logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan-dRatalata

Nofiko hono

Nangonin'i R. Jn Bà il y a 1 moi

Tiako ny taniko, azoko nofy fa mihatsara ny ao aminy satria… Nofy ririnina ve ? Aleo raisiko ho nofy mety ho izay no ho fanombohan’ny fiovana. Mpikanto efatra hafa indray no miaraka amintsika amin’ity indray maka ity.

Nofiko hono

Nofiko hono


Nofiko hono fa tao an-tanàna

Dia nisy horakoraka be nigagana

Fa tafahoana ny samy vavàna

Dia niantsoantso ny hoe « fiovana ».

 

Dia taitra ny maro satria samy liana

Nifampitaona ny hoe « fivoriana »

Nifanome toky hifanolotra tanana

Fa an’ny rehetra ny fizaka-manana

 

Dia rafitra ny ainga narahina toky

Velona ny hiaka arahin’akora

Satria ny vahoaka mitsipaka tody

No efa nanda tsy hifidy ny mora

 

Dia an’ny rehetra ny hevi-bahoaka

Ny masi-mandidy sy tsy an-kitsoaka

Fa mila mijoro mijery ny ampitso

Hanova fahalovana be risoriso

 

Fa mila fivoarana izao gasikara

Mila taranaka afa-mijoro

Izay efa narodany mila mpitsara

Mila mpanarina, mila mpisolo.

 

Tsy eken’ny rehetra ny mitsako dilatra

Laviko kosa ny ampitso tsy hamiratra

Fa eo an-tokonako indray no ho tsapa

Ny fiovana  iriako ao an-dapa.

 

 

Dia roso ny dia, fa mafy ny tolona

Tsy maintsy mandresy raha te-ho tafita

Tsy azo ekena raha toa tsy hamololona

Ny toky natao izay niaraha-nahita

 

Dia an’ny vahoaka àry izao ny adidy

Satria ny fiarahana moa saro-bidy

Ka tsy azo avela hanjakan’ny adala

Ny harem-pirenena, sy tandavan’ala

 

Ka ny fandrosoana sy ny fiovana

Dia ilay nofinofiko tiako haorina

Ilay fanjakana fehezin-dalana

D’ilay fireneko ho soa raha tsorina

 

Koa ndao mitsangana f’izao re no andro

Tsy mety intsony ny andraso andraso

Fa dila ny andron’ireo zana-boanjo

Tsy maintsy fongorina koa ny malaso

 

Fa i Gasikara navelan’ny razana

Tsy azo atakalo na midy vola

Na harena mamy, na taniko ngazana

Tsy maintsy arovana mba tsy ho tola

 

Koa averiko indray ary hirahiraiko

Fa tiako ny taniko mamiko loatra

Ilay misingotr’aina hatramin’ny tsinaiko

ka mbola ho tiaviko hatrany an-koatra

 

Na lo koa ny vava, lafo ny taolako

misy fanahy sarotra amidy

misy ny tsiny sy tody ! he isaorako,

‘reo razam-be nanamboatra ny didy

 

Koa an’ny taranaka, zaza mpandova

izay nametrahana zo sy adidy

Io Gasikara, misikina salova

Fa ianareo ‘zao no tompon-tsafidy.

 

 

P.Prospère

 

 

 

GASIKARA NOFIKO

 

Nofiko, hono, ity tanindrazako

Tany fiadanana rahatrizay

Nofiko, hono, ka indro tazako

Fandriam-pahalemana fehizay

 

Nofiko, hono, ny Fitsarana

Ho lapa manitra fahamasinana

Nofiko ireo manam-pahefana

Ambany lalàna sy fahamarinana

 

Nofiko, hono, ny politika

Lalànan'antoko sy kalitao

Olom-boafidy, hono, misy etika

Voafehy tsy mamadika palitao

 

Nofy raiketiko an-taratasy

Mirary soa ho an'i Gasikara

Tsy nofy fa zon'ny Malagasy

Ny hiaina milamina ao afara

 

''... Hiadana sy ho fianaritra, e sambatra tokoa izahay !!"

RNL

 

https://www.facebook.com/groups/36719723758/permalink/10154924914573759/

 

NOFIKO

 

Nofiko hono indray alina

Ity Nosintsika ity

Nanjakan'ny tena marina

Sy nampigoka ilay fitia

 

Ny mpitondra antsika koa

Tsy nanao fitiavan-tena

Fa nikendry tombontsoa

Ho an'ity firenena

 

Ny kolikoly hono foana

Ny fitsaram-bahoaka tapitra

Tonga mantsy ny fotoana

Hanovàna izany rafitra

 

Nofiko hono, niova ny vidim-piainana

Lasa mora ny vary amin'ny kapoaka

Izany ka misy isainana

Fa vitsy koa ny mpisotro toaka

 

Ny saran-dalana indro nihena

Ny loza tsy nisy intsony

Ny mahantra mba nihinan-kena

Ny adintsainy aza tòny

 

Dia nifanaja koa ny mpivady

Ny fisarahana tsy nisy intsony

Ireo mpisipa tsy niadiady

Fa efa tokana hono ny fony

 

Mbola nofiko tamin'iny alina iny

Ny haren'i Madagasikara

Tsy notrandrahan'ny vahiny

Fa holovain'ny zanaka ato afara

 

Nofy ihany izany rehetra izany

Fa ny fiainana Gasy tsy niova

Ireo hiaka sy tomany

Injao reko foana, toa efa ''lova''

 

Nofiko!!!

GERMAIN

5 Jona 2017

 

https://www.facebook.com/permalink.php?story_fbid=1716423335324832&id=1703935153240317&substory_index=0

 

Nofy

 

Inay nofiko hono ny latabatra nivelatra

Indreo hanimpý nitono sy jiro nanjelatra

Nandray ireo sahirana nandritry ny andro iray

K’indro izy miramirana mba nisakafo indray…

 

Ny zava-misy anefa ny vazaha sy ny mpanana

No ho voky hirefarefa hiady ny laharana

Ndeha hosesefan-kanina ho voky voninahitra

Ny ory hitanontanona andeha hiraoka ahitra

 

Inay nofiko hono ilay tranombahiny goavan

Tondraka ronono nanasa ireo tsy manana

Nitoetra tao zareo mpatory amoron-dalana

Nangina ny toreo, nihavao ny Tanindrazana

 

Ny hany mba mitranga, ny omaly tsy miova

Ny ambony saranga no mitoetra eny andRova

Ny vazaha hajahajaina, ny gasy nohambaniana

Vahiny no hampihantaina tsy misy fitsitsiana.

 

Tsy ilaina intsony isika ry vahoaka Malagasy

Tsy mila ny safidintsika intsony i Mananasy

Fa efa vita aloha miaraka amin’ireo vazaha

Ny tetik’Iavoloha hitoetra mandra-paha. …

 

Meteza isika mponina hifanome ny tanana

Hanampy, hampionona ireo ory sy tsy manana

Aza miandry ireo voky fa tsy ao antsainy izany

Aza manary toky fa ho ravo indray andro any

 

Nofy

 

(C) Christiane Ramian

https://mcmparis.wordpress.com/2016/09/22/nofy-christiane-ramian/




Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 13 Feb. 2018 - 08:55-

    Succès pour Fan Education Agency. L’opération portes ouvertes organisée par Fan Education Agency les 9 et 10 février derniers au Louvre Antaninarenina a été un succès. Les étudiants ont répondu massivement à l’invitation. Ils ont pu avoir un contact direct avec les représentants des écoles supérieures et universités étrangères qui travaillent en partenariat l’agence. Les étudiants intéressés pourront avoir un suivi auprès des responsables de l’agence à leur siège.

  • 30 Jan. 2018 - 15:25-

    Démolition d’échoppes et gargotes. Le M2PATE, Ministère chargé des projets présidentiels a procédé à la démolition des échoppes situées à Anosy. Ces échoppes se trouvent sur la partie délimitée par le M2PATE pour réaliser le projet d’amélioration des environs du Lac Anosy. “Nous regrettons cette destruction qui est pour nous illégale car nous avons introduit un recours devant le Conseil d’Etat pour sursis à exécution de l’ordre de libération des emprises délivrées par le M2PATE le 24 janvier” souligne l’avocat des commerçants. Ces derniers ont eu l’autorisation d’occuper ces lieux par la Commune. L’avocat regrette que la procédure légale ne soit pas respectée en la matière.

  • 30 Jan. 2018 - 06:53-

    Visite de l’Oif à la CENI.Dans le cadre de l’appui de l’Organisation Internationale de la Francophonie au processus électoral malgache, une délégation dépêchée par le Secrétaire Général de la Francophonie a effectué une visite auprès de la Commission Electorale Nationale Indépendante(CENI) ce 29 janvier 2018 à Alarobia. Menée par SEM Salou DJIBO, Ancien Président de la transition au Niger, la délégation a tenu une réunion avec le Président de la CENI Me Hery RAKOTOMANANA en présence des Commissaires électoraux ainsi que quelque staff technique de la CENI. Suite aux discussions et échanges, trois points majeurs ont été soulevés : les accompagnements que l’OIF peut apporter à la CENI, les points à éclaircir concernant la candidature aux élections et enfin l’adoption du cadre légal.

  • 24 Jan. 2018 - 13:10-

    Judoka enina hiofana any Japana. “Tatiana (-48), Mirana (-52), Haingo (-78), Kevin (-66) ary Tessia (-52) sy Damiella (-63)” ireo ny judoka enina hiofana any Japon. Ny efatra voalohany dia hanainga ny 28 janoary izao ka haharitra 38 andro ny fe-potoana hiofanan’izy ireo, ny judoka roa farany kosa dia haharitra 4 taona ny fe-potoana hipetrahany any ary hianatra ao amin’ny Université internationale des arts martiaux izy mirahavavy. Me Ratovoson Manoelina Hery no coach voatendry hanaraka an’ireo judoka efatra ary mitovy ny fe-potoana hipetrahany any.

  • 24 Jan. 2018 - 07:15-

    FFKM présente ses vœux. “Au nom de tous les chrétiens de Madagasikara, nous vous encourageons dans vos responsabilités, pour diriger le pays dans la Foi en Dieu. Les églises ont leur place dans notre société, que le Saint Esprit veille sur vous pour le développement du pays” a déclaré Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, président de l’Eglsie anglicane et président en exercice du Conseil œcuménique des Eglises de Madagasikara depuis quelques jours pour l’année 2018. La délégation du FFKM a présenté ses vœux au couple présidentiel ce 23 janvier 2018 à Iavoloha.Les quatre chefs d’église étaient présents au palais d’Iavoloha.

  • 18 Jan. 2018 - 07:09-

    Nouveau DG à l’INFA. Le Conseil des Ministres du mercredi 17 janvier 2017 au Palais d’Etat d’Iavoloha pour le compte du Ministère de la Fonction Publique, de la Réforme de l’administration, du Travail et des Lois Sociales par décret vient de nommer Botonoasy Jean Davistor au poste de directeur Général de l’Institut National de Formation Administrative (INFA). Un décret qui abroge le récent décret pris en avril 2017 ayant nommé Nomenjanahary Dupont Herilala à ce poste. Pourquoi ce rapide remplacement ?

  • 17 Jan. 2018 - 08:24-

    Nouvelles dates des examens officiels. Le Ministère de l’Education Nationale vient de rendre public les nouvelles dates des examens officiels : le CEPE se déroulera le 14 août. Le BEPC se tiendra du 3 au 6 septembre. Le CAE se fera les 23 et 24 octobre et le CAP/EP auront lieu les 20 et 21 novembre 2018. La fin de l'année scolaire est toutefois maintenue pour le 4 août.

  • 15 Jan. 2018 - 07:19-

    Le fokonolona perd 569 ha. A Ampahala, lieu sis dans la commune urbaine de Soavinandriana, de la région Itasy le fokonola est désemparé. A la fin de l’année 2017 ce fokonolona apprend que Georges Ruffin, leur adversaire dans le dossier foncier, a eu gain de cause devant le tribunal. Cela siginifie que cet ancien ministre vient de se voir attribuer définitivement le titre d’un terrain de 569 ha. Selon Ramilijaona Pierre Marcel, président de l’association de la défense des intérêts du fokonolona, le fokonolona ne veut pas quitter les lieux. Ils défendront leur terrain par tous les moyens.

  • 15 Jan. 2018 - 07:16-

    Bilan provisoire 14 janvier. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation publié le 14 Janvier 2018 - 20heures nous donne, le bilan provisoire, à l’échelle nationale qui fait état de : 51 personnes décédées, (les corps retrouvés de quelques personnes disparues expliquent l’augmentation) [(Amoron’i Mania : 1, Analamanga : 5, Atsimo Atsinanana : 10 ; Atsinanana : 4, Boeny : 1, Haute Matsiatra : 17, Menabe : 5, Sofia : 3 ; Vakinankaratra : 2, Vatovavy Fitovinany : 3)] ; 22 portées disparues ; 160 800 sinistrées ; 54 767 déplacées.

  • 12 Jan. 2018 - 07:41-

    Bilan provisoire national sur le plan humain. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation (au sein du Bngrc) ce 11 janvier à 20 heures nous donne le bilan provisoire sur le plan national. Il fait état de : 42 personnes décédées ; 26 personnes portées disparues ; 18806 personnes déplacées ; 149942  sinistrées.

  • 12 Jan. 2018 - 07:26-

    Ambassadeur à New York. Pour la troisième fois depuis son accession au pouvoir Rajaonarimampianina vient nommer un ambassadeur en la personne Razafitrimo Arisoa Lala. Elle est nommée pour occuper le poste d’Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire, Représentant Permanent de la République de Madagasikara auprès de l’Organisation des Nations Unies à New York. Elle a été nommée par décret au cours du Conseil des Ministres du jeudi 11 janvier 2018 qui s’est tenu au Palais d’Etat d’Iavoloha. Elle était ministre des Affaires étrangères entre 2014 et 2015.

  • 12 Jan. 2018 - 07:18-

    Nouveau directeur de cabinet à la Présidence. Le Conseil des Ministres du Jeudi 11 janvier 2018 qui s’est tenu au Palais d’Etat d’Iavoloha par décret vient de nommer Randrasana Eric Jean-Joel, au poste de Directeur du Cabinet Civil du Président de la République. Il remplace à ce poste Herisoa Razanadrakoto. Herisoa Razanadrakoto a occupé le poste de directeur de cabinet par intérim pendant plusieurs mois (depuis 2015) remplaçant  Henry Rabary-Njaka limogé après des pressions. Quant au nouveau directeur de cabinet civil il était toujours dans le giron du Président comme conseiller spécial sur plusieurs dossiers (Agoa, énergie…).

  • 11 Jan. 2018 - 14:41-

    Bilan provisoire national. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation (au sein du Bngrc) ce 10 janvier à 20 heures nous donne le bilan provisoire sur le plan national. Il fait état de : 36 personnes décédées (Amoron’i Mania : 1, Analamanga : 1, Atsinanana : 4, Boeny : 1, Haute Matsiatra : 17, Menabe : 5, Vakinankaratra : 2, Vatovavy Fitovinany : 3) ; 25 personnes portées disparues (Analamanga : 1, Atsimo Atsinanana : 4, Atsinanana : 1, Haute Matsiatra : 3, Menabe : 9, Sofia : 6 et Vatovavy Fitovinany : 1) ; 20462 personnes déplacées ; 136005 sinistrés (estimation).

  • 10 Jan. 2018 - 12:40-

    Bilan provisoire national. Le bulletin flash du Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation (au sein du Bngrc) ce 9 janvier 2018 à 20 heures nous donne le bilan provisoire sur le plan national. Ce bilan provisoire fait état de : 33 personnes décédés ; 22 portés disparus ;  24 873 personnes déplacées ; 123 244 sinistrés ; 34 641 nombre d’élèves privés de cours ; 77 nombre de salles de classe utilisées comme site d’hebergement ; 19 infrastructures sanitaires endommagées ou détruites.

  • 09 Jan. 2018 - 07:37-

    Bilan national provisoire. Dans son Bulletin Flash du 8 janvier 2018 à 20 heures le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation publie le bilan provisoire sur tout le pays. Ce bilan fait état de : 29 décédés dans les région suivantes (Amoron’i Mania : 1, Analamanga : 1, Atsinanana : 3, Boeny : 1, Haute Matsiatra : 17, Menabe : 4, Vakinakaratra : 2) ; 22 portés disparus dans les régions suivantes (Analamanga : 1, Atsimo Atsinana : 4, Atsinanana : 2, à Haute Matsiatra : 3, Menabe : 9, Sofia : 2 et Vatovavy Fitovinany : 1) ; 17 170 personnes déplacées ; 83 023 sinistrés.

  • 08 Jan. 2018 - 08:17-

    Bilan provisoire. Le bilan provisoire selon le bulletin cyclonique du 7 janvier à 16 heures locales publiées par le Bngrc fait état de : 6 décès (1 dans la région Amoron’i Mania, 1 à Analamanga, 2 à Atsinanana, 2 à Vakinankaratra), 2 portées disparues (1 à Atsinanana, 1 à Sofia),  3 blessés, 13 523 personnes déplacées, Plus de 63 000 sinistrés,  16 009 élèves privés de cours.

  • 08 Jan. 2018 - 07:00-

    CISCO sy ZAP tsy mianatra. FILAZANA MAIKA. Noho ny fatahorana ny mety hisian'ny fihotsahan'ny tany nateraky ny ora-nikija sy ny fiakaran’ny rano dia tsy mianatra ihany koa rahampitso alatsinainy 08 janoary ka hatramin'ny alarobia 10 janoary ireo mpianatra amin'ny sekoly rehetra miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana ho an'ireto CISCO manaraka ireto : Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Atsimondrano, Brickaville.

    Marihina fa ny Alakamisy 11 janoary vao miverina mianatra ireo mpianatra amin'ny sekoly rehetra manerana ny Nosy izay naato ny fianarana.

    Marihina ihany koa fa mety mbola hiampy io lisitra io arakaraky ny fiakaran’ny rano eny anivon’ny ZAP sy ny CISCO. Entanina ny rehetra mba ho mailo mandrakariva.

    (Loharano : https://www.facebook.com/menmadagascar/

  • 08 Jan. 2018 - 06:59-

    ZAP tsy mianatra. FILAZANA MAIKA. Noho ny fiakaran’ny rano dia tsy mianatra ihany koa rahampitso alatsinainy 08 janoary ireo mpianatra amin’ireto ZAP manaraka ireto :

    - ZAP Antanetibe (CISCO Soavinandriana Itasy)
    - ZAP Antoby EST, ZAP Manazary , ZAP Anosibe Ifanja, ZAP Sarobaratra, ZAP Mandiavato, ZAP Andolofotsy sy ZAP Soavimbazaha (CISCO Miarinarivo)
    - ZAP Amboanana, ZAP Alakamisikely, ZAP Ambohipandrano, ZAP Ambohimandry, ZAP Ambatomanga, ZAP Arivonimamo II, ZAP Antambolo, ZAP Ambohimasina (CISCO Arivonimamo)
    - ZAP Soavina sy ZAP Ambondromisitra (CISCO Ambatofinandrahana)
    - Ireo ZAP rehetra ao anatin’ny CISCO Ambositra
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny CISCO Fandriana
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny CISCO Andramasina
    - ZAP Alasora (CISCO Avaradrano)
    - ZAP Ambohijoky, ZAP Ampanefy, ZAP Soavina, ZAP Soalandy (CISCO Atsimondrano)
    - EPP Ampirika ao amin’ny ZAP Ambohitrimanjaka (akaikin’ny fefiloha) (CISCO Ambohidratrimo).
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny Faritra MATSIATRA AMBONY
    - Ireo ZAP rehetra ao amin’ny CISCO Midongy
    - Ireo ZAP rehetra ao amin'ny CISCO Antsirabe2
    - ZAP Sabotsy Namatoana, Andranovelona, Morarano, Behenjy (CISCO Ambatolampy)

    Marihina fa mety mbola hiampy io lisitra io arakaraky ny fiakaran’ny rano eny anivon’ny ZAP sy ny CISCO. Entanina ny rehetra mba ho mailo mandrakariva.

    (Loharan: https://www.facebook.com/menmadagascar/ )

  • 04 Jan. 2018 - 12:12-

    Bulletin cyclonique du 4 janvier à 10 h. AVA s’est intensifiée en Forte Tempête Tropicale. Son centre est localisé à 280 Km au NordEst de Toamasina à 10 heures. Le vent moyen monte à 90 Km/h alterné par des rafales de 130 Km/h. AVA pourrait atteindre le stade cyclonique avant d’atterrir autour de Toamasina dans la matinée du 5 Janvier 2018. Les bandes pluvieuses associées touchent dejà la moitié Nord du pays et apporteront des pluies abondantes. Les crues de rivières sont à craindre pour toutes zones concernées par les alertes jaunes suivantes : Les districts Antalaha, Mandritsara, les régions Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro et Vatovavy Fitovinany sont en alerte Jaune (Menace dans 24 heures); Alerte Verte (Avertissement) : Tsaratanana, Anjozorobe, Analamanga, Arivonimamo, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I-II, Fandriana, Ambositra, Manandriana, Ambohimahasoa, Isandra, Vohibato, Lalangina, Fianarantsoa Ville, Ambalavao, Faritra Atsimo Atsinanana, Anosy Ivohibe et Iakora. Les alertes sont levées pour DIANA, Bealalana, Befandriana Nord, Sambava, Vohemar et Andapa. Les usagers en mer entre Antalaha et Mahanoro sont priés de ne plus s'aventurer en mer à partir de ce jour. Prochain bulletin : à 16 heures 30.

  • 03 Jan. 2018 - 11:57-

    Bulletin cyclonique spécial du 3 janvier à 10 heures. La Perturbation Tropicale à l'Est d'Antalaha s'est intensifiée en Tempête Tropicale Modérée et est nommée AVA à 9 heures. Son centre est détecté à 230 Km à l'Est d'Antalaha ou 350 Km au Nord-Est de St Marie. Le vent moyen monte à 75 Km/h alterné par des rafales de 105 Km/h. D'après la prévision de ce matin, AVA continuera de s'intensifier avant d’atterrir entre Soanierana Ivongo et Brickaville dans la matinée du 5 Janvier. Les bandes pluvieuses associées affectent déjà la partie Nord et Est du pays depuis hier.

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité