logo
Lakroan'i Madagasikara
Sento

Hosen’i Houcine tsara ny fitsarana…

Nangonin'i R. Jn Bà il y a 2 années

Mifantina tononkalo dia talentan’i Ratalata. Maro hisafidianana eny amin’ny habak’ireo poety. Misy aloha ny hiangarana. Mahatsapa izany angamba ianao mangarangarana eto amin’ny www.lakroa.mg. Ny zava-misy hatrany no iaingana sy ifantenana ny asa soratra. Houcine izao no malaza. Vakio anie.

Hosen’i Houcine tsara ny fitsarana…

Isan’ny olona voatonona ity mpampanoa lalana. Tsy naharitra ity farany fa nitafa tamin’ny mpampita vaovao. Toa izao no fandraisan’ny poety iray izay nambarany.

 

 

MAMPANONGO TENA

 

Dray dray dray drayyyyy !!!

 

Dia niampanga tena, ianao ramatoa

Nilaza ampahibemaso fa tena nisy tokoa

'Lay vola roa valizy, nomen'i Arfa

Mba hamoahana azy, ho afaka amin'ny gadra.

 

Dia hoe tsy nanaiky ianao, ka nalefanao nivoaka

'Lay mpanao kolikoly, navelanao hitsoaka

Kanefa anie ianao ka mpampanoa lalàna e

Tena olona ambony ao amin'ny fitsarana !

 

Te-hanadio tena ianao, dia indro fa nanilika

'Lay volan'i Arfa, any amin-dramatoa minisitra

Ity farany hatreto, tsy sahy miseho tele

Satria vao maika nalentikao, amin'ity dosie !

 

Tena mampanongo tena, ianareo madama a

Na ramatoa minisitra, na ianao mpampanoa lalàna

Nareo tokony ho fitaratra, ohatra, modely

Manao fomba mamohehatra, tena tsy mamely.

 

Mahantra ianao ry Dago, mahantra olo-marina

Tsy ho ato ho ato mihitsy, fa mbola ho ela vao hotafarina.

 

*** fanasina7 *** 051901181355

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/2020663794618322

 

Dia tsy mifarana ny tantara

Tsy nangina Houcine fa nikafara

Dia namaly ireto taty afara

Nandre ny poety ka nizara

Izay reny nambaran’ny minisitra

 

 

RAMATOA 70

 

Dia indro re fa nitsikafona

'Zay noheverina fa niafina

Kolikoly mampisitrika

Nataon-dramatoa minisitra

Tsy mba vola amin'ny Ariary

Fa tena €uro avy hatrany

 

Saingy angamba diso tia tena

D'izao nipoaka ny afera

Mety nisy tsy nahazo anjara

Ka nanabaribary ny tantara

i Arfa lazaina fa tsy hita

Manao ampamoaka any am-pita

Ary tena manitrikitrika

Fa nanome vola an'i Minisitra.

 

Raha ny endrikao Ramatoa

Sy ny taonanao ihany koa

Dia tena mandiso fanantenana

Fa hay mpanitsakitsaka lalàna

Nefa minisitry ny fitsarana !

 

Tokony ho kinga, vetivety

Ianao hamory mpanao gazety

Momba ity tantara ity

Eny, na dia ho fiatsarambelatsihy

Saingy, tsy nataonao izany

Midika fa marina avy hatrany.

Ny filohanao ihany koa

Sy ilay nomerao faharoa

Dia mangina tsy ahitan-teny

Toa ny olo-moana ireny

Fa notampenan'i Arfa ny daomy

'Lay gadra 'zao no lasa "raoly"

 

"Ôsy ah' e madama a !"

Ny vahoaka anie tsy adala e

Efa be dia be no mahalala

Manaraka akaiky 'ty tantara

Raha izao no tena hofotorina

D'ianao no tokony hosamborina

Ianao no tena tsy mamely

Fa tsy i Dada velively.

 

*** fanasina7 *** 031701180552

 

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/2017654414919260

 

Tsy naharitra ity mpanoratra iray ka nizara ny alahelony. Nahoana no tsy ampitoviana “torosy” manoloana ny fitsarana ny tsirairay ? Ny nijoboka nangalatra akoho avy hatrany dia midoboka fa izay mangalatra harem-pirenena ireo mpitsara indray  no mihenahena…

 

 

Mpangalatra ihany...

Aty am-pigadrana no nametrahana ahy

Lavitry ny fiainana, nilaozan’ny fanahy

Meloka aho, ekeko, tsy nety ny nangalatra

Ka inoako, any taona mbola hiverina ho sambatra

 

Kanefa...

Henoko ombieny, be ny mpangalatra avo lenta

Ny ahy akoho gasy sy manendaka poketra

Fa ny azy ireo "hono" vola be toy ny "Milliards"

Tsy mba ariary intsony fa "Euros" sy ny "dollars"

 

Henoko hoe nidoboka, navoakan’ny gazety

Ireo anaran'olona nangalatra sy fetsy

Efa ho 1 taona izao, tsy mbola tonga aty ihany

Fa afindrafindra toerana any ambadimbadika any

 

Vao haingana koa izay nisy anarana voatonona

Nanao risoriso fa nahafantapantatr'olona

Tafavoaka teto Dago, nisy ny nanampy tosika

Sahy nanao fanambarana, sady tsy taitra no tsy rototra

 

Ka ahoana ihany izany, izay mangalatra ny kely

No faizina sy idina, tsy hanam-bava hiteny

Fa izay mangalatra ny be, efa ho vola iray vata

No diso lasa marina satria naman'ny ao an-dapa

 

(...)

Baritafika 17 Jan 2018

https://www.facebook.com/baritafika/posts/394042167686428

 

 

Dia manaraka ity tantara sinema ity ny maro. Soritana fa  mbola vao saison 1 isika izao ary épisode faha 6 angamba (épisode voalohany fanafarana an’i Houcine, faharoa fanagadrana…). “Machiro” hoy ny fanoratan’ny tanora azy eny amin’ny tambazotra. Fa mba ahoana kosa ny vidim-piainana ? Misandratra…

 

 

Asa?

Lafo ny vary, tsy voavidy ny laoka ;

mitrongo vao homana ity ny vahoaka !

Ny karama anefa, zara raha misy;

saozanina, mangozohozo ny ankizy!

Voamaina no harapaka, efa ho isan’andro,

lasa foto-tsakafo ihany koa ny mangahazo!

Tsy menatra intsony ny mitsongo anana,

dia ny ana-madinika eny amoron-dalana!

 

Voasazy ny ankizy fa miha-dondrona,

tsy omena tsiny fa tsisy ny atokona e!

K’aza dia hasarotina re ramose a,

ny kibo hono izao mbola refona be!

Ny jiro hanaovan-devoara aza moa,

tsy voavidin’ilay dimampolo ankiroa,

ny kahie lany tsy voasolo intsony,

k’ilay “aotra” azo, tsy mba sitra-pony e !

 

Taim-bavan-dRasoa efa mila tsy ho tanty,

ny hofan’ny trano, ilainy hono mantsy!

Ny entana ity efa ho lany tamingana,

ny fandriana namidy aza efa nanahirana!

Raha tsy maintsy hitrosa, any amin’iza ?

ny havana akaiky aza efa mila akisa!

Dia hanampy isa ny mpatory an-tsena e,

fa fetr’andro vitsy no azony ekena!

 

Ny aza mba misy marary ihany koa a,

vatam-paty no omanina dieny mialoha!

Satria hialangalana ireo hôpitaly,

tanam-polo hono mantsy tsy hahatsabo marary!

Mafy ady no anarany, izay ve no anjarany ?

Asa rey olona, fa efa tsy ho zakany!

Sanatria ve hono hatramin’ny taranany,

no handova tsy satry an’ity tsy fananany ?

 

Asa?

Nitiah Nosy 21/01/18

 

https://www.facebook.com/NitiahNosyPoeta/posts/1900399906956816

 

Dia nosen’i Houcine tsara hatrany antampon-doha ka hatrany ampaladia ny Fitsarana hatrany amin’ny minisitra ka hatrany amin’ny mpiandry fonja. Nahazo ny azy koa ny filoham-pirenena. “Mitehafa tanana” hoy ny mpitsikera. “Dia ahoana koa ny manaraka ?” hoy ny mpisera… Mbola tsy miakatra ny soratra koa samia velon’aina.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

sport
societe

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité