logo
Lakroan'i Madagasikara
Tontolo politika

“Tsy afaka mijanona anaty antoko hanjakan’ny kolikoly aho” hoy Randriamandimbisoa Félix

Rakotoson il y a 5 mois

 “Tsy afaka mijanona anaty antoko hanjakan’ny kolikoly aho” hoy Randriamandimbisoa Félix

Iray amin’ireo kandida milatsaka amin’izao fifidianana depioten’i Madagasikara i Randriamandimbisoa Félix Marie Louis Raha ny anarany dia nifamatotra hatrany tamin’ny antoko TIM. Efa indroa voafidy depiote ny tenany ary tanatin’ny antoko TIM hatrany. Ary nandritra iny fotoam-piasana farany iny aza dia izy no filohan’ny vondrona parlemantera TIM. “Vavolombelona izany nahavoatendry ahy ho filohan’ny vondrona parlemantera fa natokisana aho. Nahazo fahatokisan’ny depiote namana ary indrindra nahazo fatokisan’i Marc Ravalomanana filohan’ny antoko Tim” hoy Randriamandimbisoa Félix Tsy vitan’ny nametrahana fitokisana ity mpanao politika ity nandritra ny fotoam-piasana fa mbola isan’ny nitarika ny hetsika rehetra. Tazana izy nandritra ny hetsika nafana tena amin’ny kianjan’ny 13 mey, hetsika notarihan’ireo depiote miisa 73 ka nahatonga niantsoana ny hetsika ho hetsika D73. Tazana saika isan’andro lohalaharana miaraka amin’ny vahoaka namakivaky dia antongotra ny tananan’Antananarivo avy any Anosibe ary mandalo an’Anosy hatreny amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Tsiahivina fa depioten’ny boriborintany fahaefatra ny tenany.

Ankehitriny anefa raha milatsaka depiote izy dia anatin’ny lisitra Dinike. Nanaitra izany. Nohazavainy fa ny ao anatin’ny vondrona Dinike dia ireo niara-dalana tamin’ny Tim-K25 nandritra ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo. “Tsy afaka mijanona anatin’ny antoko anjakan’ny kolikoly aho” hoy i Randriamandimbisoa Félix raha nanontaniana nahoana izy no tsy nijanona ao anatin’ny antoko TIM.

Raha hiverenana ny tantara dia nasiana fifanintsanana tao anatin’ny antoko Tim mba hanendrena izay ho kandida isaky ny fari-pifidianana, io ilay antsoina hoe primaire. Tsy lany tao amin’ny fari-pifidianana boriboritany fahaefatra ao Antananarivo-Renivohitra i Randriamandimbisoa Félix. Mba samy taitra avokoa izay nandre ny vokatra. Marihina fa tsy i Felix irery no tsy lany tamin’ireo depiote Tim nandritra izany fifanintsanana izany. Misy tamin’ireo tsy lany ireo no nijanona anaty antoko Tim, ao ireo nilatsaka na anaty vondrona politika vaovao na nirotsaka amin’ny anaran’ny tenany (indépendant  hoy ny fiteny mahazatra).

Raha ny momba ny tsy nahalany an’i Randriamandimbisoa Félix manokana dia nahitsy ny fanazavan’ity mpanao politika ity. “Nanjakan’ny kolikoly ny fifidianana fanendrena ny kandida tao anaty antoko” hoy Randriamandimbisoa Félix Marie Louis Nosoritany fa tsy nampoiziny mihitsy izany tranga izany. Notambazana vola 50 000 ariary ny mpifidy 60 ka ny antsasany nomena alohan’ny fifidianana ary ny antsasany raisina aorian’ny fifidianana. Nampitahorina koa izy ireo raha sanatria tsy mandresy ny mpanome vola. Nambaran’i Randriamandimbisoa Félix tamin’ny mpanorina ny antoko izany zava-nisy izany fa tsy nisy fanapahan-kevitra hanova ny vokatra na fanasaziana. Nahatsiaro ny hetsika nataony i Randriamandimbisoa Félix ka nanapa-kevitra tsy hanaraka ny fitsipiky ny antoko ary nirotsaka amin’ny lisitry ny vondrona Dinike. “Tsy afaka mijanona anaty antoko hanjakan’ny kolikoly aho” hoy Randriamandimbisoa Félix hentitra nanazava ny safidiny.

Nanomboka teo dia mitety ireo vahoaka i Randriamandimbisoa Félix manazava izany safidiny izany. Miezaka maka ny fon’ireo olona sahiran-tsaina manoloana izany toe-javatra izany. Mila mahay mandresy lahatra i Randriamandimbisoa Félix. Tsapa ho sahiran-tsaina ny vahoaka. Io adin’ny samy zanak’i Dada io izao no mameno ny tambazotra sosialy. Tena mavaivay ny teny ifanakalozana. Sahala amin’ireny mpifankatia nisaraka ireny e. Mandritra izany fotoana izany dia mitazana fotsiny ireo kandida mpifaninana, mibitaka mihitsy azy ary mandrangitra. Toa manao hoe : “Aleo hifanintsana sy hifandreraka eo ireo”. Tsapa miasa mafy i Randriamandimbisoa Félix Marie Louis tsy ankijanona ny fitetezany an’ireo fokontany sy ny sokajin’olona toy ny mpanasa lamba. Mizara fitaovana toy ny kovety ho azy ireny. Mbola tsy ao anatin’ny fampielezan-kevitra isika izao. Azo antoka fa hafana araka izany ny fampielezan-kevitra ao amin’ny boriborintany fahaefatra, indrindra mandre ny fanakanana ankolaka ataon’i Marc Ravalomanana tsy ampiasa ny hira faneva na ny anarany. Atao ahoana ny hanafoana ny lasan’ireo mpitolona mafana fo ireo izay nisalotra ny akanjon’ny TIM ary nisotro ny aleoko maty tamin’izany fotoana izany ankehitriny natao anjorom-bala ? “Sao mba diso adva ary ireo” hoy ny mpitazana ! Mankaiza? Mizotra amin'ny faharesena raha  izao zotra arahana izao.

Samia velon’aina hanaraka ny tohiny.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

  • 06 Sep. 2019 - 12:00-

    Homélie du Pape François. « L’équité de la violence est toujours une spirale sans fin ; et son coût est très élevé. Nos peuples ont droit à la paix. Vous avez droit à la paix ! », lance le Pape François lors de la messe au stade de Zimpeto à Mozambique.

  • 06 Sep. 2019 - 09:46-

    Lalana tapahana. Toa izao ny fandaminana sy fandrindràna ny fifamoivoizana mandritra ireo andro hivahinianan’i Papa Fransoa eto Madagasikara anio 6 septambra : ho tapaka ireo làlana amin’ireto faritra ireto : Aéroport Ivato sy ny manodidina, Aéroport sy Tsarasaotra hatrany Ivandry sy ny manodidina rehetra. Aza apetraka amin’ny sisin’arabe amin’reo lalana  ireo ny fiaranao fa ho batain’ny mpitandro filaminana. Ny mivezivezy na antongotra aza dia tsy azo hatao indrindra ny mihazakazaka. Tsy azo hatao koa ny mampiasa drone.

  • 06 Sep. 2019 - 09:45-

    Les différents offices liturgiques. Dans son programme du samedi 7 septembre le pape François priera avec les sœurs Carmélites durant l’Office du milieu du jour au monastère des Carmélites Déchaussées. C’est une occasion de rappeler les différents offices liturgiques : Vigiles, Office des Lectures, Laudes, office du matin, Milieu du jour ou Heure médiane, Vêpres, office du soir, Complies.

  • 06 Sep. 2019 - 08:50-

    Message du Pape François. Le Saint-Père a présidé une rencontre interreligieuse avec des jeunes, qui s’est déroulée dans un palais des sports de la capitale mozambicaine, le jeudi 5 septembre. Dans une ambiance joyeuse, reflétant la diversité ethnique et religieuse du pays, le Pape François a adressé aux jeunes des paroles d’espérance et d’encouragement, notamment pour construire la paix dans leur nation.

  • 06 Sep. 2019 - 08:26-

    Ministère de la Jeunesse et des sports. La première conférence des Ministres africains en vue de la mise en œuvre en Afrique du Plan d’action de Kazan suivie de la cérémonie de lancement de l’Alliance de Haut Niveau pour le sport et l’Education Physique en Afrique se tiendra à Antananarivo du 10 au 13 septembre 2019.

Du même auteur

religion
sport

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité