logo
Lakroan'i Madagasikara
Sekoly katolika

Diplaoma katolika: CEPE, BEPC, Bacc, manomboka amin’ity taona ity

admin il y a 6 mois

Resadresaka nifanaovana tamin’i Mompera Jules Ranaivoson, sekretera jeneralin’ny Dinec, ary lahtsoratra navoakan'ny gazety Lakroan'i Madagasikara, laharana faha4123 tamin'ny alahady 7 aprily 2019 teo, no zaraina amintsika etoana.

Diplaoma katolika: CEPE, BEPC, Bacc, manomboka amin’ity taona ity

• Sehatra iasan’ny Fiangonana manerana ny Nosy ny Fanabeazana. Azonao omena tarehimarika sasantsasany mikasika ny sekoly katolika eto Madagasikara ve?

- Ny isan’ny sekoly katolika eto Madagascar (statistiques 2017-2018) dia toy ireto manaraka ireto : Préscolaire=478, Primaire=2089, Kolejy=359, Lycées=138. Ny isan’ny mpianatra ao amin’ireo dia mitsinjara toy izao : Préscolaire=73344, Primaires=372562, Collèges=149806, Lycées=69588. Ny isan’ny mpampianatra kosa dia : Préscolaires=2097, Primaires=9808, Collèges=6665, Lycées=3373. Ny isan’ny sekoly ambony dia 22


• Re tato ho ato fa hamoaka diplaoma CEPE, BEPC ary Bakalorea katolika ny Dinec. Azonao hazavaina misimisy kokoa ve ny momba izany?

- Araka ny hevitra tapaka nandritra ny Filankevitra nasionalin’ny Fanabeazana katolika izay notanterahana tany Antsiranana tamin’ny volana aogositra 2018 dia hanatanteraka fanadinana iombonana manerana ny Nosy ny Fanabeazana katolika ary ahazoana mari-pahaizana katolika izany dia ny CEPE, BEPC, Baccalauréat. Ireo mari-pahaizana ireo dia heverina fa manankery eo amin’ny sehatra katolika ary ilain’ireo sehatra manome lanja azy. Eo anatrehan’ny fanadinam-panjakana dia mijanona ho toy ny “examen blanc” ihany izany, saingy marihana amin’ny mari-pahaizana katolika.

 

Rahoviana no hanombohana an’izy io?

Amin’ity taom-pianarana 2018-2019 ity no hanombohana izany.


• Miohatra amin’ny fanadinam-panjakana, inona no lanjan’ireo diplaoma katolika ireo?

- Tsy mahasolo ny mari-pahaizana avy amin’ny fanadinam-panjakana ireo fa manan-kery kosa amin’ireo sehatra manome lanja azy, izany hoe manan-kery izy ho an’izay rehetra matoky ny Fanabeazana katolika.


• Ny eto amintsika ve no sambany hanao toa izao, sa efa misy hafa? Inona no anton’izany fanapahan-kevitra izany?

- Araka ny tsikaritra aloha dia sambany tokoa vao hanao toa izao ny ato amin’ny Fanabeazana katolika eto Madagasikara, ary tsy dia heverina ho zava-baovao be anefa izany fa maro ireo sekoly katolika eo anivon’ny diosezy tsirairay no efa manao examen blanc fa saingy samy manana ny azy sady tsy nasiana mari-pahaizana. Amin’ity indray mitoraka ity kosa dia sady fanadinana iombonana no ahazoana mari-pahaizana, anjaran’ny diosezy tsirairay ny mandamina ireo toerana hanaovana fanadinana sy miantoka ny fanatanterahana azy. Mivoaka avy ao amin’ny Foibe nasionalin’ny Fanabeazana Katolika ny laza adina ary ny diosezy no mitsinjara izany. Ny anton’izao fanapahan-kevitra izao moa dia ho fanomezan-danja ny Fanabeazana sy ny Fampianarana katolika aorian’ny ambaratonga vitan’ny mpianatra, sady hanehoana ny fiombonana sy ny firaisan-kina


• Hisy fampitoviana lenta takiana eo amin’ny fampianarana amin’ny samy sekoly katolika manerana ny Nosy, vokatry ny famoahana ireo diplaoma ireo. Azo antoka ve ny hahatratrarana izany?

- Koa satria laza adina mitovy no hanadinana ny mpianatra rehetra isaky ny ambaratonga, mazava ho azy fa hisy araka izany ny fampitoviana lenta takiana eo amin’ny fampianarana amin’ny samy sekoly katolika manerana ny Nosy. Ary ireo mpiara-miasa rehetra any an’ivon’ny diosezy dia hanaraka antsakany sy andavany ny fepetra rehetra hahatanteraka an’izany. Azo eritreretina tsara ny hahatratrarana izany raha jerena ny fiaraha-miasa hatramin’izay tamin’ny fanatanterahana ny ezaka maro iombonan’ny Fanabeazana katolika eto amin’ny firenentsika. Mbola hisy koa ny fanombanana mialoha ny fanatanterahana izany mandritra ny Seminera Nasionalin’ny Fanabeazana Katolika eto Madagasikara izay hotontosaina ny 20 mey ka hatramin’ny 24 mey 2019 any Antsirabe.


• Azonao omena kosa ve ny taham-pahombiazan’ny mpianatra amin’ny sekoly katolika amin’ny ankapobeny amin’ny fanadinam-panjakana?

- Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny 75% eo ho eo ny taham-pahombiazan’ny mpianatra amin’ny sekoly katolika amin’ny fanadinam-panjakana. Ny sekoly katolika eny andrenivohitra dia saika mihoatra ny 80% ny taham-pahombiazana fa ny any ambanivohitra no somary latsaka kokoa.

•Inona no heverinao fa tena olana eo amin’ny fanabeazana manerana ny Nosy? Inona kosa ny olana ho an’ny fanabeazana any amin’ny sekoly katolika manokana?

 - Ny tena olana eo amin’ny fanabeazana manerana ny Nosy dia ny tsy fahampian’ny mpanabe afaka manabe araka ny tokony ho izy, indrindra hatramin’ny taona 2003 no ho mankaty, satria olona tsy manana ny fahaiza-manao amin’ny fanabeazana no nantsoina hanabe. Manampy trotraka izany koa ny fahantrana sy ny toetsaina tsy te hivoatra eo amin’ny ankamaroan’ny ray aman-dreny niteraka. Ny fihazakazaky ny fandrosoana ihany koa etsy ankilany dia misarika ny mpianatra tsy hifantoka amin’ny fianarana.

- Raha ny sekoly katolika manokana no jerena dia mbola olana goavana ihany koa ny fahantrana na ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny niteraka.

• Manao ahoana àry ny endriky ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny Fitondrana (amin’ny alalan’ny Minisitera misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana) sy ny Dinec amin’ny fametrahana ny rafi-pampianarana sy fanabeazana mahomby?

- Amin’ny fametrahana ny rafi-pampianarana sy fanabeazana mahomby dia tsy maha afa-po loatra ny fifanakalozan-kevitra noho ireto antony manaraka ireto : ny fiantsoana tampotampoka izay tsy ahafahana mandamina fotoana, ny tsy fandraisana ny soso-kevitra natolotra hatrany am-piandohana, ny fakan-kevitra voalaza fa notanterahana nefa tsy tafapaka hatrany ifoton’ny fanabeazana katolika. Raha fintinina ny tena fototr’olana dia ny tsy fampiharana araka ny tokony ho izy ny fiaraha-miombon’antoky ny miankina sy ny tsy miankina.


Nanangona : Razafimamonjy Noro Hanitra

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 16 Oct. 2019 - 09:10-

    Catéchisme aux Philippines. Le gouvernement philippin a décidé d’introduire l’enseignement de la religion catholique dans les écoles publiques de l’archipel. Une initiative saluée par l’épiscopat local.

  • 16 Oct. 2019 - 08:00-

    Lozam-pifamoivozana teny amin'ny RN4. Nijanona nanampy ary nitondra ireo maratra mafy ao Maevatànana ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA ny 15 oktobra raha nahita lozam-pifamoivozana tamin'iny lalam-pirenena faha efatra iny. Mpilalao basket avy any Mahajanga ireto niharam-boina ireto ary fa tsy nisy ny aina nafoy.

  • 15 Oct. 2019 - 12:15-

    Programme du championnat national basketball U18. Au gymnase couvert :

    08h00: AKAMASOA Analamanga # SERASERA Vakinankaratra (F)

    09h30: COSPN2 Atsinanana # TAMIFA Amoron'i Mania (F)

    11h00: ASCUT Atsinanana # FANDRASA Haute Matsiatra (F)

    12h30: FFPRO BCTM Vakinakaratra # ASCUT Atsinanana (G)

    14H00: DCA Diana # ASBM V7V (G)

    15H30: ASE Atsimo Andrefana # MFB-BBCM Menabe (F)

    16h30: FANDREFIALA Analamanga # FFPRO BCTM Vakinakaratra (F)

    18h00: SGPI Sava # SERASERA Vakinankaratra (G)

    19h39: TBC Atsimo Andrefana # AS FANANOLAHY Atsimo Atsinanana (G)

  • 15 Oct. 2019 - 07:50-

    Démission de Domenico Giani. Le Pape accepte la démission du commandant de la gendarmerie vaticane faisant suite à la diffusion illicite d’un communiqué signé par le commandant de la gendarmerie vaticane au sujet de la suspension « par précaution » de plusieurs employés du Vatican. Le Pape François apprécie un geste «qui lui fait honneur».

  • 14 Oct. 2019 - 07:22-

    14 octobre 1958 Proclamation de la République malgache. « En vertu des pouvoirs donnés à notre Congrès par l'article 76 de la Constitution française et l'article premier de l'ordonnance du Général de Gaulle, j'ai l'honneur de proclamer que Madagascar est un Etat et que cet Etat est une République dans la Communauté prévue par la Constitution du 4 octobre 1958 » telle est la proclamation effectuée par le Président Zafimahova, président du Congrès des assemblées provinciales, le 14 octobre 1958, à 10h 50. Le Congrès a approuvé la proclamation de la République malgache par 208 voix pour, zéro contre et 26 abstentions, 6 membres étant absents.

  • 11 Oct. 2019 - 13:34-

    Prix Nobel de la Paix 2019. Le prix Nobel de la paix 2019 a été attribué ce 11 octobre au Premier ministre éthiopien Abiy Ahmed Ali pour son travail important en faveur de la réconciliation, de la solidarité et de la justice sociale. Le prix vise également à reconnaître l'ensemble des acteurs œuvrant pour la paix et la réconciliation en Éthiopie et dans les régions de l'Afrique de l'Est et du Nord-Est. Abiy Ahmed Ali a lancé des réformes importantes qui donnent à de nombreux citoyens l'espoir d'une vie meilleure et d'un avenir meilleur. Le Comité Nobel norvégien estime que les efforts d'Abiy Ahmed méritent aujourd'hui d'être reconnus et méritent d'être encouragés.

  • 10 Oct. 2019 - 13:44-

    1468 médecins. Le Président de la République Malgache, Andry Rajoelina s’est participe à la 6ème conférence de reconstitution du Fonds mondial de lutte contre le sida, la tuberculose et le paludisme. Il a déclaré que "le pays manque cruellement d’infrastructures médicales et celles qui existent sont vétustes. Avec seulement 2 lits d’hôpitaux pour 10.000 habitants, les malades doivent parcourir de longues distances pour atteindre un centre de santé. Par ailleurs, nous comptons 1.428 médecins sur l’île, soit 8,6 médecins pour 100.000 habitants en zone urbaine, et 1 médecin pour 350.000 habitants en zone rurale."

  • 09 Oct. 2019 - 08:40-

    Résultats du championnat national U16 garçons et filles. Voici les résultats du mardi 8 octobre :

    TERRAIN N°01

    (F) SEPA BONGO(27) # SBBC(17)

    (G) FBCA(40) # DTSC(70)

    (G) FANDRASA(64) # 2BC(73)

    (F) ASLFA(46) # JCBA(40)

    (G) BCF A/M(59) # ASCUT(56)

    (G) ASBM(47) # BCTAM(78)

  • 09 Oct. 2019 - 08:10-

    Administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Le pape François vient de nommer Mgr Benjamin Ramaroson comme administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Suite à cette nomination il adresse le message suivant : "Je confie cette nouvelle mission très lourde pour moi à vos prières, mais comme souligne l’homélie du dimanche dernier, apprenons à dire oui avec une foi même très petite comme un grain de moutarde nous pourrons déplacer une montagne. Implorez avec la Ste Vierge cette foi minime. Union de prières avec Marie Mère de Dieu et avec Bx Lucien Botovasoa."

  • 08 Oct. 2019 - 10:19-

    Organisation du Baccalauréat deuxième session. Selon Blanche Richard, Ministre de l’enseignement supérieur et de la recherche scientifique, les concepteurs des sujets du baccalauréat deuxième session exceptionnelle sont entrés en conclave depuis ce 7 octobre 2019. Si pour la conception des sujets d’une session de baccalauréat ordinaire il faut 40 jours pour le faire cette fois-ci les concepteurs doivent rédiger les sujets dans l’urgence pour être prêts disponibles le 23 octobre 2019.

  • 08 Oct. 2019 - 10:11-

    Baccalauréat deuxième session. Le président de la République lors de son intervention télévisée a expliqué qu’une deuxième session du baccalauréat sera organisé. Cette 2ème Session dite ‘deuxième session exceptionnelle’ sera organisée du 23 au 26 octobre 2019 sur tout l’ensemble du territoire malgache. Tous les candidats et candidates recalés qui ont été présents lors de la session du 30 septembre pourront participer à cette deuxième session.

  • 08 Oct. 2019 - 07:43-

    Le MEDEF à Iavoloha. Le Président Andry Rajoelina a reçu une délégation du Mouvement des Entreprises de France (MEDEF) ce 7 octobre 2019 au Palais d'État d'Iavoloha. Le Chef d'État a rassuré les représentants du MEDEF sur les efforts fournis par l'État malagasy pour la sécurisation des investissements et la mise en place de cadres juridiques stables. Ceci se traduisant par la lutte contre la corruption, la simplification des procédures et plus de transparence. Ce déplacement fait suite à la visite officielle du Président de la République en France au mois de mai dernier.

  • 07 Oct. 2019 - 09:15-

    Feon'i Lakroa. Rohy hanarahana ny fandaharana Feon'i Lakroa, vokarin'ny gazety Lakroa, gazetin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandeha ny 1 oktobra 2019 https://youtu.be/_GrIpKvZ4EI

  • 07 Oct. 2019 - 08:52-

    Demande du Pape François. Le pape François demande aux baptisés de prier pour le Synode sur l’Amazonie, « événement ecclésial important », qui s’est ouvert ce 6 octobre 2019. Lors de l’angélus place Saint-Pierre, après la messe d’inauguration du Synode, le pape a souhaité « qu’il soit vécu dans la communion fraternelle et dans la docilité à l’Esprit Saint ».

  • 07 Oct. 2019 - 07:47-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa.

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa. Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, dia evekan’Ihosy ary filohan’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny asa fanirahana ataon'ny lahika.    https://www.lakroa.mg/item-1907_articles_dossier_18-lahateny-nataonai-fulgence-razakarivony-ms-fiarahabana-ny-papa-fransoa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:02-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa, teny nentin’i Vavy Elyssa. Nekendraza, tanora vavy 21 taona avy ao amin’ny diosezin’i Maintirano, no nisolotena ny tanora vavy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony : https://www.lakroa.mg/item-1904_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-vavy-elyssa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:01-

    Fihaonan'ny tanora tamin'ny Papa Fransoa, teny nentin’i Rova Sitraka. Rova Sitraka Ranarison, tanora lahy 27 taona avy ao amin’ny disitrikan’Ambatolampy, no nisolotena ny tanora lahy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony. https://www.lakroa.mg/item-1903_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-rova-sitraka.html

  • 04 Oct. 2019 - 06:59-

    Des urgences. Le Conseil du gouvernement du mercredi 2 octobre 2019  au Palais d’Etat de Mahazoarivo nous indique certaines urgences.

    Ministère de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche. Accord pour la demande de dérogation à titre exceptionnel sur le délai de publication de l’avis d’appel d’offres relatif à la fourniture et livraison de 3000 tonnes de dolomie pour la Direction d’Appui à la Production Végétale (DAPV).

    Ministère de l’énergie, de l’eau et des hydrocarbures. Accord pour la demande de dérogation pour tous les travaux en adduction d’eau potable à réaliser dans le cadre du PIP 2019.

    Ministère de la communication et de la culture. Accord pour la réduction du délai de publicité d’avis d’appel d’offre en passation de marché concernant les travaux de réhabilitation.

  • 02 Oct. 2019 - 09:57-

    Fête de saint François. Le pape François participera à une célébration de la Création qui se tiendra dans les jardins du Vatican le jour de la Fête de saint François le 4 octobre 2019, à 12h30, indique le Saint-Siège trois jours plus tôt. A cette occasion, le Synode pour l’Amazonie (6-27 octobre) sera consacré au Poverello d’Assise.

  • 27 Sep. 2019 - 07:47-

    Nomination du nouveau directeur de Cabinet civil de la Présidence. Le Conseil des ministres qui s’est tenu au Palais d’Ambohitsorohitra (et non d’Iavoloha) le mercredi 25 septembre 2019, sur proposition du Président de la République a approuvé la nomination de Ranoromaro Lova Hasinirina, au poste de directeur de cabinet civil de la Présidence.

Du même auteur

religion
musique

Dans la même rubrique

education
education
Publicité