logo
Lakroan'i Madagasikara
29 marsa 2018

Mbola very anjavony ny nofy

Nanangona i JRR il y a 1 année

29 marsa 2018. Mbola mifamahofaho antsaina hatrany ny tantaran’ny 29 marsa 1947. Zary fisehosehoana ho an’ny sasany ny fanamarihana ny daty sy ny fahatsiarovana ny zava-nitranga. Ny sasany aza moa dia sahy milaza fafankalazana. Eny rariny ny azy raha isan’ny mpamadika izy. Fa hoy kosa ireo Poety notsongaina…

Mbola very anjavony ny nofy

Tolom-panafahana a?

Ekena marindrano fa tena nisy tolona,
malagasy maro, indrisy zary sorona!
F'ilay nitolomany navadiky ny sasany,
ankosotra, tsy izy, tena sarintsariny!

 

Fahafahana a? Aiza nefa izany e?
Geja, fahantrana, no hita sesilany!
Tsindry hazo lena, tsy lazaina intsony,
"ny fiandrianany" aza, namidin-drilerony!
………
Tsy nahoan'ialahy ny ra nipatrapatraka,
ny vola no niteny, niofo ho mpanjanaka!
Namoritra vahoaka, nandroba ny hareny,
tsy hafa nefa ialahy fa gasy ray sy reny!

 

Raha nahay nanangatra ireo mahery fo,
tsy sahy angamba ialahy, nanao kitoatoa!
Tadidio anefa: ny atao io mitampody,
mba gasy ihany ialahy, dia tsy mataho-tody!

Nitiah Nosy
26/03/17

https://www.facebook.com/nitiah.nosy/posts/1767783439950379

 

 

 

FAHATSIAROVANA 29 MARSA 1947

29 marsa, andro iray ahatsiarovana ;
An’ireo Malagasy maro nahatsiaro tena.
Niady mba ahazo ny fahaleovantena ;
Nijaly, namoy ny ainy, ary fadiranovana.


29 marsa, namoretana an’ireo Malagasy ;
Nanerena azy tsy haneho ny ao am-pony.
Mbola izay ihany izao, ka be ny lonilony.
Ka aleo mangina, sao mahazo vody basy.


29 marsa, tokony ahatsiarovan-tena ;
Ka tsy tokony iadiana sy ifandroritana.
Fa hiraisana hina sy hanoritsoritana,
Izay hatao hampandrosoana ity Firenena.


29 marsa, andro iray manana tantara ;
Tsy fanadino, na anio na mandrakizay.
Ahatsiarovana ny mahery fo hatrizay ;
Maro izy ireo, ary be koa no azo ambara.


29 marsa, eny, hijanona ho tantara ihany.
Mety tsy hotadidy, na hotsaroana aza ;
Na lasa fitaovana ho an’ireo izay te-halaza.
Izay no mahalasa saina ary koa ny vinany.


29 marsa, hanombohana ny firaisankina ;
Hampitsaharana koa ny adilahy politika.
Ka hibahana ny ara-tsosialy sy ekonomika.
Ary izay rehetra hatao manaraka ny vina.


29 marsa, hiandohan’ny tena fahaleovantena.
Tsy hiankin-doha intsony amin’ny mpanjanaka.
Ka hiaina finaritra miaraka amin’ireo taranaka.
Ho tapitra tsy hisy intsony koa ny fitiavan-tena.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Mars 2017

http://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/29-marsa-1947-

 

29 MARS 1947

Nafatratra toa charbon,
Tao anatin’ny wagon,
Avy eo narefotra ny basy,
Firifiry re no maty?


Tifitifitra tsy ankiato,
No indrao nanakoako,
Tao no niantso hoe: vonjeo!
Tsisy nihaino izany feo.


Fa ry vazaha sy sonegaly,
Vonona ny hampijaly,
Ny rà nandriaka tsy nohenoiny,
Efa vato re ny fony.


Amanaliny no lavo,
Tao anatin’ny iray andro,
Nanao sorona ny tena,
Niady ny fahaleovantena.


Ireo havan’izy ireny,
Gina tsy nahaloa teny,
Fa ny fo no nitomany,
Ny ao anaty no naharary.


Taona maro aty aoriana,
Ny tantara tsy mangina,
Ilay tolona fahiny,
Tsy voafafa ankehitriny.

TAHIRIsoa Just’1  (22/03/2016)

http://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/29-mars-1947

 

 

 

TOLONA...

Tra ta ta ta ta...!!!
Rotika ny nofon'ireo mahery fo

Potika sy levona ny vatana malia...

Ny rà niraradraraka, nandriaka ihany koa...

Maro ireo nianjera, be ny nikodia!

 

Tra ta ta ta ta...!!!
Nanako dia nanako ny feon'ny "kalaky"

Tambadiky ny avoana sy tendrombohita avo...

Natao fitifi-borona ny Gasy mba nitaky...

Nikatsam-pahafahana kanefa indrsy, lavo!

 

Tra ta ta ta ta...!!!
Hoy ny basy nifandrimbona nanala ny ain'ny Gasy

Nanala ny ain'ny Gasy ! Gasy tia ny Taniny...

Nisotro ny mangidy, niharitra ny mafy...

Ho fitakiana soa, ho an'ny Tany maminy!

 

FahNamby
in, TSANTA 27 martsa 2018

https://www.facebook.com/permalink.php?story_fbid=1772913186350373&id=100008951254969


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 24 Jun. 2019 - 14:06-

    Un Chinois élu pour la première fois à la tête de la FAO. Le vice-ministre chinois de l'Agriculture, Qu Dongyu, a été élu dimanche 16 juin à la tête de la FAO, Agence des nations unies pour l'agriculture et l'alimentation en obtenant une majorité absolue dès le premier tour de scrutin. M. Qu Dongyu, premier Chinois à accéder à cette fonction, a obtenu 108 voix, la candidate française Catherine Geslain-Lanéelle, 71 voix et le candidat géorgien Davit Kirvalidze, 12 voix, selon le décompte annoncé après le premier tour de scrutin.

  • 23 Jun. 2019 - 07:30-

    Coupe d'Afrique des Nations. Les Barea ont arraché le nul face au Syli national dans le cadre de la première journée de la CAN 2019 pour le groupe B. La Guinée a dominé la première période mais les hommes de Nicolas Dupuis ont vite pris le dessus grâce au but de Anicet (48’) et Carolus (55’). Les Barea affronteront le Burundi pour la deuxième journée.

  • 22 Jun. 2019 - 09:00-

    CAN 2019. La VAR sera utilisée à partir des quarts de finale de la Coupe d'Afrique des Nations. Le président de la CAF, Ahmad Ahmad, l’a annoncé la veille de l’ouverture de la compétition continentale. « Au début, c'était prévu pour les demi-finales, mais nous avons exigé qu'il fallait aller un peu plus en avant. Le comité exécutif a décidé pour les quarts de finale, pour que ce soit une réussite », a-t-il déclaré.

  • 20 Jun. 2019 - 11:30-

    5G. Depuis le début de cette année, de nombreux fabricants de téléphones ont dévoilé leurs prochains téléphones 5G. Le résumé, de ce que les principaux fabricants de téléphones prévoient, est dans l'article https://www.lakroa.mg/item-1739_articles_newtech_18-diverses-marques-compatibles-avec-le-raseau-5g.html 

  • 20 Jun. 2019 - 10:30-

    Ambassade de France. L’ambassadeur de France à Madagascar, Véronique VOULAND-ANEINI, a donné une conférence de presse, le mercredi 19 juin à Ambatomena. Elle a fait le bilan, plutôt positif, de ses quatre années à la tête de la mission diplomatique française à Madagascar.  

  • 20 Jun. 2019 - 07:05-

    Vidin-tsolika. Hidina ny vidin’ny solika avy amin’ny fihaonan’ny filoha Andry Rajoelina sy ireo mpandraharahan'ny solika. Hihena 500 ariary ny vidin’ny pétrole, ny gasoil dia hihena 150 ariary ary ny lasantsy dia hihena 100 ariary. Tanjona tamin’izany ny mba hampihena ny vidim-piainana eo anivon’ny tokantrano malagasy. Hihena arak’izany ny saran’ny fitaterana solika alain’ireo mpandraharaha ireo.

  • 19 Jun. 2019 - 14:30-

    FIJEV. La Forum International des Jeunesses et Emploi Vert (FIJEV) se déroule au CCI Ivato et prendra fin le samedi 22 juin 2019. Cette édition régionale réunit 250 participants parmi lesquels 200 jeunes- entrepreneurs issus du Comores, Djibouti, Seychelles, île de la Réunion, Mayotte, Maurice, Mozambique et Madagascar avec les experts et représentants des institutions nationales et internationales. Différents ateliers pratiques et des foires pour les emplois verts sont au programme pour ce forum.

  • 19 Jun. 2019 - 12:10-

    Lalàna mifehy ny serasera. Manomboka any Mahajanga ny fihaonana fakan-kevitra isa-paritra ho fanavaozana ny lalàna mifehy ny serasera izay tarihan’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Tanjona amin’izany ny fanolorana tolo-dalàna vaovao eo anivon’ny Antenimiera.  

  • 19 Jun. 2019 - 11:00-

    Retrouvez lakroa.mg sur Facebook en cliquant sur le lien : https://www.facebook.com/lakroamg/

  • 19 Jun. 2019 - 09:00-

    CAN 2019. Finalement, la CAN 2019 se jouera avec 24 équipes. En effet, le Mali était incertain pour cette édition après l’ultimatum de la FIFA par rapport au retard du nouveau statut de la fédération malienne de foot (Femafoot). Le comité de normalisation de la Femafoot à voter de nouveaux statuts conformément aux exigences de la FIFA. Cette dernière devra valider le processus avec la CAF.  Pendant ce temps, la participation du Mali à la compétition continentale est assurée.

  • 19 Jun. 2019 - 07:21-

    Mpisoloky tratra. Nohon’ny fisolokiana volan’olona, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-6 ny vehivavy roa ary lehilahy iray. Tratra teo ampanatanterahana ny asany ilay lehilahy. Saika haka vola mitentina 40 millions ariary miaraka amin’ny taratasy hosoka tany amin’ny banky no nahatratrarana azy. Nanoro avy hatrany ny misy ireo vehivavy roa namany ity lehilahy ity.

  • 18 Jun. 2019 - 15:24-

    En garde à vue. L'ancien président de l'UEFA Michel Platini est placé en garde à vue sur une affaire de corruption relative à l'attribution de la Coupe du monde 2022 au Qatar. Platini est questionné pour « faits de corruption active ou passive de personnes n'exerçant pas une fonction publique ». La FIFA affirme être au courant des informations concernant Platini mais ne dispose pas des détails de l'enquête en cours.

  • 18 Jun. 2019 - 08:12-

    Prix du carburant. Répondant à la question concernant la hausse du prix du carburant, le Président Andry Rajoelina a vivement affirmé qu’il ne fléchira pas devant le lobby des pétroliers et que sa priorité reste l’intérêt du peuple malagasy. En ce moment, une rencontre se déroule entre le Chef d’État et les opérateurs pétroliers afin de discuter de la baisse du coût du carburant ainsi que celui des groupes utilisés par la Jirama.

  • 24 May. 2019 - 07:48-

    18 sisa ny isan’ny senatera. Raha 63 ny isan’ny senatera teo aloha dia lasa 18 sisa izany. Ny fanovana dia noraisina nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra natao tany Antsiranana ny 22 mey 2019 teo. Mitsinjara toa izao izany isa izany : ny roa ampahatelony fidiana mitovy isa, isaky ny faritany avy izany hoe 12 voafidy ka loholona roa isaky ny faritany (teo aloha). Ary ny 6 tendren’ny Filoham-pirenena avy amin’ireo vondron-kery maro an’isa indrindra amin’ny lafiny toekarena sosialy sy kolontsaina na noho ny fahaizany manokana.

  • 21 May. 2019 - 08:25-

    Drapeau à damier pour Lauda. Le triple champion du monde de F1 et président non exécutif de l'écurie Mercedes, dont l'état de santé inquiétait depuis une transplantation pulmonaire l'an dernier, est décédé à l'âge de 70 ans. Sa famille l'a annoncé dans un texte diffusé aux médias : «C'est avec une grande tristesse que nous vous annonçons que notre cher Niki s'est éteint paisiblement, entouré de ses proches, ce lund 20 mai. » L'état de santé de celui qui était devenu président non exécutif de l'écurie Mercedes en 2012 s'était dégradé à l'été 2018.

  • 03 May. 2019 - 07:39-

    2019, des médias sous influence. La précarité des journalistes et des médias malgaches les rend particulièrement vulnérables à l’influence des hommes d'affaires et des responsables politiques qui possèdent de nombreux organes de presse. L’élection présidentielle remportée fin 2018 par l’ex-leader de la transition Andry Rajoelina a confirmé la très forte politisation des médias locaux et notamment de la presse écrite. La quasi-totalité des titres ayant pris parti pour l’un ou l’autre des principaux candidats, l’accès à une information neutre et indépendante a été fortement limité. Le ministère des Affaires étrangères a directement écrit à l’ambassade d’Allemagne pour empêcher la publication d’un sondage dans un magazine d’information financé par une fondation allemande. Sur le plan légal, le Code de la communication adopté en 2016 fait référence. Au classement mondial de la liberté de la presse 2019 de RSF, Madagascar se trouve à la 54 place, classement depuis 2013.

  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 06 Mar. 2019 - 07:23-

    Carême 2019. Le temps de Carême 2019 commence ce jour, Mercredi des cendres. Pour nous accompagner dans ce temps fort de notre foi voici deux liens :

    Message intégrale du Pape pour ce Carême 2019

    https://www.lakroa.mg/item-1640_articles_une_18-ala-craation-attend-avec-impatience-la-ravalation-des-fils-de-dieua-rm-819.html  

    Et une analyse succincte de ce message

    https://www.lakroa.mg/item-1641_articles_religion_18-se-convertir-pour-auvrer-a-la-rademption-de-la-craation.html


  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

Du même auteur

sport
actualites

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité