logo
Lakroan'i Madagasikara
8 marsa

Ny vehivavy

Ratalata Jn Bà il y a 11 mois

8 mars. Fetiny androany 8 marsa. Efa samy mahafantatra an’io daty io avokoa ny rehetra. 8 mars fetin’ny vehivavy. Indro tonokalo vitsivitsy no natao solon’ny fehezam-boninkazo. Soava iaby anareo viavy e.

Ny vehivavy

Fa iza no antsoina hoe vehivavy ? 

Ireo efa miasa ihany ve ? Izy ireo no mahazo alalana tsy hiasa. 

Tsy vehivavy ve ny mpianatra ? Indreo izy rehetra fa hita eny antsekoly na garabola na anjerimanontolo.

 

Ny vehivavy ?

 

Ny vehivavy?

Mety ho mora tohina, marivo ranomaso,

raha mitia indray, mazana mora babo;

fa manana herimpo, tsy hita noanoa,

mitsiky anaty memy, tsy mamoifo!

Mety ho saro-kenatra, mora boramena,

manaikinaiky foana, manam-pahalemena;

nefa manan-kevitra, mafonja, tsara tombina

tsy laitran-drebireby, tsy mora ahodinkodina!

 

Ny vehivavy?

Mety ho mahay vava sy tia mitakoritsika,

na koa mahitsy teny, tsy tia bilobiloka;

fa mahafoy tena amin'ny fanaovan-tsoa,

satria raha zohina: dia olo-mora fo!

Mety ho jejojejo, mikarakara vatana,

ity famindra iky, manaitra ny mpitazana;

manaingo ny lalovany, ny manodidina azy,

soa tokoa rey olona fa nisy vehivavy a!

Na iza ianao mahery, na iza koa nofosana,

mbola vehivavy no kitapo nifonosana!

Izy tsy mitaky: dera, voninahitra,

fa mendri-kaja kosa ny andriambavilanitra!

Nitiah Nosy

03/03/18

 

 

Femme

 

Femme,

toi qui nous as portés !

Toi qui nous as mis au monde !

Toi qui nous as bercés :

le baume de ce monde immonde

 

Femme,

toi qui as pu avaler,

les irrespects, les injures

mais sans trêve as dévoilé,

ta sagesse à l’état pur !

 

Femme,

toi qui as été exclue,

objet de toutes maltraitances !

Toi qui t’es tant battue

pour sortir des serres intenses

C’est toi qui détiens la flamme,

pour éclaircir les âmes obscures !

Toi, la fleur qui ne se fane,

la douceur dans ce monde dur !

 

Ô, femme !

De ta beauté,

tu embellis toutes les laideurs,

de ta senteur éparpillée,

inonde ce monde de bonheur !

Nitiah Nosy

07/03/18

https://www.facebook.com/nitiah.nosy

 

Tsy fanaka malemy!

 

'Zaho tsy fanaka malemy,

aoka mihitsy ialahy hitandrina!

Amboamboary ny fiteny,

‘zaho vonona hifanandrina!

Tsy vava fotsiny io lehity a,

manatona raha hitsapa,

ialahy mirehareha ity,

ra’ tsisy ahy miraparapa!

 

'Zaho tsy fanaka malemy,

ampahafantariko an'ialahy!

Hatramin’izay aho tsy niteny,

fa tsy mandà ny hifampitaha!

Tsy sanatria mizahozaho,

fa mila ahitsihitsy kely:

ireo manao ny tsy fanao,

miseho manjakazaka an-kery!

 

Nitiah Nosy

05/03/16

 

Ny vehivavy ? Moa ilay reny ihany ve ? Toa manompa an’ireo momba raha izany… Iza ilay vehivavy ?

 

 

Tsy miandry mazava

dia efa miarina

mandrehitra afo,

hanokonan-tsakafo.

Avy eo

vonjena avokoa

na pirin-trano,

na fiantsenana,

Manginy fotsiny

ny fieritreretana ny ho laoka isan andro :

patsa sy ovy ?

sa voanjobory ?

hay vao omaly no tsaramaso

aleo hena baolina sy ro matsatso.

...

 

Avy eo mahandro.

Efa miandry

ny sasa lamba,

vilany, vilia

ao an-dakozia.

Ny vady sy zaza

samy karakaraina

mba ho olom-banona ireo sombin'ny aina.

Ny fitsinjarana

ny jiro sy rano

ny saribao, hofantrano.

Atao maty kajy

sao idiran'angano.

Ny adidy aman-kavana

Tsy azo ijerena na havan ny lahy

na havan ny vavy,

manaraka eny

ny mpiara monina,

fivoriam-pokontany

sy any an-tsekoly.

Raha misy marary

ny ankohonana

aleony izy mosary

toy izay ireo no mijaly.

Izay ilay vehivavy

Miasa am-pitiavana !

 

Ikaloyna Vony

https://www.facebook.com/ikaloyna.vony

 

Vehivavy ambanivolo

Vehivavy ambanivolo:
Mihoson-jezika maloto.
Ny asa efany daholo,
vehivavy “mafy toto”!
Rehefa tsy mamahan-kisoa,
dia miava tanimbary;
mitao-mololo an-doloha,
vehivavy tena mihary!
Mbetika mitana angady,
ka mahatorak’ herin-dahy.
Be herim-po ka tsy mitamby,
tsy menatra hifampitaha!
Na marobe sy zavontany,
ny lahasa nosahaniny;
tsy mba latsa-danja izany
ny fikoloany ny akaniny!
Tsy nandà ny katsa-maina,
tsy nifidy tany iadiana;
ASA ilana vovok'aina,
fa nataony am-pitsikiana!

Nitiah Nosy
01/04/15

 

 

Ny vehivavy

 

Bantina lava amin'ny hoe:

"Fanaka malemy"

Dia...tsy afa-manambara

sy tsy afaka miteny,

indrindra mitantara

ny zavatra tsy ekeny.

 

Lazaina sy ambara

Fa, haingon-tokantrano

Mpikarakara zanaka,

Olo-miadan-tsaina

sy tsy mba mety lanaka.

Tsy tokony hitaraina!

 

Kanefa raha dinihina

amin'ny saina tsy miangatra

"Mafy ny vehivavy e !"

Vitsy ny hoe sambatra

sy miadana fanahy...

 

Maro ny vehivavy

no miasa sy misasatra

ho an'ny tokantranony.

Mizaha ny tongalafatra

ho an'ireo naterany...

Mahafehy ny hatezerany.

 

Tsy vitsy ny vehivavy

no misetra ady mafy,

Hatao tsinontsinona

sy sasatra mihafy.

Maro ireo mjaly

amin'ny vady mampirafy.

 

Fehiny dia tsotra,

Raha Izao Tontolo Izao

no tsy nahitàna hoe vehivavy,

Dia zava_poana ihany...

Tsy hary teto koa:

Na izaho, na ianao!

 

FahNamby

26/02/17

http://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/ny-vehivavy

Andro iray ve dia ampy ? Jereo anefa ireo lehilahy mandavan-taona dia fety lava. Tazana ny bar fa eo izy ireo vao maraina tsy antoandro tsy alina fa eny foana… Andro iray ve dia mba ho ampy… fanombohanan ihany fanombohana efa antaonany zary fahazarana tsy manova zavatra.

 

Tsy tokony ho isan-taona

 

Tokony ho isan'andro, ny andron'ny vehivavy
Tokony ho isan'andro mihitsy e, ny ahatsiarovana azy
Fa mafy tena mafy, ny zioga izay babeny
Indrindra ireo vehivavy, efa niteraka ho reny.

 

Raha marary ny ankizy, dia izy no mikely aina
Raha marary i ramose, dia jereo izy fa miasa saina
Fa raha izy no marary, izy tsy afa-matory izany an
Tsy maintsy mitsangana izy, mampihodina ny akany.

 

Ny laoka isan'andro, dia ampiasany loha
'Zay tinafin'ny ao an-trano, dia saininy ihany koa
Na i dada na ny ankizy, no injao tara fodiana
Dia tsy mahita tory izy, mitebiteby eo am-pandriana.

 

Ny fahatsiarovana azy, dia tsy tokony ho isan-taona
Satria ny fitiavany antsika, tsy voafetran'ny fotoana.

 

*** fanasina7 *** 040803180353

(mpanoratsora-poana)

 

https://www.facebook.com/fanasina7

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

  • 29 Dec. 2018 - 13:12-

    Délai des requêtes. En application du système de délai franc mis en œuvre lors du premier tour de l’élection présidentielle, le dernier jour de dépôt des requêtes tombant normalement un samedi (voir communiqué du 28 décembre 2018, in infra), la date limite de dépôt est reportée au premier jour ouvrable suivant, c’est-à-dire le lundi 31décembre 2018 à 16 heures. La proclamation officielle des résultats provisoires du second tour de l’élection présidentielle ayant eu lieu le jeudi 27 décembre 2018, la date limite de réception des requêtes auprès du greffe de la Haute Cour Constitutionnelle est fixée au samedi 29 décembre 2018 à minuit.

  • 29 Dec. 2018 - 13:02-

    Mamory vahoaka. Tsy manaiky ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI ny mpomba ny kandida laharana faha 25, Marc Ravalomanana. Mamory vahoaka eo amin’ny “kianjan’ny 13 mai” izy ireo ny sabotsy 29 desambra. Milaza ny ampiseho ireo porofo mitarika azy ireo tsy hanaiky iny voka-pifidianana iny, porofo izay ho azy ireo milaza fa nisy hala-bato tany rehetra tany. Hala-bato amin’ny endrika isan-karazany ka nahatonga ny fandresen’ny kandida lahanara faha 13 Andry Nirina Rajoelina.

  • 29 Dec. 2018 - 13:01-

    Vokatra navoakan’ny CENI ny alakamisy 27 desambra. Tamin’ireo mpifidy miisa 9 913 599  voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, 4 767 697 (48, 09%) no tonga naneho ny safidiny. Ny isan’ny vato manankery tamin’izany dia nahatratra, 4 648 086, ny vato maty tamin’izany, 78 465 ary ny vato fotsy 41 146. Mitsinjara toy izao ny vato azon’ireo kandidà mpifanina tamin’izany fifidianana izany : ny an’ny kandidà laharana faha 13, RAJOELINA Andry Nirina, 2 587 035 manome isan-jato 55,66% ary ny an’ny kandidà laharana faha 25, RAVALOMANANA Marc, 2 061 051 manome ny salan’isa 44,34%.

  • 24 Dec. 2018 - 12:15-

    Joyeux Noël ...
    Lorsque décembre frappe à la porte
    Dame pluie arrose la terre qui se couvre de beauté…
    Plus Noël approche plus la douceur s’installe
    Les guirlandes illuminent nos sapins de noël,
    Et sur tous les visages, la joie et les sourires.
    Noël arrive, quel grand bonheur !
    A cette occasion, www.lakroa.mg vous dit : “Joyeux Noël”
    Merry Christmas dia samia ho lavitry ny kirizy mafy !

  • 20 Nov. 2018 - 07:46-

    Communiqué HCC. Suite à la publication officielle des résultats provisoires du premier tour de l’élection présidentielle par la CENI le samedi 17 novembre 2018, s’appliquent de facto les dispositions suivantes de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République :
    Article 61 :
    La Haute Cour Constitutionnelle procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    Article 66 alinéa 2 :
    Le délai de recours est fixé à deux (2) jours après la publication des résultats provisoires par la Commission Electorale Nationale Indépendante.
    En application du système de délai franc, la réception des requêtes sera clôturée le mardi 20 novembre 2018 à 24h.

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 16 novembre 2018 à 6 heures et 58 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 22 576 sur 24 852 soit : 90,84%. Inscrits : 8 906 101 sur 9 913 599 votants : 4 807 829 suffrages exprimés 4 453 212 soit 92,48%. Taux de participation : 53,98%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 763 347 soit 39,60%

    - RAVALOMANANA Marc : 1 535 795 soit 34,49%

    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery : 390 356 soit 8,77%

    - MAILHOL André Christian Dieu Donné : 56 928 soit 1,28%

    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin : 53 629 soit 1,20%

    - RAFALIMANANA Ny Rado : 52 897 soit 1,19%

  • 16 Nov. 2018 - 07:45-

    Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. Mgr Gustavo Bombin Espino, OSST, actuellement évêque du diocèse de Maintirano (dont il est le premier évêque) a été désigné comme Administrateur apostolique du diocèse de Mahajanga. L’annonce a été faite durant les obsèques de Mgr Roger Victor Solo Rakotondrajao le vendredi 9 novembre à Mahajanga. Pour mémoire, Mgr Gustavo Bombin Espino était évêque de Tsironomandidy entre février 2004 et février 2017 ‘érection du noouveau diocèse de Maintirano). Mgr Gustavo Bombin Espino est né le 24 septembre 1960 à San Llorente (Valadolid en Espagne).

  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

Du même auteur

societe
sport

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité