logo
Lakroan'i Madagasikara
Resa-poty

Fan Zone

Ratalata Jn Ba il y a 1 moi

Efa fanaontsika teto ny nifantina asa soratra sy aingam-panahy hita tetsy sy teroa. Nisy maromaro sa vitsivitsy izy teto. Dia ity ny iray tamin’ireny resaka football ireny na resa-poty sa resa-CAN. Mianoka soa.

Fan Zone


zaho tsy  mpijery baolina, fa nanara-drenirano
Niaraka nirona, toy ny isan-tokantrano
Voatariky ny ainga Alefa Barea
Dia lasa koa nivoaka hoe handeha hizaha 


Feno Fan Zone moa izay rehetra aleha
Moa mitovy dia daholo ny olona mpandeha
Handeha hijery baolina, hanohana, hampahery
Ny ekipa malagasy, mba tsy hiady irery

Iny ary aho fa niditra, nisolana irery
Nanavatsava tsara ireto olona mpijery
Avy hatrany gaga, fa izay rehetra tao
Niarahaba ahy daholo, nanontany vaovao

Dia iny aho naka toerana, nividy koa labiera
Ireo manodidina ahy, tonga dia nandona vera
Iny aho fa tafiditra, nahazo aina avy hatrany
Ka avy dia niresaka, nisangy , nihanihany

Raikitra ny baolina, hitako tao daholo
Ny fientanam-pon’ny malagasy manontolo
Niaraka nihoraka, niaraka nikiaka
Niara nalahelo, niaraka sariaka

Tsy nisy intsony fefy, na politika na saranga
Malagasy iray no tao n’inona n’inona nitranga
Niray fo, niray hira, niray sento, niray hina
Satria tokan-tanjona, sy tokam-paniriana


……

Teo amin’ny ankaviako, nisy ankizivavy iray
Barea iringiriny hatrany amin’ny tsinay
Ny akanjo ara-penitra, maitso fotsy mena
Ny takolaka miloko sainam-pirenena

Vao misy seho mitranga, dia azy koa ny vava
Mihoraka izy, mihiaka, indraindray manampim-bava
Tampoka izy faly, tampoka izy moana
Vao misy tranga kely, dia mijery aty foana

Izaho lasa toa azy, nanarakaraka  onja
Nanarakaraka hefa, hita hoe vao indray monja
No nijery baolina, ny lalànany aza tsy haiko
Fa ny dikam-pihetsiny, no nanjary toa nibaiko

Nony kelikely, takaikiny aho nikisaka
Menamenatra aloha, sy namitsapitsaka
Rehefa nandroso nihafana ny lalao
Izay vao mba sahisahy, toa nahazo aina vao

Dia teo izahay roa, niaraka nirona
Nifanakalo jery, nifanakalo dona
Nifanakalo sento, nifanakalo hiaka
Toa olona ankiroa, adala sy mivika

….

Rehefa tapitra ny baolina, ny rehetra nangingina
Resy ilay notohanana, tsy to ilay faniriana
Nifampisaotra fotsiny, nifampidera na dia resy
Dia niaraka nandamina ilay tranon-kerimesy

Izahay roa koa moa, toa mbola nazotozoto
Niaraka nanangona, ireo fako sy ny loto
Tsy nisy iraka na baiko, fa toa nahatsapa tena
Hoe adidy no natao, fa tsy nisy hoe noterena

Rehefa vita izay, dia niomana izy handeha
Ny veloma nataony, fihina indray mandeha
Nasampiny ny entany, noraofiny ilay lamba
Ny kopaka nataony, hoe mbola hihaona angamba

Izaho mbola nivanaka …lozako oadray
tena adinoko ny naka ny laharan’ny finday
nanantena mbola hihaona, hay moa… tapaka ny lalana
Barea kay moa tsy tody antsasa-dalana

dia nody ny rehetra, nirava koa ny tsena
izaho irery teo tavela, tsy hay fa nihenahena
vita izay ny baolina, vita izay ny fety
dia iny koa aho nody, irery hilalao kanety

….

Raha sendra eto ianao mamaky ity hadalako
Dia tadidio isika roa ilay nandroaka fako
Izaho ilay bandy sola, nanao solomaso
Tsy sahy niteny akory, hoe vetivety andraso

Tsy sahy na hampiresaka, hanontany anarana
Androany aho anefa te hanova, Fandaharana
Raha azoko naverina ilay indray andro iny
Dia naveriko mihitsy, tsy nanaovako vahiny

Raha sendra ato ianao, r’ilay olona tsy haiko
Mba valio re azafady a, fa marary ange ny saiko
Ilay tany amin’ny Fan Zone, mba tiako hitohy ange
Dia aza misalasala an,  mandefasa mp

© Raozigasy 13/07/2019

 

https://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/fan-zone

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 21 Aug. 2019 - 09:30-

    Fanolorona avy amin’ny Sinoa. Nanolotra moto miisa 9 ho an'ny zandarimariam-pirenena ny ambasadaoro sinoa miasa sy monina eto Madagaikara. Notanterahina tetsy @ toby Jeneraly Ratsimandrava, ny 20 aogositra 2019 izany. Nitarika ny lanonana ny sekreteram-panjakana eo anivon'ny fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimaria, jeneraly Richard Ravalomanana. Fantatra fa ireo tobi-paritra lavitra sy saro-dalana no hisitraka an'ireto moto ireto toy ny any Marolambo, Besalampy sy Fenoarivobe ary Kandreho.

  • 20 Aug. 2019 - 10:00-

    Journée humanitaire mondiale. Dans un tweet, le Pape François soutient les femmes investies dans l’humanitaire à l'occasion de la journée humanitaire mondiale. «Souvenons-nous aujourd’hui de toutes les femmes courageuses qui vont à la rencontre de leurs frères et sœurs en difficulté. Chacune d’elle est un signe de la proximité et de la compassion de Dieu», déclare-t-il.

  • 19 Aug. 2019 - 07:15-

    #Worldphotographyday. Le 19 août est un jour exceptionnel pour les amoureux de la photographie puisqu’il s’agit de la journée mondiale de la photographie. L’invention officielle de la photographie remonte au 19 août 1839. Ainsi, cette date est choisie pour la célébrer. Pour fêter l’événement, les photographes sont invités à réaliser un cliché ce jour-là à 18h39 et à le partager sur les réseaux sociaux avec l’hashtag #jmp18h39.

  • 16 Aug. 2019 - 08:30-

    Fanentanana. Nidina nanentana ireo mpampiasa ny lalana mba hitandrina mandritry ny dian’izy ireo amin’ny lalam-pirenena voalohany ny vondron-tobim-pileovana Itasy sy ny vondron-tobim-paritra Arivonimamo ary ny tobi-paritra misahana ny fifamoivoizana ny 14 Aogositra 2019. Natao izany noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana manerana ny Nosy tato ho ato. Narahana fizaràna takelaka mirakitra ireo tsara ho fantatra mandritry ny fampiasana ny lalana moa ity hetsika ity mba ahafahan’ny tsirairay mandray fepetra arak’izay tandrify azy avy.

  • 14 Aug. 2019 - 10:30-

    Décès d'un cardinal mexicain. Le cardinal Sergio Obeso Rivera, archevêque émérite de Xalapa s’est éteint à l’âge de 87 ans. Ce cardinal mexicain, dont l'enterrement est prévu mardi 13 août, avait été promu lors du dernier consistoire, le 28 juin 2018, mais il n’avait jamais été électeur, puisqu’il avait déjà largement dépassé les 80 ans lors de sa création.

  • 13 Aug. 2019 - 10:15-

    Fanafihan-dahalo tao Ianabinda Betroka. Dahalo 6 nanafika sy nangalatra omby roa vala tao amin'ny Fokontany Fenoarivo Cr Ianabinda ny 11 aogositra tamin’ny 12 ora alina. Samy nivoaka ny tranony ka nanao izay ho afany hamaliana ireo tifitra variraraka nataon'ny dahalo ny fokonolona rehefa naheno ny koika na hazolava. Resy tosika ireo dahalo ka vaky nandositra niaraka tamin'ireo omby miisa 25. Raikitra ny aradia sy ny fifandonana ka dahalo iray no lavo ary omby 14 no azo fa ny 11 kosa mbola any apelatanan'ny dahalo.

  • 13 Aug. 2019 - 07:30-

    Coupure d’électricité. Pour améliorer la qualité de la fourniture d'énergie, la JIRAMA informe ses clients que la distribution d'énergie électrique est interrompue ce mardi 13 août 2019 de 09h00 à 16h00 dans le quartier d’Antanimora.  Des travaux d'entretien périodique sont en cours pour apporter des améliorations au niveau de l’électricité.

  • 12 Aug. 2019 - 08:50-

    L’Afrique doit se réveiller. En marge de la 18ème assemblée plénière du SECAM (symposium des conférences épiscopales d’Afrique et de Madagascar), le président de Caritas Afrique a appelé à un réveil du continent. « Nous avons choisi des leaders qui n’ont pas aidé l’Afrique depuis l’indépendance. Nous avons eu de bons dirigeants qui ont été chassés du pouvoir par des coups d’État, ourdis par des personnes ou des puissances obéissant à des intérêts propres », déclare Mgr Gilbert Justice Yaw Anokye, archevêque de Kumasi au Ghana.

  • 08 Aug. 2019 - 07:19-

    JIRAMA ho diovina. Araka ny tapaka tao amin’ny Filankevitry ny Ministra dia  tsy maintsy diovina ny fitantanana ny JIRAMA ary vitaina anatin’ny 2 taona raha ela indrindra ny fanarenana ny trosa sy ny orinasa. Tsy maintsy atao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ny fitantanana ny orinasa JIRAMA manomboka izao. Tsy maintsy hapetraka mazava ny tetiandro hanatanterahana ny fanarenana ny orinasa. Tsy maintsy mandoa ny trosany avokoa ireo sampan-draharaham-panjakana hananan’ny JIRAMA trosa izay mitentina 30 miliara ariary nanomboka ny voalohan’ny volana Janoary 2019 ka hatramin’ny volana Jona 2019. Tokony hisy amin’izay ny fametrahana business plan vaovao sy ny fijerena ireo contrats fanofana groupes mamokatra herinaratra manomboka izao. Hisy ny contrat programme hiarahan’ny fitondram-panjakana sy ny JIRAMA mametraka ny amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana eo amin’ny fitantanana ny orinasa.

  • 07 Aug. 2019 - 07:25-

    Nomination. Le Saint-Père a nommé neuf nouveaux membres au sein de la Congrégation pour les Églises orientales. Les nommés sont : le cardinal Gualtiero Bassetti, archevêque de Pérouse et président de la Conférence épiscopale italienne, le cardinal Carlos Osoro Sierra, archevêque de Madrid, le cardinal Anders Arborelius, évêque de Stockholm, le cardinal Luis Francisco Ladaria Ferrer, préfet de la Congrégation pour la Doctrine de la foi, Mgr Anthony Colin Fisher, archevêque de Sydney, Mgr Georges Bacouni, archevêque greco-catholique melkite de Beyrouth et Jbeil, Mgr Borys Gudziak, archevêque de Philadelphie des Ukrainiens, Mgr Michel Aupetit, archevêque de Paris, et Mgr Miguel Ángel Ayuso Guixot, président du Conseil pontifical pour le dialogue interreligieux.

  • 05 Aug. 2019 - 08:35-

    Qualification CHAN 2020. Malgré la défaite face aux Mambas 3-2 à Maputo, les Barea se qualifient pour le prochain tour dans le cadre de la qualification pour le Championnat d’Afrique des Nations (CHAN) 2020. Madagascar affrontera le Namibie pour ce troisième tour où le match aller est prévu le 20 au 22 septembre et le retour du 18 au 20 octobre. 

  • 02 Aug. 2019 - 08:00-

    Mercato des Barea. L’après CAN des Barea est mouvementé au niveau du mercato. Andriamirado Arohasina évoluera au Black Leopards FC pour cette saison dans le cadre d’un prêt. Le vice-capitaine des Barea, Ibrahim Amada, signe au Qatar avec Al Khor Sports Club. Pour sa part, Dimitry Caloin annonce sa signature au FC Villefranche pour la saison 2019-2020.

  • 31 Jul. 2019 - 07:00-

    Naufrage au large de la Libye. Le Pape François évoque le naufrage d’un bateau, jeudi dernier, transportant à bord 250 migrants. « J'ai appris avec douleur la nouvelle du naufrage dramatique survenu ces derniers jours dans les eaux de la Méditerranée, où des dizaines de migrants, y compris des femmes et des enfants, ont perdu la vie ».  Pour éviter que de tels drames ne se reproduisent, il a appelé les États du monde à « agir avec rapidité et détermination ».

  • 29 Jul. 2019 - 13:45-

    Fanafihana tao Befandriana Avaratra. Nahazo antso an-tariby ny tobi-paritra tao Befandriana avaratra fa misy manafika ny tranon’ny mpandraharaha sinoa ao an-toerana ny 29 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Mitentina 60.000.000 ariary ny vola voaroba tamin'izany. Voan'ny balan'ireo jiolahy nandritra ny fifampitifirana ny komandin’ny tobi-paritra zandarimaria avy ao amin'io toerana io. lavo teo noho eo ny iray tamin'ireo olon-dratsy nohon'ny fititra nataon'ny zandary.

  • 25 Jul. 2019 - 14:15-

    Fanavoazana « station de pompage ». Fotodrafitr’asa manaraka ny teknolojia avo lenta ny « station de pompage » ary afaka mitroka sy mamarina ny rano maloto avy any amin’ireo fokontany manodidina azy ho any ivelan’Antananarivo. Vita ny fanavaozana azy io etsy Andavamamba Anatihazo Isotry rehefa namboarina sy nokarakaraina nandritra ny 2 taona. Mahazo tombony betsaka amin’izany ireo mponina izay eny amin’ny faritra iva.

  • 24 Jul. 2019 - 11:25-

    JIOI 2019. Madagascar s’est bien débrouillé en judo, lors de la deuxième journée en épreuves individuelles, avec 2 médailles d’or obtenus par  Nazir Bin Abdou (-60kg) et Rasoanaivo Laura (-63kg), 5 médailles d’argent et 3 médailles de bronze. Place à la compétition par équipe le 25 juillet à partir de 9h30.

  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

Du même auteur

culture
dossier

Dans la même rubrique

culture
culture
Publicité