logo
Lakroan'i Madagasikara
TT - Tafatafan'ny Talata

Nisy ny hosoka nodiana tsy hita, mitohy ny tantara na izany aza

Rakotoson il y a 6 années

Ny tantaran’ny baolina kitra eto amintsika eto Madagasikara sy maneran-tany ihany koa dia ahitana ohatra samy hafa izay mitory fandresena azo tao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna. Jereo ange.

Ravo. Izay no azo hilazana ireo vahoaka maro mijery baolina eny anivon’ny fokontany. Feno hafaliana tokoa izy ireo.Matetika dia zanaky ny eny amin’ny fokontany no milalao dia mahalala ny ankamaroan’ireo mpilalao ny mpijery. Indraindray anefa dia rava ilay haravoana. Fihetsika kely tsy voahevitra teny ambony kianja no pitik’afo nandrehitra ny hatezerana ka mandrava ny lalao. Tsisy ny rafitra to teny mitsara ny ady. Fifampiresahana no handravonana ny disadisa. Vita izany satria ekipa mifanena sy mifandona mandavan-taona eny ireo mpifanandrina. Samy zanaky ny ao antanàna.
Raha miakatra sokajy isika ka mitazana ireny lalao karakarain’ny federasiona ireny dia mahita fa sendra misy ny olana eny ankianja dia misy ny rafitra mitsara izany aorian’ny lalao. Maro karazana io olana io. Tsy voatery mandritra ny lalao no misy ny olana. Ohatra iray tokoa dia samy nandre ny fangalaran-taona nisy teo amin’ireo tanora nofantenana handrafitra ny ekipam-pirenena U-20 isika. Naka fanapahan-kevitra hentitra ny federasiona. Tsy nandray anjara tamin’ny fifaninanana ny ekipam-pirenena. Henjana izany sazy izany. Azo inoana fa tsy tao anatin’ny lisitra ny fahotana hiseho izany halatra taona izany kanefa dia nahitana sazy mifanaraka aminy.
Tsy eto Madagasikara ihany no ahitana olana eo amin’ny resaka baolina kitra. Lalao iombonan’ny vahoaka maro tokoa raha ity baolina kitra ity. Izy no be mpijery indrindra
raha ny coupe du monde no itarafana azy.

Main de Dieu, main de Vata…

Nalaza ny “Main de Dieu” an’i Maradona tamin’ny 1986, fiadiana ny amboara erantany amin’ny baolina kitra natao tany Arzantina. Lalao ampahefa-dalana a nahatafita ny ekipam-pirenena arzantina hatrany amin’ny famaranana ary nahazoany ny amboara eran-tany. Isan’ny olana hita tany ivelany koa ilay antsoina hoe “Main de Vata”. Lalao manasa-dalana nifanatrehan’I Marseille sy Benfica. Tamin’ny tanany tokoa no nampidiran’i Maradona ny baolina ka nahafahan’ny ekipam-pirenena arzantina  nandray anjara tamin’ny lalao famaranana ary nahatonga azy ireo ho tompondaka eran-tany. Ireo tsara maso nahita nivantana. Ny maro kosa aty aoriana vao nahita izany. Saingy… Mipetraka ho tantara izany fa tsy nisy ny sazy noraisina.
Ny ekipan’i Marseille koa dia isan’ny ekipa nandrenesana olana maromaro. Marseille-Valenciennes. Ireo mpanaraka tantaran’ny baolina kitra dia mahalala izany trangana izany. Niafara teny amin’ny fitsarana ivelan’ny fitsaran’ny baolina kitra ny raharaha. Nisy ny anaram-boninahitra noesorina vokatr’izany fitsarana izany.
Ny ao Italia ao dia matetika andrenesana olana satria be ny mpiloka (totonero) ao ka manimba ny lalao baolina izany (match truqué). Efa maro izay raharaha niakatra fitsarana izay raha ny ao Italia manokana fa tsy manakana ny hosoka sy halatra sy fisolokiana izany.
Hosoka avo lenta

Maro ny tranga misy nahitana hosoka sy fisolokiana raha ny eo amin’ny lalao baolina kitra fotsiny no raisina. Fa raha hitarina amin’ny taranja hafa izany dia samy mahita ohatra ho tanisaina isika tsirairay avy. Ny malaza indrindra dia ilay mpihazakazaka ambisikileta Greg Lemond. Voatery nesorina tamin’ny ireo anaram-boninahitra marobe efa azony teny ankianja. Teo koa i Ben Johnson teo amin’ny atletisma. Noesorina taminy ihany koa ny anaram-boninahitra hazony teny ankianja.
Araka ny ohatra hitantsika ireo dia misy hatrany ny finiavan’ny olona hanao hosoka. Misy ireo lalàna efa nomanina hanasazy ny tranga. Misy kosa anefa tranga izay tsy voavinavina mialoha ny fisehoany fa nandraisan’ny mpiandraikitra fanapahan-kevitra sahaza. Misy ireo tranga (main de Vata nitranga tamin’ny 1989-1990, coupe de des clubs Champions) izay nahitana fa nojerem-potsiny ka nahatonga an’i Bernard Tapie nilaza fa hainy manomboka izao ny fomba sy paika eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra. Izany ve no nahatonga ny raharaha Marseille-Valenciennes (nitranga tamin’ny 1993) taty aoriana? Asa. Tonga an-tsaina izany manoloana ny olana nisy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo. Maro no nitaraina. Toa tsy nisy ny sazy noraisina manoloana ireny fitarainana heverina fa marim-pototra ireny. Misy tombontsoa narovana tao ary nanalavitana ny korontana. Izay tokoa angamba no masaka tao an-tsain’ireo mpitsara tao anivon’ny CES. Moa va tsy efa nisy niteny fa aoka hitsara araka ny tombontsoam-pirenena (izany hoe tsy araka ny lalàna velona) ? Diniho sy saino.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Sep. 2019 - 11:56-

    Fondation. Le Président de la République a saisit le Président de la Haute Cour constitutionnelle sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution aussi la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que :

    Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

    Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

    Article 3.-  La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique

  • 19 Sep. 2019 - 10:05-

    Ambasadaoro 4 vaovao. Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, dia nankatoa ny fanendrena ho ambasadaoro an’i
    - Rajohnson Olivier Hugues Rija, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy  monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay.
    - Yvette Sylla, ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris
    - Albert Camille Vital, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy.
    - Jean Omer Beriziky, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles.

  • 19 Sep. 2019 - 08:35-

    Praiminisitra sady minisitry ny Raharaham-bahiny. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay ny 18 septambra no maha minisitra miandraikitra io asa io an’i Naina Andriatsitohaina farany, noho ity olom-pirenena ity nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC ny 18 septambra teo.

  • 19 Sep. 2019 - 07:37-

    Fanafoanana organismes rattachés. Entitra ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • 19 Sep. 2019 - 07:36-

    Paositra mpitatitra entana. Fantatra nandritra ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa hiverina amin’ny fitaterana entana (colis postaux) ny Ministeran’ny Paositra. Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava nandritra ny Filankevitra fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité