logo
Lakroan'i Madagasikara
Antanetibe Mahazaza

"Ny fanasoavana olona no manentana ahy" hoy Dr Firmin

Razafindramanitra il y a 12 jours

Efa namoaka ny tolo-keviny CENI, Commission Electorale Nationale Indépendante, mikasika ny daty hanatanterahana ny fifidianana anivon’ny kaominina (fifidianana ben’ny tanana andaniny ary fifidianana mpanolotsaina ankilany). Fotoana fanaoana jeritodika izany izao. Rakotonomenjanahary Louis Firmin, fantatry ny mponina amin'ny hoe Dr Firmin, ben'ny tanana ao Antanetibe Mahazaza no vahiny eto.

www.lakroa.mg Rakotonomenjanahary Louis Firmin, mba tsiahivo anay ny fotoana naha ben’ny tanana anao ?

Rakotonomenjanahary Louis Firmin (RLF). Efa ampolotaonany izany izao  no nahaben’ny tanana an’Antanetibe Mahazaza ny tenako. Indroa lany aho raha ny tena izy fa noho ny Tetezamita dia naharitra folo taona mahery kely no nitantanako ny kaominina. Ny 12 desambra 2007 aho no lany voalohany.

 

www.lakroa.mg Dokotera ianao. Mpitsabo olombelona. Inona no nandrisika anao hilatsaka ho ben’ny tanana ?

RLF : Marina tokoa izany. Raha ny tany antsaina dia hanohy fianarana hatrany ka hanaraka ny dian’ny dadako profesora amin’ny fitsaboana no tanjona. Maro anefa ireo namana nandrisika fa sahaza ny tenako ny manao ben’ny tanana satria hoy izy ireo hoe tsy mifanalavitra amin’ny asan’ny dokotera ny asan’ny ben’ny tanana fa mikatsaka manasoa olombelona sy ny vahoaka.

 

www.lakroa.mg Hifarana ato ho ato ny fe-potoana hitantananareo ben’ny tanana. Raha atao indray mibango ny asa vita inona no tena misongadina ?

RLF : Betsaka ny zava-bita raha tao anatin’ny 12 taona izany. Raisiko amin’ny manavanana aho aloha dia ny resaka fahasalamana izany dia nanao ezaka izahay nampiditra rano fisotro madio sy fidiovana ho an’ny fokontany 12 amin’ny 19. Miainga avy amin’izay ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka.

Nanao CSB2 vaovao koa izahay. Tena fotodrafitrasa vaovao io. Misy indro kely fa hiverenako avy eo.

 

www.lakroa.mg Kaominina ambanivohitra ny kaominina tantaninao manao ahoana kosa ny resaka fihariana ?

RLF Marina izany. Kaominina ambanivohitra ny sokajy misy ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Saingy malaza kosa amin’ny resaka famokarana atody. Ny 30%-n’ny atody eto Madagasikara dia miainga avy eo aminay sy ny manodidina. Misy aza ankehitriny ny lalana antsoina hoe “Route des œufs”.

Tsy mpamokatra atody fotsiny no nifantohan’ny asa. Misy mpamboly ao. Notohanana ara-pitaovana izy ireo toy ny zezika izany ary koa ny fampiofanana fampitana tekinika sy  torohay.

Efa nandray anjara tamin’ny famokarana masimboly Tsaramaso ny kaominina niaraka tamin’ny FOFIFA.

Raha ny fambolem-bary indray dia ny voly vary nohataraina  no ampiasain’ny tantsaha.

 

www.lakroa.mg Ary raha ny resaka fanabeazana no resahana ?

RLF Mampita aina ny mampita fampianarana. EPP miisa 5 no natsangana tao anatin’izay fotoana izay. Ny fomba nifidianana ny toerana hananganana ireo fotodrafitrasa ireo dia izay tena tsy ahitana sekoly. Misy tokoa ny fokontany manana sekoly tsy miankina na koa sekoly ana fiangonana toy ny fiangonana katolika ohatra.

Ny taona 2012 no tafatsangana ny lisea. ZAva-dehibe izany ho anay eny satria teo aloha dia nila andaharana  ireo afaka BEPC satria lavitra i Mahitsy na Ambohidratrimo toerana misy lisea. Efa andiany maromaro no afaka Bakalorea teo aminay. Mahatratra 400 izao ny mpianatra eny. Tsiahiviko fa 1200 teo ho eo ny mpianatra hatramin’ny BEPC ny taona 2008 izao efa maherin’ny 3000 izy ireo.

 

www.lakroa.mg Misy teny tianao nampiana teo momba ny resaka CSB2 ?

RLF : Eny tokoa. Vita ny fotodrafitrasa CSB2 vaovao. Ny olana mipetraka ankehitriny dia tsy ampy ny fampitaovana ao anatin’io CSB2 io. Mampita antso amin’ny malala-tanana izany izahay ary indrindra amin’ny Minisitera mpiahy ny fahasalamana. Efa nandray anjara mavitrika ny mponina tamin’ny fananganana ny fotodrafitrasa satria nanolotra 200 ariary isaky ny mpifidy ny mponina.

 

www.lakroa.mg Misy resaka sosialy hafa ve ?

RLF : fotoan-dehibe roa no tena iarahana mifaly amin’ny olona eny aminay dia ny 8 marsa sy ny 26 jona.

Ny 8 marsa moa dia mahatratra 2000 mahery ireo vehivavy mandray anjara amin’ny hetsika izay karakaraina ary tohanan’ny kaominina.

Ny 26 jona indray dia fanehoana ny fitiavan-tanindrazana ka ireo Zokiolona no fantenana miara-misakafo.

 

www.lakroa.mg Ny olana hitanao amin’ny fitantanana kaominina ?

RLF Io dia ny resa-bola no olana voalohany. Tsy manana fidiram-bola matanjaka ny kaominina fa miankina amin’ny fahaizana mitady mpiara-miombona antoka. Soa fa nahita maromaro izahay toy ny GIZ, ny Madagascar-Hilfe sy ny hafa.

Ny taona 2008 vao nanomboka nandoa hetra ny olona tao amin’ny kaominina ary mbola mila nentanina mafy vao tafita izany fampandoavana hetra izany. Soritako fa isaky ny misy fotodrafitrasa atao dia mandray anjara ny mponina. Mety vola io ohatra izay entina hanaramana mpiasa mpanao trano.

 

www.lakroa.mg Ny asa andalam-panaovana ?

RLF Isan’ny asa tena ketrehanay izao dia ny fandrafetana ny Schéma d’Aménagement Communal ho an’ny 15 taona manaraka. Asa miaraka amin’ny PAGE/GIZ. Lova mipetraka ho an’ny mpitantana mifandimby izany.

 

www.lakroa.mg Fa angaha tsy hanohy intsony ?

RLF tapitra amin’ny 22 sepitambra 2019 ny fotoana maha ben’ny tanana anay sy ny mpanolotsaina. Nisy ny daty navoakan’ny CNI, tolo-kevitra ny azy iny. Hatreto mbola tsy nahare fanambarana ofisialy milaza ny fotoana hanaovana ny fifidianana izahay. Manoloana izany dia tohizinay ny asa.

 

www.lakroa.mg Tena famehezana ?

RLF : Ny voalohany dia hafatra ho an’ny mponina dia ny  hoe 'tandremo fa mety misy ny olona mampanantena zavatra tsy azo tanterahana tahaka ny hoe “ho foanako  ny fandoavana hetra…”.'

Ny faharoa dia fisaorana an’Andriamanitra nanome hery nahavitana izay asa rehetra natao teo amin’ny kaominina.

Ny fahatelo dia fankasitrahana an’ireo namana tsy nanary indrindra tamin’ny fotoan-tsarotra nolalovana fa tsy mahavita tena izahay fa teo ireo namana ireo isan’izany ny mpanolotsaina.

Ary farany fisaorana ny ankohonako fa matetika izy ireo no tafa-teny hoe “Raha an’ny kaominina izao dia tsy hadinonao fa ny ato antrano tsy tsaroanao”.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay.“Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

Du même auteur

sport
societe

Dans la même rubrique

monde
monde
Publicité