logo
Lakroan'i Madagasikara
Kandida N°13

Niroso saingy nanamafy ny Ni…Ni

Nangonin'i JRR il y a 8 mois

Taorian’ny namoahan’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, ny voka-pifidianana fihodinana voalohany dia manao tohivakana ny fanambarana avy amin’ny olom-pirenena fa ny tena handrasana dia ny an’ireo kandida. Indro avoakantsika manontolo ny lahatenin’ny kandida N°13. Raha fintinina dia nanamafy ny Ni…ni ity kandida ity.

Niroso saingy nanamafy ny Ni…Ni

Ry Malagasy mpiray tanindrazana

Nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana tamin’ny alarobia teo ny vokatry ny fifidianana fihodinana voalohany ho filohampirenena.

Nanana an’izay nambarako tamin’izany aho sy ny vondrona rehetra nanohana ahy dieny ny ampitson’ny fifidianana izany hoe ny 8 novambra izany. Mila hajaina ny safidim-bahoaka satria ny fifidianana irery ihany no fotoana hanehoan’ny tsirairay ilay zo masina hisafidianany izay hitondra ny Firenena. Raha sanatria mantsy ka tsy voahaja izay zo izay dia tsy ho marin-toerana izay fitondrana hijoro avy eo.

Nanaraka ny lalàna isika. Nametraka fitarainana mifanandrify amin’izay nahitantsika mikasika ny fifidianana saingy tsy nisy vokany izy ireny.

Eto aho dia misaotra ny Vahoaka Malagasy izay nifanohana tamiko nandritra izay 5 taona izay. Ary mamela ahy ianareo hisaotra manokana an’ireo rehetra nametraka ny fitokisanareo tamiko tamin’ny vato izay nalatsakareo tamin’ny fifidianana farany teo.

Mankasitraka anareo rehetra “mangamanga ny sary” niaraka amin’ny “marika niarahantsika nanao tamin’ny ankihibentsika”. Endriky ny fanantenantsika ireny sady fanajantsika ihany koa ny lalàna sy ny fahamarinana.

Afo tsy mety maty na ho vonoina ireny ary inoako fa hanamafy hatrany ny fiarahantsika amin’ny ho avy

Mijoroa hatrany ho amin’ny fitiavan-tanindrazana.

Ry Malagasy mpiray tanindrazana

Betsaka ny fanamby nataoko ho fanavotana ny firenentsika.

Misy ny vita sy tanteraka, misy ny eo andalam-panatanterahana.

Misy ny tsy tanteraka noho ny antony samy hafa raisiko ho andraikitro ny zavatra vita sy ny tsy vita

Tsy misy ny tonga lafatra. Mety misy ny lesoka amin’ny mahaolombelona. Ialan-ko tsiny aminao raha nandratra ny fonao sy ny fijerinao izany.

Maro koa anefa ny lesona notsoahiko, toko tapaka vilany mitongilana izay tsy mety arenina.

Ezaka lehibe vitantsika ny fanehoana amin’ny Vahoaka Malagasy rehetra sy eo imason’izao tontolo izao fa tsy voatery ho krizy politika sy fibodoan-toerana hatrany no mamarana ny fe-potoam-piasan’ny Filoham-pirenena eto amintsika.

Noporofointsika tamin’ny fanarahan-dalàna sy ny fanajana ny soatoavina mahamalagasy sy ny soatoavina repoblikana eto amin’ity firenena ity izany ka nametrahako fialana manaraka ny lalàna sy ny Lalampanorenana.

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Nanome ohatra hatrany isika fa azon’ny mpitondra atao tsara ny miloloha ny tombontsoa ambonin’ny Firenena.

Manentana ny Malagasy tamin’izany aho ary nifanentana tamin’izany isika.

Izany no antony naha tonga ahy nijoro hatrany tamin’ny fanarahan-dalàna tamin’ny fametrahana ny fifampitokisana amintsika samy Malagasy. Nahatonga namolavola sy nametraka vinam-pampandrosoana izay hany lalana azo inoana fa tena hiantoka ny fihatsaram-piainana maharitra ho an’ny Vahoaka Malagasy rehetra indrindra ireo maro an’isa manerana ny Nosy.

Efa nanalavitra ny kizo sy ny lavaka lalina nisy azy hatramin’ny taona 2013 i Madagasikara ankehitriny.

Efa mizotra amin’ny lalan’ny fahombiazana sy ny fanarenana ifotony ny fiainam-bahoaka.

Mipetraka eo amin’ny tantara ary tsy afaka misaraka amin’ny asa mbola ho tanterahina eto amin’ity firenena ity ny fotodrafitrasa fototra sy ny fitsinjaram-pahefana ara-toekarena izay tena fototry ny fitsinjaram-pahefana.

Tandrovy ny asa efa vitantsika ry vahoaka malagasy

Hajao ny fananana sy ny soa iombonana.

Mbola maro ireo fotodrafitrasa fototra sy asa goavana izay natombotsika no ho vita ato anatin’ny taona maromaro hoavy.

Samia saropiaro amin’izany. Voleo eo anivon’ny fiarahamonina ny fahendrena.

Aoka hifanabe isika hitsinjo ny taranaka, hiady amin’ny kolikoly ny kiantranoantrano, ary hitandro mandrakariva ny tombontsoan’ny maro an’isa.

Isan’ny paikady ataon’ny fahavalom-pirenena ny fampiadiana ny samy Malagasy, noho ny resaka politika, ny fanakalozana ny tsikalakalam-pihavana amin’ny tsikalakalam-bola, ny fanimbazimbana ny soatoavina ka tsy isian’ny fifanajana intsony eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, ny mpitondra sy ny vahoaka, ny mpitantana sy ny entina, ka namotika ny fiarahamonintsika.

Noporofointsika anefa fa azo ovaina izany ary azo resena izany.

Aoka ho saropiaro amin’ny fiarovana ny zava-bita hoy aho satria ny tsy fisian’ny fitohizan’ny fampandrosoana no mampihemotra hatrany ny firenentsika tao anatin’ny ampolo taona maro.

Noresentsika tamin’ny fandeferana sy ny falem-panahy ny asa fanakorontanana sy ny fanembatsembanana rehetra izay nosendraintsika miaraka.

Tsy mora ny miatrika an’ireny :

- ireo olana novolena novahana

- ireo olana nolovaina nosahanina

- ny faharavan’ny foto-pisainana natrehina

- ny hoavy ihany koa anefa tsy maintsy notsinjovina

Tsoriko etoana ry Vahoaka Malagasy, fa noho ianao, noho ny tombontsoan’ireo valala tsy mandady harona ny soa iombonan’ny fiarahamonintsika dia ny “filaminana sy fitoniana” ireo no hery nanampy ahy hitandro ohatry ny anakandriamaso ny firaisampirenena sy ny filaminan’ny firenena.

Imbetsaka aho no nilaza fa mila miova toetsaina isika entintsika mampandroso an’i Madagasikara.

Toetsain’ny Vina Fisandratana hoy aho. Mila Gasy tena tia tanindrazana ity firenena ity

Mila fotoana ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena izay efa latsaka lalina loatra tao anatin’ny fahantrana.

 

Ry Malagasy mpiray Tanindrazana

Efa nijoro ho raiamandreny aho nandritra ny fotoana nitondrako ny firenena, ary mbola hijoro ho raiamandreny hatrany.

Noho izany dia nanapa-kevitra aho fa hijanona amin’izay maha raiamandreny ahy izay ka tsy hiandany amin’ny iray amin’izy mirahalahy mianaka hanao ny fihodinana faharoa

Maniry aho noho izany mba hitondra filaminana sy fitoniana ho an’ny firenentsika ity fifidianana fihodinana faharoa ho avy ity.

Niarahana nahita ireny tsy fahatomombanana rehetra nitranga tamin’ny fihodinana voalohany ireny, fanirian’ny Vahoaka Malagasy ny tsy hiverenan’ireny intsony amin’ny fihodinana faharoa koa manainga an’ireo tompon’andraikitra ary indrindra isika olom-pirenena hijoro ho saropiaro ka hiaro ny safidintsika.

Samia ho tahin’Andriamanitra Tompoko

 

 

(Lahateny nataony ny 30 novambra 2018)






Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

  • 29 Jun. 2019 - 08:15-

    Famatsiana rano. Miteraka olana hatrany ny famatsiana rano na eto Antananarivo ary. Araky ny seraseran‘ny kaominina Antananarivo renivohitra, "57% ny mponina eto Antananarivo dia zara raha afaka misitraka rano fisotro madio , misy ny tetikasa AEP (Adduction d’Eau Potable Antananarivo) entina hanatsarana izany, ka kasaina ho mponina miisa 2.400 000, manome ny 86% ny mponina eto an-drenivohitra no kasaina hisitraka izany ny taona 2022."

  • 29 Jun. 2019 - 06:30-

    CAN 2019. Le Mali a expulsé l'attaquant Adama Niane de son équipe pour indiscipline. "Adama Niane a été exclu du groupe Eagles pour non-respect", a déclaré le responsable des médias de l'équipe, Ibrahim Zie Coulibaly. Selon certaines informations, il aurait giflé un coéquipier lors d'une altercation au cours d'une file d'attente. La décision a été prise à la veille du match du groupe E de vendredi contre la Tunisie à Suez.

Du même auteur

newtech
culture

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité