logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafa

“Tanora vanona sy mandray andraikitra no tanjona” hoy Atoa Minisitra Jean Anicet Andriamosarisoa

Ibalita il y a 1 année

Jean Anicet Andriamosarisoa, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), no vahinin’ny www.lakroa.mg ary zaraina amintsika eto izany. Tafatafa nandritra ny ora iray no fintinina tahaka izao.

“Tanora vanona sy mandray andraikitra no tanjona” hoy Atoa Minisitra Jean Anicet Andriamosarisoa

Nivalona ny taona 2017. Mbola tsy nanao ny tatitry ny asa vitan’ny MJS  ianao Atoa Minisitra. Rahoviana no ho tontosaina izany ?

Marina izany fa ho tontosaiko amin’ny 2 febroary izao ny tatitra. Mandritra ny fotoan’ny fambolen-kazo no hanaovana izany. Ny fitsitsiana no miteraka io fomba fiasa vaovao io. Ny olana dia tsy afaka manolotra ny mari-boninahitra ny Minisitera amin’io fotoana io. Kanefa dia ambarako fa amin’ny taona 2018 dia hanolotra mari-pankasitrahana manokana ho an’ireo atleta tranainy mendrika ny Minisitera  

Vaovao lehibe izany. Rahoviana no hanaovana izany ?

Eo ampandaminana ny fandaharam-potoana ny Minisitera ankehitriny. Mendrika hahazo izany ireo atleta ary hahazo ny anjara tandrify azy koa ireo mpiasan’ny Minisitera.

Raha ny mikasika ny spaoro dia mila ho takon’ny olana toa gidragidra eo amin’ny resaka fifidianana ny tontolon’ny spaoro…

Raha sitrakao hiverenako io rehefa amin’ny farany fa aleo ny tontolon’ny tanora no hanombohako ny resaka. Maro ny zava-nisongadina ho an’ny tanora. Tanisaiko ny santionany :

- Ny volana marsa 2017 no nampahafantarina ny Politika nasionaly ho an’ny Tanora (PNJ). Zava-dehibe io. Ity taona taona ity no manomboka ny tetika fampiharana (plan d’action).

- Raha mikasika ny Confejes indray dia tsara ny vokatra satria 100% ny vokatra azon’ny tanora tetikasa 10 no napetraka aty samy nahazo famatsiana avokoa

- Tafapetraka ny Filankevitra nasionalin’ny tanora (Conseil National de la Jeunesse)

- Tontosa ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora natao tany Fianarantsoa. Azo alain-tahaka iny hetsika iny satria maro ireo fiofanana nomena ny tanora tany (momba ny serasera, fahasalaman’ny tanora, kolontsain’ny fandraharahana, mikasika ny asa, fandrafetana tetikasa…). Soritako fa tahaka izay koa no tokony ho natao ho an’ny tanora vehivavy tany Morondava izay voatery nofoanana noho ny resaka pesta.

- Misy ny fanabeazana ny tanora mba tsy ho tratry ny vohoka aloha loatra, ny fanentanana tsy hiroso amin’ny fanambadiana aloha loatra izay iantsorohan’ireo tanora Jeunes Ambassadeurs.

- Misy ireo tetikasa toy ny fanabeazan-tsahala na antsoina hoe “tanora manetsika tanora” (Jeunes Paires Educateurs).

- Ny hahatonga ny tanora ho olom-pirenena vanona sy mandray andraikitra no tanjona ka nisy ny fanaovan-tsonia niaraka amin’ny CENI fifanarahana entina hampandraisana andraikitra ireo tanora Malagasy amin’ny zotram-pifidianana. Marihiko fa amin’izao fiandohan’ny taona 2018 izao dia miezaka ny MJS handresy lahatra ny PNUD hanatevina io fifanarahana io. Ho hita eo ny tohiny.

Ankoatran’ny herin’ny Fanjakana malagasy dia maro ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanohana nafahana nanao ireo asa ireo ka ohatra amin’izany ny UNFPA, PNUD, UNICEF, BIT… sy ny maro hafa.

Raha itodihana kosa ny momba ny fanatanjahantena ? Inona ny vokatra ?

Raha ny vokatra no jerena dia tsy azo ampitahaina amin’ny 2016 ny vokatra 2017 satria ny 2016 dia nisy ny CJSOI natao teto Madagasikara izay nahazoantsika vokatra tsara. Fa tsy mitsanga-menatra isika Malagasy raha mijery ny vokatra azon’ireo atleta tamin’iny taona 2017 iny. Nahazo tompondaka eran-tany ny junior taranja tsipy kanetibe, tompon-daka lefitra maneran-tany ny vehivavy. Nahazo anaram-boninahitra isika teto Afrika (jeux d’echec, fiba 3x3). Nahazo vokatra tsara isika tao Afrika teo amin’ny taranja tenisy, ady totohondry, rugby olona 7, fibatana fonjamby… Maro ny vokatra raha ny teto anivon’ny Ranomasimbe Indianina. Ireo tanora ireo dia noraisin’ny filohan’ny Repoblika ny faran’ny volana desambra 2017 teo ary nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Manao ahoana indray ny fanofanana an’ireo atleta Malagasy ?

Ny Minisitera dia manofana ireo mpiasa ato aminy. Miezaka manome fiofanana ho an’ny mpanabe amperinasa.

Manaraka izany anjaran’ny federasionina tsirairay ny manofana an’ireo atleta sy mpanabe mba hahazo vokatra tsara. Midera manokana ireo mpiandraikitra klioba ny tenako. Fantatro fa volabe no lanin’izy ireny ary matetika tsisy tamberiny ara-bola fa hasambarana mitaiza tanora no azo.  Ny anjaran’ny Minisitera dia manamora ny fivoahana sy mikolokolo ny fifandraisana amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Raha mikasika ny fiofanana dia vao teo ny Minisitera no nandray ireo judoka hiofana any Japana. Misy koa ireo atleta 90 handeha any Chine ka coach 10 ary atleta avy amina taranja 5 (ping pong, atletisma, lomano, badminton, fonjamby) izany hoe taranja manavanana ny sinoa no hisitraka izany. Efa hita soritra any koa ny anaran’ireo karateka ho an’ny Japana ihany koa… fa aleo ho avy ny fotoana hilazana izany amin’ny fomba ofisialy.

Marihina fa tsy hoe fitiavana te handefa atleta any ivelany no tanjona fa ireo atleta tohan’ny MJS dia mazava be ny tanjona (handray anjara mavitrika amin’ny Championnat d’Afrique 2018, manomana ny lalaon’ny Nosy, mikendry ny ho voafantina handray anjara amin’ny Lalao olimpika (qualification).

Mandefa atleta hiofana aman-taonany any ivelany isika ary ahoana indray ny momba ny fampifandraisana ny fianarana sy ny spaoro eto Madagasikara ?

Mitohy tokoa ny projet io. Matoa tsy nisy resabe angazety dia mizotra tsara ny asa. Amin’ny 4 febroary izao no rentrée officielle ho an’ireo tanora sady manao spaoro no mianatra ka ireo atleta taranja olon-tokana aloha no miditra ireo. Ny taranja iombonana ao aoriana kely.

Ny spaoro dia mila fotodrafitrasa. Ahoana kosa ny amin’io ?

Tena marina izany. Betsaka ireo fotodrafitrasa naorina tamin’iny taona iny. Misy ny vaovao, ao ireo teo aloha no nohatsaraina tanteraka. Mahajanga sady nahazo dobo filomanosana, Toliara hisy dobo filomanosana… Misy vita avy amin’ny alalan’ny Tetikasan’ny filoham-pirenena ary misy notontosain’ny MJS manokana. Manentana an’ireo mampiasa ireny fotodrafitrasa ireny hikajy azy. Izany indrindra aza no tsy nanomezana ny Kianja mitafo ao ankorondrano jo an’ny CENI satria tena simba loatra ny fotodrafitrasa taorian’izany.

Teny famaranana ny resaka Atoa Minisitra ?

Araka ny resaka natao teny ampiandohana dia hiverenako kely ilay momba ny fifidianana voalaza fa manaratsy endrika ny spaoro malagasy. Marina izany. Amin’izao fotoana izao dia andalam-pamolavolana ny lalana sy rijan-teny ny eto anivon’ny Minisitera miaraka amin’ireo mouvement sportif. Ny hisorohana ny disadisa no antony fa matetika dia noho ny tsy fanajana ny lalàna, na tsy fahafantarana na noho ny lalàna manjavozavo no miteraka ny olana. Tsy ho voavaly tsirairay eto ny momba ireo olana notanisainao ireo. Fa hafatra amin’ny ankapobeny no ampitaiko. Marihiko fa maro ny fifidianana hatrehina amin’ity taona ity misy 19 ireo taranja ireo. Koa hafatra ny ahy ny hoe hajao ny lalàna velona, hampanjakao ny toe-tsaina spaoro (esprit sportif) ary aza manaiky ho voarebireby sy anjakan’ny mpilalao politika ny tontolon’ny fanatanjahantena. Dia misaotra anareo nanasa.

Misaotra anao Andriamatoa Minisitra.



Nanangona : Ibalita sy Razafindramanitra


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 29 Jan. 2019 - 07:10-

    Bilan provisoire global en date du 28 Janvier 2019 à 20h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement, d’une maison suite à l’inondation) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 8 466 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 8 212 à cause de l’inondation) ; • 1 934 Déplacés actuels (450 dues au glissement de terrain et 1 484 à cause de l’inondation) ; • 2 304 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 786 à cause de l’inondation) ; • 1 603 Cases d’habitation inondées ; • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation.

  • 28 Jan. 2019 - 07:43-

    Bilan provisoire global en date du 27 janvier 2019 à 19h. Voici le bilan après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» qui fait état de :
    • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation) ;
    • 1 Disparu (emportée par l’eau) ;
    • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ;
    • 8 031 Sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 7 830 à cause de l’inondation) ;
    • 1 236 Déplacés actuels (134 dues au glissement de terrain et 1 102 à cause de l’inondation) ;
    • 1 605 Déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 1 404 à cause de l’inondation) ;
    • 1 603 Cases d’habitation inondées ;
    • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). (Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 25 Jan. 2019 - 11:26-

    Nominations lors du Premier Conseil des ministres. Ce jeudi 24 janvier, après la nomination du nouveau gouvernement, le Président Rajoelina, a présidé le premier conseil des ministres au Palais d’Etat d’Iavoloha.
    Décret abrogeant le décret n°2016-140 du 02 mars 2016 et portant nomination de Madame ANDRIAMBALO Lala Ratompoalizo, Directeur du Protocole d’Etat auprès de la Présidence;
    Décret portant nomination de Ramaholimasy Holder, Directeur Général de la Présidence en charge des Affaires Politiques;
    Décret portant nomination de Andriamanananoro Augustin, Directeur Général de la Présidence en charge des Projets;
    Décret portant nomination de Sahondrarimalalala Marie Michelle, Directeur des Etudes Juridiques de la Présidence;
    Décret portant nomination de Raharinosy Jimmy, Directeur des Systèmes d'Information.
    Lalatiana Raktotondrazafy est le porte-parole du gouvernement

  • 24 Jan. 2019 - 07:49-

    Bulletin flash du 23 janvier. Bilan provisoire global en date du 23 Janvier 2019 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation. Le bilan provisoire global fait état de : 16 décédés (15 à cause du glissement de terrain et 1 mort par noyade) ; 4 disparus (3 à cause du glissement de terrain et 1 emportée par l’eau) ; 3 rescapés (suite au glissement de terrain) ; 5 763 sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 5 562 à cause de l’inondation) ; 503 déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 302 à cause de l’inondation) ; 1 588 cases d’habitation inondées ; 31 cases détruites (7 dues au glissement et 24 dues à l’inondation).

  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

Du même auteur

education
societe

Dans la même rubrique

sport
sport
Publicité