logo
Lakroan'i Madagasikara
Tononkalo

Afera Arfa, Fêtard, Ontsa anao....

Nangonin'i R. Jn Bà il y a 2 années

Nalaza ny “AFERA ARFA”, niroso indray ny “VINA FISANDRATANA”, “FETÂRD”, fa ao anatin’ireny miendrika fanakianana ireny dia irin’ny mpanakanto hitoetra ny fitiavana tanindrazana ka manao izy hoe “Ontsa anao ny foko ry Tanindrazako lalaiko”.

Afera Arfa, Fêtard, Ontsa anao....

AFERA ARFA

Andriamatoa Filoha a,

Rehefa hitady asa an, dia mampiseho "CV"

Vao tsy mazavazava, dia efa "allez" mandeha !

Ianao indray ve no hatoro, ianao anie "expert" e

Dia tsy kobonao mihitsy ve hoe, i Arfa anie ka mersenera !

 

Niasa tao aminao izy, navelanao nanofana

Tànan-kavananao teo amin'ny fiarovana

'Zao nipoaka 'lay afera, dia lazainao fa olon-dratsy

Ketrehina hosamborina, tetehina ho faty.

 

Aiza re izany e ! Ianao anie Filoha e !

Ny momba an'i Arfa ve, dia tsy kobonao mialoha !

Raha izay no tena izy, dia marina sy ampy

Ny teny nolazain'i Filoha "Donald Trump"

 

'Reo mpiara-miasa aminao, arovanao izay tsy izy

'Zareo anefa dia manaiky, fa tena nisy vola roa valizy

Dia tsy menatra ve ianao, mandainga ankitsirano

Mifampiaro amin'ny ratsy, mifanao kian-trano an-trano !

 

Mionona izahay, ary manaiky handray lesona

Raha hoe ny nahatongavanao ety, dia nateraka hampiesona.

 

*** fanasina7 *** 042501181953

 

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/2029512873733414

 

VINA FISANDRATANA

Vinaiko eto re Rajao, raha mbola ianao no hitondra

Fa ho gida-maimbo i Gasikara, afaka taona vitsy monja

Ho fito arivo any angamba, ny kilaon'ny vidim-bary

Ary ny iray €uro, ho lasa enina arivo ariary.

 

Vinavina koa ny ahy, fa hitombo ny isan'ny mpangataka

Be no tsy hahazaka adim-piainana, hanampy ny mpatory an-tatatra

Hanara-penitra kokoa, 'lay fahantrana hoentinao

Amin'izay fotoana izay, hovoaporofo 'lay teninao.

 

Hitako eto ihany koa, ho potipotika ireo làlana

Fa tandrametaka avokoa, raha izay fanamboarana

Toy izany ihany koa, ireo "tatezana" vao vita

Vao andalovan'ny tadio, dia hanjavona tsy hita.

 

Fa ny tena azo antoka, ary tena hanara-penitra

Dia ianareo mpitondra ao, ho matavitavy endrika

Tsy telo baoritra na roa valizy, ny kopaka hiaraha-manao

Fa an-kaontenera mihitsy angamba, no hifamezivezy ao.

 

"Bon anniversaire" ry fahantrana !

Mifalia 'nareo ambonin'ny lalàna !

*** fanasina7 *** 052501180610

 

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/2028728617145173

 

FETÂRD

Isan’andro fety foana

No andaniana fotoana

Nefa ny vita manoloana

Tsisy fa dia babangoana

 

Natao ny lalam-baovao

Zara raha nampiasaina

Rava izao ilay godorao

Lavaka tsy tambo isaina

 

Mba ho fankalazàna izany

Dia ny fanakatonana

Ilay orin’asa any ho any

Avy eo mitohy ny lanonana

 

Ressort efa ho efa taona

Nitroatra teny foana foana

Ny niafarany dia tapaka

Lasa fangadian-tatatra

 

Mananasy efa ho lo

Tehirizina ela be

Dia hasiso be tokoa

Efa efa taona anie e!

 

Tsy aleo ve mba manaja tena

Raha tsy hampandroso firenena

Tsy ny fananganam-pahavalo

No hahafoana ny dahalo

mampamangy any amin-dRavalo

VEVETNO 25/01/2018

 

 

https://www.facebook.com/permalink.php?story_fbid=210309742874483&id=191475244757933

 

Baritafika - Ny tononkaloko

18 Janvier, 11:29 ·

Ontsa anao ny foko ry Tanindrazako lalaiko

 

Tsotra loatra ianao ka itsahin’ny adala

Ireo tarainanao tsy mba misy mpahalala

Nefa tiako anie izany Gasikara izany

Raha anjakan’ny korana sy filamina hatrany

 

I Madagasikara ho an’ny Malagasy

Hoy ireo taloha raha nikiry sy nihafy

Hananan’ny taranaka lova tsara indrindra

Hiaina am-pifaliana, tony ary koa mirindra

 

Malahelo loatra aho mitazana anao

Mahita ireo mianjady, disadisa lava izao

Navalona tanteraka raha ny hoe firaisankina

Misarasara-bazana, milona anaty fandrafiana

 

Ny anio ho vita ihany, mitety ireo tontolo eny

Fa ny taranaka handimby, hanao ahoana izy ireny?

Moa hisy ny mpiahy, hitarika sy hanoro lalana

Sa hiritarita anaty tevan-pivalanana?

 

Anjakan ny efa voky, tsy ahazaka tena intsony

Tamana dia tamana rehefa tojo eny ambony

Modely moa ireny? Aoka etsy tsy hifamitaka

Mpandalo fotsiny ihany, tsy tompony fa mpindrana

 

Ry Malagasy namana, mankahery anao aho

Manoloana ireo mitranga iainanao izao

Firenena iombonana io ka tsy atsipy sy ariana

Ndao hiara-hientana hampody indray ny FIFALIANA

 

Baritafika (boky : Iny Lehilahy Iny - Baritafika)

 https://www.facebook.com/baritafika/posts/394394990984479


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité