logo
Lakroan'i Madagasikara
Mgr Ramaroson Benjamin Marc , c.m.

Ho Antsika mianakavy Oloraiky aty Antsiranana

Mgr Ramaroson Benjamin Marc , c.m. il y a 4 années

Voatendry handimby an'i Mgr Malo i Mgr Banjamin Marc Ramaroson. Hiasahana ny diosezin'i Antsiranana ary koa ny Arsidiosezy Avaratra. Misynyhafatra nampitain'ny ho an'ireo mpino handray azy.

 Ho Antsika mianakavy Oloraiky aty Antsiranana
Amin’izao fotoana anoratako ity taratasy ity izao, dia mahatazana ny sary vongan’i Fo Masin’i Jesoa sy sary vongan’i Masina Maria izay mijoalajoala eo ambony katedralin’i Farafangana aho, ary fantatro fa eo ambany fiarovan’ny Fo Masin’i Jesoa koa ny Arsidiosezintsika. Ao amin’Andriamanitra tokoa dia tsy misy ny kisendrasendra fa fandaharany ny zava-drehetra mba hahasoa antsika zanany ao amin’i Jesoa. Na dia eo aza ny elanelan-tany dia miombona ao amin’ny Fo Masin’i Jesoa tokoa isika ka izao tonombavaka izao dia iarahako amin’i Masina Maria Renintsika ary iangaviako izy hitondra ity hafatra ity any amin’Ilay Zanany nanaiky hiara-monina amintsika. Hitondra Fiadanana ho antsika mianakavy anie Izy amin’izao Noely sy Taom-baovao izao.
Mihaino vavaka Andriamanitra…
Raha nametra-pialana ny Zokibe Mgr MALO Michel fotoana vitsivitsy izay, dia niara-nivavaka isika. Misaotra an’Andriamanitra aloha amin’ireo soa sesehena natobany tamin’ny alalan’ity Mpanompony ity nandritra ny taona maro. Misaotra anao Baba e! Nitebiteby isika hoe iza no hisolo azy. Nitodika tamin’Andriamanitra, nivavaka isan’andro mba homeny Mpiandry Ondry. Tsy irery isika tamin’ireny vavaka ireny fa teo ireo Zoky Misionera (Monsegnera, Mompera sy Relijiozy lehilahy sy vehivavy), ireo Mompera Diosezianina nanolotra ny ainy ho an’ity diosezy ity, ary ireo lahika nafana fo rehetra. Sambatra isika manana azy ireo. Isika izao no « dimby » ka aoka ho mendrika ny lova napetrany amintsika. Nihaino ny vavaka nataontsika Andriamanitra ka misaotra Azy. Mitalaho ny Fahasoavany hatrany isika mba ho tantanany Ilay nofidiny hahafahany mitarika sy manentana ary mankahery antsika hivelona ny finoantsika, satria tsy noho ny fahamendrehany fa noho ny fitiavany no nifidianan’ny Tompo azy.
Isika tsirairay Eveka, Pretra, Relijiozy, Lahika… no mandrafitra ny Dosezy…
Araka ilay vavaka nataontsika tokoa, dia isika tsirairay no mandrafitra ny arsidiosezy. Ny maha diosezy ny diosezy dia isika rantsambatany. Isika no Fianakavian’Andriamanitra. Mila antsika pretra hanamasina azy ny arsidiosezy amin’ny alalan’ny fiainantsika sy amin’ny fizarazarana ny sakaramenta. Mila antsika relijiozy manolo-tena marina ka tokam-pilàna ao amin’i Kristy ny diosezy mba ho vavolombelon’ny fitiavany. Mila antsika lahika vavolombelona vonon-kamonjy ny hafa ny diosezy hanambara ny herin’ny fihavanan’Andriamanitra. Mila fikambanana Masina velona mampibaribary fa manan-karem-pahasoavana ny Fiangonana ka mizarazara izany amin’ny rehetra. Hoy i Md Vincent de Paul mananatra antsika : « Raha manao ny asan’Andriamanitra isika dia Izy no hanao ny asantsika »….Mahereza àry amin’izay adidy sy andraikitra tandrify antsika tsirairay avy ary mifanohantohanà sy mifanohintohinà satria Asa iray, Fanahy iray, Eglizy iray ary Arsidiosezy iray no tompointsika…
Tohizo ny vavaka fa izany no loharanom-pahasoavana
Maro ny manontany hoe rahoviana ny fahatongavany sy ny fametrahana azy ? Manambara ny fiahiantsika ny arsidiosezy izany. Tsara ny manambara amintsika fa ny 25 Janoary 2014, Fankalazana ny Fibebahan’i Md Paoly no voafidy hanatanterahana ny Eokarisitia Fametrahana. Dien’izao aho dia manasa antsika mba samy hiomana amin’ny fandraisana izany fahasoavan-dehibe izany amin’ny alalan’ny vavaka. Mampirisika antsika àry aho hiara-hientana isan’andro : any an-tokan-trano, any an-tsekoly, any amin’ny toeram-piasana, any am-piangonana hanao ilay vavaka fitalahoana ny Fiantsoan’Andriamanitra. Mbola misy fiomanana hafa fa io vavaka io no tena zava-dehibe satria Izy
Andriamanitra no loharanom-pahasoavana.
T s y i s i k a f a n y Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika…Eto am-panoratana izany rehetra izany aho dia mitamberina ato an-tsaiko ny resaka nifanaovako tamin’ny Nonce Apostolika raha niantso ahy izy. Tsy ela akory talohan’io resaka io aho no namelabelatra momba ny « eny » nataon’i Maria raha avy nandre ny hafatry ny Anjely izy. Nampifandraisiko tamin’izay nitranga tamin’i Md Piera rehefa nahita ny Tompo nandeha teny ambony rano io « Eny » nataon’i Maria io. Rehefa niangavy ny Tompo i Piera dia nasainy hanaraka azy teny ambony rano. Nefa rehefa nandroso kely izy dia raiki-tahotra ka niantso vonjy satria nihanilentika tsikelikely izy : « vonjeo fa maty aho… ». Izany koa no teny nolazaiko tamin’i Nonce : « vonjeo fa maty aho… »… Tsapako tokoa ny havesatry ny adidy miandry ahy. Na i Piera na i Maria dia samy nahatsapa koa fa tsy mora, ary mavesatra ny iraka napetrak’Andriamanitra tamin’izy ireo… Samy mahatsapa ihany koa isika mianakavy fa tsy vitantsika samirery ny miatrika an’ity arsidiosezy ity, hahatonga azy ho Fanjakan’Andriamanitra tokoa… Eo anefa ny Tompo. Tahaka ny nataony tamin’i Maria, tahaka ny nataony tamin’i Piera no ataony amintsika ankehitriny… Aza matahotra mirosoa hatrany ary mirosoa amin’ny lalindalina kokoa… Eto anivontsika tokoa ny Tompo. Izany no ankalazaintsika amin’ny Noely. Miredondredona ny hira sy ny fihetsika litorjika anambarantsika ny finoantsika fa Tonga nofo tokoa ny Tompo. Finoana velona ny fionoantsika ka entintsika amin’ny fiainana andavanandro. Ka na dia mafy aza ny onjam-piainana vokatry ny hetraketraky ny natiora, na dia mafy aza ny fiainana avy amin’ny toetsaina efa simba ka mila fibebahana, na dia mafy aza ny fiainana avy amin’ny vidim-piainana lanja miakatra isan’andro, na dia mafy aza ny fiainana vokatry ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana… Eto Amintsika tokoa ny Tompo (Emanoela) mitantana ny lakam-piainantsika Izy ka feno fanantenana hatrany isika…. Tahaka an’i Maria, tahaka an’i Piera dia aoka àry hatoky Azy isika ka hilaza Aminy hoe : « Tsy izahay fa ny fahasoavan’Andrimanitra miaraka aminay” ary « Fantatray ny nametrahanay ny fitokisanay dia i Kristy ilay tsy mivadika mandrakizay ». Io no teny faneva nofidiko hanentana ny arsidiosezintsika satria efa nanentana ahy hatramin’ny voalohany: « Tsy isika fa ny Fahasoavan’Andriamanitra miaraka amintsika… » Io koa no firariana atolotro antsika mianakavy amin’izao Noely sy Taom-baovao izao… Hiaraka amintsika hatrany anie ny Fahasoavan’Ilay Tonga Nofo ka hahafahantsika mianakavy mamakivaky an’ity taona 2014 ity ka ho 365 andron-jina sy androm-pahasoavana ho antsika tsirairay ny taona 2014. Hifampivavaka hatrany isika miaraka amin’i Masina Maria Renin’i Jesoa ka hahay hanatanteraka ny sitrapony. Matoky ny Fitiavan’ny Fo Masin’i Jesoa Mpiaro ny Arsidiosezy isika.
Anio 8 Desambra 2013 ‡‡
Mgr Ramaroson Benjamin Marc , c.m.
Arseveka voatendry Antsiranana

Ireo rohy mety hahasoa :
http://www.ecar-mada.mg/

http://www.ecar-mada.mg/diocese.php?diocese=antsiranana&archi=nord 

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité