logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan’i Talata

5 fevrie, 6 fevrie, 7 fevrie ary 18 fevrie 2014

Ratalata il y a 5 années

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena. Misy datin’andro maromaro manana ny lanjany ho lalovana ato ho ato. Sokafy ny diary dia ndao jerena ny raketin’ireo daty ireo.

Mihazakazaka ny fotoana. Efa 10 andro sahady no nametrahana ny Filoha Hery Rajaonarimampianina amin’ny toerana maha filoham-pirenena azy. Olom-boafidy. Tsy mazava amin’ny betsaka ny maha samy hafa ny filoham-pirenena voafidy (tahaka an’i Hery Rajaonarimampianina) sy ny filoham-pirenena nametra-tena na napetraka (tahaka an’i Andry Rajoelina filohan’ny Tetezamita). Samy mitondra firenena tokoa izy ireo. Ndeha avela ho an’ny mpahay lalàna sy mpandalina lalampanorenana ny mamahavaha izany.
Ny anio kosa ny ho entintsika eto dia momba ireo daty manana ny lanjany ato ho ato. Ny mahazatra ny mpanao gazety dia ny 100 andro voalohany eo amin’ny fitondran’ny Filoha amperinasa. Inona no fanapahan-kevitra voalohany noraisiny ? Inona no heverina fa zava-dehibe fa nolalovany fotsiny ?
Mialoha izany 100 andro izany dia maromaro ireo daty akaiky tsara marihina ao anaty diary : 5 fevrie, 6 fevrie, 7 fevrie ary talata faharoa aorian’ny 6 fevrie izany hoe ny 18 fevrie izany.
5 fevrie. Na inona na inona finiavan’ny mpitondra iray dia misy ireo lalàna mamaritra ny lalan-kombany. Ny Lalampanorenana no voalohany amin’izany. Voalazan’ny Lalàna fototra fa : “Ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotry ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena.” Ny andinin’ny faha-54 andalana voalohany no ahitana izany. Teny gasy mazava. Manana safidy izany ny filohan’ny Repoblika na mandray ny anarana avy amin’ny antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena na izay anarana naroson’ny vondrona antoko maro an’isa. Raha izao firafitry ny fehezan-teny izao dia azo heverina fa samy afaka manolotra anarana ireo sokajy roa ireo. Fomba fijery ety ivelany izany. Tokana ny rafitra afaka manapaka izay tena fandikana na hambaran’io andinin-dalàna io. Ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, (fantatry ny rehetra amin’ny fanafohezana hoe : HCC) no manana ny teny farany. Nangataka ny hevitry ny FAL ary ny mpitondra ankehitriny. Inona no izy ? Tsy teny sinoa akory io fa teny malagasy mazava. Saingy… samy manana ny handroritany azy ny tsirairay ka mila mpitsara. Ny 5 fevrie na febroary izao no hamoaka ny heviny ny mpitsara mandrafitra ny FAL. Didy tsy azo hivalozana no hivoaka eo. Raha tsorina ny resaka dia hoe : MAPAR irery ve no afaka hanolotra anarana ho praiminisitra sa misy vondrona antoko (antoko nitambatra ao anaty Antenimiera) hafa ? MAPAR no manana olom-boafidy betsaka raha ny vokatra navoakan’ny CENIT no itarafana azy.
Kajikajy politika ambony latabatra izany ary manakana ireo mpanadihady politika sy mpanao politika zatra mitafa amin’ny mpanao gazety hiteny.
6 fevrie. Voalaza fa ny 6 fevrie izao ny CES, Cour électorale Spéciale, na fitsarana manokana momba ny fifidianana, no hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana solombavam-bahoaka natao ny 20 desambra 2013. Tsaroana fa naharitra ora 7 be izao no nitanisain’ny CENIT ny vokatra teo aminy. Haharitra hafiriana àry ny an’ireo CES ? Tsy hihoatra an’izany kosa angamba na eo aza ireo fitarainana sy fitoriana marobe (maherin’ny 600 isa) tonga sy tsy maintsy nodinihan’ny CES.
Tsy ny fotoana ho lany loatra ny olana. Fa hisy firy ny fifidianana tsy maintsy haverina satria dia maro ireo filazana fisian’ny hosoka hita an-gazety sy haino aman-jery. Na kandida lany mainka ireo tsy lany dia samy “nitatasiaka” (fiteny ankehitriny izany, hilazana fa miteny masiaka) ny fisian’ny halatra nandritra iny fifidianana iny. Halatra bevata ve ? Asa. Hisy ve ny famerenana fifidianana ? Raha misy dia ho firy no ho voakasik’izany ? Ny 6 fevrie no handrenesana ny marina.
Tsy fantatra izay ho fiantraikan’izany rehetra izany. Hitondra fitoniana sa hampitroatra an’ireo nihevitra fa efa lany ? Tsiahivina fa misy ireo efa nanao “arrosage” na fifaliana bevata. Nisy ireo kandida efa nanolotra volabe an’ireo fokontany nifidy azy.
7 fevrie. Tsy dia misy hifandraisany amin’ny resaka fifidianana loatra izy ity. Tsiahivina fa niakatra teny amin’ny Lapa Ambohitsorohitra ireo vahoaka namporisihan’i Andry Rajoelina ary notarihan’i Monja Roindefo sy jeneraly Dolin ny 7 fevrie 2009. Nisy nitifitra teny ary maro no maty. Fotoam-bavaka teo anoloan’ny Lapa no natao nanomboka ny taona 2010. Ny olana amin’ity taona 2014 ity dia tsy eo amin’ny fitondrana intsony i Andry Rajoelina izay nitarika ny olona hiakatra teny Ambohitsorohitra ny 7 fevrie 2009. Amin’ity kosa dia hitarika ny olona hanao diabe miainga eny Mahamasina ny filohan’ny Tetezamita teo aloha ary hiakatra eny Ambohitsorohitra. Hahazo alalana ve ? Fantatra fa tsy nahazo alalana avokoa izay nangataka hanao diabe raha resaka politika no antony.
Ny ampitson’ny famoahana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana depiote no hanaovana io diabe io. Hisalotra ny samboady àry ve ireo depiote hamaly antso ? Sa ny fanatrehana ny fivoriana voalohany vao tena depiote ny olom-boafidy ho depiote iray ? Avela ho an’ireo mpandalina lalàna indray koa ny amin’izay.
18 fevrie. Ny talata faharoa aorian’ny famoahana ny vokatra ofisialy no mivory voalohany ireo voatendry ara-dalàna. Hiandry izany ve ny fanendrena ny Praiminisitra ? Ampahany izany. Ny faharoa ary goavana koa dia handrafitra ny biraon’ny Antenimiera ireo depiote ireo. Ho raikitra ny ady varotra. Nahazatra tao amin’io andrim-panjakana io izany. Hiverina ve ?
Santionany amin’ny daty ihany ireo naroso ireo. Hatreto aloha tsy hita loatra ny fanovana mahery vaika tokony hifanaraka amin’ny fahatongavan’ny Hery Vaovao eo amin’ny fitondrana. Fisalasalana no hita. Folo andro aty aorian’ny nametrahana ny filoha dia mbola tsy voatendry izay mpikambana mandrafitra ny kabinetra sy ny sekretera jeneralin’ny fiadidian’ny filohan’ny Repoblika. Tsy miandry anefa ny raharaham-pirenena. Ka sao tratrin’ny “Masikiny tsy mahadiny raha ela” zalahy e ?!!!

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 14 Sep. 2018 - 08:38-

    Poulet de chair à Madagasikara. Pour Olivier Fanchette, de Innodis Poultry, il y a encore de la marge pour produire du poulet de chair à Madagasikara. “C’est pour cette raison que nous participons à la Foire Internationale d’Agriculture”. Innodis Poultry est l’un des plus grands producteurs de poulet de l’île Maurice. Selon Fanchette, cette société exporte vers Madagasikara du poulet de chair avec garantie sanitaire sans antibiotiques. De son côté Iqbal Mohungoo, de la société Meaders Feeds, assure l’alimentation des poulets de chair, une alimentation répondant aux besoins d’une clientèle autant présente sur le marché local que régional dont Madagasikara.

  • 13 Sep. 2018 - 07:45-

    Colloque sur l’énergie. Lors d’une rencontre avec la présse Andry Ramaroson a fait savoir que le Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar GDPEM organise un colloque en entrée libre qui se tiendra au 3A Andrefanambohijanahary durant 2 jours ou 4 demi-journées avec comme thème “Energie, 1er levier de la croissance économique de Madagascar”. La première demi-journée (matin du 14 septembre) une conférence-débat sur l’économie d’énergie et l’après-midi sur le génie électrique. La troisième demi-journée (matin du 15 septembre) une conférence-débat sur le thème 1er levier économique de Madagascar. Et l’après-midi sera consacré à la restitution des travaux.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Affaires courantes du Président. Pour la HCC, rentrent dans la catégorie juridique des attributions présidentielles courantes, les affaires constituant la poursuite normale d’une procédure régulièrement engagée avant la démission du Président de la République, toute affaire dont l’importance dépasse celle des affaires de gestion journalière si la procédure qui a donné lieu à l’acte règlementaire concerné a été engagée bien avant la période critique et a ensuite été réglée sans précipitation et si les questions politiques, qui ont pu se poser sur le plan administratif, ont été résolues avant cette période critique.

  • 10 Sep. 2018 - 07:28-

    Non affaires courantes du Président. Pour la HCC, ne rentrent pas dans les compétences attribuées au Chef de l’Etat ad intérim celles qui procèdent des articles 45 alinéa 3, 54 ; 55 -2°, 4° sauf en cas de faute grave ou de crime ou délit commis par le haut fonctionnaire, 5°, 6°, 7°, 8° ; 56 ; 57 alinéa premier ; 58 ; 59 alinéa 2 ; 60 ; 61 ; 103 ; 104 ; 107 ; 137 ; 162 ; 163. Il est habilité à exercer toutes les autres attributions confiées au Président de la République par la Constitution.

  • 01 Sep. 2018 - 09:48-

    Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création 2018. Instituée en 2015 par le Pape François, quelques mois après la publication de son encyclique « Laudato si’, sur la sauvegarde de la maison commune », cette journée a lieu chaque 1er septembre, en communion de prière avec les Eglises orthodoxes, « pour offrir « à chacun des croyants et aux communautés la précieuse opportunité de renouveler leur adhésion personnelle à leur vocation de gardiens de la création, en rendant grâce à Dieu pour l’œuvre merveilleuse qu’Il a confiée à nos soins. » (Pape François, Lettre du Pape François pour l’institution de la « Journée mondiale de prière pour la sauvegarde de la création », 6 août 2015).

  • 01 Sep. 2018 - 07:56-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. I – Les personnes nommées aux hautes fonctions et hauts emplois civils de l’Etat :   – Grand Chancelier de l’Ordre National malagasy ; – Ambassadeurs ou chefs titulaires de missions diplomatiques avant rang d’Ambassadeurs ; – Gouverneur de la Banque Centrale ; – Secrétaires généraux, Directeurs généraux et Directeurs de ministères ; – Présidents d’Universités ; – Représentants de l’Etat au niveau des collectivités territoriales décentralisées ; – Directeurs généraux, membres des organes d’administration ou de gestion des organismes rattachés aux Institutions et aux départements ministériels.

  • 01 Sep. 2018 - 07:55-

    Liste des personnes exerçant des hautes fonctions et hauts emplois civils et militaires de l’Etat, candidates aux élections, assujetties à l’obligation de démission prévue à l’article 6 alinéa 5 de la Loi organique relative au régime général des élections et des référendums. II – Les personnes dont la nomination aux hautes fonctions et hauts emplois militaires est faite par décret en Conseil des Ministres : – Officiers Généraux ; – Inspecteur général de l’Armée Malagasy; – Inspecteur général de la Gendarmerie Nationale ; – Chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy ; – Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Adjoints au chef de l’Etat-Major général de l’Armée Malagasy; – Adjoints au Commandant de la Gendarmerie Nationale ; – Commandant des Forces Aériennes ; – Commandant des Forces Navales ; – Commandant des Forces d’Intervention – Commandant des Forces de développement ; – Chef d’Etat-major du commandement de la Gendarmerie Nationale ; – Commandants des régions militaires; – Commandants des Circonscriptions inter-régionales de la Gendarmerie Nationale ; – Tous autres fonctions et hauts emplois militaires dont la nomination est faite par décret en Conseil des Ministres.

  • 24 Aug. 2018 - 00:29-

    Le couple présidentiel a reçu, ce matin du 22 Août 2018, l’Archevêque de Toulouse, Mgr Le Gall Robert au Palais d’Iavoloha, dont c’est la seconde visite à Madagascar. Les discussions ont porté sur les actions humanitaires de la diaconie catholique de France àa Madagascar « Nous avons été très heureux de cette rencontre qui honore notre mouvement sur la diaconiede la beauté, et comment la beauté sous toutes ses formes pourrait conduire à Dieu » a déclaré Mgr Le Gall, qui a notamment le diocèse de Lourdes sous sa responsabilité. La place et le rôle de la Grande Île au niveau de la Région Océan Indien et sur le plan international ont été aussi évoqués lors de la rencontre

  • 23 Aug. 2018 - 20:33-

    Ankolagny 6. Prospérer organisé pour la sixième fois sa foire économique Ankolagny. Elle se déroule du 24 au 26 août et elle est hébergée par la commune de Befandriana nord. Les organisationsateurs tablent sur la venue de plus de 2000 visiteurs pour visiter la centaine de stands révus avec comme produit phare les blacks eyes, la vannille et l'oignon.

  • 17 Aug. 2018 - 07:22-

    Kandida faha-13. Mamy Richard Radilophe no kandida faha-13 nanatitra ny antontan-taratasy firotsahana handray anjara amin’ny fifidianana izay ho Filohan’ny Repoblika. Tonga nanatitra ny ny faha-16 aogositra teo izy. Izy dia mpisolovava niaro ireo olona nenjehin'ny fitondrana HVM, toa an'i Fernand Cello, ny tao Soamahamanina, efa mpisolovava an'i Jean Louis Robinson ihany koa tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Ny antoko Roso ho an’ny Demokrasia Sosialy (Renouveau pour la Démocratie Sociale) izay misy an’i Fetison Rakoto Andrianirina no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    JOB no kandida- faha 11. Jean Omer Beriziky na JOB, Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta teo aloha no kandidà faha 11 amin'ny laharan'ny fanaterana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filohan'ny Repoblika ho tontosaina ny fihodinana voalohany ny 7 novambra 2018. Ny 15 aogositra tamin'ny 2 ora sy sasany tolak'andro izy no nanatitra izany taratasy izany teny amin'ny Fitsarana Avo momban'ny Lalàmpanorenana, Ambohidahy. Tonga teny ny tenany niaraka tamin’i Jean Félicien izay "mandataire". Ny Antoko politika "Antsika Madagasikara" no nanolotra azy.

  • 16 Aug. 2018 - 08:46-

    Kandidà faha-12 nametraka dosie. Richard Razafy Rakotofiringa no kandidà faha-12 nametraka ny dosien-ny teny amin’ny FAL, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC. Izy dia miaramila teo aloha sady mpampianatra. Razafimalala Harimanana Tiana izay "mandataire" no nametraka ny antontaratasy ny 15 aogositra teo. Ny Antoko politika "Solidarité des jeunes intellectuels pour l'avenir de Madagascar" (SJIM) no manolotra azy amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao.

  • 14 Aug. 2018 - 13:29-

    CEPE 2018. Le nombre de candidats inscrits à l’examen du CEPE qui aura lieu ce mardi 14 aout 2018 est de 551.655. Ils seront répartis dans 13.638 salles des 1.833 centres d’examen de tout Madagascar. Parmi ces candidats inscrits, 17 malvoyants et 19 sourds-muets vont participer aux épreuves du CEPE dans les cinq provinces de Madagascar, à l’exception de Mahajanga. Pour la DREN SAVA on compte 39 315 candidats qui se répartissent dans 86 centres d’examen. Il est à rappeler que les sujets diffèrent suivant la région et le diplôme a une valeur nationale.

  • 14 Aug. 2018 - 06:59-

    CEPE sy Laharana maitso 020 30 807 86. Manomboka ny talata 14 Aogositra dia ho apetraka eto anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena ny « cellule » iray iraisan’ireo sampandraharaha mikirakira ny fanadinana izay hanangona ny vaovao rehetra manodidina ny fizotry ny fanadinana CEPE. Azonareo antsoina amin’ny laharana maitso 020 30 807 86.


  • 11 Aug. 2018 - 10:19-

    3 nouveaux candidats. Ce 10 août, trois candidats ont déposé leur dossier de candidature à l'élection présidentielle auprès de la Haute Cour Constitutionnelle à savoir : Dr Jules Etienne présenté par le parti MAFI (Madagasikara Fivoarana),  Zafimahaleo Rasolondraosolo, dit Dama Mahaleo, candidat du parti Manajary Vahoaka; et Paul Andrianiaina Rabary, candidat du parti MIASA. Ainsi, depuis l’ouverture de la période de dépôt des dossiers 7 candidats en tout ont déposé leur dossier (Andry Rajoelina, Jean Ravelonarivo, Mailhol Dieu Donné, Fanirisoa Erinaivo).

  • 04 Aug. 2018 - 08:57-

    Candidature du général Jean Ravelonarivo. Zaza Ramandimbiarison et Ambroise Tata ont procédé dans la matinée de ce 3 aout, au dépôt des dossiers de candidature à l'élection présidentielle du général Jean Ravelonarivo, ancien Premier ministre auprès de la Haute Cour Constitutionnelle (HCC). Il est le deuxième candidat à avoir déposé son dossier. Jean Ravelonarivo a été présenté par le parti politique Antokom-Bahoaka Malagasy ou ABA.  Pour mémoire ce parti politique a fait connaître son existence au cours du mois d’avril de cette année 2018.

  • 04 Aug. 2018 - 07:57-

    Andry Rajoelina premier candidat à déposer son dossier. L’ancien président de la Transition, s'est fait représenter par Andry Herizo Rakotozafy, éphémère directeur de cabinet du Premier ministre Ntsay Christian, dans l'après-midi de ce 1er aout, auprès de la Haute cour constitutionnelle (HCC) à Ambohidahy, pour déposer son dossier de candidature à l'élection présidentielle. Cela s’est passé au moment même où le candidat Rajoelina faisait son show au Palais des sports de Mahamasina pour présenter son IEM ou Initiative Emergence de Madagascar.

  • 27 Jul. 2018 - 13:45-

    Niala tsy ho filohan’ny antoko HVM izy. Nametra-pialana tsy ho Filoha Nasionalin'ny antoko HVM i Rivo Rakotovao. « Tsy miala HVM ny tenako fa miala tsy ho Filoha Nasionaly fotsiny ihany ho fanajana ny lalàna » hoy izy. Nambarany ihany koa fa tsy manangam-pahavalo ary tsy manam-pahavalo ny HVM fa safidin’ireo izay niala noho ny tsy fitovian-kevitra politika sy tsy fitovian-kevitra eo amin'ny fitantanana ny Firenena ny zava-mitranga. Nanamafy ny fangatahany sy fanolorany ny Filoha Rajaonarimampianina hirotsaka ho fidiana indray ny antoko HVM. Soritana fa ny Lalampanorenana dia milaza fa tsy mahazo mandray anjara amin’ny fiainana antoko politika ny filoham-pirenena (adininy faha-49).

  • 23 Jul. 2018 - 08:57-

    Antonio Benedito Sanchez s’en va. L’ambassadeur de la délégation de l’Union européenne pour Madagascar et l’Union des Comores, Antonio Benedito Sanchez quittera Madagascar satisfait du travail qu’il a accompli durant son mandat. Il a confié qu’il prendra la direction du Mozambique tandis que son successeur, l’Italien Giovani Di Girolamo arrivera dans la Grande île vers le début du mois de septembre. Il sera remplacé par L’Italien Giovani Di Girolamo.En attendant la prise de fonction du nouvel Ambassadeur, le Ministre Conseiller Lothar Jaschke assurera son intérim.

  • 30 Jun. 2018 - 08:40-

    Remplacement à l’Assemblée Nationale. « Le Député dont siège devient vacant est remplacé par le suppléant élu en même temps que lui, sauf en cas d’annulation de l’élection, jusqu’au renouvellement de l’Assemblée nationale ». .Que suivant le certificat de décès n°65969 versé au dossier, sieur ABDILLAH est décédé le 21 février 2018 à l’hôpital Apollo de New Delhi. La vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de sieur ABDILLAH. Est proclamé Député à l’Assemblée nationale, le candidat EDIZARD, premier suppléant de la liste VPM-MMM de Vohémar. (Arrêt de la HCC du 28 juin 2018).

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité