logo
Lakroan'i Madagasikara
Banky Iraisam-pirenena

Madagasikara no firenena notsidihan'i Malpass, filoha vaovao

Recueilli par JRR il y a 3 mois

I Madagasikara no firenena voalohany notsidian’i Malpass, Filohan'ny Banky Iraisam-pirenena, filoha vaovao nanomboka ny fiandohan’ny volana aprily ity. Tahaka izao no fampitam-baovao avy amin’ny seraseran’i Fiadidian’ny Repoblika. Isan’ny tsy mazava ato ny hoe vola nomena ahoana moa ? Fanomezana maimaim-poana sa fampindramam-bola ?

Madagasikara no firenena notsidihan'i Malpass, filoha vaovao

Fitsidihan'ny Filoham-pirenena sy ny Filohan'ny Banky Iraisam-pirenena tao Soavina Betafo: "Tetikasa maro mitondra fampandrosoana maharitra eny ifotony"

Tonga nitsidika ireo tetikasa maro vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola tao amin'ny kaominina Soavina, Distrikan'i Betafo Antsirabe, ny Alatsinainy 29 Aprily maraina ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, niaraka tamin'ny Filohan'ny Banky Iraisam-pirenena Atoa David R. Malpass. Firenena voalohany notsidihan'ny Filoha vaovaon'ny Banky Iraisam-pirenena, i Madagasikara taorian'ny nandraisany izany andraikitra izany tamin'ny 5 Aprily lasa teo. Ny tanjon'izao fidinana ifotony izao dia ny ihaonana tamin'ireo mpisitraka mivantana sy ny mpahazo tombontsoa tamin'ny tetikasa ho entina manatsara sy manampy amin'ny ho avy.

Anisan’ireo tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena eto amintsika ny fanampiana amin’ny fanjarian-tsakafo, indrindra ho an’ny zaza, sy fanampiana ireo fianakaviana marefo amin’ny alalan’ny vatsin’ankohonana. Ao amin’ny kaominina Soavina dia napetraka ny Toby andraisana ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny reny bevohoka, izay itiliana ny fitombon'ny zaza sy hanomezana fanampiana ara-tsakafo sy fitsaboana ara-pahasalamana. Misy ny mpitsabo sy olona efa voahofana manokana nataon'ny Ministeran'ny Fahasalamana amin'izany Toby izany. Ny tetikasa "Fanjarian-tsakafo sy Fahasalamana Ifotony" (FAFY) dia efa miparitaka manerana ny Nosy, amina Faritra 8, ary ao amin'ny Commune Soavina Betafo no anisan'ny lehibe indrindra, ary vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola mitentina 200 tapitrisa Dollars ao anatin'ny 10 taona hatramin'ny 2028. Ny vatsin'ankohonana hoy ny Filoha Rajoelina, dia tetikasa tena ilaina mba hampandrosoana ny vahoaka eny ifotony, mba hisorohana ny fahamaroan'ny zaza maty nohon'ny valan'aretina sy ny tsy fanjarian-tsakafo. Ary ny fanampiana ara-tsakafo sy ara-bola ny fianakaviana maro dia ho tohizana amin'ny Faritra maro eto Madagasikara, hoy izy, satria hanohy ny famatsiana ara-bola ny Banky Iraisam-pirenena nohon'ny famatoran'ny fiarahamiasa sy ny fitantanana ataon'ny Tomponandraikitra Malagasy isan-tsokajiny.

Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana dia misy ihany koa ny famatsiam-bola nomen'ny Banky Iraisam-pirenena izay mitentina 100 tapitrisa Dollars mba hananganana sekoly manerana an'i Madagasikara, ka ny EPP Soavina Betafo no anisan'ny hisitraka izany voalohany. Ho hatsangana ihany koa ny CEG agricole, na sekoly ambaratonga faharoa hiompana amin'ny fanofanana momban'ny fambolena sy ny fiompiana mba ho afaka hihary sy hahita asa mahavelona rehefa tsy tafavoaka amin'ny fianarana fahalalana ankapobeny. Hisy ihany koa ny fanampiana avy amin'ny Filoha mba hanatsaràna ny vokatry ny fambolena mba entina hanohanana ny Cantine scolaire ao amin'ny sekoly. Izany dia tafiditra ao anatin'ny tetikasa Fihariana hoy ny Filoha, ka ho tohanana ara-bola manokana ny tetikasa rehetra izay mety hitondra soa ho an'ny fiarahamonina sy ny toekarena ka 1 tapitrisa Ariary hatramin'ny 20 tapitrisa Ariary no hatokana isaky ny tetikasa manomboka amin'ny Volana May izao izany.

Nojeren’ny Filoham-pirenena sy ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena ihany koa ny fivoarana vita tao an-toerana mikasika ny fananan-tany sy ny titra ary ny kara-tany izay efa voarakitra ao amin'ny kaominina ary efa voatily amin'ny tekinolojia moderina toy ny « satellite » sy ny solosaina izany. Hisy ny famatsiam-bola hatolotry ny Banky Iraisam-pirenena ho entina hikarakarana sy hanavaozana ny sehatry ny fananan-tany eto Madagasikara mba hanafoanana ny adi-tany, ary 500 no isan'ireo kaominina be mponina hisitraka izany famatsiam-bola izany mba hafahana mitily sy mizara ireo karatany, satria 250.000 ka hatramin'ny 2.500.000 ny isan'ny olom-pirenena tokony hahazo titra hatramin'ny 2022 ao anatin'ny tetikasa iarahana amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Efa mitsangana ao amin’ny kaominina Soaviana ihany koa ny "Projet de croissance agricole et de sécurisation foncière" (CASEF) Tetikasa fampiroboroboana ny fambolena sy fiarovana ny zo fananantany. Nilaza ny Filoha Andry Rajoelina fa hatao laharam-pahamehana ny fampiofanana ny mpamboly sy mpiompy, ary ho hampitomboina ny velaran-tany ho azo hambolena ary ho vatsiana fitaovana manara-penitra ny tantsaha malagasy izay 80% ny Malagasy. Ny Tanjona dia ny hitomboan'ny Vokatra mba hahatongavana any amin'ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ny fahafahana manondrana Vokatra mba hanatsarana ny varotra sy ny toekarena amin'ny ankapobeny. Raha nandray ny fitenenana ny Filohan'ny Banky iraisam-pirenena Atoa David R. Malpass dia nilaza fa faly tanteraka tamin'ny fandraisana am-pitiavana nasehon'ny Malagasy. Faly ihany koa izy nohon'ny fahavitrihana nasehon’ny Filoha Rajoelina hampandroso an'i Madagasikara sy manoloana ny vina entiny handresena ny fahantrana.

 

 

https://www.newsmada.com/2018/05/11/tetikasa-fafy-ampiarahina-ny-tolotra-fahasalamana-sy-fanjarian-tsakafo/ (Gazety Taratra 11/05/2018)



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

  • 29 Jun. 2019 - 08:15-

    Famatsiana rano. Miteraka olana hatrany ny famatsiana rano na eto Antananarivo ary. Araky ny seraseran‘ny kaominina Antananarivo renivohitra, "57% ny mponina eto Antananarivo dia zara raha afaka misitraka rano fisotro madio , misy ny tetikasa AEP (Adduction d’Eau Potable Antananarivo) entina hanatsarana izany, ka kasaina ho mponina miisa 2.400 000, manome ny 86% ny mponina eto an-drenivohitra no kasaina hisitraka izany ny taona 2022."

  • 29 Jun. 2019 - 06:30-

    CAN 2019. Le Mali a expulsé l'attaquant Adama Niane de son équipe pour indiscipline. "Adama Niane a été exclu du groupe Eagles pour non-respect", a déclaré le responsable des médias de l'équipe, Ibrahim Zie Coulibaly. Selon certaines informations, il aurait giflé un coéquipier lors d'une altercation au cours d'une file d'attente. La décision a été prise à la veille du match du groupe E de vendredi contre la Tunisie à Suez.

Du même auteur

newtech
culture

Dans la même rubrique

economie
economie
Publicité