logo
Lakroan'i Madagasikara
Voka-pifidianana sy ny olana misy

Tsy ekeko ny hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna

Ranaivo Jacques il y a 4 années

Karazany maro ny hala-bato nisy teo nandritra iny fifidianana izay ho depiote iny. Maro ireo toerana nahitana izany. Betsaka ireo kandida nihetsika fa tsy nahatanty ny fisian’ny hosoka. Santionany ireto.

Tsy ekeko ny hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna
“Sahiko ny milaza fa maro ny tsy fanarahan-dalàna nitranga tany Ambovombe toerana nilatsahako” hoy Jean Michel Henri (MAPAR). “Henjana ny fifaninanana tamin’ny mpifanandrina iray” hoy izy. “Eo anatrehan’izay ka na lany aza aho dia tsy mety ny saiko fa tsy maintsy nametraka fitoriana ‘pour disqualification’ aho” hoy izy. “Ben’ny tanàna ao Ambovombe ny mpifaninana amiko io ary nampiasaina avokoa ny fitaovan’ny kaominina, toy ny fiara. Nanampy azy koa ny rahalahiny izay zandary izay nampihorohoro ny mponina fa hanafay azy ireo raha tsy lany ny rahalahiny” hoy ity kandida MAPAR ity. Nampiany fa hatramin’ireo CEC (solontenan’ny CENIT eny anivon’ny kaominina) dia niandany tamin’io kandida io. Mbola eo koa ny tsy famenoana ireo PV teo amin’ny BV fa tany amin’ny chef lieu de commune no natao ka tsy nanatrika izany ireo delege-ko. Santionany ihany ireo araka ny nambaran’ity kandidà MAPAR ity. Nomarihany faha ireo kandida hafa (13 mirahalahy izy ireo no nifanandrina tao) tsy nahitana olana.
Misy ireo tsy taitra

Nampiaka-peo koa ny kandida 22 amin’ireo 23 nirotsaka tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tany Taolagnaro. Namory mpanao gazety tany antoerana izy ireo ny fiandohan’ny taona teo. Izao tranga izao no tonga amin’ny lohatenin’ny sarimihetsika iray manao hoe : “Seul contre tous”. “Tsy ataoko mahataitra ahy izao” hoy Jerry Hatrefindrazana. Izy ilay kandida tokana hanaovana angaredona. Efa any Antananarivo ny tenany tamin’ny fotoana nanaovan’ireo namany famoriana mpanao gazety. “Ho ahy nandeha araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Matoky ary efa miandry ny famoahana ny vokatra vonjimaika ho ataon’ny CENIT ny tenako” hoy ity kandida mitarika vonjimaika raha ny vokatra voaangona tany antoerana no jerena. Nambarany fa manan-jo hametraka fitarainana na fitoriana any amin’ny CENIT na koa any amin’ny CES ny mpifaninana. Nomarihan’ity kandida ity fa 19 aloha ireo nitambatra tao anatin’ny collectif io ary izao efa niakatra ho 22. Nitambatra ao anatin’ny vondrona tokana izany ireo lisitra sisa rehetra satria lasan’ny lisitra tarihin’i Jerry Hatrefindrazana avokoa ireo toerana roa hisolovava an’ireo vahoaka ao Taolagnaro raha mbola nanantena hahazo toerana ireo kandida faharoa sy fahatelo. Nanambara ny kandida mitarika vonjimaika fa tsy matahotra famoriam-bahoaka ny tenany satria maro ny olona nifidy azy amin’ny rariny sy mahitsy.
Toerana maro

Tsy ny tany Taolagnaro ihany anefa no nandrenesana fimenomenonana faobe. Nisy toa izany koa tany Toliara I. Nampiaka-peo ny kandida Maharante Jean de Dieu (MAPAR) na dia lany aza ity kandida ity satria tafiditra faharoa ny lisitra notarihany. Ankoatra ny kandida MAPAR dia nisy koa ny collectif des candidats niforona ary namaky bantsilana ny tsy mety tao Toliara I. Isan’ny nampiavaka ny fitarainana tao Toliara I dia nisy ny collectif des candidats hafa izay nitsangana ary nanaiky fa nisy ny lesoka teo amin’ny fifidianana miendrika hosoka sy hala-bato fa tsy hametraka fitarainana ireo kandida ireo na izany aza.
Toerana maro no nandrenesana fimenomenonana momba ny lesoka teo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. “Eo amin’ny fikirakirana ny vokatra no tena lesoka” hoy ity kandida iray avy ao Ambatolampy. Izany hoe mandritra ny fotoana efa vitsy ny mpanara-maso izany no tena mirongatra ny fanaovana asa ratsy. Rehefa jerena ny tatitry ny mpanara-maso vahiny dia nandritra ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fifidianana ihany no notaterin’izy ireo ao anatin’ny fanambarana savaranonando (déclaration préliminaire) naseho vahoaka. Tsy tokony hahagaga izany raha toa ka tsy miresaka ny olana niseho teo amin’ny fanisam-bato sy ny fitaterana ny vokatra ireo mpanara-maso vahiny. Marihina fa ireo mpanara-maso tera-tany dia mitatitra ny olana hita teny amin’ny SRMV toy ny fisian’ny valopy tsy mihidy izany.
Ambatolampy, Antsirabe, Soalala, Marovoay, Amboasary Atsimo dia santionany amin’ny toerana nandrenesana fimenomenonana avy amin’ny kandida. Isan’ny manamafy ny fisian’ny tsy afa-po ny fisian’ny fitoriana marobe napetraka teo anivon’ny CES. Mahatratra an’arivony ny fitoriana sy fitarainana mitambatra. Raha ny fangatahana fanilihana (disqualification) dia misy 68 (2 kandida ho filoham-pirenena ary 66 kandida ho depiote). Maro izany. Misy koa ireo kandida milaza fa nitory teny anivon’ny fitsarana (pénal), isan’izany ny kandida Maka Alphonse kandida any Amboasary Atsimo.
“Tsy matahotra famerenana fifidianana aho” hoy Jean Michel Henri. Nomarihany fa tsy izay famerenana fifidianana izay no fitoriana napetrany fa fanilihana ny kandida tsy manara-dalana no nataony. Tsy matahotra famerenana aho. Efa nisy izany tamin’ny 2003 ary ny kandida faharoa no lasa voalohany rehefa naverina ny tany Belo-Androy, raha ny tany Taolagnaro indray dia vao mainka niakatra ny vato azon’ilay nandresy 55% tamin’ny voalohany ary tafakatra 68% rehefa naverina. Tsy voatery hifanaraka amin’izay eritreritry ny olona ny zava-misy rehefa mamim-bahoaka dia mamim-bahoaka” hoy hoy Jean Michel Henri.
Any amin’ny CENIT izao aloha ny mason’ny mpanara-baovao rehetra miandry izay vokatra vonjimaika. Fa betsaka no efa any amin’ny CES ny saina aman’eritreritra. Samia velon’aina.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité