktobra 2017 mihitsy aho vao navoakako tamin’ny fomba ofisialy.

 

www.lakroa.mg.- Boky fahafiry moa izy ity ?

TBR- Ity no bokiko voalohany izay nosoratako manokana

 

www.lakroa.mg.- Mpanoratra tononkalo no ahafantaran'ny mpitsidika ny www.lakroa.mg anao. Tononkalo ve izany no raketin'ny boky ?

TBR- Tononkalo zato isan-jato no ao anatin’ilay boky INY LEHILAHY INY

 

www.lakroa.mg.- Misy firy pejy ny boky? Ary tononkalo firy no natolotrao ato ?

TBR- Misy 90pejy eo ilay boky ary tononkaloko 85 no hita ao anatiny

 

www.lakroa.mg.- "Iny lehilahy iny" no lohateny nofinidinao. ka iza ilay lehilahy... Ianao sa olon-kafa?

TBR- Iny lehilahy iny tokoa no lohatenin’ilay boky. Tsy iza fa ny Raiko, izay efa nodimandry ny taona 2015. Misy tononkalo mitondra ny lohateny hoe "iny lehilahy iny" ao anatin’ilay boky ka nosafidiako manokana ho lohatenin’ilay boky. Ary indrindra ny daty 26 oktobra dia andro nahaterahany ka izay no nifidianako io daty io hamoahako azy amin ny fomba ofisialy

 

www.lakroa.mg.- Inona no ifandraisan'ireo tononkalo sa samy mahaleotena izy ireo?

TBR- Mizara 3 lehibe ny boky:

a. Ankohonana: izay ahitana ny fiainana andavanandron’ny ao an-trano, ny ray sy reny, ny zoky sy zandry, ny andraikitra sahanin’ny tsirairay ao anatin’izany ankohonana izany.

b. Ny Tanindrazana: dia tsy iza fa i Madagasikara, izay nentiko nitantarana ny fiainana any ambanivohitra, ny ady atrehin’ny Firenentsika ankehitriny ary ireo soso-kevitra sy nofy tokony ho tanterahina hahasambatra tokoa an ity Nosintsika ity.

d. Hafatra atsipy: dia mirakitry fahaiza-miaina mba ho olom-banona ao anaty fiarahamonina, ny tokony atao raha sendra olana na torovana amin ny fiainana, endrik’ireo olona atrehin’ny olombelona matetika, na tanora izy na mbola zaza, eny na efa nahazo taona aza

 

www.lakroa.mg.- Oviana i Toky B. no nanomboka nanoratra tononkalo? Inona ny lohahevitra na thème manavanana anao kokoa ? Ary inona kosa ny lohahevitra tena tsy manaitra ny aingampanahinao?

TBR- Fony mbola tany an-tsekoly aho, na teny amin ny lycee ohatra dia tena tsy dia haiko loatra ny taranja Malagasy, fa ny famoronan-dahatsoratra no tena tiako indrindra anefa. Nampazoto ahy foana ny nanoratra. Fa taty aoriana, indrindra noho ny lasa ny Raiko ny taona 2015 dia nisy aingampanahy maro nivoaka foana avy aty amiko, indrindra teo amin ny tontolon’ny ankohonana. Ka dia inoako fa teo no tena niatomboka ny fanoratako tononkalo.

Ny loha-hevitra tena nahasarika dia mikasika ny Tanindrazana. Tsy hoe misy tsy manavanana sy tsy dia tiako fa manoratra koa aho eo amin ny tontolon’ny fitiavana sy ny embona ohatra. Ary iriako aza hivelatra kokoa ny asa soratro amin ny loha-hevitra rehetra izay iriako ho soratana

 

www.lakroa.mg.- Misy poety nahasarika anao ve na nalainao tahaka ?

TBR- Nalaina tahaka aloha tsy misy satria amiko samy manana ny aingampanahiny ny mpanoratra, ny rafitra mety misy mitovy fa ny tontolo sy ny vanim-potoana iainany tsy mitovy. Fa ny mpanoratra tena nambabo ahy hatreto dia i RADO.

 

www.lakroa.mg.- Maro karazana ny fomba fanoratana tononkalo. Sokajy aiza amin'izy ireny no misy anao (manara-drafitra ary rafitra inona raha io; malalaka...) ?

TBR- Rafitra malalaka tokoa no nitondrako ny ankamaroan’ireo tononkaloko, ny tanjoko dia ny nanehoako ny fombako manokana entiko mampita izay tiako hampitaina. Fa tsy lavina fa misy rafitra tokony arahina...

 

www.lakroa.mg.- Taiza no natonta ny boky? Ary hamidy ohatrinona ?

TBR- Tao Antananarivo no natonta ny boky, anisan’ny nandray an-tanana izany i NY EJA Mpanoratra. Ary hamidy 10.000ar izy io eny amin ny librairie Mixte, Fivarotam-boky Loterana ary Librairie Antso

 

www.lakroa.mg.- Misy ankoatra ny tononkalo ve ny sanganasanao ?

TBR- Hatreto aloha dia Tononkalo ihany no tena nifantohako

 

www.lakroa.mg.- Hiverenako ny momba ny boky. Firy pejy izy ity ary misy sary ve mandravaka ireo tononkalo?

TBR- Pejy 100 latsaka kely eo ilay boky. Tsy nasiako sary nandravaka ilay boky satria iriako mba haka sary an-tsaina avokoa ny mpamaky rehefa mianoka ireo tononkalo

 

www.lakroa.mg.- Firy no natonta? ary ohatrinona ny vidiny?

TBR- 100 aloha no natonta hatreto, izay efa nisasaka mahery sahady no lafo,

 

www.lakroa.mg.- Iza no nanoratra ny sasinteny?

TBR- I Ny EJA Mpanoratra no nanoratra ny sasinteny

 

www.lakroa.mg.- Azo hanaovana basy mamahantena ka afahana mamoaka boky manaraka ny vidiny?

TBR- Tokony azo hanaovana basy mamahantena tsara ny vidiny afahana mamoaka boky amin ny manaraka, kanefa tsy any amin izay loatra no tanjoko, raha ny vidiny no jerena satria izay hamakian’ny daholo be no tanjoko, hihitatra ny fitiavan’ny Malagasy izany literatiora izany

 

www.lakroa.mg.- Taiza no natonta ary aiza no ahitan any boky ?

TBR- Ny boky dia ao Madagasikara no nivoahany voalohany:

a. Librairie Mixte, Fivarotam-boky Loterana, Libraririe Antso

 Any amin i Ny Eja koa afaka hanjifana ilay boky

Fa efa hoavy tsy ho ela ny an ireo mikasa ilay boky ao Europe. Eo ampikarankarana izay aho izao.

 

Fanamarihana. I Toky Baritafika Ramanankohajaina dia iray amin'ireo poety tsy sarotiny tamin'ny fampiasantsika ny tononkalo nosoratany ary nampitaintsika teto. Misy maromaro vitsivitsy ireo poety “miara-miasa" amintsika tahaka izany. Ankasitrahana izy ireo ny amin'izany.

Isaorana Toky Baritafika Ramanankohajaina nitafatafa tamintsika avy any lavitra any.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 17 Nov. 2017 - 08:33-

    Préparation conférence interministérielle de l’Omc. Le Ministère du Commerce avec l’appui de l’Union Européenne, organise les 16 et 17 novembre 2017, un atelier qui s’inscrit dans la continuité de la 6ème réunion du Comité APEI-UE/AFOA du début d’octobre. Il se définit aussi comme une réunion préparatoire à la 11ème Conférence interministérielle de l’OMC du 11 au 14 décembre 2017 à Buenos Aires. Le Ministère du commerce a toujours prôné l’approche inclusive dans le cadre des négociations et de la mise en œuvre des accords commerciaux internationaux auxquels Madagasikara a adhéré.

  • 17 Nov. 2017 - 06:57-

    Avant-projet sur les élections. Trois Avant-projets de Loi ont fait l’objet de débats, en profondeur lors du Conseil du Gouvernement du mercredi 15 Novembre 2017. A savoir : Avant-projet de Loi organique relative au régime général des élections et des referendums ; Avant-projet de Loi organique relative à l’élection du Président de la République ; et Avant-projet de Loi organique relative à l’élection des Députés de l’Assemblée Nationale. Ces trois Avant-projets de Loi organique seront soumis au prochain Conseil des Ministres pour débats et adoption.

  • 13 Nov. 2017 - 08:46-

    Publications du 7 nov. Culture :http://www.lakroa.mg/item-1218_articles_culture_18-message-et-marche-vers-une-journae-mondiale.html

  • 13 Nov. 2017 - 08:45-

    La triplette femme en argent. La triplette malagasy engagée dans le championnat du monde féminin de pétanque, en Chine, est arrivée en finale. Elle a été battue par la triplette de la France sur le score de 13 à 6. Elle a écarté l’équipe italienne  en demi-finale (13-4) et éliminé celle de Thaïlande en 1/4 sur le score étriqué de de 13-12 et la Chine en 1/8 (13-7). La triplette est passée par le repêchage et a battu l’équipe du Canada (13-6).

  • 07 Nov. 2017 - 12:38-

    Publications du 7 nov. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1215_articles_culture_18-7-novambra-andron-ny-mpanoratra-afrikanina.html Social: http://www.lakroa.mg/item-1213_articles_societe_18-formation-des-agents-ecd-a-toliara.html

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    Chamboulement à la tête du Sénat. En fin de matinée du mardi 31 octobre, Honoré Rakotomanana se démet de ses fonctions de président du Sénat. Immédiatement après l’annonce, une élection a été organisée pour élire son successeur. Rivo Rakotovao, nouveau sénateur, président du parti Hvm est le candidat unique. Il a été élu avec 52 voix sur les 55 électeurs (63 inscrits) et 2 votes blanc et 1 nul. Le sénateur Velontsara Paul Bert a été le seul sénateur a dénoncé cette élection fait à la va-vite. Une élection qui n’a pas été inscrite à l’ordre du jour.

  • 02 Nov. 2017 - 08:28-

    2 novembre : Journée internationale de la fin de l’impunité pour les crimes commis contre des journalistes. http://www.journee-mondiale.com/412/journee-internationale-de-la-fin-de-l-impunite-pour-les-crimes-commis-contre-des-journalistes.htm

  • 02 Nov. 2017 - 08:19-

    Publication récente. Politique : Adoubement de la manipulation des urnes http://www.lakroa.mg/item-1208_articles_politique_18-adoubement-de-la-manipulation-des-urnes.html

  • 31 Oct. 2017 - 09:58-

    Nécrologie. Deux personnalités publiques et connues ont disparu dans la journée du 30 octobre 2017. Dans la matinée de ce 30 octobre, Paul Rabary a fait savaoir sur son compte facebook la mort de sa mère dame Mathilde Rabary, femme politique, médecin, parlementaire, militante des droits de l’homme en créant l’association Sos victimes au non-droit. Et dans l’après-midi, on apprend le décès de Ralitera Etienne, âgé de 79 ans, grand chancelier de la République. Etienne Ralitera a occupé le poste de Grand Chancelier du temps du président Marc Ravalomanana. Paîx à leur âme.

  • 30 Oct. 2017 - 08:43-

    Carte professionnelle des  journalistes. Le ministère de la Communication et des Relations avec les Institutions vient de nommer les nouveaux membres de la Commission de délivrance de la carte d'identité professionnelle de journaliste. Lova Rabary Rakotondravony, Hery Rakotomalala, et Laza Marovola Rabenjamina sont nommés au titre des représentants des journalistes. Rocco Rasoanaivo, Nicolas Rabemananjara, et Salomon Ravelontsalama sont par ailleurs nommés au titre des représentants des patrons de presse, tandis que Volamiranty Donna Mara est désignée pour représenter le ministère au sein de la Commission.

  • 27 Oct. 2017 - 07:31-

    Bilan de la peste ce 26 octobre avec deux décès.  Avec deux nouveaux décès enregistrés ce 26 octobre le total des personnes décédées depuis le 1er août s’élève à 126. Les deux nouveaux cas de décès ont été enregistrés dans la Région Analamanga et dans la région Atsimo Andrefana. On constate selon la remontée des informations provenant du Ministère de la Santé publique que le nombre de nouveaux cas diminue cas (12 nouveaux cas pour la journée du 26 contre 28 pour celle du 25 octobre).

  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

Du même auteur

une
economie

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité