logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

7 novambra andron'ny mpanoratra afrikanina

Ratalata Jn Bà il y a 2 années

Ny 7 novambra dia andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanoratra afrikanina. Isan’izany ny Malagasy.

7 novambra andron'ny mpanoratra afrikanina

Nanomboka ny taona 1992 no napetraka ho andro iraisampirenena ho an’ny mpanoratra afrikanina ny 7 novambra. Ny fikambanana PAWA - Panafrican Writers Association no niezaka hahatongavana amin’izany. 7 novembre : Journée Internationale de l'écrivain africain

 

 

Maro endrika ny asa soratra fa ny tononkalo aloha no nofinidintsika ifampitafana eto efa fotoana fohifohy lavalava izao. Tononkalo izay nofinidy hifanaraka amin’ny resabe na vaovao mahasarika ny saina no nifantenana azy.

 

Iray amin’ireo mpanoratra efa niaraka tamintsika teto i Nitiah Nosy. Manoratra amin’ny fiteny frantsay ihany koa izy fa ny tononkalo iray amin’ny teny malagasy no nofantenana eto. Tononkalo ilazany fa tsy hikobom-bava izy. Hoy izy :

 

 

N'iza n'iza handrebireby,

te hampikombona ny vavako;

n'iza koa hibedibedy,

ny marina tsy maintsy hambarako!

ny fandemena ny olon'osa,

ny fitsentsefana vahoaka;

tsy hitsitsiako rora kosa e,

aleo hipoaka izay hipoaka!

Ary ireto fomba ratsy,

efa hireharehan'ny sasany,

hamafazako ny fantsy,

sao mantsy mba ho tsapany!

N'iza ambony, n'iza ngeza,

mandrangaranga fahefana,

ahozongozoko ny seza,

'ra manampatra hadalana!

Tsy ahimoko ny vavako e,

io no bala hitifirana,

matoa marary izay voalazako,

voatohina ao "'lay raha mivilana!

 

Nitiah Nosy - Poeta

22 octobre, 11:57 ·

 

https://www.facebook.com/NitiahNosyPoeta/posts/1856355958027878

 

Toa izao kosa raha sady nasosany amin’ny fiteny frantsay sy malagasy ny ao ampony.

 

Malgache ! nous sommes

Malagasy isika

Que tu sois merina ou côtier,

nez pointu ou épaté,

peau claire ou peau foncée,

Gasikara nous appartient!

Des coutumes différents,

sont nos richesses évidemment!

On s’éparpille mais pourtant,

nous sommes unis par le sang!

 

Eh! mes chers compatriotes,

notre fihavanana de l'époque,

ressuscitons le maintenant,

transmettons le à nos enfants!

 

Na tanivo na tanindrana

tompony avy tsisy mpindrana !

Na mainty, fotsy, zarazara,

antsika jiaby Gasikara !

Kolontsaina maro loko,

ivavahan-tsamy foko ;

na fombafomba samihafa

dia Malagasy iray tafa !

 

Na eto, na any andafindriaka,

Rà iraisana ny antsika,

‘ndao tsy asiana raorao,

Fa Malagasy izao sy ianao

Nitiah Nosy - Poeta


 

Dia nalaza ilay raha… Dain ty ‘ty… hoy ny tsy tia. Azy ny azy hoy ireo tsy te hiditra lalina.

Tontolo hiharatsy hoy Hasina. Sao kosa tontolo efa tena ratsy ?

 

Tontolo hiharatsy

 

Dia niteny re ny moana, nalady ny marenina

Fa nivoaka masoandro, ny zavatra nafenina

Momba ilay kalazalahy, eto Madagasikara

Mpihira manga feo, sady mpitory Filazantsara.

 

Fa nanambady hono ingahirainy, saingy tsy mba vehivavy

Tena lahy samy lahy e, no indreo natao mariazy

Dia tena tànkina ny maro, injao nisafosafo loha

Be no nitampim-bava, fa samy tsisy nanampo.

 

'Lay safidiny tsy olana, deraina ny fahasahiany

F'ilay Filazantsara notoriany, no indro nivadihany

Ireo mpiara-nihira taminy, ny fiangonana nivoahany

Dia samy afa-baràka, tamin'ity fiovam-panahiny.

 

Aza hitako hono ka mahita ahy

Hoe tamin'izy mbola mpihira dia efa tia lehilahy !

Raha izany re no marina, dia tsy rariny loatra

'Lay fanazimbana fivavahana, tena efa tafahoatra.

 

Any am-parany any hono, izao tontolo izao hiharatsy

Efa naminany ny Tompo : hirongatra ny taranak'i Jodasy

 

*** fanasina7 *** 070511172035 (mpanoratsora-poana)
- partage autorisé -

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/1919072091444160

 

 

Misy vitsivitsy ireo poety afrikanina hita eo amin’ny Facebook. I Kaar Kaas Sonn dia efa nasehontsika teto.

 

Armes

 

 

Et larmes

Peine l’âme

Quel charme

Ont ces dames

Au lance-flamme

Et au dessein infâme

Génitrices des drames

Voici de ce fait l’entame

D’une élégie des quidams

Qui soufflent sous la flamme

Ici dans cette rue d’Amsterdam

Là-bas en Syrie ou à Ouistreham

Ne vous méprenez de l’épigramme

Adorez les orgues de Staline à NDjam

Les Tomahawk déchirant le ciel de Siam

Géhenne dans la Mésopotamie de Saddam

Beaux avions versant au-dessus du Viêt Nam

L’agent orange : joies du Patrol Boat au napalm

Tremblez d’amour pour la poudre noire des armes

Exultez, insouciants à la vue de leurs pictogrammes

De la danse funéraire des fusillés d'Oradour-sur-Glane

Uzi, Falo, Kalachnikov, bazookas, c’est là notre sésame

-En voulez-vous, en voici, notre belle et immaculée came

Que tout le monde devienne ennemi juré et nous on l’arme

S’il a besoin de plan de guerre clefs en main sans amalgame

Il suffira de nous le faire savoir juste par un petit télégramme

Si la paresse vous gagne, des drones exécuteront le programme

Vous aurez dans le cœur Hiroshima sous bombe A qui s'enflamme

Telle est votre destinée, impertinents et versatiles enfants d’Abraham

 

Kaar Kaas Sonn

L’Huisserie, le 12 septembre 2015

Tononkalo mivantana

https://www.facebook.com/kks.kaarkaassonn/posts/828656017339232  

Kaontin’ny mpanoratra

https://www.facebook.com/kks.kaarkaassonn/

 

Pesita sy ny zesita. Enga anie hifarana amin’ity ny hiresahantsika izany aretina izany. Fa misy koa anefa pesita hafa an… Araho anie ny filazan’ny mpanoratra azy.

 

 

Izesta amin'ny pesta !

 

 

Ny pesta iadiako tsy aretina mandringana

Fa ny haratsiam-panahin'ireo tsy sahy mandingana

Tokonam-baravaran'ireo tsy misy atokona

Fa resy atambokon'

Ny fara-fahantrana

Mahantra mangotana.

Fa firifiry moa ireo be tatasika

Be resaka masiaka

Fa afaka hanarina ireo fadiranovana

Hay tsimivaditrovana

Miforitra anaty

Fa tsy mahatanty

Ny mifanerasera na mitotototo

Hamindra fahadiovana

Ireo tandalerin-doto ?

Zarany aza misy fitobiam-pako

Ifandrombahan-jaza misarakorako

Mba anilihan-tsaina

Fa ny voretra fiaina

No mpitondra aretina

Fa izy tsisy pentina !

Zarany aza misy voalavo sy parasy

Anasoketana fa ny malagasy

No tsy mahatandrin-tena

Voretra mahonena...

 

Dia inian-tampenana ny vava indrindra indrindra

Sao mipiti-drora mamindra dia mamindra

Irony mikraoba tsy fanta-pihaviana

Be ny ho ripaka eto ho azom-panaviana

Maty tsy azo alevina ao am-pasandrazana

Fa atokan-toerana zara raha ho tazana...

 

Pesta, hono, pesta

Betsaka ny zesta

Entina hanakonana

Entina hanaronana

Ny kinarinarina

Ny tsy marimarina

Ara-pitondrana,

Mpitondra mihanahana...

 

Ny tena pesta eto sy aretina mandringana

Dia ny fitiavan-tena sy ny fingampingana

Ny fanahy iniana atao hanambakana

Ny vahoaka maro tsy ho tan-dalàna.

Ny tena pesta eto natao hiadiana

Dia ny tsindry bokotra sy ny fijaliana

Mampifararemotra vahoaka isan'andro

Fa voavidy vola ireo natao hitandro

Ny anjara filaminana

Ka ny kely azo manjary anombinana

Anaovan-kolikoly sy aferafera

Amin'ny asa bizina sy ny serasera...

 

Izay manana fanahy aoka handinin-tena

Inona no pesta ilaina horesena ?

 

Andy Rebabe /zoma 13 oktobra 2017 ( sao dia ataon'ialahy hoe...)

 

Rohy tononkalo

 https://www.facebook.com/andy.rebabe/posts/10203872828977624

Kaontin’ny mpanoratra

https://www.facebook.com/andy.rebabe

 



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité