logo
Lakroan'i Madagasikara
Fivorian’ny Eveka

Miandrandra an’ireo Raiamandreny ny olona

Ny Ekipa il y a 6 années

Miandrandra hafatra avy amin’ny Raiamandreny Eveka ny olona sasany. Taratasain’ny Eveka iriana hanazava ny saina sy hankahery ny tsirairay anatin’izao vanim-potoana sarotra diavina izao.

.


 

 

Chapo


 

 

 

Mivory ara-potoana ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (www.ecar-mada.mg/‎). Hifarana ny zoma (rahampitso) 15 novambra izao izany fivoriana ara-potoana izany. Fivoriana fanao isaky ny volana novambra tahaka izao. Fivoriana handraisan’ireo Eveka ny tatitry ny asa avy amin’ireo fikambanana masina sy ny firohotana isan-tsokajiny. Fivoriana ifampizaran’izy ireo ny vaovao momba ny fiainam-piangonana any amin’ny diosezy tantanin’izy ireo tsirairay avy. Fotoana hanasany manam-pahaizana isan-tsokajiny. Fivoriana handinihan’izy ireo ny fiainam-pirenena na dia tsy io aza no fototry ny fivoriana.

Matetika aorian’ny fivorian’ny Eveka tahaka izao dia misy ny hafatry ny Raiamandreny ho an’ireo zanany sy ireo olona tsara sitra-po. Maromaro ireo olona maneho ampahibemaso ny fanantenany fa hisy io hafatra io ary ho voarakitra anatin’ny “Taratasin’ny Eveka”. Manantena ireo olona ireo fa hiompana bebe kokoa amin’ny fiainam-pirenena izany hafatra izany. Misy amin’ireny olona ireny no zanaky ny Fiangonana. Misy ny olona ivelan’ny Fiangonana. Misy ihany koa ireo mpanara-baovao zary misaka lela.

Milaza fahatokisana ny Eveka ny fisian’ny feo miantso. Azo raisina ho zava-tsoa ho an’ny Fiangonana izany. Azo heverina koa ny fisian’ny feo miantso ho toy ny “zaza latsaka andavaka” ny olona ka ny feo sisa fitaovana ilazana fa mbola ao e.

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Efa mby ankoditra ny fahasahiranana sy ny fahantrana. Miantraika amin’ny isan-tokantrano izany. Hita eny anivon’ny fiarahamonina. Manjaka ny gaboraraka. Mandry tsy lavo loha ny olona na an-tanan-dehibe na ambanivohitra. Amin’ny fotoana nanoratana an’izao matoan-dahatsoratra izao dia re fa notafihan’ny jiolahy mirongo basy aman-tsabatra ny ivontoerana fitaizana olona sembana. Nankaiza ilay fanahy nambara hatrizay fa mampiavaka ny Malagasy ? Resabe sisa izany raha ny zava-misy iainana isan’andro no tantaraina.

Azo antoka fa nandre ireo zava-manjo ny mpiara-belona ireo Eveka. Tsisy toerana fady izany intsony. Misy tokoa ny fonenan-dry masera no tafihan’ireo jiolahy. Na ny aty amin’ny tanan-dehibe na ireo miasa any ambanivohitra. Tsisy manana antoka fa tsy ho voatafika izany. Na kilemaina na vehivavy, na mahantra na mpanan-karena. Firifiry ireo mpiambina no maty teo am-piarovana ny toerana niasana. Firifiry ireo mpitandro filaminana no lavo amperinasa.

Endriky ny fahasimban’ny rivotra na aera iainana ankapobeny izany. Mahita ireo olona sasany lasa mpanefoefo tampoka va re ireo olona sasany ka manary ny fahendren-drazana sy manadino ny fanabeazana nozarain’ireo olobe sy ny Fiangonana ? Ekena fa misy tokoa no tsy hita fototra ny harena. Misy ny harena tsy nisasarana. Mihevitra ireo jiolahy fa misy ny tsy maty manota. Mitarika azy ireo haka tahaka izany. Fanazavana izany fa tsy fanamarinana fihetsika. Ny asa ratsy dia ratsy na inona antony nanosika izay nanao azy.

Miandrandra fanilovana ny mpiara-belona izay miandry ny hafatry ny Eveka. Hanana akony manokana ny fampitana ny hafatra amin’ity taona ity satria misy ny fotoam-pivavahana lehibe ho tontosaina eo amin’ny tokontanin’i kolejy Masina Misely ao Amparibe Antananarivo. Fotoam-pivavahana hamaranana ny taonan’ny finoana. Ireo Eveka no hitarika ny lamesa.

Miandrandra fanilovana ny sain’ny olom-pirenena hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ary miara-dalana amin’izany ny fifidianana izay ho depiote. Adidy roa tontosaina anatin’ny andro iray amin’ny 20 desambra.

Ankoatra ny fanilovana ny sain’ny vahoaka dia eo koa ny hafatra mikasika ny fampihavanana. Adidy mipetraka eo amin’ny Fiangonana hatramin’izay izany fa tsy asa vaovao akory. Manana ny toerany manokana amin’izao fotoana izao noho ny vanim-potoana lalovana ara-politika.

Tahaka ny olam-piainana rehetra atrehana dia tsy manana lakile majika amin’izany ny mpitondra Fiangonana. Mahalala an’izany ireo olona mitodika aty amin’ny Raiamandreny Eveka. Tsy manakana azy ireo hanantena anefa izany ary hiantso fandraisam-pitenenana. Samia ho velon’aina hahafantatra izay hafatra ary e.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

editorial
editorial
Publicité