logo
Lakroan'i Madagasikara
Guy Maxime Ralaiseheno

Vonon-kiaro ny Lalampanorenana ary miantso ny mpifidy handray anjara

Razafindramanitra il y a 5 jours

Guy Maxime ? Fanampina anarana isan’ny fantatry ny olona raha ny fanampin’anarana Guy Maxime na dia toa nisy fotoana tsy tazana firy teo amin’ny tontolo politika aza izy. Isan’ny kandida amin’ny fifidianana depiote ny tenany. Inona no mbola manentana azy ? Tsy leo politika ve ? Araho ny resaka.

Vonon-kiaro ny Lalampanorenana ary miantso ny mpifidy handray anjara

www.lakroa.mg. Olona manao samboady no nosamborina teny Analakely. Tsy nanana antra. Izay no isan’ny sary mifantoka antsaina raha vao miresaka aminao. Ankehitriny mbola manao politika ianao tsy leo ve ianao Guy Maxime Ralaiseheno ?

GMHR. Tsiahiviko fohy ny nahatonga izany. Fanoherana ny fanitsakitsahana Lalampanorenana ny nandresy lahatra ahy ary nitarika an’ireo ben’ny tanana namana. Faharesen-dahatra fa manana ny marina, tsy fanekena ny fanitsakitsahana Lalampanorenana. Ireo no nahatonga ahy hihetsika. Fiarovana ny Lalampanorenana no nisedrako ny fonja. Tsy hanenenako izany. Tsy leo ve ? Tsy mahazo mijanona manoloana ny fanitsakitsahana Lalampanorenana izany ary ny traikefa tsy azo tehirizina anaty vata.

 

www.lakroa.mg. Raha faharoa anaty lisitra ve ianao afaka hiaro Lalampanorenana izany ?

GMHR Diso izany fijery izany. Tsy faharoa anaty lisitra ny tenako. Mila hazava amin’ny mpifidy ny zava-misy. Ohatra raisiko raha mahazo 60% ny lisitra misy ahy, azo tanterahina tsara izany, dia miara-lany izahay roa ao anaty lisitra. (TTF. Mila manazava tsara ny mahakasika ny fifidianana ity tokoa ny CENI).

 

www.lakroa.mg.Tena manjavozavo antsaina tokoa ity resaka lisitra ity fa mila entanina ny CENI hanazava azy. Milaza ianao fa ilaina zaraina ny traikefanao fa tsy tehirizina anaty vata. Mba hazavao indray hoe ?

 

GMHR Niainga tany ifotony ny fandraisako anjara eo amin’ny sehatra politika. Filoham-pokontany, lefitry ny lehiben’ny fokontany Ifarihy, ben’ny tanàna lefitra, ben’ny tanàna indroa ary voafidy ho filohan’ny ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara, mpanolotsaim-paritra sady mpitondra tenin’ny Faritra Analamanga, mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita… Misy traikefa azo tamin’izany  dingana rehetra izany indrindra ny resaka fitsinjaram-pahefana. Tsy afaka ny hitahiry an’izany anaty vata. Izay no mahatonga ahy hiaraka amin’ny kandida tanora ary vehivavy.

 

www.lakroa.mg. Raha izay traikefa izay inona no laharam-pahamehana atolotrareo ?

GMHR Ny voalohany amin’izany dia ny fandrafetanay tolo-dalana mikasika ny Tetibolam-panjakana. Ho anay dia tsy maintsy miainga avy aty ifotony ny fandrafetana izany tetibolam-panjakana izany. Jereo tsara anie fa ny 3%-n’ny tetibolam-panjakana ihany no miantefa amin’ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Voatery miandry ny sitrapon’ny mpitondra izany ny any ifotony. Rehefa tsy naman’ny mpitondra foibe izany dia tavela. Ary na miara-dalana amin’ny mpitondra aza dia mbola tsy azo antoka hahazo ara-potoana ny vola ilaina ny mpitantana kaominina. Kely no voatokana ho an’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana kanefa any ambony any dia vola amina miliara no verivery fotsiny izay tombanana ho 2000 lavitrisa na miliara ariary isan-taona, very amin’ny endriny maro tsy mitondra fampandrosoana.

Ankoatra io Tetibola miainga aty ifotony io dia eo ny resaka fananan-tany. Manana traikefa momba io izahay ary efa vonona sy masaka ny tolo-kevitray.

Ny resaka fitsinjaram-pahefana moa dia efa niainako nandritra ny mandat intelo nahaben’ny tanana ahy ny lesoka ka haiko tsara fa mitaky lalàna ny famahana olana, lalàna efa masaka aty aminay satria vokatra azo tamin’ny traikefa.

Santinonany ireo.

 

www.lakroa.mg. Na tsara aza ny hevitrareo tsy afaka mankaiza ny depiote tsy miankina fa voatery mifampiraharaha amin’ny depiote be an’isa. Ahoana ny amin’izay ?

GMHR Tsy miankina tokoa izahay. Ary raisinay ho hery izany. Ny hevitra atolotray dia azonay antoka fa afahanay mandresy lahatra ireo depiote hira-dalana aminay ary heverinay fa haharesy lahatra ny mpifidy izany rehefa tonga ny fotoana fampielezan-kevitra. FA marihiko tsara fa ankoatra ny fifidianana lalàna dia mavesa-danja ny fanaraha-maso ny asan’ny mpanatanteraka.

 

www.lakroa.mg. Hazavao bebe kokoa ?

GMHR Be loatra ny vola verivery fotsiny noho ny fitantanana goragora na tia tena ataon’ny mpanatanteraka. Jereo ireo subventioon zaraina etsy sy eroa, jereo ireo solika be lanin’ny mpitantana foibe isaky ny minisitera na any ankafa. Mila harahaina maso ireny rehetra ireny ary faranana. Manana adidy mavesatra amin’izany ny solombavam-bahoaka.

 

www.lakroa.mg. Ny hita hatreto dia tampenana malety ny mason’ny depiote ary voafatotr’izany avy eo. Ahoana hoy ianareo ?

GMHR Ny ady amin’ny kolikoly dia efa miroso. Efa nibaribary izany fomba ratsy izany. Tsy sarotra intsony ny miady amin’izany satria efa fantatra ny fomba ratsy. Ny tantaram-piainanay mpiray lisitra dia efa porofo fa tsy manaiky malety izany izahay na teo amin’ny sehatra politika na eo amin’ny sehatra mahampandraharaha anay. Efa toky mavesa-danja izany.

 

www.lakroa.mg. Malaza fa leo politika ny vahoaka. Ny fahitanareo izany ary ady hamehezana ny dinika ?

GMHR Ho ahy dia tsotra ny hafatro. Manana zo hifidy ny olom-pirenena. Tsy hoe tsy nifidy ianao dia tafakatra eo amin’ny fitondrana ilay tsara noheverinao. Samy mikatsaka ny tsara ny olona tsirairay, mahafaty ny fialana andraikitra ary fialana andraikitra ny tsy fifidianana. Mila mazava ao antsain’ny olompirenena izany. Adidy ny manaitra ny mpifidy ary izany no ataonay mandritra izao fotoana mialohan’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra izao. Jereo ny kandida isanisany safidio ary miresaha amin’ny kandida fa aza mitazana fotsiny. Ho fara-teny dia hoy izahay hoe “Fantaro izay tena vonona hiaro ny tombontsoan’ny daholobe”. Fantaro ohatra fa ny lisitra misy ahy dia Indépendant Ratsimba Christian Andomiray. Ny voalohany anaty lisitra dia Ratsimba Christian Ando Mireille Sylvia, ny mpisolo toerana dia Andrianasolo Rolland Michel Olivier, izaho Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime no faharoa anaty lisitra ary ny mpisolo toerana dia Ravaonirina Holisoa Hanitra Tatamo.

Mankasitraka.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 27 Mar. 2019 - 14:16-

    . Ho avy ny Papa. ny fanambarana ofisialy nataon'ny Nonce ny tolakandron'ny 27 Marsa teo fa ho avy hanatanteraka famangiana apostolika eto Madagasikara ny Papa Fransoa. Ny 6 sepitambra izy no eto hatramin'ny alahady 8 sepitambra. Feno 30 taona izao no nandalovan'ny Papa iray voalohany teto Madagasikara dia ny Papa Joany Paoly faha2 izany.


  • 06 Mar. 2019 - 07:23-

    Carême 2019. Le temps de Carême 2019 commence ce jour, Mercredi des cendres. Pour nous accompagner dans ce temps fort de notre foi voici deux liens :

    Message intégrale du Pape pour ce Carême 2019

    https://www.lakroa.mg/item-1640_articles_une_18-ala-craation-attend-avec-impatience-la-ravalation-des-fils-de-dieua-rm-819.html  

    Et une analyse succincte de ce message

    https://www.lakroa.mg/item-1641_articles_religion_18-se-convertir-pour-auvrer-a-la-rademption-de-la-craation.html


  • 31 Jan. 2019 - 06:49-

    Bilan provisoire global en date du 30 janvier 2019 à 18h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 27 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 4 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation, 4 morts d’un écroulement d’une maison) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 9 586 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 9 332 à cause de l’inondation) ; • 833 Déplacés actuels (451 dues au glissement de terrain et 382 à cause de l’inondation) ; • 2 462 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 944 à cause de l’inondation) ; • 1 778 Cases d’habitation inondées ; • 187 Cases détruites (7 dues au glissement et 83 dues à l’inondation).
    CECI EST LE DERNIER BULLETIN EN CE QUI CONCERNE L’INONDATION ET LE GLISSEMENT DE TERRAIN DE CES DEUX DERNIERES SEMAINES A MADAGASCAR. (Source : BNGRC, Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 29 Jan. 2019 - 07:10-

    Bilan provisoire global en date du 28 Janvier 2019 à 20h. Le bilan provisoire global après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» fait état de : • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement, d’une maison suite à l’inondation) ; • 1 Disparu (emportée par l’eau) ; • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ; • 8 466 Sinistrés (254 dues au glissement de terrain et 8 212 à cause de l’inondation) ; • 1 934 Déplacés actuels (450 dues au glissement de terrain et 1 484 à cause de l’inondation) ; • 2 304 Déplacés cumulés (518 dues au glissement de terrain et 1 786 à cause de l’inondation) ; • 1 603 Cases d’habitation inondées ; • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation.

  • 28 Jan. 2019 - 07:43-

    Bilan provisoire global en date du 27 janvier 2019 à 19h. Voici le bilan après les « Fortes pluies » et « Tempête Tropicale Modérée EKETSANG» qui fait état de :
    • 21 Décédés (18 à cause du glissement de terrain, 2 morts par noyade, 1 mort d’un écroulement d’une maison suite à l’inondation) ;
    • 1 Disparu (emportée par l’eau) ;
    • 3 Rescapés (suite au glissement de terrain) ;
    • 8 031 Sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 7 830 à cause de l’inondation) ;
    • 1 236 Déplacés actuels (134 dues au glissement de terrain et 1 102 à cause de l’inondation) ;
    • 1 605 Déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 1 404 à cause de l’inondation) ;
    • 1 603 Cases d’habitation inondées ;
    • 62 Cases détruites (7 dues au glissement et 55 dues à l’inondation). (Source : Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation).

  • 25 Jan. 2019 - 11:26-

    Nominations lors du Premier Conseil des ministres. Ce jeudi 24 janvier, après la nomination du nouveau gouvernement, le Président Rajoelina, a présidé le premier conseil des ministres au Palais d’Etat d’Iavoloha.
    Décret abrogeant le décret n°2016-140 du 02 mars 2016 et portant nomination de Madame ANDRIAMBALO Lala Ratompoalizo, Directeur du Protocole d’Etat auprès de la Présidence;
    Décret portant nomination de Ramaholimasy Holder, Directeur Général de la Présidence en charge des Affaires Politiques;
    Décret portant nomination de Andriamanananoro Augustin, Directeur Général de la Présidence en charge des Projets;
    Décret portant nomination de Sahondrarimalalala Marie Michelle, Directeur des Etudes Juridiques de la Présidence;
    Décret portant nomination de Raharinosy Jimmy, Directeur des Systèmes d'Information.
    Lalatiana Raktotondrazafy est le porte-parole du gouvernement

  • 24 Jan. 2019 - 07:49-

    Bulletin flash du 23 janvier. Bilan provisoire global en date du 23 Janvier 2019 à 18h transmis par le Centre d'Etudes de Réflexion de Veille et d'Orientation. Le bilan provisoire global fait état de : 16 décédés (15 à cause du glissement de terrain et 1 mort par noyade) ; 4 disparus (3 à cause du glissement de terrain et 1 emportée par l’eau) ; 3 rescapés (suite au glissement de terrain) ; 5 763 sinistrés (201 dues au glissement de terrain et 5 562 à cause de l’inondation) ; 503 déplacés cumulés (201 dues au glissement de terrain et 302 à cause de l’inondation) ; 1 588 cases d’habitation inondées ; 31 cases détruites (7 dues au glissement et 24 dues à l’inondation).

  • 24 Jan. 2019 - 06:30-

    IML - Le lancement officiel de l’Institut Malagasy de Leadership (IML) s’est tenu le 17 janvier 2019 au Carlton Antananarivo. IML a été créé avec la collaboration entre le Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques (CEDS) et l’Institut d’Etudes Politiques (IEP, pour que les dirigeants puissent mener sans failles avec courage l’envie de réussir ensemble en servant le bien commun. La formation est destinée à toutes les personnes qui cherchent à mieux se préparer pour diriger les secteurs économiques et administratifs tant au niveau national qu’international. IML offre deux sessions pour l’année 2019, une en mars et l’autre en octobre.

  • 22 Jan. 2019 - 14:46-

    Le staff du PRM Rajoelina. Rajoelina Andry Nirina, a tenu son premier conseil des ministres restreint, ce lundi 21 janvier 2019 au Palais d’État d’Iavoloha. Il a nommé ses proches collaborateurs. Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald a été nommé Secrétaire général de la Présidence. Andriamaholy Onjaniaina Dina est nommé au poste Secrétaire Général Adjoint de la Présidence. Et, Delmotte Stéphanie a été nommée Directeur de Cabinet civil de la Présidence. On attend donc les autres membres entre autres le directeur de cabinet militaire,  le directeur administratif et financier…

  • 22 Jan. 2019 - 14:45-

    Reconduction du PM Christian Ntsay. Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République, les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de NTSAY Christian Louis au poste de Premier Ministre. Aussi, Son Excellence Monsieur le Président de la République, Rajoelina Andry Nirina, a pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier ministre, Chef du Gouvernement, Monsieur NTSAY Louis Christian.

  • 21 Jan. 2019 - 15:57-

    Gouverneur de région ? Dans son premier discours après la prestation de serment ce 19 janvier, le président Andry Rajoelina a utilisé le mot “gouverneur” de région. On lit dans la Constitution que “La fonction exécutive est exercée par un organe dirigé par le Chef de Région élu au suffrage universel. Le Chef de Région est le premier responsable de la stratégie et de la mise en œuvre de toutes les actions de développement économique et social de sa région. Il est le Chef de l’Administration de sa région.” Première entorse devant le gardien de la Constitution ?

  • 21 Jan. 2019 - 15:34-

    10 décès au moins. Les pluies torrentielles tombées sur Antananarivo dans la soirée du samedi 19 janvier ont perturbé la fin des festivités de la prestation de serment du Président Rajoelina (fête à Mahamasina, feux d’artifices annulées). Mais plus grave, elles ont provoqué un éboulement en plusieurs endroits et plusieurs maisons ont été démolies. Plusieurs personnes ont été ensevelies sous les décombres. Plusieurs personnes ont été sauvées mais on déplore une dizaine de victimes. On compte au moins 10 personnes décédées et on craint que le nombre ira en croissant.

  • 19 Jan. 2019 - 11:48-

    Hevi-dehibe notsoahina tamin'ny lahatenin'ny filoha Rajoelina. Ezaka lehibe no atao momba ny famokarana ny herinaratra. Politikan’ny kibo velaran-tany hovolena, tsy hanafatra vary intsony. Hitsinjo sy hanampy ireo tena marefo efa eny ambony sambo ny vary tena mora ho zaraina sy hamidy mora. Asa fa tsy kabary. Hanangana sy hanorina tanana vaovao isika ho modely aty amin’ny ranomasina Indiana izay atomboka amin’ity taona ity ihany. Ho mpandresy amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Ampiray sy ampitambatra ny Malagasy aho. Tsy ny eto antananarivo ihany no hisitraka fa hapetraka ny fanamby fa hisitraka izany ny any amin’ny faritra. Apetraka ny governora hisolo ny lehiben’ny faritra. Izy ireo no hitarika ny asa goavana. Omentsika fitaovana manokana fanamboaran-dalana ny faritra rehetra. Ho lasa 23 ny faritra. Tsy ekeko ny gaboraraka. Tsy azo ekena ny fanaovana tolotrasa kanefa tsy  nisy asa notanterahina akory. Ady amin’ny kolikoly sy fitsarana marina tsy mitanila. Tsy ekeko ny fitsabahana amin’ny raharaha fitsarana.

    Tsy fandriampahalemana. Vahaolana koa ampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana. Ho vatsiana fitaovana mendrika manaraka ny toetrandro ny foloalindahy sy mpitandro filaminana. Handalo eto ny santionany amin’ny fitaovana tsy mataho-bala. Fankahalana fanaratsiana fisaraham-bazana hahilika izany.

  • 18 Jan. 2019 - 08:14-

    Passation à Iavoloha. Selon l’article 48 de la constitution “La passation officielle du pouvoir se fait entre le Président sortant et le Président nouvellement élu.” Il n’est nullement indiqué que c’est le président démissionnaire ou le président intérimaire. La passation se fera officiellemen ce vendredi 18 janvier. Selon la rumeur la passation se fera entre le président Rajaonarimampianina qui a démis de ses fonctions présidentielles en septembre 2018 et le président Rajoelina. Si cela se fera cela veut dire une passation des dossiers de janvier 2014 à septembre 2018. Qu’en sera-t-il des dossiers durant l’intérim ? Y aura-t-il une autre cérémonie de passation ce vendredi aussi ?


  • 09 Jan. 2019 - 08:42-

    Le FFKM présente ses vœux au Président de la République p.i. Les représentants du Conseil Chrétien des Eglises (FFKM), sont venus présenter les vœux de nouvel an au Président de la République p.i, Rivo Rakotovao, au palais d’Ambohitsorohitra, le 8 janvier 2019. Le Président en exercice de la FFKM a évoqué lors de la rencontre l’importance de la période que traverse le pays à l’heure actuelle, et n’a pas manqué de souligner l’union dans la prière pour la marche du pays ; il a aussi mis en relief la noble mission et les responsabilités qui incombent au Chef de l’Etat, Rivo Rakotovao, et invoqué la bénédiction divine à son endroit ainsi qu’à sa famille.

  • 07 Jan. 2019 - 14:16-

    Jours fériés de 2019. Mardi 1er Janvier, Vendredi 8 Mars : Journée de la Femme. Vendredi 29 Mars : Jour des martyrs 1947. 21 Avril : Pâques ; 22 Avril : Lundi de Pâques. Mercredi 1er Mai : Fête du travail. 30 Mai : Ascension. 4 Juin : L'Aïd el Fitr. 9 Juin : Pentecôte ; 10 Juin : Lundi de Pentecôte. 26 Juin : Fête de l'Indépendance. 11 Aout : L'Aïd el kebir ou Aïd-al-adha. 15 Août : Assomption. Vendredi 1er Novembre : Toussaint. 25 Décembre : Noël.

  • 05 Jan. 2019 - 09:59-

    Différents cas d’annulation d’une élection. Suivre les liens

    http://www.lakroa.mg/item-1607_articles_monde_18-la-cour-suprame-annule-laalection-prasidentielle.html


    http://www.lakroa.mg/item-1608_articles_monde_18-annulae-a-cause-daune-utilisation-abusive-de-facebook.html

  • 04 Jan. 2019 - 07:17-

    Résultats officiels le 8 janvier. La HCC, Haute Cour Constitutionnelle, dans un communiqué publié sur son site fait savoir la date de la proclamation officielle des résultats. La HCC procèdera à la proclamation officielle du second tour de l’élection présidentielle le mardi 8 janvier 2019 à 15 heures. La cérémonie aura lieu à la salle de proclamation du Palais d’Etat d’Ambohidahy. Pour la la HCC, s’applique de facto l’Article 61 de la Loi organique N°2018-009 relative à l’élection du Président de la République qui dit que la HCC procède à la proclamation officielle des résultats définitifs dans un délai de neuf (9) jours à partir de la date de publication des résultats provisoires par la CENI.

  • 02 Jan. 2019 - 12:49-

    Sainte et heureuse année 2019. Nous vous envoyons des étoiles de Paix, de solidarité, de Vérité et d’Amour pour qu’elles illuminent votre vie toute l’année 2019. toute l'équipe de www.lakroa.mg nous vous offrons comme menu au quotidien pour les 365 jours : "De belles coupes de sourire, Quelques éclats de rires, Une grande cuillerée de gentillesse, Quelques grains de tendresse, Une bonne pincée d’affection, Des poignées d’or et d’argent, Un maximum de réussite, Saupoudrer de gaïté, Faire mijoter avec douceur, Servir joyeusement."

Du même auteur

politique
newtech

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité