logo
Lakroan'i Madagasikara
FEM

“Tompo ô !...Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay.” Jn. 6, 68

admin il y a 3 années

Novakiana nandritra ny lamesa lehibe natao tao amin’ny kianjan’i Masina Misely, Amparibe, ny Taratasin’ny Eveka. Indro izany hafatra izany.

“Tompo ô !...Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay.” Jn. 6, 68

“Tompo ô !...Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay.” Jn. 6, 68

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana.

Tonga eto am-pamaranana ny Taonan’ny Finoana isika mianakavy, ary mankalaza ny faha-75 taonan’ny Baiboly Katolika Malagasy; ka velom-pisaorana  an’Andriamanitra. Tsy mitsahatra ny Papa Fransoa mampirisika sy mitantana antsika amin’ny fiainam-baovao isan’andro ; indrindra ho an’ny fianakaviana sy ny fikolokoloana ny tanora amin’ny “fampijoroana ny Eglizy mahantra ho an’ny mahantra” ary tsy manary ny olombelona rehetra. Ankasitrahana be dia be koa isika, fa nijoro na dia maro aza ny sedra-piainana sy sedra-pinoana mampitsoaka an-daharana. Tsy mitsahatra ny mitady ny antson’Andriamanitra isika.

Anisan’ny nisongadina teo amin’ny fiainam-pirenena ny fifidianana. Deraina manokana ny ezaka vitantsika izay mampisy fanantenana hahatsara ny ho avy.

Ny Tontolom-piainantsika

• Maneran-tany dia mitombo tsy miato ny hantsana eo amin’ny fari-piainan’ny zanak’olombelona. Manompo sarin-janak’omby volamena indray ny mpanankarena sy mpomba azy, hoy ny Papa Ray Masina Fransoa. Tsy mampiraika intsony ny loza sy famonoana ain’olona maro etsy sy eroa.

• Ho antsika Malagasy dia niseho tamin’ny endrika manokana izany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany teo. Mahazo laka tanteraka ny fifanaratsiana sy fifanavakavaham-pihaviana sy foko ary ny fividianana ny safidim-bahoaka amin’ny fananam-bola sy harena. Nampitapim-bava ny vahoaka any ambanivohitra ny fampiderana fiara tsy mataho-dàlana sy fitaovana sarobidy isan-karazany toy ny elikoptera. Hay nisy volabe ihany ka nahoana no tsy nanasoavam-bahoaka hatramin’izay ?

• Miavaka roa ny vahoaka malagasy, dia andaniny ny mpanefoefo manontany ny ory, sy ankilany ny sahirana milomano amin’ny fahantrana. Tsy mandry fahalemana ary tsy voaaro intsony ny vahoaka maro an’isa; miroso mankany amin’ny Fanjakan’i Baroa sy didin’ny besandry ny fiaraha-monina.

Fa dia nahoana loatra !

• Ny fanatontoloana dia manao tery vay manta amin’ny fampiharana ity miralenta ity. Fampitovian-jo no andrandraina kanefa ny fototry ny maha-olona araky ny naharian’Andriamanitra azy mihitsy no zimbazimbaina, ka zary mampivarina ny lalam-pitondran-tena mitarika any amin’ny fanapotehana ny aina.

• Nohitsakitsahina ny Soatoavina Malagasy eo amin’ny fanajana ny Fihavanana tena izy, izay miorina amin’ny tantaram-pirenena sy ny kolontsaina ary ny toekarena, fa ny vola no terena hanjaka hatraiza hatraiza, ka tonga hatrany amin’ny fangalarana taova sy taolam-paty mihitsy aza.

• Maro ireo midongy seza ka misakana ny fifandimbiasam-pahefana. Ny tanindrazana mihitsy no viraviraina sy ifandrotehana, fa tsy notompoina hampiadana.

• Manampy trotraka ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo vondrona iraisam-pirenena mahita ny fahalementsika. Vokany, rotidrotika ny fihavanana ka tsy afaka mifandamina intsony ny samy Malagasy.

• Ny mahagaga koa dia ny fivavahana indray izao no atao tohatra hahazoana seza sy fitondrana. Mampiteny ny moana !

“Mahaiza miaina am-piadanana ary manatanteraka tsara ny asanareo” (1 Tes 4, 11)

Tsy maintsy hiroso amin’ny fiainam-baovao isika, fa mamono tena sy mamotika tanindrazana, ary mandrava firenena raha sanatria mbola mitohy izao zava-misy iainantsika izao.

Ianareo ho fidiana

Mitodika aminareo mpirotsaka ho amin’ny fitondram-bahoaka isan’ambaratongany izahay : ianareo ho solombavam-bahoaka sy ho filoham-pirenena.

• Aza atao am-paladia ny fiandrianam-pirenentsika. Aza mivarotra tanindrazana. Lolohavy an-tampon’ny loha ny tena Fihavanana marina.

• Katsaho mandrakariva ny soa iombonana ka aza atao tahom-boanjo nahitana ny vahoaka Malagasy; rehefa nahazo toerana ianareo dia hadino ny fampanantenana natao azy, fa ny mpiray antoko na fihaviana na fianakaviana no tompon’ny tombontsoa rehetra.

• Anisan’ny lohalaharana ny fanasitranana ny ratra vokatry ny krizy ka hanao vain-dohan-draharaha ny fametrahana fanjakana tandalàna antoky ny fandriampahalemana sy fampivoarana ny vahoaka ao anatin’ny rariny sy ny hitsiny.

• Atombohy aminareo eo amin’ny fitondrana ny fanesorana ny toe-tsaina manavakavaka sy ny fiheverana ny sasany ho ambany. Adidinareo ny manome fanabeazana ny vahoaka ho olom-pirenena feno.

• Maika ihany koa ny hahatomombana ny fanadiovana ny tontolon’ny fitsarana sy ny mpitandro filaminam-bahoaka hamerina indray ny fifampitokisana.

• Anjaranareo ny miaro ny harem-pirenana sy ny mijery ny fitsinjarana azy ara-drariny hampivelatra ny mahaolona manontolo sy ny olon-drehetra hiadanan’ny vahoaka Malagasy.

Ianareo vahoaka

Mitodika amintsika vahoaka izay tena tompon’ny fahefana eto amin’ny Firenena :

• Fantaro fa tsy hisy izany fiorenam-pirenena matotra hampiadana izany, raha tsy voaorina ny tena fihavanana andrianintsika, ao anatin’ny fifankatiavana marina tsy misy fihatsaram-belatsihy. Maro samihafa ny fomba amam-panao (fomba fiteny, ohabolana, ny fomban-tany ….) fa harena ho antsika ny fahasamihafana raha haintsika ny manaja sy mampiasa azy ho entina mandrava ny fanavakavahana.

• Aoka ho sahy hanaja ny hasin’ny aina sy ny fahamarinana isika, tsy ho mora roboka amin’ny fihetsika tsy voalanjalanja, toy ny fitsaram-bahoaka sy fandrobana samihafa ary ny kolikoly sy ny tsolotra.

• Manana adidy isika hiaro sy hikolokolo ny tontolo iainana izay tena simba tokoa ka mitera-doza amin’ny fiainantsika andavanandro. Jereo ny toe-tany sy faritra maro : tsy mirindra intsony ny rotsa-korana… maty ny tantely sy ny biby madinika mahasoa isan-karazany ka mandrava ny rindran-damina voajanahary.

Izao no andro fiovàna

Manana adidy tsy azo ialàna isika mianakavy ka ‘ndeha hifanolo-tànana amin’ny fanorenana ny ampitso :

tsy ho babon’ny akanga tsara soratra, ka hanary ny fahendren-drazana ;

tsy ho taitran’ny doka sy varotra, ka hanary ny finoana itafiana. Tohizintsika hatrany iny vavaka fangatahana Fandriam-pahalemana iny.

Hankalaza an’i Kristy Mpanjaka isika ary mamarana ny Taonan’ny Finoana. Antso sy iraka manokana ho antsika ny fibebahana, ny fandalinana, ny fankalazana sy ny hetsika rehetra notanterahina tamin’iny taona iny. Fanomezan’Andriamanitra ho antsika ny Papa Ray masina Joany faha-XXIII nahazoana ny Konsily Vatikana II, sy Joany Paoly faharoa nahazoana ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika sy ny JMJ, izay hatsangana ho olomasina amin’ny 27 avrily 2014. Hofohazintsika indray ireo lova masina maro nampianarin’izy ireo momba ny fiainam-pianakaviana sy ny tsy maintsy ho fahasahianareo tanora, tsy hatahotra ny handray an’i Jesoa ho namana hampita amin’ny tena fiainana. Koa hifanao soroka miara-milanja isika, ary handray anjara amin’ny fandalinana sahady ireo fanontaniana maro entina hanomanana ny “sinaody momba ny pastoralin’ny fianakaviana”. Aza miroaroa saina, fa raisintsika am-po indray ny tenin’i Md Piera, ka hiara-mandroso lalindalina tokoa hoe : “Tompo ô ! hankany amin’iza moa izahay, Ianao no manana ny Tenin’ny fiainana mandrakizay” (Joany 6, 68).

Dia mitso-drano anareo izahay Evekanareo.

Natao teto Antananarivo anio 17 novambra 2013

Andro fankalazana ny faha-75 taonan’ny Baiboly katolika Malagasy.

Mgr TSARAHAZANA Désiré, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagascar

Mgr RAMAROSON Marc Benjamin, Evekan’i Farafangana, Filoha lefitra

Mgr RANAIVOMANANA Philippe, Evekan’Antsirabe, Sekretera Jeneraly

Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène, Arsevekan’Antananarivo

Mgr MALO Michel,  Arsevekan’Antsiranana

Mgr RABEONY Fulgence, Arsevekan’i Toliary

Mgr RABEMAHAFALY Fulgence, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr TOASY Armand,  Evekan’i Port-Bergé

Mgr ROSARIO Saro Vella, Evekan’Ambanja

Mgr RAKOTONDRAJAO Roger Victor, Evekan’i Mahajanga

Mgr SCOPELLITI Antoine, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr DI PIERRO Gaetano, Evekan’i Moramanga

Mgr RANDRIAMAMONJY Marcellin, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr BOMBIN ESPINO Gustave, Evekan’i Tsiroanomandidy

Mgr RANDRIANARISOA Jean Claude, Evekan’i Miarinarivo

Mgr RAKOTONARIVO Fidelis, Evekan’Ambositra

Mgr CAIRES DE NOBREGA José Alfredo, Evekan’i  Mananjary

Mgr RAZAKARIVONY  Fulgence, Evekan’Ihosy

Mgr RAKOTOZAFY Vincent, Evekan’i Tolagnaro

Mgr ROBASZKIEWICZ Zygmunt, Evekan’i Morombe

Mgr RAHARILAMBONIAINA Marie Fabien, Evekan’i  Morondava

Mgr Georges VARKEY, Eveka Coadjuteur Port-Bergé

Mgr RAOELISON Jean de Dieu, Eveka  Mpanampy Antananarivo

Mgr RANDRIAMBOLOLONA Philibert, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr RAZAKARIVONY Raymond, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr ZEVACO Pierre, Evêque Emérite de Tolagnaro

Mgr PELLETIER Donald, Evêque Emérite de Morondava

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 24 Mar. 2017 - 07:11-

    Flash appeal pour 20 millions de dollars. La cérémonie de lancement du "flash appeal" a été effectuée ce jeudi 23 mars 2017. Une demande d'aide d'une valeur de 20.067.549 dollars américain a été lancée conjointement  par le Gouvernement Malgache, le Système des Nations Unies (SNU) à Madagascar et l’ensemble de l’Equipe Humanitaire du Pays à la Primature pour faire face aux conséquences dévastatrices du cyclone Enawo sur les familles vulnérables du Nord-Est et de l'Est de Madagascar et mener les actions humanitaires et de relèvement y afférentes.

  • 24 Mar. 2017 - 07:05-

    Absence de résultats du pouvoir. Maharavo Ratolojanahary, porte-parole du mouvement DFP Dinika ho Fanavotam-Pirenena, déclare que le pouvoir actuel se caractérise par l’absence notoire de résultats probants dans l’obtention de financement pour réaliser les promesses été les différents programmes érigés depuis l’arrivée du Président Rajaonarimampianina à la tête de l’Etat en 2014. Il n’a eu que des promesses de la part des différents bailleurs (CBI ou Conférence des bailleurs institutionnels, FEC, 11ème Fed…). La dernière mission effectuée par le FMI ces derniers jours ne fait que confirmer cela. Les bailleurs ne font pas confiance à ce pouvoir.

  • 23 Mar. 2017 - 17:08-

    Oliva Randimbiarisoa élu président de l'Asoimi. Le candidat Oliva Randimbiarisoa a été élu lors de la deuxième version de l'élection du président de l'ASOIMI (Association Omnisport Interministériel  et Institution) effectuée ce 21 mars. Il a été élu avec 330 voix soit 97,5% des votants. Il faut rappeler que le candidat Abel Randriamanarivo a retiré sa candidature lors de cette élection. Pour mémoire, ce candidat a été déclaré élu lors de l'élection effectuée le 22 février  dernier. Cette première élection a été considérée comme nulle par le MJS, Ministère de la Jeunesse et des Sports ministère de tutelle.

  • 23 Mar. 2017 - 17:08-

    Défaillance du Ministre de l'Intérieur. Maharavo Ratolojanahary, porte-parole du mouvement DFP Dinika ho Fanavotam-Pirenena, a fait savoir que les nombreuses manifestations de la foule aboutissant à des actions violentes classées comme justice populaire démontre l'incompétence de l'Etat. Il appartient à l'Etat et en particulier au Ministre de l'Intérieur d'assurer l'activité de police administrative par l’intermédiaire des chefs de district. Toute action venant d'autre ministère est de ce fait manifestement illégale notamment celle entreprise par le Ministre de la Sécurité publique envoyant des policiers à Antsakabary.

  • 21 Mar. 2017 - 13:29-

    Cnaps Sport et la coupe. Après son match nul à domicile, la Cnaps Sport est éliminée de la ligue des champions. Elle a été reversée dans la compétition de la Coupe de la Confédération. Il ressort après le tirage au sort des 1/16ème de finale que la Cnaps Sport affrontera la Recreativo do Libolo de l'Angola pour  une place en phase de groupe. Le match aller se déroulera à Madagasikara entre le 7 et le 9  avril et le match retour se tiendra en Angola entre le 14 et le 16 avril.

  • 21 Mar. 2017 - 08:09-

    Don pour la Hcc. Omer Kalameu, Conseiller aux Droits de l’Homme des Nations Unies auprès du bureau de la Coordinatrice Résidente des Nations Unies/Equipe pays de Madagascar a remis à la Haute Cour Constitutionnelle (Hcc) un lot d’ouvrages et de brochures relatifs aux droits de l’homme ce 17 mars. Ce don entre dans le cadre de l’appui du système des Nations Unies à la branche judiciaire malagasy. Au cours de cette cérémonie, le Conseiller aux Droits de l’Homme a fait part au Président de la Hcc, Jean-Eric Rakotoarisoa, de la satisfaction de l’organisme qu’il représente quant à la démarche de la Cour qui fait souvent référence dans ses décisions aux Conventions internationales relatives aux droits de l’homme.

  • 20 Mar. 2017 - 12:51-

    La CUA se rebiffe. Les responsables au niveau de la Commune urbaine d’Antananarivo ont réuni les chefs fokontany de la Capitale. A l’ordre du jour de cette rencontre une explication sur l’absence du logo de la Commune dans les papiers administratifs délivrés par les fkontany et l'enlèvement du drapeau de la Commune dans les locaux des fokontany. Julien Randriamorasata, deuxième adjoint de la Commune, a été claire dans sa conclusion. Le logo de la CUA doit être visible sur tous les papiers administratifs relevant de la responsabilité de la Commune (certificat de résidence…).

  • 19 Mar. 2017 - 06:57- Cnaps out de la LDC. Lors du match retour en 16ème de finale en ligue des champions (LDC). La Cnaps Sport n'a pu faire que match nul. Cnaps Sport et Coton Sport se sont séparés sur le score de 1 but partout. Le match s'est déroulé à domicile sur le stade du club malagasy. Cnaps a joué conte-nature en balançant des longs raids en avant. La présence massive des spectateurs n 'a pas suffi à surmotiver les joueurs.
    Malgré cette élimination l’équipe de la CNaPS poursuit son parcours africain. L’équipe est reversée aux 1/16ème de finale de la Coupe de la Confédération.
  • 18 Mar. 2017 - 08:49-

    FMI à Mahazoarivo. Plusieurs points ont été soulevés durant l’entrevue effectuée ce 17 mars.

    • la situation actuelle de la JIRAMA étant donné que l’objectif de baisser les subventions venant de l’Etat Malagasy n’étaient pas atteints à cause de la sécheresse ;

    • la situation de la Compagnie Air Madagascar où les négociations avec le partenaire stratégique identifié ont démarré ;

    • le retard dans la finalisation de la loi sur le recouvrement des créances, et l’automaticité du mécanisme d’ajustement des prix du carburant.

    • le traitement de la dette importante

    • les impacts du passage de cyclone sur le budget 2017.

  • 18 Mar. 2017 - 08:48-

    FMI à la Primature. David Owen, le Directeur Adjoint du FMI du Département Africain; Rasolofondraibe Alain Hervé, le Gouverneur de la Banque Centrale de Madagascar ; Mamy Rajaobelina, un conseiller auprès de la Présidence de la République et le Ministre des Finances et du Budget Rakotoarimanana François Gervais, ont été reçus ce 17 mars par le Premier Ministre Mahafaly Solonandrasana Olivier.  Cette visite s’inscrit dans le cadre d’une optique tendant à favoriser un système monétaire international stable qui encourage les échanges de biens et services, et des capitaux. Dans ce sens, David Owen a pour mission de réviser et d’évaluer la mise en œuvre du Programme FEC du 31 décembre 2016 et d’assurer l’application ferme du régime de change, et du respect de nos engagements en tant que pays membre.

  • 17 Mar. 2017 - 08:30-

    Formation de formateurs au sein du CRFIM. Onze (11) participants ont consolidé, du 30 janvier au 10 février à Antananarivo, leurs compétences en visualisation des données d’intérêt maritime pour le compte . Ils proviennent de plusieurs administrations impliquées dans l’action de l’Etat en mer et 8 d’entre eux ont réussi à passer avec succès les tests de contrôle. Ils sont sélectionnés pour devenir des formateurs. Cette formation spécifique se déroulera du 20 mars au 7 avril 2017 à Antananarivo. Cette formation est possible grâce au projet européen CRIMARIO avec le soutien du Centre Régional de Fusion des Informations Maritimes (CRFIM).

  • 17 Mar. 2017 - 06:56-

    Cnaps vs Coton Sport et organisation des transports. L’après-match lors de la rencontre entre Cnaps sport et Township Rollers du 11 février a été un cauchemar pour les spectateurs qui ont dû subir 4 voire 5 heures d’embouteillage pour allier Vontovorona et Anosy. Pour y remédier les organisateurs du match ont annoncé lors d’un point de presse effectué au siège de la Cnaps Ampefiloha les mesures prises durant le match retour qui se jouera ce samedi 18 mars 2017.

    Circulation. Une déviation a été créée au niveau du Cur cela permet d’avoir une circulation en sens unique (tant pour aller que pour le retour) pour rallier le Complexe culturel et de loisirs. La déviation est indiquée sur place.

    Parking. Les endroits pour garer les voitures ont été augmentés. Toutefois, à partir de 13 heures, les voitures légères ne pourront plus se rendre au Complexe CCL. Les propriétaires devront garer leur voiture au niveau du Cur. Une navette payante est mise en place entre Vontovorona et le CCL. Après 13 heures, seules les voitures munies de coupe-file peuvent se rendre au CCL.

    Transport en commun. Les responsables des coopératives de la ligne G (Cotransmar et Kofiamo) ont accepté de travailler avec les organisateurs du match. Les tarifs sont les suivants : 1000 Ar d’Anosy au CCL (aller comme au retour) ; 800 Ar de Fenoarivo au CCL et  400 Ar de Vontovorona au CCL.

  • 16 Mar. 2017 - 15:04-

    Organisation à Vontovorona. Selon les organisateurs des évènements au sein de la Cnaps à partir de 13 heures les voitures légères ne pourront plus rallier le Complexe de la Cnaps sis à Vontovorona. Des parkings seront disponibles au niveau du CUR et de l'eglise Fjkm. Les voitures munies de coupe file peuvent circuler. 

  • 16 Mar. 2017 - 14:53- Ahmad. Selon les iniformations qui corculent entre les amoureux du football Ahmad,  président de la fédération malagasy foothall,  est élu présodent de laa Caf.
  • 16 Mar. 2017 - 14:38- Cmaps vs Coton Sport. Les responsables au niveau du club Cnaps Sport annoncent de grandes mesures pour éviter les désagréments survenus lors du premier match international qui a eu lieu au stade Cnaps Votonvorona. Tant les policiers que les gendarmes affirment faire le mximum.
  • 16 Mar. 2017 - 07:16-

    Bilan après passage de Enawo. Voici le bilan après le passage de Enawo pour la journée du 15 mars 2017 à 18h00, ce bilan fait état de : 81 morts, 18 disparus, 250 blessés, 424 801 sinistrés, 246 842  personnes déplacées cumulées et  79 071 personnes déplacées actuelles. La région SAVA a enregistré le plus grand nombre d’infrastructures de bases endommagées avec 335 écoles publiques endommagées et 17 formations sanitaires touchées.

  • 15 Mar. 2017 - 13:18-

    Fiteva au chevet des sinistrés. Une délégation de la Fiteva emmenée par les dirigeants du bureau national de cette association a témoigné de sa compassion devant les malheurs qui a frappé une partie de la population malagasy. Elle a apporté des produits vivriers produits qui proviennent de la région même, composé de carottes, des pommes de terre, et des pommes pour les sinistrés hébergés à l'ANS Académie nationale des Sports à Ampefiloha. La Fiteva ou Fikaambanan'ny terak'i  Vakinankaratra regroupe les natifs de la région.

  • 15 Mar. 2017 - 07:02-

    Bilan après passage de Enawo. Le bilan ce 14 mars 2017 à 18h00 : 18 personnes portées disparues, 78 morts, (certains disparus trouvés morts, et cas de nouveaux décès dus à des effondrements de maisons à Brickaville et Vatomandry), 250 blessés, 394 114 sinistrés, 246 987 personnes déplacées (nombre de personnes ayant dues se déplacer pendant le passage d’Enawo).


  • 15 Mar. 2017 - 06:57-

    Sinistre national. Selon un communiqué émanant du BNGRC l'Etat malagasy a décrété l'état de sinistre national. suite au passage du cyclone Enawo.

  • 14 Mar. 2017 - 14:45-

    CNTEMAD. Le CNTEMAD Centre national de téléenseignement de Madagasikara se veut être une université de proximité et inverser une  mauvaise tendance. 

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité