logo
Lakroan'i Madagasikara
Kandida Fy Andrianarison

Mazava ireo hevitra havadika ho lalàna

admin il y a 3 mois

Kandida miisa 10 no mifanandrina ao amin’ny fari-pifidianana Ambohidratrimo. Misy kaominina 24. Iray amin’ireo kandida i Fy Andrianarison. Teny fohy.

Mazava ireo hevitra havadika ho lalàna

Fy Andrianarison amin’ny teny fohy?

Renim-pianakaviana, manambady ary manan-janaka mianadahy.
Zanak’Ambohidratrimo aho : ny raiko ramose Donné avy ao Mahabo, ny reniko Ramatoa Suzy avy ao Mananjara. Nianatra tao amin’ny CEG sy Lycée Ambohidratrimo. Nanovo fianarana teny frantsay teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ary nandalina manokana momba ny asa fanaovan-gazety tao amin’ny SAMIS-ESIC Masina Misely Amparibe. Ny Gazety Lakroan’i Madagasikara no toerana voalohany nandray ahy ho mpiofana hiantsoroka pejy mahakasika tanora, pejy fanabeazana. Efa tazana teto ny lalana na fanamafisana ny efa nombana angaha no marimarina kokoa.
Mikasika ny politika, dia nandalina ny fahaiza-mitarika sy ny Demokrasia teo anivon’ny Friedrich Ebert Stiftung (na FES) tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa YLTP (Youth Leadership Training Program) ny taona 2015.


Nahatonga anao hirotsaka ?

Nisafidy ny hirotsaka eto Marovatana aho satria tena Zanak’Ambohidratrimo tanteraka, zanak’i Mahabo izay iray amin’ireo kaominina 24 mandrafitra ny fari-pifidianana. Tsiahiviko izy ireo : Ivato, Talatamaty,  Antehiroka, Mahitsy, Ambohitrimanjaka, Anosiala, Ambohidratrimo, Ampanotokana, Ambatolampy Tsimahafotsy, Merimandroso, Ampangabe, Antanetibe Mahazaza, Iarinarivo, Ambato, Fiadanana, Mahabo, Anjanadoria, Avaratsena, Ambohimanjaka, Ambohipihaonana, Mananjara, Mahereza, Manjakavaradrano,  Antsahafilo. Nobeazina teto aho, niaina teto ary mahita fa lavitry ny fandrosoana ny eto kanefa azo hatao tsara ny mampandroso azy. Iray amin’ireo hevi-dehibe fito arosoko ny fampandrosoana an’ity toerana mamiko ity.

 

Hevi-dehibe havadika ho lalàna, inona avy izany ?

Misy fito izy ireo. Raha fintinina, dia ny fijerena akaiky ny hetra alaina amin’ny mpiompy no voalohany fa raha ny zava-misy ankehitriny dia mahatsiaro voa mafy ny mpiompy, ny manaraka dia ny resaka fandriampahalemana ary eo koa ny resaka fiahiana ara-sosialy dia ny fiahiana ara-tsosialy ny tantsaha, ny mpanjono. Farany ny resaka karatany ho an’ny 105 manokana.

 

Nanao ahoana ny fiatrehana izay tapany voalohany tamin’ny fampielezan-kevitra izay ?

Tsara tsy nahitana olana lehibe. Ho ahy izao dia efa misy ny kaominina na fokontany akory aza efa niverenana indroa voalohany tamin’ny fotoana mialohan’ny fampielezan-kevitra ka nampahafantarana ny tena na dia efa maro aza no nahafantatra ahy, ary izao indray amin’izao fotoana fampielezan-kevitra hisarihana ny olona hifidy ny tena.

Nandritra izay fotoana izay dia afaka nitafa tamin’ny sokajin’olona rehetra aho. Hatramin’ny ankizy aza dia nitafana satria misy tamin’izy ireny no liana amin’ny fifanakalozan-kevitra. Te ny tanora tia fanatanjahantena teo ny renim-pianakaviana teo ny lehilahy. Tsy nifidy taona na tanora na efa zokiolona. Nihaino sy nanangona ny olana iainan’ny olona nandritra ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra nitondra fanazavana mahakasika izay olana naseho sy hita.

 

Ny fiomanana ?

Ny tenako manokana dia efa nanaraka fiofanana natolotry ny FES. Tsy miankina aho fa tsy midika fa mandeha irery. Nanaraka fiofanana avokoa ireo akaiky ahy. Ny delege isaky ny biraom-pifidianana dia nanaraka fiofanana nomen’ny CENI sy ny fikambanana EISA. Tsy natao ambanin-javatra izany.

 

Teny hamehezana ny resaka ?

Manentana ny olom-pirenena afaka ny hifidy handray ny andraikiny. Haka ny kara-pifidianana raha mbola tsy naka an’izany. Manentana ny olom-pirenena hihaino ny kandida tsirairay. Tsy matahotra fifaninanana aho matoa mandrisika ny hanaovana an’izany. Farany, manentana ny mpifidy hametraka ny safidiny amin’ny laharana faha-5 amin’ny 27 mey izao. Vehivavy tanora sahy mandray andraikitra ary efa zatra manadray andraikitra. Olona tsy mivadika amin’ny teny nomeny.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 26 Aug. 2019 - 12:16-

    JUDO - Championnat du monde 2019 (dames). Engagé chez les -52kg, Tsiorinirina Tessia perd au premier tour face à la française Buchard Amandine. Voici le lien pour voir le deuxième combat https://youtu.be/k6iP-9ZrKxI

  • 26 Aug. 2019 - 12:15-

    Judo - Championnat du monde 2019 (-66kg). Un des deux combattants engagés chez les -66kg, Chan Ling Janeiro perd au premier tour face au chinois Ma Duanbin. Voici le lien pour voir le combat https://youtu.be/KJSh-cuwokM.

  • 26 Aug. 2019 - 12:00-

    JUDO - Championnat du monde 2019 (dames). Engagé chez les -52kg, Tsiorinirina Tessia gagne son premier combat face à la Biélorusse Danilovich Kseniya sur deux waza ari.

    Voici le lien pour voir le premier combat https://youtu.be/wS-tWLt0tHY

  • 26 Aug. 2019 - 10:25-

    Judo - Championnat du monde 2019. Engagé chez les -66kg, Tolinantenaina Marco perd au premier tour face à l'ouzbek AKHADOV Shakhram. Voici le lien pour voir le combat https://youtu.be/nDT2ud6Az3A

  • 26 Aug. 2019 - 07:19-

    Comment sont organisés le voyage du Pape? Nous publions ici un texte paru sur ZENIT.org en 2004 portant à notre connaissance les coulisses du voyage du Pape du temps du Pape Jean-Paul II. On imagine que peu de choses ont changé. Bonne lecture.

    https://www.lakroa.mg/item-1836_articles_dossier_18-comment-sont-organisas-les-voyages-du-pape-ij.html

  • 24 Aug. 2019 - 11:31-

    Visite apostolique du Pape au Mozambique. Comment l'Église et le pays se préparent-ils au voyage apostolique du Pape François au Mozambique? Lire la réponse ce 25 août 2019 mise en ligne vers 6h30.

  • 24 Aug. 2019 - 11:11-

    Visite apostolique du Pape. Le Saint-Père se déplacera dans les trois pays riverains de l’Océan Indien (Mozambique, Madagascar et Maurice) du 4 au 10 septembre. Chaque Eglise locale a sam manière d epréparer la venue du Pape. Exemple de l’Ile Maurice en cliquant sur le lien : https://www.lakroa.mg/item-1834_articles_religion_18-le-temps-daune-praparation-spirituelle-pour-la-visite-du-pape-franaois.html

  • 21 Aug. 2019 - 09:30-

    Fanolorona avy amin’ny Sinoa. Nanolotra moto miisa 9 ho an'ny zandarimariam-pirenena ny ambasadaoro sinoa miasa sy monina eto Madagaikara. Notanterahina tetsy @ toby Jeneraly Ratsimandrava, ny 20 aogositra 2019 izany. Nitarika ny lanonana ny sekreteram-panjakana eo anivon'ny fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimaria, jeneraly Richard Ravalomanana. Fantatra fa ireo tobi-paritra lavitra sy saro-dalana no hisitraka an'ireto moto ireto toy ny any Marolambo, Besalampy sy Fenoarivobe ary Kandreho.

  • 20 Aug. 2019 - 10:00-

    Journée humanitaire mondiale. Dans un tweet, le Pape François soutient les femmes investies dans l’humanitaire à l'occasion de la journée humanitaire mondiale. «Souvenons-nous aujourd’hui de toutes les femmes courageuses qui vont à la rencontre de leurs frères et sœurs en difficulté. Chacune d’elle est un signe de la proximité et de la compassion de Dieu», déclare-t-il.

  • 19 Aug. 2019 - 07:15-

    #Worldphotographyday. Le 19 août est un jour exceptionnel pour les amoureux de la photographie puisqu’il s’agit de la journée mondiale de la photographie. L’invention officielle de la photographie remonte au 19 août 1839. Ainsi, cette date est choisie pour la célébrer. Pour fêter l’événement, les photographes sont invités à réaliser un cliché ce jour-là à 18h39 et à le partager sur les réseaux sociaux avec l’hashtag #jmp18h39.

  • 16 Aug. 2019 - 08:30-

    Fanentanana. Nidina nanentana ireo mpampiasa ny lalana mba hitandrina mandritry ny dian’izy ireo amin’ny lalam-pirenena voalohany ny vondron-tobim-pileovana Itasy sy ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo ary ny tobi-paritra misahana ny fifamoivoizana ny 14 Aogositra 2019. Natao izany noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana manerana ny Nosy tato ho ato. Narahana fizaràna takelaka mirakitra ireo tsara ho fantatra mandritry ny fampiasana ny lalana moa ity hetsika ity mba ahafahan’ny tsirairay mandray fepetra arak’izay tandrify azy avy.

  • 14 Aug. 2019 - 10:30-

    Décès d'un cardinal mexicain. Le cardinal Sergio Obeso Rivera, archevêque émérite de Xalapa s’est éteint à l’âge de 87 ans. Ce cardinal mexicain, dont l'enterrement est prévu mardi 13 août, avait été promu lors du dernier consistoire, le 28 juin 2018, mais il n’avait jamais été électeur, puisqu’il avait déjà largement dépassé les 80 ans lors de sa création.

  • 13 Aug. 2019 - 10:15-

    Fanafihan-dahalo tao Ianabinda Betroka. Dahalo 6 nanafika sy nangalatra omby roa vala tao amin'ny Fokontany Fenoarivo Cr Ianabinda ny 11 aogositra tamin’ny 12 ora alina. Samy nivoaka ny tranony ka nanao izay ho afany hamaliana ireo tifitra variraraka nataon'ny dahalo ny fokonolona rehefa naheno ny koika na hazolava. Resy tosika ireo dahalo ka vaky nandositra niaraka tamin'ireo omby miisa 25. Raikitra ny aradia sy ny fifandonana ka dahalo iray no lavo ary omby 14 no azo fa ny 11 kosa mbola any apelatanan'ny dahalo.

  • 13 Aug. 2019 - 07:30-

    Coupure d’électricité. Pour améliorer la qualité de la fourniture d'énergie, la JIRAMA informe ses clients que la distribution d'énergie électrique est interrompue ce mardi 13 août 2019 de 09h00 à 16h00 dans le quartier d’Antanimora.  Des travaux d'entretien périodique sont en cours pour apporter des améliorations au niveau de l’électricité.

  • 12 Aug. 2019 - 08:50-

    L’Afrique doit se réveiller. En marge de la 18ème assemblée plénière du SECAM (symposium des conférences épiscopales d’Afrique et de Madagascar), le président de Caritas Afrique a appelé à un réveil du continent. « Nous avons choisi des leaders qui n’ont pas aidé l’Afrique depuis l’indépendance. Nous avons eu de bons dirigeants qui ont été chassés du pouvoir par des coups d’État, ourdis par des personnes ou des puissances obéissant à des intérêts propres », déclare Mgr Gilbert Justice Yaw Anokye, archevêque de Kumasi au Ghana.

  • 08 Aug. 2019 - 07:19-

    JIRAMA ho diovina. Araka ny tapaka tao amin’ny Filankevitry ny Ministra dia  tsy maintsy diovina ny fitantanana ny JIRAMA ary vitaina anatin’ny 2 taona raha ela indrindra ny fanarenana ny trosa sy ny orinasa. Tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny fitantanana ny orinasa JIRAMA manomboka izao. Tsy maintsy hapetraka mazava ny tetiandro hanatanterahana ny fanarenana ny orinasa. Tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ireo sampan-draharaham-panjakana hananan’ny JIRAMA trosa izay mitentina 30 miliara ariary nanomboka ny voalohan’ny volana Janoary 2019 ka hatramin’ny volana Jona 2019. Tokony hisy amin’izay ny fametrahana business plan vaovao sy ny fijerena ireo contrats fanofana groupes mamokatra herinaratra manomboka izao. Hisy ny contrat programme hiarahan’ny fitondram-panjakana sy ny JIRAMA mametraka ny amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana eo amin’ny fitantanana ny orinasa.

  • 07 Aug. 2019 - 07:25-

    Nomination. Le Saint-Père a nommé neuf nouveaux membres au sein de la Congrégation pour les Églises orientales. Les nommés sont : le cardinal Gualtiero Bassetti, archevêque de Pérouse et président de la Conférence épiscopale italienne, le cardinal Carlos Osoro Sierra, archevêque de Madrid, le cardinal Anders Arborelius, évêque de Stockholm, le cardinal Luis Francisco Ladaria Ferrer, préfet de la Congrégation pour la Doctrine de la foi, Mgr Anthony Colin Fisher, archevêque de Sydney, Mgr Georges Bacouni, archevêque greco-catholique melkite de Beyrouth et Jbeil, Mgr Borys Gudziak, archevêque de Philadelphie des Ukrainiens, Mgr Michel Aupetit, archevêque de Paris, et Mgr Miguel Ángel Ayuso Guixot, président du Conseil pontifical pour le dialogue interreligieux.

  • 05 Aug. 2019 - 08:35-

    Qualification CHAN 2020. Malgré la défaite face aux Mambas 3-2 à Maputo, les Barea se qualifient pour le prochain tour dans le cadre de la qualification pour le Championnat d’Afrique des Nations (CHAN) 2020. Madagascar affrontera le Namibie pour ce troisième tour où le match aller est prévu le 20 au 22 septembre et le retour du 18 au 20 octobre. 

  • 02 Aug. 2019 - 08:00-

    Mercato des Barea. L’après CAN des Barea est mouvementé au niveau du mercato. Andriamirado Arohasina évoluera au Black Leopards FC pour cette saison dans le cadre d’un prêt. Le vice-capitaine des Barea, Ibrahim Amada, signe au Qatar avec Al Khor Sports Club. Pour sa part, Dimitry Caloin annonce sa signature au FC Villefranche pour la saison 2019-2020.

  • 31 Jul. 2019 - 07:00-

    Naufrage au large de la Libye. Le Pape François évoque le naufrage d’un bateau, jeudi dernier, transportant à bord 250 migrants. « J'ai appris avec douleur la nouvelle du naufrage dramatique survenu ces derniers jours dans les eaux de la Méditerranée, où des dizaines de migrants, y compris des femmes et des enfants, ont perdu la vie ».  Pour éviter que de tels drames ne se reproduisent, il a appelé les États du monde à « agir avec rapidité et détermination ».

Du même auteur

sport
dossier

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité