logo
Lakroan'i Madagasikara
Fanehoam-pijery

Adihevitra 3 novambra

Nanangona JRR il y a 11 jours

Ny adihevitra natao ny 3 novambra no adihevitra farany tamin’ireo nalahatry ny TVM sy RNM. Nanana ny lanjany izany izy amin’izy nanakatona ireo adihevitra nalahatra izay satria isan’ny mipetraka ao antsofin’ny mpihaino sy mpanaraka propragandy ary koa nanana ny lanjany satria isan’ny nifanatrika tao i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina (mpifanandrina tamin’ny 2009). Fijery nalaina tao amin’ny Facebook no zaraina etoana.

Adihevitra 3 novambra

[TTF. Ireto ireo nifanatrika tao : Marcellin Andriantseheno (7), Ny Rado Rafalimanana (11), Andry Rajoelina (13), Andrianoelison Jose (15), Eric Rajaonary (17), Marc Ravalomanana (25)]

 

Nanaraka ilay adihevitra aho ka ho ahy dia ny N°11 no nandresy nivoaka mpandresy rahefa dinihana amin’ny saina tony sy maso tsy miangatra ny resak’izy enin-dahy. Manaraka ny N°25 izay arahan’ny N°13. Ny N°15 no fahefatra, manaraka azy ny N°7 ary ny N°17 no mamarana azy.

Tsy tokony ho nifaninana ny N°7 sy ny N°17 amin’ny ankapobeny. Ohatry ny maheno mpinamana, na mpianakavy na mpiara-miasa na mpitaingin-tamboho miresaka nihaino azy roalahy. Ohatra : "Mitovy hevitra amin-dRanona aho", sy ny teny maro hafa toy izany izay fanao rahefa mandany andro mivorivory ny Malagasy. Tsy amina adihevitra fifidianana filoham-pirenena no tokony hisy izany. Ny fandaharan’asa tohanany, samy lazain’izy roalahy fa misy itoviany amin’ny an’ny hafa. Diso fifidianana izy roalahy ireto.

Inona no antony maha fahefatra ny N° 15 ? Manana traikefa sy fahaiza-manao azo antoka izy. Sahiny koa ny namerina ny adihevitra tamin’ny laoniny rahefa nifanenjana ny N°11 sy ny N°13 ary ny N°25. Don-databatra milaza fa tsy ny adin’izy ireo no atrehina fa ny ho avin’i Madagasikara, sy ny fiainan’ny Malagasy amin’ny dimy taona manaraka. Tsapa koa tamin’ny famelabelarana nataony fa olona voasedra izy amin’ny raharaham-panjakana. Fa ny nampiavaka azy indrindra dia ny fandaharan’asany izay mikatsaka ny haha-masimandidy ny Malagasy ao Madagasikara ka ho tonga Nosy sambatra. Tsapa koa fa mitodika manatrika ny zava-misy sy ny hoavy ny fandaharan’asany. Ambonin’izany ny fahafantarana fa fandaharan’asa azo antoka ny famatsiam-bola azy no natolony. Roa ihany ny mpifaninana manana izany amin’izy 36 mpifaninana.

Tsy tomombana tsara anefa ny fifehezana ny serasera amin’ny adihevitra politika no mahatonga azy ho fahefatra. Ohatra : tsy lany ny telo minitra farany hamintinana ny hafatra. Tsy nisy filazana tamin’ny mpihaino ny laharan’ny kandida. Izay mpomba azy ihany no mahalala fa N°15 izy.

Fahatelo ny N°13. Tsy misy azo kihanina ny seho ankapobeny. Voafehy na ny fiteny na ny fihetsika. Ny endrika ivelany, ny fidoboky ny feo. Ny famerimberenana ny IEM. Saingy fahatelo izy noho ireto manaraka ireto. 300 pejy hono ny IEM. Mino aho fa na ny vadiny aza tsy nahavaky izany. Be hambo ny IEM fa tsy fantatra izay hanatanterahana azy. Ohatrinona ? Volan’iza ? Avy aiza ? Faharoa : nahazo veli-kanota mafy tokoa izy rahefa niditra tamin’ny pataloha terin’ny fanonganam-panjakana sy ny "puce" izay natao ho an’ny jamoka. Hita ho nangasihasy mihitsy izy tamin’ny valin-kafatra avy amin’ireo mpifaninana roa hafa momba izany. Fahatelo : be ny angolan-teny nampiasainy nefa dia tsy afaka mihitsy ilay mikobana noho ny tsy fahafenoana. Farany : nanana fotoana betsaka izy namehezany ny resany, saingy indrisy fa tsy vitany ny nampangina ny "alahelony", fa tsy maintsy nanao fihantsiana ny N°25 izy, izay nanamaloka tanteraka ny resany rehetra teo aloha.

N°25 no faharoa. Tsy ho voalohany mihitsy izy tamin’iny adihevitra satria tsy fanao ny miaka-tsehatra rahefa fari-peo. Tokony ho nanontany an’i Bodo izy momba izay azo atao hitazonana ny feo. Indraindray toa mikiakiaka, indraindray toa manao feo-na sarim-bavy. Midika koa anefa ny feony farina fa izy irery no nikely aina nanao fampielezan-kevitra. Izy sy ny N°15 irery koa no manana fandaharan’asa fantatra fa misy famatsiambola mazava : Manifesto. Mbola noporofoiny koa fa olon’ny asa izy fa tsy manao hevitra taingina. Ohatra: ho tohizana ny fanamboaran-dalana. Iza tokoa no sahy hilaza fa tsy ilaina ny lalana. Na hoe tsy nahavita lalana izy. Tsy nisy sahy nitsikera izany ny mpifaninana taminy. Olona miatrika ny olana misy sy mijery ny eo aloha no manamboatra lalana. Tsapa koa fa tsy nandevin-tsotro be izy na teo aza ny sakana nahazo azy sivy taona lasa izay. Tsy nampoiziko ho niomana ny hamaly ny fanakianana mety hipoitra tamin’iny adihevitra iny koa ny N°25. Ohatra : nolazain’ny N°13 izy fa nametra-pialana fa tsy nisy izany fanonganam-panjakana izany. Novaliany teo no eo fa tsy nametra-pialana izy fa namindra fahefana tamina manamboninahitra telo. "Fantatro, hoy izy, ny taratasy nataoko sonia". Tankina ny N°13. Izy irery koa no mpifaninana mamerim-berina, ombieny ombieny ny N°25, satria fantany fa ny famerimberenana no fomba fampianatra sy fianarana ary fampitana hevitra ny hafatra tsara sy mahomby indrindra.

Ny N°11 no voalohany tamin’iny adihevitra iny. Nomeny ny daka ambava-fo sy tefaka mandrivorivo izay hamela holatra sy takaitra tsy ho voafafa mandrakizay ny N°13. Izay porofo fa voafehiny ny fomba fanao amin’ny seraseran’adihevitra politika toy ireny. Ohatra : alefa misotro ronono ireo mpanao politika ela nihetezana. Ohatra koa ny fanontaniana momba ny zavatra izay natsangany (N°13) izay novaliany fa may tamin’ny 26 janoary. Valiteny tsy mihoatra izany. Fa mbola avy amin’ny koa no azo amehezana iny adihevitra iny rahefa nilaza izy fa ireo mpitondra teo aloha no tsara asiana "puce" fa tsy ny omby. Hipetraka ho tantaran’ny N°13 iny valy boraingina iny. Takon’iny avokoa ny fahelemen’ity N°11 ity, izay maro be tokoa. Isan’izany ny fandaharanasany izay hevi-dravina no betsaka. Ohatra : ny "Ala olan-dRatsimandrava". Mety ho nahomby tamin’ny 1975 ny "Ala Olana", fa tsy amin’izao 2018 na 2019. Mitodika any aloha no mandeha ny tantara fa tsy any aoriana. Tsy sakanana izy raha te hiverina rahefa izay no safidiny.

 

TAMPINA NY DAOMY

Ô ry ingahy mpanoratra a, mba ilazao vaovao
Fa toa nisy adihevitra be hono, tao am' tele tao
Ny soratsoratrao manko, no hany mba mampita
Ireo vaovao lehibe, iniana afenina tsy ho hita.

Nafana tokoa ny adihevitra, ary tena nisy ankamely
Nataon-dry zalahy tambabe, 'lay boaikely tsy mamely
Nanontany manko lery hoe, "mba inona moa ry Mose Rado
No mba zavatra mba tsara, sy 'zay mba vitanao teto Dago?"
Fa ny valiny avy any, tonga dia fantsy nandrivorivo
"Nanana orinasa aho, fa nodoranao tamin'ny sivy sy roa arivo"
Tampina ny daomy, fa kendakenda i boaikely
Raha "nozomena" ny sary, dia nitempotempo ilay lohamalemy.

Dia nitohy ny adihevitra, ka ny tena nahagaga
Voaisan'ilaiàka, ny omby rehetra eto Gasikara
Avy eo mbola nipentsona, nilaza ilay hoe omby hasiana "pisy"
Fa nomen'i Rado ny savaty : "ianao io no tokony hasiana pisy mihitsy"
Dia nivandravandra i boaikely, amin'ilay maso somary gila
Tampina indray ny daomy, ny azony natao dia ny nangina.

Fa nisy fantsy iray nanindrona, nalefan'ingahy Zozekely
Nampihivingivina mihitsy, ny tarehan'i boaikely :
"Ny anao izao omby izao foana, no kendrena hasiana pisy,
Anefa be dia be ny zaza gasy, tsy manana kopia mihitsy"
Niefonefona i boaikely, saingy tsy nanana navaly
Tampina iny daomy iny, ka nitanondrika i Mialy.

Ny an'i dada koa direkta : "mampalahelo ity TVM ity,
Tena tsara izy ity taloha, fa nodoran'ingahy iry"
Fa naresaka ilay efitrano, nikakakaka ny mpijery
Niandry indrindra izay havaly, sy ny haromotan'i boaikely
"Fanonganam-panjakana foana, no averimberinao
Anefa ianao nanao sonia, tao Iavoloha tao"
Namaly i dada, tena hentitra : "haiko izay nosoniaviko,
Fa namindra fahefana aho, ny ankoatra izay kosa laviko
Matoa tsy nisy nankatoa anareo, ny Sadeky sy ny sisa
Dia fanonganana no nisy teto, fa aza ilaozana mampandry adrisa
Tsy mba nisy "kidnapping", tamin'ny andro nitondrako
Fa rehefa tonga teo ingahy iry, d'injao nisesy tsy niato"
Ny valin-teny avy any : "kidnapping ekonomika"
Olona no nosamborina, ny an'i leiry kosa alika.

Lavabe raha hotanisaina, f'izay izy raha fintinina
Nivoaka ny efitrano leiry, tena hita fa laginina
I Mialy aza moa, tsy nitsikitsiky mihitsy
Rakotry ny henatr'olona, k'indrisy nitampifimpify.

*** fanasina7 ***
070411182118
(mpanoratsora-poana)
- partage autorisé -

https://www.facebook.com/fanasina7/posts/2511823098835720


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Nov. 2018 - 13:41-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 14 novembre 2018 à 13 heures et 6 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 17504 sur 24 852 soit : 70,43%. Inscrits : 7 062 725 sur 9 913 599 votants : 3 827 816 suffrages exprimés 3 539 985 soit 92,48%. Taux de participation : 54.20%.

    - RAJOELINA Andry Nirina: 1396356 (39.45%)
    - RAVALOMANANA Marc: 1297579 (36.65%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 266857 (7.54%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 46243 (1.31%)
    - RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin: 41091 (1.16%)
    - RAFALIMANANA Ny Rado: 39742 (1.12%)

  • 13 Nov. 2018 - 14:56-

    FMF out, comité de normalisation in. Le Bureau du Conseil de la FIFA a décidé, ce 12 novembre 2018, de désigner des comités de normalisation pour les Fédérations de Football de République dominicaine (FEDOFUTBOL) et Madagascar (FMF) conformément à l’art. 14, al. 1a et l’art. 8, al. 2 des Statuts de la FIFA. À Madagascar, la décision de nommer un comité de normalisation est liée à la procédure électorale de la FMF, qui n’a pas été effectuée conformément aux exigences réglementaires applicables aux membres de la FIFA. Le mandat du comité expirera au plus tard le 12 mai 2019. La participation des Barea à la CAN n'est pas concernée par la mise en place du comité de normalisation.

  • 13 Nov. 2018 - 07:46- Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 13 novembre 2018 à 6 heures et 57minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 13 283 sur 24 852 soit : 53,45%. Inscrits : 5 370 311 sur 9 913 599 votants : 2 876 312 suffrages exprimés 2 659 943 soit 92,48%. Taux de participation: 53,56%.
    - RAJOELINA Andry Nirina : 1 051 134 (39,52%)
    - RAVALOMANANA Marc: 950 724 (35,74%)
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 212 682 (8%)
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 35 382 (1,33%)
  • 12 Nov. 2018 - 08:08-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 12 novembre 2018 à 6 heures et 8 minutes. C’est une tendance nationale, BV traités : 10437 sur 24852 soit : 42%. Inscrits 4 285 527 sur 9 913 599 votants : 2 301 808 suffrages exprimés 2 129 443 soit 92,51%. Taux de participation: 53.71%.

    - RAJOELINA Andry Nirina : 835301 soit 39.23%
    - RAVALOMANANA Marc: 785748 soit 36.90%
    - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 160879 soit 7.55%
    - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 28308 soit 1.33%

  • 10 Nov. 2018 - 12:47-

    Voici les tendances publiées sur le site de la CENI ce 10 novembre 2018 à 10h 25minutes. C’est une tendance nationale, nombre de bureau de vote (BV) traité : 3 663  sur les 24 852. Inscrits : 1 646 896 sur 9 913 599 votants : 860 662. Suffrages exprimés : 798 788. Taux de participation : 52.26%.  

    RAJOELINA Andry Nirina : 40.90%.

    RAVALOMANANA Marc: 39.09%.

    RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 5.75%

    MAILHOL André Christian Dieu Donné: 1.46%

    RABARY Andrianiaina Paul: 0,95%

  • 06 Nov. 2018 - 07:44-

    Camions pour le SAMVA. Le communiqué du Conseil des Ministres du lundi 5 novembre 2018 effectué 16 Heures au Palais d’Ambohitsorohitra nous apprend l’arrivée d’un premier lot de 11 camions remis au SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d'Antananarivo) pour l’enlèvement des ordures de la capitale a été portée à la connaissance du Conseil, et le Chef de l’Etat a insisté sur l’importance d’une bonne gestion de ce nouveau parc de véhicules et la mise en place de procédures de contrôles strictes. On attend les impacts réels de cette remise de camions.

  • 04 Nov. 2018 - 08:46-

    Nodimandry i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo. Nodimandry ny sabotsy 3 novambra teo i Mgr Rakotondrajao Roger Victor Solo, evekan’i Mahajanga, mpiahy ny vaomieran’ny « Justice et paix » nasionaly sy ny fonja. Tsiahivina etoana ny resaka nataony mikasika ny tany ao Soamahamanina. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara laharana 3979, pejy faha-12 ary ity ny rohy ahitana izany eto amin’ny www.lakroa.mg  https://www.lakroa.mg/item-818_articles_dossier_18-resaka-nifanaovana-tamin-i-mgr-rakotondrajao-roger-victor-solo.html

  • 24 Oct. 2018 - 11:42-

    Endrika fanakorontanana. Nanambara ny Za’Gasy ny zoma 19 okitobra lasa teo teny Ambohimitsimbina fa tena fanakorontanana no nataon’ilay mpomba ny kandida iray heverina fa goavana, izay nitaona ny ireo izay tsy voasoratra amin’ny lisi-pifidianana ho tonga hifidy amin’ny biraom-pandatsaham-bato 7 novambra. Marihina fa nitety haino aman-jery io pomba ny kandida iray io ny 18 okitobra lasa teo. Miantso ny Ceni sy ny Cfm ary ny mpitandron’ny filaminana ary ny Hcc mba hanao fanazavana mikasika ny fakana ordonnance sy ny resaka lisi-pifidianana ity fa mety hampikorontana ny fifidianana.

  • 17 Oct. 2018 - 07:46-

    Sipem Bank. Tamin’ny desambra 2014 no nahazo ny agrément bancaire ny Sipem bank. Miasa toy ny banky izy ankehitriny. Betsaka ireo tolotra misy amin’izany, toy ny fampindramam-bola. Marihina fa ity orinasa ity dia tena orinasa malagasy araka ny nambaran’ireo mpikarakara. Malagasy avokoa ireo mpiasa ao. Ny Malagasy ihany koa no manana petra-bola betsaka ao na hoe majorité. « Orinasa madinika sy ireo orinasa vaventy no mihindram-bola ato aminay amin’izao fotoana izao » hoy ihany izy ireo. Izy rahateo dia niatomboka tamin’ny micro-finance.

  • 28 Sep. 2018 - 06:51-

    Salon des écoles supérieures catholique. Le salon des Ecoles supérieures Catholique se déroule ce vendredi 28 septembre 2018 au sein du Collège Saint Michel Amparibe. 22 universités, écoles et instituts supérieurs participent à ce salon. L’enseignement supérieur catholique se veut être le moteur de la chrétienneté et de la citoyenneté responsable. L’événement est placé sous le patronage de SEM Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Archevêque d’Antsiranana et Président de la commission épiscopale pour l’éducation et l’enseignement catholique.

  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

Du même auteur

culture
societe

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité