logo
Lakroan'i Madagasikara
pub_dada
FFKM

Fanambarana navoakan'ny Komity Foibe faha-40

admin il y a 1 année

Nivory tany Antsirabe toy ny fanaony isaky ny faran'ny taona iray ny Komity foiben'ny Ffkm, FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANINA ETO MADAGASIKARA FFKM. Namoaka fanambarana izy ireo tpy izao izany.

Fanambarana navoakan'ny Komity Foibe faha-40

FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANINA ETO MADAGASIKARA FFKM

NY KOMITY FOIBE

 

“Mba ho iray izy rehetra” ( Jn l7:21)

 

“... ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy”. l Kor.12: 12

 

Fanambarana

 

Eо anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny Firenena sy ny sedra mafy iainan’ny Fiangonana Kristiana arу ny vesatry ny adim-piainana mianjady amin’ny olom-pirenena Malagasy amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha mpiara-miombon’aina amin’ny vahoaka malagasy, ny FFKM dia miara-miaiky “ny fikomiana sy ny fivadihan’ny firenena amin’Andriamanitra” (Isaia 59:13 DIEM). Amin’ny maha mpaminany ny Fiangonana koa anefa dia miteny ny zavatra tsy mety iainan’ny vahoaka malagasy ny FFKM amin’ny alalan’ny fanambarany ny sitrapon’Andriamanitra mha hanjakan’ny Fiadanana sy ny Fahamarinan’Andriamanitra amin’ny fiainan’ny tsirairay avy.

Koa noho izany ny Komity Foibe faha-40 izay natao teto Antsirabe ny 23 hatramin’ny 26 novamhra 2017 dia manao izao Fanambarana izao :

 

1- Momba ny Fiainam-piangonana

Mbola mitohy ny:

- Famakiana sy fandrobana ary fangalarana ny Fanaka Masina ao amin’ny trano Fiangonana ;

- Famonoana mpitondra fivavahana ;

- Fandorana Baiboly izay intntry ny finoana kristiana.

 

Izany dia midika ho fiantsiana sy famakiana ady amin’ny mpanara-dia an’i Kristy.

 

2- Momha ny Fiainam-pirenena

Heritaona lasa izay dia voalaza tao amin’ny Fanambarana tamin’ny Komity Foibe faha-39 natao tany Toamasina fa ny tsy fanatantaterahana ireo fehinkevitra tapaka nanditra ny fampihavanam-pirenena mifototra amin’ny 4F [Fiekenkeloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana] natao tamin’ny 28 hatramin’ny 30 aprily sy ny 1 ary ny 2 mey 2015, no miteraka ny tsy fandriampahalemana, ny fahalovana, ny fihanaky ny zava-mahadomelina, ny tsy fanarahana rafitra, ny tsy fahalavorarian’ny tontolon’ny fitsarana, araka ny voalaza hoe : “Mihemotra ny rariny ary mijanon-davitra ny hitsiny, satria eny ankianja malalaka no voatohintohina ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po” ( Isaia 59: 14) ka niteraka ny fitsaram-bahoaka, sy “ny fahavoazan’izay mijoro amin’ny fahamarinana” (Isaia 59: 15).

Mbola mitombona ary mihamitombona aza ireo toe-javatra voatanisa ireo hatramin’izao.

 

3- Momba ny Fandriampahalemana

Noho ny kolikoly, dia tsy hita intsony ny fiafaran’ny raharaham-pitsarana momba ny fanondranana tsy marina ny harem-pirenena, rakotry ny kolikoly ny fiainam-pirenena manontolo araka ny teny ao amin’ny Fitomaniana 5:2: “Lasan’ny hafa ny tanindrazanay, lasan’ny vahiny ny tranonay” ;

- Mihamafy hatrany ny tsy fandriampahalemana ary mihatra hatrany ambany akalana ny fahantrana ;

- Mihamafy ny fiatrehana ny asan-dahalo izay mampiasa fitaovam-piadiana avo lenta mihoatra noho ny an’ny mpitandro filaminana ;

- Mihena ny vokatra amin’ny lafin’ny rehetra noho ny tsy fandriampahalemana sy ny haintany ary midangana izay tsy izy ny vidim-piainana.

Na eо aza ireo dahalo mirongo fiadiana mahery vaika dia mbola sahy mijoro izahay araka ny teny ao amin’ny Fitomaniana 5:9: “Manao vy very ny ainay izahay hahazoan-kanina noho ireo dahalo mirongo fiadiana any an-tany efitra”.

 

4- Momba ny filazam-baovao

Ny vaovaon’ny antoko no mibahana amin’ny haino amanjerim-panjakana ka tsy mahazo afa-tsy vaovao tokana ny olona. Araka ny tenin’ny mpaminany Isaia 59: 13b: “Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao ampo sy avoakan’ny teny ataonay”.

 

5- Momba ny fitantanana ny toe-karena

- Lasa tantely afa-drakotra ny Firenena ary manjary tompony mangataka atiny ny Malagasy ;

- Tsy mangarahara ny fifanarahana ara-barotra iarahana amin’ny vahiny izay mamatotra ny Firenena ka lasa manandevo ny taranaka faramandimby ny trosa (angovo, harena ankibon’ny tany, volamena, vatosoa...) ;

- Manome vahana ny vahiny ny fanjakana amin’ny fandraharana ka lasa ny vahiny indray no mahazo fanampiana ;

- Tsy mangarahara ny fampiasana ny volam-panjakana ka mifangaro amin’ny asan’ny antoko.

 

Eo anatrehan’ireo zava-misy ireo dia miangavy no sady mangataka aminareo mpitondra Fanjakana ny FFKM mba hihaino amim-panetren-tena ny feon’ny Fiangonana na dia maharary aza izany ka hamaha ny olana, hanome vahaolana ary hanome maridrefy amin’ny fanatanterahana azy. Efa fetrorona ny fahantrana, ary mba tsy ho ny vahiny no mahazo vahana eto amin’ny tanin’ny Malagasy dia manolotra ireto vaha olana sy soritr’asa voafehy anatin’ny fehinkevitra telo ireto ny FFKM:

 

a- Ara-Pastoraly

- Fananganana toeram-pivavahana “aumônerie” manokana ho an’ny mpitondra fanjakana ho fitaizana ny olomboafidy sy ny olomboatendry isan’ambaratongany;

- Fiantsoana ny zanaky ny fiangonana tsirairay, hifanao dina hampandroso marina ny firenena;

- Manao antsoavo ho an’ny olom-panjakana isan-tsokajiny mba hihevitra ny fampandrosoana marina ny firenena.

 

b- Ara-drafitra

- Fanomezan-danja ny mpanabe sy ny teknisiana Malagasy ;

- Fampirisihana hatrany ny mpitandro filaminana hanohy ny fanadiovana anatiny sy ny fanitsiana ireo diso lalana ;

- Fampahatsiahivana ny mpitondra fanjakana mba tsy hanao dika mitovy fotsiny ny lalàna misy any ivelany ;

- Fiompanana amin’ny fanarenana sy fanorenana hatrany ifotony ny rafitra rehetra eto amin’ny Nosy (refondation).

 

d- Vavaka

Antso ho fanohizana ny vavaka izay efa natao ho an’ny firenena : Hanokana fotoana fiaraha-mivavaka sy fibebahana ho an’ny firenena ny FFKM manerana ny Nosy ka isaky ny faritany FFKM no hanatanterahana izany.

 

FAMARANANA

 

Efa maro ny fanairana natao hatramin’ny Komity Foibe faha-38 sy faha-39, kanefa toa mitory teny any antany efitra ny FFKM, ka mila fiovam-penitra mahery vaika ny fitondrana ny Firenena.

Fitaka sy lainga marivo tototra no iainana ka very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy maro an’isa. Noho izany, ny FFKM dia mitaona ny vahoakan’Andriamanitra “hitady an’Andriamanitra mba ho velona” (Amosa 5 :4 DIEM); Isaia 59:13-15 Diem /Amosa 5:4, 12, ; 2 :6 / Fitom 5:2, l3, 16, 17/Jeremia 9: 2, 4, 5

 

Antsirabe faha 26 novamhra 2017

 

Amin’ny anaran’ny Filoham-piangonana

Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Filohan’ny, EKAR

Pasteur Irako Andriamahazosoa Ammi, Filohan’ny FJKM

Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, Filohan’ny EEM

Pastora Dr Rakotonirina David, Filohan’ny FLM

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

  • 10 Nov. 2018 - 12:47-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 10 novembre 2018 à 10h 25minutes. C’est une tendance nationale, nombre de bureau de vote (BV) traité : 3 663  sur les 24 852. Inscrits : 1 646 896 sur 9 913 599 votants : 860 662. Suffrages exprimés : 798 788. Taux de participation : 52.26%.  

    RAJOELINA Andry Nirina : 40.90%.

    RAVALOMANANA Marc: 39.09%.

    RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 5.75%

    MAILHOL André Christian Dieu Donné: 1.46%

    RABARY Andrianiaina Paul: 0,95%

  • 06 Nov. 2018 - 07:44-

    Camions pour le SAMVA. Le communiqué du Conseil des Ministres du lundi 5 novembre 2018 effectué 16 Heures au Palais d’Ambohitsorohitra nous apprend l’arrivée d’un premier lot de 11 camions remis au SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) pour l’enlèvement des ordures de la capitale a été portée à la connaissance du Conseil, et le Chef de l’Etat a insisté sur l’importance d’une bonne gestion de ce nouveau parc de véhicules et la mise en place de procédures de contrôles strictes. On attend les impacts réels de cette remise de camions.

  • 04 Nov. 2018 - 08:46-

    Nodimandry i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja. Tsiahivina etoana ny resaka nataony mikasika ny tany ao Soamahamanina. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12 ary ity ny rohy ahitana izany eto amin’ny www.lakroa.mg  https://www.lakroa.mg/item-818_articles_dossier_18-resaka-nifanaovana-tamin-i-mgr-rakotondrajao-roger-victor-solo.html

  • 24 Oct. 2018 - 11:42-

    Endrika fanakorontanana. Nanambara ny Za’Gasy ny zoma 19 okitobra lasa teo teny Ambohimitsimbina fa tena fanakorontanana no nataon’ilay mpomba ny kandida iray heverina fa goavana, izay nitaona ny ireo izay tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana ho tonga hifidy amin’ny biraom-pandatsaham-bato 7 novambra. Marihina fa nitety haino aman-jery io pomba ny kandida iray io ny 18 okitobra lasa teo. Miantso ny Ceni sy ny Cfm ary ny mpitandron’ny filaminana ary ny Hcc mba hanao fanazavana mikasika ny fakana ordonnance sy ny resaka lisi-pifidianana ity fa mety hampikorontana ny fifidianana.

  • 17 Oct. 2018 - 07:46-

    Sipem Bank. Tamin’ny desambra 2014 no nahazo ny agrément bancaire ny Sipem bank. Miasa toy ny banky izy ankehitriny. Betsaka ireo tolotra misy amin’izany, toy ny fampindramam-bola. Marihina fa ity orinasa ity dia tena orinasa malagasy araka ny nambaran’ireo mpikarakara. Malagasy avokoa ireo mpiasa ao. Ny Malagasy ihany koa no manana petra-bola betsaka ao na hoe majorité. « Orinasa madinika sy ireo orinasa vaventy no mihindram-bola ato aminay amin’izao fotoana izao » hoy ihany izy ireo. Izy rahateo dia niatomboka tamin’ny micro-finance.

  • 28 Sep. 2018 - 06:51-

    Salon des écoles supérieures catholique. Le salon des Ecoles supérieures Catholique se déroule ce vendredi 28 septembre 2018 au sein du Collège Saint Michel Amparibe. 22 universités, écoles et instituts supérieurs participent à ce salon. L’enseignement supérieur catholique se veut être le moteur de la chrétienneté et de la citoyenneté responsable. L’événement est placé sous le patronage de SEM Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Archevêque d’Antsiranana et Président de la commission épiscopale pour l’éducation et l’enseignement catholique.

  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

Du même auteur

societe
politique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité