logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Ho taona zina tokoa anie

Ratalata Jn Bà il y a 1 année

Efa tamin’ny taon-dasa sahady isika no nihaona farany. Nivalona ny taona 2017 dia tonga ny taona vaovao, mazava loatra fa 2018 e. Hoy ireto mpanakanto notsongaina amin’izao tonon-taona izao.

Ho taona zina tokoa anie

 “Mihodinkodina leitsy a ity tanintsika ity…” hoy ny tononkiran’i Mahaleo. Maro mpahay izany. Mihodina manaraka izany ve ny taona ? Mihodina mbola miverina ve ? “Veloma, aza miverina” hoy RaozyGasy mamaly antsika.

 

Veloma, aza miverina

Ry taona lasa iny !

 

'Zay mihitsy, mandehana ianao mandeha

Matesa faty any ! ... any ambondrombe

Ento miaraka aminao, ny tsy fahatanterahana rehetra

Aza misy ajanojanona, ireo olana etsetra !

 

"Allez" ianao mandeha ! Ento ho anao daholo :

Ireo forongon'alahelo 'zay nampangorohoro

Ireo olam-pitiavana 'zay nampitsako nenina

Ny tsy fahitàna asa 'zay nampipenimpenina

Ny fahafatesan'ireo havana, nahabongo maso

Ireo loza sy ny atambo, nifanjohy nanao matso

Ny kapoakam-bary izay tsy taka-bidy

Ny tsy fahaizan'ny mpitondra 'zay miteraka krizy

...

 

Ireo rehetra ireo, sy izay tsy voatanisa

Ireo mpaminany sandoka, ny dahalo sy ny sisa

 

Ento, ento... ento miaraka aminao

Aza misy avela, hahatratra taom-baovao

Fa fiaim-pifaliana anjakan'ny fahasambarana

No irinay hitoetra ho an'ny isam-baravarana.

Amen !

 

*** fanasina7 **"

073112170305

(mpanoratsora-poana)

 

https://www.facebook.com/fanasinasept/posts/1924631104217740?pnref=story.unseen-section

 

 

Eny “Nivalona ny taona” dia ndao arahana ny firesak’i Baritafika momba izany.

 

Nivalona ny taona

Dia nifarana ny taona

Vetivety nefa lava

Ny fivalonan’ny fotoana

Tao ny vao, tao ny rava

 

Toa nisamboaravoara

Raha ny lalana nizorana

Kitaontaona sy malama

Nefa koa tsy natahorana

 

Nisy tsiky sy tomany

Nisendoatra tany ho any

Samy nandalo tamin’izany

Raha mbola zanaky ny tany

 

Dia nifarana ny taona

D'efa izay k'atao ahoana

Ny ampitso taombaovao

Ka dia miarahaba anao

Tody izao fotoana izao

 

Baritafika

https://www.facebook.com/baritafika/photos/a.182798295477484.1073741827.182777828812864/239365559820757/?type=3&theater

 

 

Ary miraradraraka ny fiarahabana fa tratry ny taona vaovao. Tratry ny taona sa nahatratra ny taona e ? Ady hevitra tsy mety ho vita. Fa ndeha arahana ny filazan’i DadaRabe, Raozy sy Fredy Jaofera azy.

 

 

Tratry ny taona !

 

Ny irariako ho anao

Dia taona vaovao…

D’ilay nandrasanao

Ho amin’ny fiainanao !

Ho taona fiovàna !

Ho taona fihatsàrana !

Ho feno fifaliana !

Ho tojo izay iriana !

 

Hidera ilay Mpahary !

Hikalo ny voahary !

Hiventy ny hosana !

Hihira fiderana !

Ho fahasalamana !

Ho tsiky sy hafanana !

Ho ambinina harena !

Hahazo izay kendrena !

 

Hitsinjo ireo mahantra !

Hizara ary hihantra !

Hamita asa soa !

Hitondra mamy koa !

 

Ny faniriko ho anao

Dia taona vaovao….

Ho tena fahasambarana !

Ho Taonan’ny « Fitiavana » !

 

DadaRabe

https://www.facebook.com/dadarabe/

 

 

 

 

Arahaba

Dia miova diary isika androany

Ka mifampiarahaba indray

Ireo taona lasa aleo ho any

Ity tonga atao tsarafandray

 

Dia arahaba rahalahy

Arahaba ranabavy

Tratry ny taona ihany lahy

K’hifaly isika mianakavy

 

Arahaba ry sakaiza

Ry namana, fianakaviana

Raiamandreny, sy mpitaiza

Feno izao ny fifaliana

 

Fa tojo tonon-taona vao

Asaramanitra anio

Ka ny teny ambara anao

Dia fohy ka mba tadidio

 

Ho tojo izay irina ianao

Ho feno koa fahasalamana

Ambinin-javatra atao

Ho to tokoa izay fikasana

 

Ho lavi-drofy, ho lavi-pery

Ho lavitry ny fahoriana

Sanatria izay ho irery

Raha sendra misy fijaliana

 

Ho tanteraka aminao

Ireo nofinofy faniriana

Ireo vinavina vetsonao

Hovitanao am-pifaliana

 

Dia tso-drano be dia be

No ampanarahina izany

Isika mianakavy anie

Ho tratry ny taona maro hatrany

 

Raozy

 

http://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/arahaba

 

 

 

Arahaba

 

Arahaba tratry ny taona

no hafatra atolotro anao

vetivety, na tsy hihaona

fa dera mitondra vaovao.

 

Arahaba tratry ny taona

ka ny hoe fanambinana

no tiako hirotsaka foana

hiampy irony fidinana.

 

Arahaba tratry ny taona

ka ny hoe fahombiazana

no tiako mba tsy hivaona

sy moramora hotoazana.

 

Arahaba tratry ny taona

ka ny hoe hasambarana

no tiako mba hanoloana

sy tsy ho hita mifarana.

 

Arahaba tratry ny taona

ka izay mbola hafaliana

no tiako, na tsy ahoana,

hitobaka be fitahiana.

 

Fredy JAOFERA

http://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/arahaba

 

Ny azo ambara alohan’ny hisarahana dia tsy niresaka taona fifidianana ireto mpanakanto ireto. Taonan’ny fifidianana anefa ity taona 2018 ity raha manaja ny lojika politika ireo mpitondra. Koa ny firariana atolotra dia hahazo ny saina matsilo hahafahana mifantina izay tena sahy hanavotra an’i Madagasikara izay hifidy ary ireo tsy afaka mifidy dia ho mpandrisika matsilo. Ho taona fiandohan’ny fanavotana tokoa anie i 2018 koa mahaiza manetsa ravaly hoy ny hira fa ity taona ity kosa “Tandremo ny voavidy ary mahaiza mifidy ry vavy sy ry lahy”.

 

Fanamarihana farany, niangarana ireto mpanakanto ireto ary lahy be daholo izy ireo. Tsy mankahala vehivavy akory isika fa kisendrasendra ihany ny zava-misy izao. Amin’ny manaraka mbola hahazo ny anjarany manokana ny vehivavy e. Samia velon’aina.



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 29 Jan. 2019 - 07:10-

    Bilan provisoire global en date du 28 Janvier 2019 à 20h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement, d’une maison suite à l’inondation) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 8 466 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 8 212 à cause de l’inondation) ; • 1 934 Déplacés actuels (450 dues au glissement de terrain et 1 484 à cause de l’inondation) ; • 2 304 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 786 à cause de l’inondation) ; • 1 603 Cases d’habitation inondées ; • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation.

  • 28 Jan. 2019 - 07:43-

    Bilan provisoire global en date du 27 janvier 2019 à 19h. Voici le bilan après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» qui fait état de :
    • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation) ;
    • 1 Disparu (emportée par l’eau) ;
    • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ;
    • 8 031 Sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 7 830 à cause de l’inondation) ;
    • 1 236 Déplacés actuels (134 dues au glissement de terrain et 1 102 à cause de l’inondation) ;
    • 1 605 Déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 1 404 à cause de l’inondation) ;
    • 1 603 Cases d’habitation inondées ;
    • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). (Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 25 Jan. 2019 - 11:26-

    Nominations lors du Premier Conseil des ministres. Ce jeudi 24 janvier, après la nomination du nouveau gouvernement, le Président Rajoelina, a présidé le premier conseil des ministres au Palais d’Etat d’Iavoloha.
    Décret abrogeant le décret n°2016-140 du 02 mars 2016 et portant nomination de Madame ANDRIAMBALO Lala Ratompoalizo, Directeur du Protocole d’Etat auprès de la Présidence;
    Décret portant nomination de Ramaholimasy Holder, Directeur Général de la Présidence en charge des Affaires Politiques;
    Décret portant nomination de Andriamanananoro Augustin, Directeur Général de la Présidence en charge des Projets;
    Décret portant nomination de Sahondrarimalalala Marie Michelle, Directeur des Etudes Juridiques de la Présidence;
    Décret portant nomination de Raharinosy Jimmy, Directeur des Systèmes d'Information.
    Lalatiana Raktotondrazafy est le porte-parole du gouvernement

  • 24 Jan. 2019 - 07:49-

    Bulletin flash du 23 janvier. Bilan provisoire global en date du 23 Janvier 2019 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation. Le bilan provisoire global fait état de : 16 décédés (15 à cause du glissement de terrain et 1 mort par noyade) ; 4 disparus (3 à cause du glissement de terrain et 1 emportée par l’eau) ; 3 rescapés (suite au glissement de terrain) ; 5 763 sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 5 562 à cause de l’inondation) ; 503 déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 302 à cause de l’inondation) ; 1 588 cases d’habitation inondées ; 31 cases détruites (7 dues au glissement et 24 dues à l’inondation).

  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

Du même auteur

societe
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité