logo
Lakroan'i Madagasikara
Boky vaovao

Ny Ombalahibemaso Andrianampoinimerina

admin il y a 10 mois

Boky kely dimy efa nivoaka tamin’izany fotoana izany no natambatra ho iray amin’ity boky ity ary navoakan’ny Ambozontany Analamahitsy Antananarivo tamin’iny volana okitobra 2018. Araho.

Ny Ombalahibemaso Andrianampoinimerina

’Andrianampoinimerina nosoratan’i mompera Antoine de Padoue Rahajarizafy, pretra zezoita teraka tamin’ny 1911, no votoatin’ny boky « Ny Ombalahibemaso », navoakan’ny Ambozontany Analamahitsy Antananarivo tamin’iny volana okitobra 2018 iny, araka ny fanirian’ny olona maro. Boky misy pejy 452 miaraka amin’ny fonony, mirefy 21,1 x 13,8 sm. Tantara nosoratan’ny mpanoratra tamin’ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany, ary navoaka tamin’ny 1954 raha ny hita amin’ny fanamarihana ny famoaham-pirinty azy. Boky kely dimy efa nivoaka tamin’izany fotoana izany no natambatra ho iray amin’ity boky ity. Anisan’ny loharano nanovozan-kevitra nanoratan’i mompera Rahajarizafy azy ny Tantaran’ny Andriana nosoratan’ny R.P. Callet, pretra zezoita frantsay tonga tao Antananarivo tamin’ny taona 1864.

Anaram-bositra niantsoana an’Andrianampoinimerina ny Ombalahibemaso, mpanjaka nanana ny maha izy azy tamin’ny fotoan’androny (1787-1810). Tsy lefy laza mandraka ankehitriny. Fa Ramboasalama no anarany tamin’ny fahazazany. Ranavalonandriambelomasina, zanak’Andriambelomasina no reniny, ary Andriamiaramanjaka avy ao Kaloy no rainy. Nalaza tamin’ny fanorenana miandalana ny fanjakana teto Madagasikara noho ny toetra amam-panahy feno fahendrena nananany teo amin’ny fitarihany olona sy fifampitondrana teo amin’ny fiarahamonina izy. Hain’i mompera Rahajarizafy tsara ny nanasongadina izany ao amin’ny boky. Raha mandre izany anarana Andrianampoinimerina izany dia zavatra maromaro no mby ao an-tsaina, ka anisan’ireny ny hoe « Ny ranomasina no valam-parihiko », enti-milaza ny maha iray an’ity Nosy ity, efa hatramin’izany fotoana izany. Mazava ao anatin’ny boky ny nahatonga io fisainan’ny Ombalahibemaso io. Niainga tamin’ny famoriana an’Imerina Andrianampoinimerina, anarana midika hoe « ampoin’Imerina, ampovoan’Imerina », fa nitatra tamin’ny fanjakana hafa manerana ny Nosy izany. Hita taratra amin’ity asa soratra ity, izay niainga tamin’ny tahirin-kevitra maro ny zotram-piainan’Andrianampoinimerina, manana ny toetra tokoa hitondra ny tany sy ny fanjakana, na dia tsy izy aza no tokony ho teo raha ny fandovam-panjakana tamin’ny fotoan’androny no jerena. Mila mpitondra mahay ny vahoaka, nahatonga ny fanesorana an’Andrianjaka. Niavian’ny teny malaza nambaran’Andriambelomasina hoe « Lasany ny tany sy ny fanjakana ». Ary nahazoany tso-drano tamin-dRamorabe nenitoany izany. Ny toetrany hatramin’ny fahazazany no nandrafitra sy nanamafy ny maha mpitarika azy. Olona mahay mihary, niainga tamin’ny papelika, nandalo tamin’ny akoho sy ondry, ary tonga hatramin’ny omby. Antra olona sy tsy manaiky ny tsy rariny. Olona tsy mba te hivoky amin’ny ranomason’olona. Olon’ny fampihavanana sy firaisan-kina. Olona te hanasoa vahoaka. Olona mino sy matahotra an’Andriamanitra.


Mahaliana ny famakiana ny boky, manampy amin’ny famantarana ny tantaran’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy. Azo isainana ny fifampitondrana eo amin’ny mpiara-belona mandraka ankehitriny, indrindra eo amin’ny toetra amam-pihetsika eo amin’ny mpitondra sy tompon’andraikitra isan-tokony. Toa mandrorona ihany ny firenena raha ny zava-misy ankehitriny raha mitaha amin’ny foto-pisainana nananan’Andrianampoinimerina. Efa tamin’ny vanim-potoanany izy no nanome toky hoe « tsy mba hitiavako vady amam-janaka ity tany ity, tsy mba hitiavako olon-tiana : na iza na iza tiako, raha homana ny vahoaka ka maka ny zavatra tsy foinareo, dia matiko », enti-milaza fa ny fitondrana ny tany sy ny fanjakana tsy hananan-kavana. Mipetraka tsara ny rafitra rehetra ifampitondrana eo amin’ny fiarahamonina hiadanan’ny ambanilanitra, araka ny fanirian’Andrianampoinimerina. Mahazo ny anjarany ny olona rehetra eo amin’ny fihariana ataony, ary faizina izay mandika lalàna. Hevitra ankapobeny amin’ny boky ireo nambara ireo, handrisika antsika hamaky manontolo azy, hanakarantsika ny foto-pisainan’ny Ombalahibemaso. Boky mahaliana natao ho an’ny olona rehetra, indrindra ny mpianatra. Koa indramintsika ny tenin’ny Filohan’ny Akademia Malagasy Raymond Ranjeva ao amin’ny famaranana ny Savaranonando amin’ny boky hoe : « Koa raiso sy ampahafantaro amin’ny havana ka taomy ny rehetra handray, hivoy ary hifampizara fa mamy sy soa no ho raisinao ».


Fa eto am-pamaranana koa dia omena ireo lohahevitra isaky ny boky :

Boky I : “Lasany ny tany sy ny fanjakana !”- Ny niandohany sy ny maha-mpanjaka azy.

Boky II : “Ombalahy tsy roa am-pahitra”- Ny nahavoriany ny ankibon’Imerina.

Boky III : “Ny ranomasina no valam-parihiko !”- Ny niantsoany ireo foko manodidina.

Boky IV : “Ny nametrahan’Andriamanitra ny andriana tokana, dia ny hiadanan’ny vahoaka !”- Fampitomboan-karena sy lalàm-panjakana.

Boky V : “Hody any an-danitra aho, fa alain’Andriamanitra !”- Ny Ombalahibemaso sy ny vahoakany.


Rabarisona


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Sep. 2019 - 11:56-

    Fondation. Le Président de la République a saisit le Président de la Haute Cour constitutionnelle sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution aussi la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que :

    Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

    Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

    Article 3.-  La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique

  • 19 Sep. 2019 - 10:05-

    Ambasadaoro 4 vaovao. Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, dia nankatoa ny fanendrena ho ambasadaoro an’i
    - Rajohnson Olivier Hugues Rija, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy  monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay.
    - Yvette Sylla, ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris
    - Albert Camille Vital, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy.
    - Jean Omer Beriziky, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles.

  • 19 Sep. 2019 - 08:35-

    Praiminisitra sady minisitry ny Raharaham-bahiny. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay ny 18 septambra no maha minisitra miandraikitra io asa io an’i Naina Andriatsitohaina farany, noho ity olom-pirenena ity nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC ny 18 septambra teo.

  • 19 Sep. 2019 - 07:37-

    Fanafoanana organismes rattachés. Entitra ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • 19 Sep. 2019 - 07:36-

    Paositra mpitatitra entana. Fantatra nandritra ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa hiverina amin’ny fitaterana entana (colis postaux) ny Ministeran’ny Paositra. Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava nandritra ny Filankevitra fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

Du même auteur

dossier
politique

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité