logo
Lakroan'i Madagasikara
CNaPS

Nijery ifotony ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa tsy miankina tany Ambatondrazaka

Rabodoson Voahangy il y a 1 année

Tsy mikely soroka midina ifotony ny Tahirim-pirenena ho an'ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS midina ifotony mampafahafantatra sy manofana ny olona ny mikasikany fiahiana ara-tsosialy. Mety miaraka amin’ny rafitra hafa ny Tahirim-pirenena manao izany na mandeha irery tahaka ny hita tao Ambatondrazaka farany teo.

Nijery ifotony ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa tsy miankina tany Ambatondrazaka


Samy misitraka avokoa ny fiahiana ara-tsosialy omen’ny Tahirim-pirenena ho an'ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS ny mpiasa rehetra fehezin’ny satan’ny asa sy ny lalàna an-dranomasina. Maro ny zo raisin’izy ireo : fanampiana ny fianakaviana, fandraisana an-tànana ny sara-pitsaboana an’ireo tra-doza teo amperin’asa sy ireo tratry ny aretina vokatry ny asa ary indrindra ny fisotron-dronono. Nambaran’i Yvan Rakotomalala, mpandrindra ny sampan-draharaha CNaPS tany Ambatondrazaka nandritra ny fanofanana nokarakarain’ny CNaPS tao amin’ny foibe Victoire Rasoamanarivo fa “zo fototra maha-olona ny fiahiana ara-tsosialy, ka izany no mahatonga ny CNaPS izay tarihin’ny tale jeneraly Raoul Arizaka Rabekoto tsy mikely soroka midina ifotony any amin’ny faritra mampahafantatra ny zon’ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa”. Naharitra telo andro ny fiofanana natrehin’ireo mpandray anjara miisa 62 sy ireo manam-pahefana tany an-toerana nahitana lehibe ny Faritra Alaotra Mangoro Désiré Ranarisoa sy ny Préfet Ambatondrazaka Daniel Rakotondrasoa.

 

15 andro

Raha vao mampiasa olona ny mpampiasa dia tsy maintsy mampahafantatra avy hatrany ny CNaPS, 15 andro taorian ’ny nisokafan’ny orinasa araka ny voalazan’ny lalàna velona. Ary isaky ny telovolana kosa ny fanaovana fanambarana ny filazan-karama sy ny fanefana ny latsakemboky ny mpiasa. Isan’ny andraikitry ny mpampiasa ireo mba hahatomombana ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa. Ny latsakemboka arotsaka ao amin’ny Tahirim-pirenena mantsy no mivadika fanampiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany. Rehefa mahazo fiahiana ara-tsosialy ny mpiasa dia mifantoka bebe kokoa amin’ny asany, ka vokatr’izay dia mihodina ny orinasa ary mandroso. Ny mpampiasa rahateo dia voaaro satria raha tra-doza ny mpiasany eo am-perinasa ka manao fampilazana amin’ny CNaPS ao anatin’ny 48 ora ny mpampiasa dia raisin’ny CNaPS an-tànana ny fitsaboana ilay mpiasa tra-doza, araka ny fampianarana nomen’i Dokotera Sylvie Rabenjason avy ao amin’ny Tahirim-pirenena. Nampahafantarina ireo tompon’andraikitry ny orinasa tany Ambatondrazaka ihany koa ny fomba fanaovana fifanekena arak’asa sy ireo tranga mety hiseho hahatapaka ny fifanekena arak’asa. Fa manoloana ny zony dia manana andraikitra ihany koa ny mpiasa, ka ankoatry ny fandrotsahana ny latsakemboka dia nampahafantarina nandritra ny fiofanana ireo dingana arahina ao amin’ny CNaPS. Isan’izany ny fanaovana fangatahana fanampiana, efa misy moa ireo taratasy izay fenoina fotsiny eny anivon’ny biraon’ny Tahirim-pirenena manerana ny Nosy satria “ny fanampiana rehetra dia mila angatahina avokoa” araka ny fanazavan’i Rajaonarivo Andriatsimilavo, talen’ny masoivoho CNaPS Ambatondrazaka. Ao ihany koa ireo antontan-taratasy izay tsy maintsy aterin’ny mpiasa ara-potoana any amin’ny CNaPS mba hitohizan’ny zony : ohatra ny fanamarinam-pianarana ho an’ny mpangataka volan-jaza, ny fanamarinam-pahavelomana ho an’ny mpandray fisotron-dronono, sy ny maro tsy voatanisa. Isan’ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fangatahana fisotron-dronono ny sary tapaka vao tsy ela an’ilay mpiasa feno 60 taona, ny kopia nahaterahana, ny dika mitovy amin’ny karampanondrom-pirenena.

Nohazavain’i Randriamanantena Ramiaramanana, lefitry ny lehiben’ny sampan-draharaha fisotroan-dronono eo anivon’ny CNaPS, ireo fepetra fisokafan’ny zon’ny zokiolona : 15 taona farafahakeliny naha mpikambana tao amin’ny CNaPS, ary nahavita nanefa ny latsakemboka 28 telovolana nandritra ny folo taona farany hisokafan’ny zo ary nahafeno ny 60 telovolana nandoavana latsakemboka.

Notolorana mari-pankasitrahana sy boky toro-làlana izy 62 mianadahy tonga niofana tao Ambatondrazaka izay antenain’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy fa hitaona ny mpiasa sy ny mpampiasa mbola any ivelan’ny valaben’ny CNaPS. Tanjona iraisana ny tsy hahavery zo ny mpiasa Malagasy.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

economie
societe

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité