logo
Lakroan'i Madagasikara
Barazy ao Ankaterena-Sahanivotry

Vokany : 1980 ha ho difotry ny rano

Razafindramanitra il y a 17 jours

Mandeha hatrany ny tetikasan’ny Filoha na projet présidentiel na dia efa hifarana aza ny fitondran’ny Filoha Rajaonarimampianina. Isan’ny tetikasan’ny Filoha ny fananganana barazy maro toy ny ao Sahanivotry. Ho 2000 ha latsaka kely ny velaran-tany ho difotry ny rano raha tanterahina io projet présidentiel ao Sahanivotry io. Manoloana izany dia miantso vonjy ny vahoaka. Nandre ny Fiangonana ary mamaly ny antso amin’ny alalan’ny JEP sy ny Caritas. Araho.

Vokany : 1980 ha ho difotry ny rano

Izao tazany maso eto amin’ny sary izao (misy ny renirano ary misy ireo olona manao diabe sy ireo mipetraka eo Ankaterana) dia ho difotry ny rano avokoa.

Raha ny tarehimarika efa natsidiky ny mpitondra fanjakana eny antoerana dia 53 m ny aavon’ny barazy haorina eo Ankaterena. Raha ny tombana natao ka 60 m ny aavon’ny barazy hahorina dia mahatratra 1980 ha ny velaran-tany ho difotry ny rano.

Fantaro ary fa ny kianja filalaovana baolina iray dia mirefy 7000 m², izany hoe latsaky ny 1 ha izany. Raha izay no refin’ny kianja dia kianja filalaovana baolina miisa 2000 no ho difotry ny rano raha mahatratra 60 m ny aavon’ny barazy kasaina haorina ao Ankaterena.

 

Tsy nisy fanazavana matotra sy mazava nomena ny vahoaka hatreto. Rariny ve raha avela hihorohoro ny Malagasy?

 Ho kendana eo Ankaterena ny rano. Diabe naharitra ora iray niainga teo amin’ny fokontany Farihitsara no nataon’ny vahoaka marobe ny alakamisy 30 aogositra 2018 maraina teo no nentin’ny vahoaka hanoherana izany. Nitety havoana sy lohasaha ireo olona rehetra ireo nahitana zaza ary koa zokiolona miaro ny fananany. Solontena avy amina fokontany 5 sy kaominina 5 voakasika izy ireo. Rehefa nahazo toerana avo ny mpandeha an-tongotra dia nisy hatrany ny maneho ny sentom-pony hoe : « Izao lemaka hitan’ny masontsika izao dia ho difotry ny rano ». Tsy tany ngazana akory ilay 4 km nandehanana fa nahitana tanim-boly sy tanim-bary, trano fianarana sy fonenana ary fiangonana. Ireo rehetra ireo dia ho difotry ny rano.

 

« Satria tsy nomena ny dosie tekinika izahay dia sarotra ho anay tekinisianina ny hilaza mahitsy hoe etsy ka hatreroa no ho difotry ny rano » hoy i Kotondrajaona Rajoelisolo, sekretera Jeneralin’ny BIMTT na Birao Ifandraisan’ny Mpampiofana eo amin’ny Tontolon’ny Tantsaha. « Tombana miainga amin’ny zava-misy hita teny an-toerana no azo natao » hoy izy nanohy.

 

Ireo zava-misy

Mpiasa manao carottage no hita teny an-toerana. Raha hazavaina tsotsotra dia fangalana santionan-javatra any ambanin’ny tany any no antsoina hoe carottage. Mandavaka hatrany amin’ny 80 metatra izy ireo, hahafantarana ny kalitaon’ny vato any ambany tany any. Midika izany fa ho ampolo metatra maro ny haavon’ny rano hangonina eo amin’io toerana io.

Ilay toerana ve ? Eo amin’ny toerana antsoina hoe Ankaterena (jereo ny sary) no anaovan’ny mpiasan’ny Lageotec ny carottage. Araka izany anarana Ankaterena izany dia misy faritra mora ananganana barazy eo ary hanerena ny rano hihangona eo. Maka ny santionan’ny vato ihany no ataonay ka omenay ny orinasa Tozzi Green izay azonay eto. Izy ireo no mahalala na azo anaovana barazy eto na tsia.

 

Barazy atao inona ?

Karazany maro ny asan’ny barazy. Misy ny barazy fanondrahana tanim-boly. Ny eo Ankaterena indray dia natao hamatsy rano ny milina hamokatra herinaratra. Tsy ivalamparana eto ny amin’izay.

 

Voka-dratsy ateraky ny barazy

Raha ny zava-doza ateraky ny fananganana barazy eo Ankaterena dia vinavinaina ho :

- Fokontany 5 amin’ny kaominina 5 no ho difotry ny rano ary tantsaha an’aliny no ho voadona (very fananana, esorina amin’ny toerana…

- olona maro no ho very fananana satria lavitry ny fokontany voakasika no mipetraka ny tompon’ny tany ho difotry ny rano. Fa tsy ireo mipetraka eo antoerana ihany, mety ho any Antsirabe no tompon’ny tanim-bary na any Manandona.

Ny 29 marsa no nandrenesana tamin’ny fomba ofisialy avy amin’ny solontenan’ny disitrika (rafitra fanjakana) tonga teny an-toerana fa ho 53 metatra ny haavon’ny barazy. Vao nandre izany ny mponina dia niantso vonjy. Isan’ny nanohina ny antso ny Fiangonana. Ny fijoroan’ireo pretra fito ka isan’ireo i Mp Justin miandraikitra ny Fananan-tany anivon’ny Caritas diosezy Antsirabe, i Mp Julien miandraikitra ny JEP Antsirabe…) nandray anjara tamin’ny diabe ny alakamisy teo dia mitory fa mamaly antso ny Ekar. Tsy ny Ekar irery anefa fa teo koa ny talen’ny SAF Fjkm, ny katekista Flm sy ny fiangonana hafa. “Fanintelony izao izahay no tonga eto” hoy i Kotondrajaona Rajoelisolo, sekretera jeneralin’ny BIMTT. Mitombo hatrany ny isan’ny herivelona maneho ny fahavononany hiaro ny tantsaha sy ny mponina voakasika. “Fampiofanana tekinisianina sy mpampiofana ny tantsaha no antom-pijoroan’ny BIMTT kanefa raha tsy manana tany intsony ny tantsaha, moa tsy herim-po very maina ny an’ny BIMTT ? Izay no mahatonga anay hiaro ny fananan-tany ary hitolomanay miaraka amin’ny vahoaka toy ny ao Farihitsara” hoy i Kotondrajaona Rajoelisolo, manazava ny antom-pijoroan’ny BIMTT eo.

 

Alahelo nambara havana

Nandritra ny fandraisam-pitenenana teny Ankaterena no nandrenesana ny sentom-pon’ny olona (izay no fomba fitenin-dry zareo) eny ifotony. Santionany no ndeha hiarahana mamaky :

Ny biby handeha ho vonoina no tsy ilazana izay hanaovana azy. Dia sanatria hampitoviana amin’izany biby izany ve izahay olombelona ireto ?” hoy ny solontenan’ny fokonolona nandray fitenenana. 

Ny famelana ny vahoaka hihorohoro tahaka izao no fototry ny olana. Hatao sa tsia ny barazy ? 5 metatra sa 50 metatra ny haavony satria tsy mitovy ny vokatr’ireo ? Efa mandeha ny fanaovana carottage ka nanao ahoana no tsy nisy fangalana ny hevitry ny vahoaka ifotony” hoy ny solontenan’ny Fiarahamonim-pirenena (Tafo Mihaavo, CPM…).

Tsy ekena velively ny fanomezana lanja ny fotodrafitrasa tahaka izao ataon’ny projet présidentiel izao ary mampibaribary ny fanaovana tsinontsinona ny olombelona kanefa dia ny olombelona no voalohan-karena” hoy ny solontenan’ny JEP (Justice et Paix) eny antoerana.

Ho mora esorina ireo tantsaha ireo satria ny ankamaroan’izy ireo dia tsy manana ny fanamarinana ny maha tompon’ny tany (titre, cadastre…) azy ireo. Ny fanaovana karatany faobe tety antoerana 800 isa amin’ny alalan’ny tetikasa CASEF aza dia mbola tsy vita, izany hoe ho mora sandaina ny fanesorana ny olona eto” hoy ny BIMTT.

 

Diabe iray ve dia ho ampy…

Tsapa ho manao bemarenina ny mpitondra fanjakana sy ny mpitantana ny orinasa Tozzi Green (izay tompon’ny tetikasa fanamboarana ny barazy ao Sahanivotry-Ankaterena). Mihevitra izy ireo fa ho vizaka ny vahoaka tsy hahatanty lazon’ady. “Ho eo anilanareo hatrany ny Fiangonana. Ho eo koa ireo fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena samihafa tonga teto androany” hoy ny fanentanana nataon’ny sekretera jeneralin’ny BIMTT. “Efa najoronareo eto an-toerana ny komity mpanao ankisisika sy mpanao andrimaso. Hitolona isika. Hiaraka hitolona isika satria ny Fiangonana tsy maty fa velona” hoy izy namarana ny teniny izay tsapa fa namelona ny afo ao amin’ireo vahoaka.



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

societe
economie

Dans la même rubrique

une
une
Publicité