logo
Lakroan'i Madagasikara
Alahadin’ny Baiboly

Ny hananan’ny tsirairay Baiboly no tanjona

R. Herménégilde il y a 6 années

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka tao amin'ny gazety Lakroa faha 3854, alahady 7 febiroary 2014, iray amin'ireo lahatsoratra maro mikasika ny finoana. Ny alahady faharoa amin’ny volana febiroary no atokan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) hanamarihana ny Alahadin’ny Baiboly. Ny 9 febroary izany amin’ity 2014 ity. Enti-manentana ny Fiangonana kristianina sy ny mpitondra fivavahana amin’ny fampielezana ny Baiboly.

Ny hananan’ny tsirairay Baiboly no tanjona
«Ny Baiboly: teny manasitrana sy mampihavana » no teny faneva entina manamarika ny Alahadin’ny Baiboly amin’ity taona ity. Handraisan’ny Fiangonana kristianina rehetra anjara eto amin’ny firenena. Nampifandraisina manokana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena io lohahevitra io, araka ny fanazavan’Atoa Nambinina, tompon’andraikitry ny fifandraisana eo anivon’ny FMBM. Tsapa fa toa latsaka ao anatin’ny fifankahalana ny mpiray tanindrazana noho ny olana ara-politika lavareny. Miteraka ratram-po lalina izany. Ary na ny Fiangonana aza dia toa voahozongozon’ny tsy fifanarahan-tsaina sy ny fifandirana isan-karazany. Mila sitranina izany ratra mahazo ny mpiray tanindrazana izany, amin’ny fandinihina ny tenin’Andriamanitra. Hiaikena ny tsy mety natao ka hifamelan-keloka. Dingana hirosoana amin’ny fampihavanana marina, araka an’Andriamanitra.
Mila mamaky ny Tenin’Andriamanitra araka izany ny olona. Mitaky fampielezana ny Baiboly izay. Mandray anjara amin’izany ny FMBM, manana ny foibeny ao Antaninarenina Antananarivo. Antom-pisian’ity fikambanana ity moa ny fandikana ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona, ny mamokatra Soratra Masina amin’ny endriny ilan’ny olona azy, ny fampielezana ny Soratra masina amin’ny vidy mety takatry ny olona, ny fampiofanana sy fanentanana ny fandinihana sy ny fampiasana ny Soratra Masina.
Efa tranainy sy simba ka mila fanarenana ny trano foiben’ny Mampiely Baiboly ao Antaninarenina. Ka entanina ny tsirairay mba hitondra ny anjara birikiny amin’ny ezaka fanamboarana ny foibe vaovao. Ka ho taratry ny fahasitranana sy ny fihavanana marin’ny Fiangonana rehetra io hetsika io. Miara-miasa amin’ny Fiangonana tsy ankanavaka rahateo ny FMBM, na katolika, na protestanta, sy ny maro hafa. Tombanana ho eo amin’ny 150 000 tamin’iny taon-dasa iny ny filana Baiboly eto Madagasikara, hoy Atoa Nambinina, 82 583 ihany anefa no voaely. Mbola betsaka izany ny ezaka miandry amin’ny fampielezana ny Baiboly.
Fandaminana ny amin’ny fampielezana ny Baiboly
Ezaka mitohy hatrany ny fampielezana ny Baiboly. Ary miara-mientana amin’izany ny Fiangonana isan-tokony. Anisan’ny fandraisana anjara amin’izany ny fisian’ny rakitra ataon’ny isam-piangonana, izay samy manana ny fandaminany amin’ny fanaovana azy.
Ho an’ny Fiangonana katolika, dia isan’ny manao izany manokana ny Fikambanan-drelijiozy Filles de St Paul. Hita taratra ny faharisian’ny olona te hanana Baiboly, hoy i masera Odile, saingy iaraha-mahalala ihany koa ny fahasahiranan’ny olona tsy dia ahafaha-manoatra loatra. Fa tsy mitsahatra ny manao fanentanana ny Fikambanana, indrindra tamin’ny fanamarihana ny faha 75 taonan’ny Baiboly katolika malagasy tamin’ny taon-dasa. Mitety paroasy, mitety sekoly, manao fitsidihana any rehetra any. Manao fanentanana amin’ny radio sy ny gazety, toa ny RDB sy ny gazety Lakroa. «Nahitana akony ireny fanentanana ireny, hoy i masera Odile, amin’ny fanafaran’ny olona Baiboly aty aminay». Miara-miasa rahateo amin-dry mompera any amin’ny paroasy ry masera amin’ny fanentanana atao. Ny tanjona dia ny mba hananan’ny olona Baiboly, farafaharatsiny isan-tokantrano.
Fahita ihany koa ny olona manao fanomezana Baiboly amina fahazoam-pahasoavana, toy ny mariazy na komonio voalohany na tsingerin-taona. Fampielezana ny Baiboly avokoa izany. Misy ihany koa ny paroasy manao ezaka mba hahazoan’ny kristianina ao aminy Baiboly. Lafo vidy manko ny Baiboly raha mitaha amin’ny fahefa-mividin’ny olona. Varotan’ny paroasy sasany amin’ny vidy ambany noho ny nividianana azy tany amin-dry masera ny Baiboly, noho izany. Ny paroasy no mizaka ny elanelany. Ho an’ny Baiboly katolika, amidy 15 000 Ariary ny Baiboly lehibebe miloko manga ny fonony, natonta farany. Ary 20 000 Ariary ilay kelikely mora enti-tanana, azo atao ao anaty poketra. Efa nivoaka ihany koa ny Testamenta vaovao izay amidy 10 000 Ariary.
Fitaovana fampihavanana
Fanentanana ny hampielezana ny Baiboly moa no anton’ny fanamarihana ny Alahadin’ny Baiboly, indrindra manoloana ny fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena mamparefo ny firaisan-kina sy ny fihavanana. Tsara ny fananana Baiboly fa ny famakiana sy ny fiainana ny voarakitra ao anatiny no tena zava-dehibe. Andalan-teny fandinika amin’izany ny voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny Korintianina hoe: «Meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo» (2 Kor 5, 20).

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité