logo
Lakroan'i Madagasikara
Politika ankapoben’ny Fanjakana

Ny lahateny nataon'ny Praiminisitra (tapany voalohany)

admin il y a 1 moi

Araka ny Lalampanorenana ao amin'ny andininy faha 99 izay milaza fa ao anatin’ny telopolo andro nanendrena azy no anoloran’ny Praiminisitra ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny Antenimiera izay afaka manome tolo-kevitra. Notontosaina ny 16 aogositra teo izany ka ny 1. Ny lafiny Fitantanana; 2. Ny lafiny Fandriampahalemana sy Filaminana; 3. Ny sehatry ny Toekarena no atolotra eto .

Ny lahateny nataon'ny Praiminisitra (tapany voalohany)

Ny fanantanterahana dia ho velabelarina etoana anatin’ireto lohahevitra dimy lehibe manaraka ireto ka ahitana ny ankapoben’ny asa hatao:

1. Ny lafiny Fitantanana;

2. Ny lafiny Fandriampahalemana sy Filaminana;

3. Ny sehatry ny Toekarena ;

4. Ny sehatry ny Tontolo iainana

5. Ny lafiny Sosialy.


1. NY LAFINY FITANTANANA

1.1. ADY AMIN’NY KOLIKOLY, TSY MISY FANDEFERANA

Hatsaraina hatrany ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary hotohizana sy hamafisina ny fampiasana ny “E-gouvernance” hanatsarana ny fampandehanana ny asa rehetra. Hisy ny famolavolana ny paik’adim-pirenena momba ny E-gouvernance izay eo am-pamolavolana ankehitriny.

Singanina manokana ny fampiasana ny rindrambaiko “AUGURE” entina hitantanana ny mpiasam-panjakana. Vitaina amin’ny volana Septembra 2019 ho avy izao ny fampidirana ny anaran’ny mpiasam-panjakana rehetra sy ny momba azy ao anatin’io AUGURE io. Ny tanjona dia ny hitantanana ny isan’ny mpiasam-panjakana amin’ny alalan’ny AUGURE izay hifandray ho azy amin’ny fitantanana ny karama ny mpiasam-panjakana.

Hotohizina ny fampiasaina ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana sy fanaraha-maso ny kara- panondrom-pirenena. Izany dia tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana sy hiadiana amin’ny hosoka ary mba hananantsika antontan’isa azo antoka sy hampihenana ny fisian’ny karapanondro hosoka.

Hampiasàna teknolojia vaovao koa ny fahazoan-dalana hitondra fiara (Permis de conduire biométrique) sy ny taratasy mirakitra ny mombamomban’ny fiara (Carte grise). Foibe miisa 12 no hametrahana izany eto amintsika, izay efa natomboka any amin’ny renivohi-paritany 6 eto amin’ny nosy ka haparitaka ihany koa amin’ny renivohi-paritra 6 hafa ary kendrena ho vita mialohan’ny faran’ny taona 2020 izy rehetra.

Ny ady amin’ny kolikoly dia hafantoka ihany koa amin’ny fikirakirana ny taratasin’ny omby. Ka alohan’ny faran’ny volana Oktobra 2019 ho avy izao dia hivoaka ny rijan-teny mba hametrahana ny vidin’ny FIB (Fiche Individuelle des Bovidés) sy ny Bokin’ny omby ho sarany iray mitovy manerana an’i Madagasikara. Izany no hatao mba hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny fomba maharitra izay mianjady indrindra indrindra amin’ ireo tantsaha sy mpiompy any ambanivohitra rehetra any.

Eo amin’ny asampanjakana, efa natomboka ary hafainganina ny fomba enti-manatanteraka ny asa araka ny fototra tsy miova “Standard de services” eny amin’ny toeram-piasana mikirakira ny raharaham-bahoaka mba hahafahan’ny olona rehetra mahalala mialoha ny pitsopitson’ny taratasy ilaina, ny sarany ary ny fotoana iandrasana ny valiny. Izany no atao mba ho fampitoviana ny fombafiasa eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana sy hialana amin’ny kolikoly eny amin’ny biraom- panjakana rehetra.

Hatevenina ny fomba fiasa ka ho tena mangarahara ny tolo-barotra rehetra iarahana amin’ny Fanjakana. Hapetraka alohan’ny faran’ny taona 2019 ny “Mercuriale des prix” mba hamehezana ny vidin’ny kojakoja sy ny fitaovana isan-jokajiny rehetra tafiditra eo amin’ny tsenam-barompanjakana (marchés publics). Hatevenina ny asa sy ny andraikitry ny “Contrôle Financier” sy ny “Inspection Générale de I’Etat” eo amin’ny lafin’ny fampiasana sy fandaniana ny volampanjakana ary ny fitantanana ny sampan-draharaham-panjakana rehetra manerana ny nosy. Hampiharina amin’ireo manodinkodina ny volam-panjakana ny lalana velona. Anisan’izany ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny fepetra voalazan’ny Hitsivolana laharana faha-2019015 ny 15 jolay 2019, momba ny famerenana ireo fananana sy vola azo tamin’ny fomba tsy aradalàna.

Lavina marindrano ny kolikoly amin’ireo fifaninanana rehetra hidirana ho mpiasa sy tompon’andraiki-panjakana. Tsy misy fiantrana ny ho setrin’ny fahatratrarana ny manao kolikoly amin’ny fifaninanana ara-panjakana.

Mbola hatevenina hatrany ny ady atao amin’ny kolikoly mahakasika ny mpitandro filaminana eny amin’ny lalam-pirenena, eny amin’ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo, ny ao amin’ny fitsarana ary ny ao amin’ny lafin-tany mba hamerenana ny fitokisan’ny vahoaka azy ireo.

Hijoro hatrany ho modely amin’ny fahamendrehana sy ny fahamarinana eo amin’ny fitantanana ny tompon’andraikitra rehetra ka izay mania dia hahazo ny sazy mifanaraka amin’izany. Antoka ho famerenana indray ny fahatokisan’ny vahoaka ny fanjakana izany ary antoky ny filaminana sy fampandrosoana ara-toe-karena, ara-piaraha-monina sy ara-tsosialy ihany koa.

Fehiny, hamafisina ny ady amin’ny kolikoly ka tsy handeferana ireo minia manao izany.

 

1.2. FITSINJARAM-PAHEFANA SY FAMPANDRAISAN’ANDRAIKITRA IREO VONDROM-BAHOAKAMPARITRA

Mila fanavaozana ny politikam-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana eto amintsika amin’izao vanin’andro izao mba hanafainganana ny zotram-pampandrosoana izay hirosoan’ny rehetra amin’ny fomba maharitra. Hatao laharampahamehana ny fampandrosoana ny Faritra rehetra mba hialana amin’ny fivangongoam-pahefana aty amin’ny fanjakana foibe.

Fotokevitra telo lehibe no hitondrana ny fitsinjaram-pahefana :

Voalohany: Ny Fizarana ny fahefana any amin’ny Faritra, mba hahafahan’ireo tompon’andraikitra manapa-kevitra haingana sy mitondra vahaolana ho amin’ireny olana maro samihafa sy laharam-pahamehana hita eny ifotony ireny, fa tsy hiandry ny vahaolana avy aty amin’ny Fanjakana foibe hatrany.

Ny faharoa dia ny fampitaovana eny anivon’ny Faritra. Tsy voatery hiandry ny Fanjakana foibe ny fanombohan’ny asa fampandrosoana fa ny Faritra ihany no mamaritra ny laharam-pahamehana sy manapa-kevitra amin’izay foto-drafitrasa tokony hamboarina na hatsaraina araka ny filan’ny vahoaka sy filana ara-toe-karena any ifotony ka afaka manantanteraka ny asa nohon’ny fisian’ireo fitaovana maro isan-karazany eo ampelantanany.

Ary ny fahatelo farany dia ny mahakasika ny ara-bola. Homena teti-bola manokana ny Faritra tsirairay hahafahana manantanteraka sy mampivoatra maharitra ny faritra iadidiany.

Noho izany, manomboka amin’ity taona 2019 ity, ka mba hanatanterahana ny fampandrosoana eny ifotony dia Tetibola mitentina Iray miliara ariary isaky ny Faritra no homena hampiasaina amin’ny fampandrosoana eny ifotony araka ny fandaharan’asan’ny Faritra tsirairay avy. Ny fampitaovana ny Faritra rehetra manerana ny nosy dia hatomboka amin’ ity taona ity ihany koa.

Hapetraka ato anatin’ny telo volana ho avy izao ireo fitsipika aman-dalàna vaovao hifotoran’ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara. Izany fitsipika aman-dalàna izany dia tsy maintsy hirakitra ireo fepetra mamaritra ny andraikitra, ny anjara toerana ary ny fahefan’ny vondromparitra itsinjarampahefana. Noho izany dia tsy maintsy omena fahaiza-manao momba ny fitantanana ireo tompon’andraikitra amin’ny vondrona ireo.

Harindra ny fandefasana sy ny fametrahana ireo mpiasam-panjakana eny ifotony (fonctionnaires et agents publics locaux) mba hanatevenana ny fanapariam-pahefana ary hanatsarana ny fampandehanana ireo sampandraharaham-panjakana ifotony (services publics locaux),

Noho izany, hatomboka amin’ity taona 2019 ity ny fivorian-dehibe isam-paritra momba ny teti- bolam-panjakana 2020 (Conférences budgétaires regionales pour la Loi des finances 2020) hahafahana mampiseho amin’ireo vondrom-bahoaka ifotony fa omen-danja ireo tena laharampahamehana sy ny filany amin’ny fampandrosoana, mba hahazoana mamaritra mazava ireo teti- bolan’ny Faritra.

Fehiny, isika dia tsy afaka miala intsony amin’ny ezaka iombonana takian’ny vahoaka Malagasy amin’ny hanatsarana haingana ny fitantanana ny firenena. Ireo asa maro voatanisa teo aloha teo ireo dia antoka lehibe tsy maintsy hapetraka mba ho lasa zezika hanosika hatrany ny asa fampandrosoana.

2. NY LAFINY FANDRIAMPAHALEMANA SY FILAMINANA

2.1. MAHAKASIKA NY FANDRIAMPAHALEMANA ANY AMBANIVOHITRA

Fandaminana sy fandrindrana asa vaovao no hapetraka eto amin’ny firenana mba hamerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao anatin’ny fotoana fohy araka ny velirano nataon’ny Filoham- pirenana sy ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Efa naroso ary mbola hatevenana ny fandefasana mpitandro filaminana mampandry tany any amin’ireo faritra mena maro eto amin’ny firenena, izay antsoina hoe “Zones Rurales Prioritaires de Sécurité” ary miisa efatra izy ireny (ZRPS Alpha any Ranohirana, ZRPS Bravo any Miandrivazo, ZRPS Charlie any Morafenobe, ZRPS Delta any Maevatanana).

Mbola mitohy hatrany ny iraka ataon’izy ireny na dia efa azo tsapain-tanana sahady ny vokatra azo. Atao ny famerenana tanteraka ny fandriampahalemana any amin’ireny faritra mena ireny.

Na izany aza anefa dia tsy mitsahatra ny mikaroka paik’ady sy fomba vaovao hahazoana mamongotra ny asa ratsy isika. Noho izany, tsy maintsy ho tanterahana ireto ezaka manaraka ireto ho amin’ ity enim-bolana faharoan’ ity taona ity ary mbola ho tohizana amin’ny taona 2020.

Hapetraky ny Tafika Malagasy ireo rafitra maharitra sy nohavaozina ary haorina ireo fotodrafitr’asa handraisana azy ireny :

• Tobin’ny “Bataillon Opérationnel Avancé” (BOA) miisa dimy (5) ao Tsarantanana, Iakora, Morafenobe, Ambatofinandrahana ary Mahabo.

• Vondrona miaramila manokana ho an’ny fandriam-pahalemana na ny “Détachement Spécial de Sécurité”(DSS) miisa efatra (4) ao Vondrozo, Amboasary-Atsimo, Befotaka ary Ambohimahasoa.

Ny eo amin’ny Zandarmaria dia soritana manokana fa na dia efa an-taonany maro no nikasana hametraka Fiadidiam-paritany isaky ny Faritany, Vondron-tobim-pileovana isaky ny Faritra, Vondron-tobim-paritra isaky ny Distrika ary Tobim-paritra isaky ny Kaominina dia ireo Fiadidim- paritany sy ireo Vondron-tobim-pileovana ihany aloha no efa tafapetraka avokoa.

Ny fanorenana ireo Vondron-tobim-paritra sy Tobim-paritra vaovao no anaovana ezaka manokana ho ataon’ny Zandarimaria ka toy izao no sisa tavela ho tanterahana ny taona 2020 sy ny manaraka : 65 ny Vondron-tobim-paritra ary 1310 Tobim-paritra. Ho amin’ny taona 2020 dia ireto ny Distrika hisy Vondron-tobim-paritra (Compagnie) hatsangana: Amboasary Atsimo, Kandreho, Ikalamavony, Anjozorobe, Vondrozo, Belo-sur-Tsiribihina, Morombe, Amparafaravola, Beroroha, Midongy, Brickaville, Ambanja, Isandra.

Ireto kosa ny Kaominina hisitraka ny fitsanganana Tobim-paritra (Brigade) amin’ny taona 2020 :

CR Marolinta, District Beloha; CR Tranomalo, District Amboasary-Atsimo ; CR Soalazaina, District Ambatondrazaka ; CR Talata/Vohimena, District Manandriana ; CR Rantabe, District Maroantsetra, CR Alasora, District Antananarivo-A varadrano.

Mba ho fanamafisana ny fitandroana ny filaminana sy fandriampahalemana eny amin’ireo lalam-pirenena dia hapetraka manomboka amin’ity taona 2019 ity ny « Brigade Routière Spéciale » eny anivon’ny faritra fialan-tsasatra voaaro na ny « Aire de repos sécurisée » ka kaominina valo (8) no hisantatra izany: CR Ambalamanakana, District Ambohimahasoa (RN7), CR Sahamamy, District Brickaville (RN2), CR Ambohimpihaonana, District Ambohidratrimo (RN34), Croisement Kiangara, District Ankazobe (RN4), CR Tsaramandroso, District Ambato-boeny (RN4), CR Manampisoa, District Ambalavao (RN7), CR Ivohita, District Sakaraha (RN7), CR Irondro, District Ifanadiana (RN25).

Mba ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Zandary dia hitsangana any amin’ireto kaominina manaraka ireto ny Foibe fanofanana « Centre Spécial d’Aguerrissement Opérationnel » : Amin’ny taona 2019, dia ny CR Malaimbandy, District Mahabo, CR Beroroha, District Beroroha; CR Maromby, District Amboasary-Atsimo, CR Imanombo, District Ambovombe, CR Beravina, District Morafenobe, CR Ranotsara-Sud, District Befotaka, ary ny taona 2020 kosa ny CR Andriamena, District Tsaratanana ; CR Belo-sur-Tsiribihina, District Belo-sur-Tsiribihina ary ny « Centre National d’Entrainement Spécifique de la Gendarmerie Nationale » ao amin’ny CR Ambatolampy, District Ambatolampy.

Izany rehetra izany dia mitaky fanatevenana ny isan’ny mpitandro filaminana ka handray zandary vaovao miisa roa an-jato sy arivo (1200) ny amin’ity taona 2019 ity.

Ambonin’izany rehetra izany dia tsy ataon’ny Governemanta ambanin-javatra ny fampitaovana ka homena fiara sy moto tsy mataho-dalana amin’ity taona ity sy amin’ny taona 2020 ireo Vondron- tobim-paritra, Tobim-paritra, ary Foibe fanofanana voalaza etsy ambony ireo.

Farany, mahakasika ny halatr’omby manokana, tazomina ny fanapahan-kevitra noraisina momba ny tsy fahazoana manondrana omby any ivelany ary hohamafisina ny ezaka fanarahamaso momba ny omby amin’ny alalan’ny fampiasana ny “puce Clectronique”. Araka izay voalaza etsy ambony (teboka1.1), hivoaka ato anatin’ny fotoana fohy ny Didim-pitondrana iraisan’ny Ministera mahakasika ny FIB sy ny Bokin’omby ary ny sarany.

2.2. MAHAKASIKA NY FANDRIAM-PAHALEMANA AN-TANAN-DEHIBE

Mbola mitohy hatrany ireo hetsika fisafoana na patrouille ataon’ny mpitandro filaminana telo tonta: Polisy, Zandary ary Miaramila eo amin’ireo faritra ilana izany eny an-tanan-dehibe.

Amin’ity taona ity sy ny taona 2020 dia hatao ny fanamboarana trano handray ny “Commissariats de Police” any Mahatangy Vangaindrano, any Tsaratanana, ao Mahatsinjo, District Maevatanana II. Mbola hisy koa ny fanangananana efitrano vaovao handray ireo sampan-draharaha avy amin’ny Fiadidiam-paritra ny filaminam-bahoaka miisa enina ambin’ny folo (16) manerana ny nosy.

Mbola hatevenina hatrany ny ady atao amin’ny “cybercriminalité” ary hamafisina ny fanarahamaso ny fivezivezen’ny olona eny amin’ny seranana isan-karazany ireny, ao anatin’izany ny ady amin’ny fandefasana olona antsokosoko ary ny fifindra-monina tsy ara-dalana any ivelany.

Hisy ny fandraisana polisy vaovao miisa 1250 amin’ ity taona ity ary mba hahalavorary ny fiofanana izay ho arahin’izy ireo dia hisy ny fanorenana trano vaovao sy fanatsarana sy fampitaovana maro samihafa eny amin’ ireny Sekolin’ny Polisy ireny.

Hotohizana hatrany ny ady atao amin’ny fakana ankeriny aty an-drenivohitra sy ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina.

2.3. MAHAKASIKA NY FANDRIAM-PAHALEMANA AN’HABAKABAKA SY AN-DRANOMASINA

Mbola hatevenina hatrany ny fampitaovana ny Tafika an’habakabaka mba hahafahana mifehy tanteraka ny fandriampahalemana eto amin’ny nosy.

Manampy betsaka ny mpitandro filaminana an-tanety sy an-dranomasina amin’ny famerenana ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny sisin-tany ary ny fari-dranomasina ny fitaovana efa eo ampelatanana sy izay mbola ho tonga, toy ny fiaramanidina sy ireo angidimby ireo.

Misy ny fanofanana alohan’ny farany taona 2019 mpanamory fiaramanidina sy angidimby miisa 30 sy mpiasa hafa misahana ny fikojakojana fiaramanidina sy angidimby.

Hatsangana ny foto-drafitrasa vaovao handraisana ireo angidimby ho an’ireo Vondron-tafika “Bataillon Opérationnel Avancé” na ny BOA, miisa 5 efa voalaza tetsy aloha. Havaozina ihany koa ny tobim- piantsonana fiaramanidina miaramila ao Arivonimamo.

Eo amin’ny lafin’ny ranomasina, dia ho vitaina ato anatin’ny enim-bolana ho avy izao ny Paik’adim- pirenena momba ny fandriampahalemana an-dranomasina. Noho izany, hapetraka ny lalan-tsaina vaovao izay hifototra bebe kokoa amin’ny fiarovana ny sisin-tany sy ny faridranomasina mba hampanjariana ny toekarena manga (Garde-côte) ankoatra ny efa mahazatra mahakasika ny asa iandreketan’ny Tafika an-dranomasina (Forces navales). Ilaina izany ny hamehezana tsara sy handrindrana metimety kokoa ny asa rehetra amin’ny fiarovana ny sisintany sy ny fari-dranomasina ka hapetraka ho iray ihany ny fibaikona ny asa rehetra.

Eo anatrehan’izany dia tsy maintsy atao ezaka faran’izay haingana ny hampitaovana ny Tafika an-dranomasina sambo miaramila mpisafo vaovao (patrouilleur) izay marihina fa hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena dia sambany izao vao mba hividy fitaovana sahaza ny toetr’andro toy izany ny Tafika an-dranomasina.

Ny vaninandro ankehitriny dia mitaky fomba fijery vaovao mba hifanaraka amin’ny zava-misy tokoa ny rafitra hapetraka.

Fari-dranomasina “Zone Maritime Prioritaire d’Intervention” (ZMPI) miisa 2 no hapetraka, dia ny fari-dranomasina Avaratra-Atsinanana sy ny fari-dranomasina Atsimo-Andrefana.

Hisy ny fanamboarana ivon-toeranam-pampianarana manokana ho an’ny Tafika andranomasinamiisa roa (2) ao Antsiranana sy Mahajanga. Ho foronina ny Tobim-pamaharana vaovao an’ny Tafika an-dranomasina ao Taolagnaro.

Ny fananganana azy ireo dia manomboka amin’ity taona 2019 ity ary ho tohizana izany amin’ny taona ho avy sy ny manaraka.

2.4. MAHAKASIKA NY FANATSARANANA NY TOERAM-PAMONJANA

Fonja maromaro no hatsangana manomboka amin’ity taona 2019 ity. Misy amin’ireo toeram- pamonjana ireo no tsotra toy ny hatsangana any Sambava sy Fianarantsoa, ary misy kosa ireo matevim-piambenana ho an’ireo nahavita heloka bevava mamoafady, hatsangana ao Imerintsiatosika (Antananarivo) sy any Ikelivondraka (Ihosy). Hohavaozina sy hitarina ny fonjan’i Tsiafahy sy ny any Moramanga.

Hovatsiana fitaovam-piadiana vaovao ireo mpandraharahan’ny fonja ary hampiana ireo fiara fitondrana voafonja, mialohan’ny faran’ny taona 2019.

Amin’ny taona 2020, hisy ny fanamboarana fonja tsotra any Manjakandriana, Vohémar ary ao Antananarivo Avaradrano. Harahi-maso amin’ny alalan’ny «caméra de surveillance» ny fonjan’Antanimora, ny fonjan’i Toamasina, ary ny Fitsarana ambaratonga voalohany any amin’ ireo toerana ireo.

Hampiasana solosaina ny fitantanana sy fanaraha-maso ireo fonja manomboka amin’ity taona ity ka hatramin’ny taona 2020. Io solosaina io dia mifampiankina sy mifandray any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy Fitsarana ambony. Izany no atao mba hampihena ny kolikoly any anivon’ireny fonja ireny.

Hisy amin’ity taona ity, ireo fanadinam-panjakana handraisana mpiandry fonja miisa dimampolo sy roan-jato (250).

Raha ohatra ka efa betsaka ny fitsarana mitety vohitra (audience foraine) izay natomboka tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, dia hitarina any amin’ny faritra sasany izany toy ny any Atsinanana sy ny eto Analamanga, mba hampihenana bebe kokoa ny isan’ireo voafonja vonjimaika milona ao an-tranomaizina miandry fitsarana.

Ho fehin’ity ezaka amin’ny fandriam-pahalemana ity, tsara ny manamarika fa tsy maintsy hiditra amin’ny fanovana fomba fiasa isika. Isan’izany ny fifampiankinan’ireo sampana rehetra, ary tsy maintsy harindra ny asa atao sy ny fepetra horaisina. Araka izany dia hatambatra ny fitaovana ananana mba hisian’ny vokatra tsaratsara kokoa amin’ny famerenana ny fandriam-pahalemana eto amintsika. Mitaky fanatsarana sy fanamafisana ny fahaiza-mitarika eo amin’ny fitantanana ny lafiny fandriampahalemana (OMC any ifotony) ary ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fampandriana fahalemana ny any ambanivohitra sy ny ety an-tanan-dehibe dia entanina hatrany.

Ny tanjona tiana ho tratrarina dia ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny Mpitandro filaminana, ny Fitsarana, ary ny Lafintany, amin’ny alalan’ny fanovana hita maso ny fomba fiasa, ny hanaovana ihany koa ho soatoavina hajaina sy hiainan’ny tompon’andraikitra rehetra ny fahaiza-manao, ny fahamendrena ary ny fahamarinana.

3. NY SEHATRY NY TOE-KARENA

3.1. FANATSARANA NY TOE-KARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

Ny Tetibolam-panjakana nasiana fanitsiana 2019 dia efa nampifanarahina tamin’ireo laharam- pahamehana vaovao araka izay voalaza ao amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana.

Eo amin’ny sehatry ny tetibola, tohizana ny ezaka amin’ny fampitomboana ny vola miditra amin’ny fanjakana sy ireo vondrom-paritra eny ifotony, amin’ny alalan’ny fiantohana ireo vola azo avy amin’ny harena voajanahary, ary ny fandraisana an-tanana miandalana ny asa fihariana tsy manara-drafitra mba hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalana.

Hamafisina ihany koa ireo fanaraha-maso mialoha sy aorian’ny fampiasana sy fandaniana ny volam-panjakana mba hamongorana ny kolikoly sy ny hosoka. Tsy atao ambanin-javatra ny ady amin’ny hosoka amin’ny fampidiran-ketra sy ny fadintseranana amin’ny alalan’ny fanitarana ireo foto-drafitr’asa manaraka ny fivoaran’ny teknolojia (infrastructures de dématérialisation) sy amin’ny alalan’ny fanaovana fisafoana sy fitsirihana anatiny.

Ny tanjona ho tratrarina dia ny fiakaran’ny hari-karem-pirenena ho 7 isan-jato ato anatin’ny telo taona ho avy ka ny tahan’ny fampidiran-ketra hahatratra 15 isan-jato amin’ny taona 2023.

Hisy ny fifampiresahana sy fifampiofanana mahakasika ny teti-bolam-panjakana eo amin’ny Ministera misahana ny fitantanam-bola sy ny Vaomieran’ny Fitantanam-bola aty amin’ny parlemanta.

Ivotoeran-ketra miisa 9 no hajoro ny taona 2019-2020 dia ny any Antanifotsy, Mampikony, Betioky, Amboasary, Mahajanga, Toamasina, Ambositra, Ifanadiana ary Farafangana.

Ivotoeran’ny fadin-tseranana 4 kosa no hosokafana ny taona 2019-2020 dia ny anyMananjary, Analalava, Maroantsetra ary Mananara.

Ankoatr’izany dia ho sokafana alohan’ny faran’ny taona 2019 ny sampandraharaha misahana ny fandoavana karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny volan’ny zokiolona ao Mananjary, Betroka, Mananara-Avaratra, Bekily, Beloha, Mahanoro, Mandritsara ary Analalava. Ny taona 2020 no hanokafana ny any Anosibe an’Ala, Nosivarika, Ambatofinandrahana ary Morondava. Ny sasany amin’izy ireo Perception principale (Betroka sy Mananara-Avaratra) ary ny hafa kosa Trésorerie Générale (Mananjary sy Morondava). .

3.2. FAMPIVELARANA NY SEHATRY NY INDOSTRIA

Tanjona ny hamokarantsika eto an-toerana ireo entana sy sakafo ilaintsika andavanandro. Hamoraina ny fananganana indostria eto Madagasikara ka homena vahana bebe kokoa ny fanodinana sakafo, ny famokarana siramamy ary ny fanamboarana fanafody. Amporisihina ny fahatongavan’ireo orinasa vahiny azo antoka toy ny mpamokatra simenitra sy ireo mpamokatra herin’aratra azo havaozina.

Mbola eo amin’ny sehatry ny indostria dia hisy ny fameloma-maso sy fampandehanana indray ireo orin’asam-panjakana lehibe izay mandalo fahasahiranana.

Hatsangana ny Agence de Gestion des Zones d’Emergence Industrielle (ZEI) ao anatin’ny enim- bolana mba hahafahana mametraka ny paikady ho an'ireo karazana Zone Industrielles eto amintsika. Ny fametrahana ny ZEI dia hatomboka any Moramanga, Taolagnaro, Antsirabe ary Mahajanga.

Raha ny mahakasika ny fampiharana ny lalana ho an’ny Fampandrosoana ny Orinasa Vaventy eto Madagasikara (Loi sur le Développement de I’Industrie de Madagascar — LDIM Loi n°2017047 du. 29/01/2018) dia hivoaka amin’ny volana Oktobra 2019 izao ny didim-panjakana manatanteraka izany.

Ho fampiroboroboana ny asa fandraharahana sy ny famoronana orinasa dia hatsangana ny “incubateurs d’entreprise” telo (3): any Vakinankaratra, Atsimo Andrefana ary Toamasina, ny taona 2019-2020.

Hatonta sy hozaraina manomboka amin’ity taona ity ny “Livret Kajy” miisa roa tapitrisa mba hampidirana ny mpanao asa tanana amin’ny sehatra manara-drafitra.

Ho fanatsarana ny kalitaon’ny vokatry ny asa-tanana mba ho matihanina amin’ny asa sy ho fiadiana amin’ny asa tsy manara-drafitra dia ho tohanana ny mpanao asa-tanana sy ny Tranoben’ny Asa-tanana alohan’ny faran’ny taona 2019. Izany dia hatao any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, Boeny, Analanjorofo, Atsimo-Andrefana. Mpanao asa-tanana miisa dimy alina (50.000) no hahazo tombotsoa amin’ny Tetik’asa "Fihariana", amin’ny alalan’ny fanentanana sy tosika samihafa any amin’ny faritra Diana, Boeny, Atsinanana, Atsimo andrefana ary Amoron’i Mania.

 3.3. FANITARANA SY FANATSARANA NY FAMBOLENA

Mba tsy hanafarana vary intsony dia efa natomboka ny fanajariana ny faritra hambolena mirefy iray hetsy hekitara (100.000 ha) ao anatin’ny dimy taona. Ny tanjona voalohany dia ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo.

Amporisihina ny fampiasam-bola amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono sy ny fanodinanavokatra avy amin’ireo seha-pihariana ireo. Ataontsika vaindohan-draharaha ny fiompiana sy ny fanatsarana ny omby eto amintsika.

Amin’ny fomba indostrialy no hitrandrahana ny fiompiana, ny fambolena ary ny jono mba hamoronana asa mendrika sy hanatsarana ny kalitao sy ny vokatra. Homen-danja manokana amin’ izany ireo vokatra mampidi-bola vahiny sy ireo vokatra alefa any amin’ny tsena iraisampirenena toy ny lavanila, ny litchi, ny jirofo, ny cacao, sy ny sisa sy ny sisa. Hamoraina ny fanampiana ireo mpamokatra madinika, indrindra fa ny tanora, mba ho matihanina.

Amin’izao fotoana izao dia efa an-dalam-panitarana ireo velaran-tany azo ambolena vary ny Fanjakana, izany dia hita any amin’ny lemak’i Bekapila, Distrikan’i Port Bergé, manodidina ny arivo sy iray alina hekitara (11.000 ha) ka amin’ny fiandohan’ny taona 2020 no hanomboka ny asa miaraka amin-dry zareo Indianina.

Any amin’ny lemak’i Bas-Mangoky dia dimy alina hekitara (50.000 ha) izay iarahana amin’ny BAD sy FIDA.

Any Alaotra dia efatra arivo hekitara (4.000 ha) iarahana amin-dry zareo Sinoa.

Iray alina hekitara (10.000 ha) vatsian’ny FIDA sy ny Vondrona Eropeanina (UE) ary ny Banky Iraisampirenena (BM) efa natomboka tamin’ity taona ity ao Ambilobe, Antsirabe, Vangaindrano, Farafangana, lazafo Vavatenina, Bealanana, Marovoay, Ambositra, Taolagnaro, Ambovombe.

Ny fanitarana tanimbary ho an’ny ketsa izay hampiasana masomboly nohatsaraina kosa (vary an-tanety) dia dimy arivo sy roa alina hekitara (25.000 ha) any Itasy, Bongolova, Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.

 3.4. FANATSARANA NY SEHATRY NY FIOMPIANA SY NY JONO

NY FIOMPIANA

Eo amin’ny seha-pihariana omby dia hampitomboina ny isan’ny omby ompiana, hiantohana ny fahafantarana ny niavian’ny omby sy ny mombamomba azy (tracabilité), hohatsaraina ny toerana famonoana omby (abattoirs) ary hisy ny fananganana toerana fiompiana omby moderna hanatavezana omby. Amin’ity taona ity dia hatomboka ny fananganana abattoirs any Toamasina sy Tsiroanomandidy.

Ny taona 2020 dia toerana famonoana omby folo (10) no hamboarina: Antsohihy, Morondava, Antsirabe, Sabotsy Namehana, Anosizato, Taolagnaro, Ihosy, Mahajanga, Antsiranana ary Sambava.

Hisy ny fananganana toerana fiompina omby mifaha moderna vaovao ka ny any Tsiroanomandidy ary Ambatomainty dia hatsangana alohan’ny faran’ny taona.

Eo amin’ny seha-pihariana akoho dia hampitomboina hatramin’ny roapolo tapitrisa isan-taona (20.000.000) ny famokarana zanak’akoho (mpanatody lava sy fakana nofo) izay ilain’ny mpiompy tsotra sy mpiompy matihanina. Izany dia hatao any Mahajanga, Antsiranana ary Brickaville. Tanora miisa 150 no hofanina ho mpandraharaha amin’ny fiompiana akoho ka hatomboka amin’ity taona ity ny fanomanana izany.

NY JONO

Hohavaozina ny fepetra amin’ny jono an-dranomasina amin’ny alalan’ny fanatsarana ny vola miditra amin’ny fanjakana avy amin’ny jono ; noho izany dia haverina hojerena ny fifanarahana ara-jono rehetra efa misy.

Hatao koa izay hampaharitra ny fitrandrahana ny harena anaty rano toy ny drakaka.

Farany, harovana ny faritra fanjonoana izay antsika Malagasy ka hatevenina ny fitaovana fanaraha- maso any Nosy Be, Maintirano ary Mananara.

 3.5. FANAMBOARANA FOTO-DRAFITR’ASA SY FANATSARANA NY ENDRIK’I MADAGASIKARA

NY LALANA SY NY ASA VAVENTY

Hotohizana ny fanavaozana sy ny fanarenana ireo lalam-pirenena maro eto amintsika. Tanterahina amin’izao taona 2019 izao ka vinavinaina hifarana ny taona 2020-2021 ny asa fanamboarana sy fanavaozana ireto lalana ireto :

§ RNS (Toamasina - Soanierana Ivongo)

§ RNS (Soanierana Ivongo — Mananara — Maroantsetra)

§ RNSA (Ambilobe - Vohémar)

§ RN6 (Ambanja — Diégo, ka ny fanarenana tetezana dia efa manomboka) RN12A (Vangaindrano - Taolagnaro)

§ RN43 (Sambaina — Faratsiho)

§ RN44 (Marovoay — Vodiala Ambatondrazaka).

 Raha ny eto amin’ny Faritra Analamanga sy Antananarivo izay renivohitr’i Madagasikara manokana no resahina dia efa natomboka ny asa maika fanarenana sy fanatsarana ny ; RN1 (Soarano-Mandriamena, rond point Anosy — fivoahana pont Ampitatafika), Làlana Itaosy

(Tetezana Ampasika mipaka any amin’ny Cité des assureurs ary ny bretelle d’Avarabohitra) -

RN2 (Gara Soarano — Mahazo)

§ RN3 (Andravoahangy ambony - Sabotsy Namehana)

§ RN4 (Soarano — Imerinafovoany)

§ RN7 (Soarano — Mandriamena)

§ fanamboarana ny Rocade Est sy Nord-Est (By-pass, Ambohimahitsy, Marais Masay)

§ fanamboarana échangeurs sy fly-over Anosizato — Itaosyfanamboarana lalana mailaka mampitohy ny village artisanal sy Ivato, 18 km

§ fanamboarana lalana ambanivohitra manohy an’i Mahitsy sy Mahasoazaza, 19 km

§ fanamboarana ny fefiloha havanan’ny reniranon’ny Sisaony

§ fanatsarana ny fefilohan’ny Sisaony hatrany Soalandy sy Ampanefy

§ fanamafisana ny fefilohan’ny Mamba, Ankadikely Ilafy ary ny Canal Andriantany hatrany larinarivo.

Ny any amin’ny faritra hafa dia efa manomboka koa ireto asa ireto:

§ Ny fanamafisana ny lakan-dranon’ny Kiembe Toliara ary ny asa fanajariana sy fanalavana ny fefiloha miaro an’ny Kiembe Toliara

§ Ny fanarenana ny lalandrano (viaduc) Sahasinaka amin’ny lalamby Fianarantsoa Céte-Est

§ Ny fanombohana ny asa fanajariana ny foto-drafitrasa manaraka ny sisin-dranomasina aoToamasina (Boulevard Tsimilaho) izay hifandrindra amin’ny tetikasa Miami

§ Ny fanamboarana tetezana ao Andranomanakova, RN 35

§ Ny fanamboarana ny bac ao Ambila Lemaintso

§ Ny fanamboarina sy fanavaozana ny lalana ifamezivezena any amin’ny kaominina maro manerana ny nosy.

Hiroso ihany koa isika tamin’ity taona 2019 ity, amin’ny fanamboarana ny “routes fleuries” eny amin’ny lalam-pirenena RN1, RN2 sy RN7 izay hasiana fanarenana. Izany dia ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina (PPP). Koa mba ho fanentanana sy famporisihina ireo orinasa handray anjara amin’izany fiaraha-mientana izany dia natsangana ny Certification “Label vert” izay toavina maneran-tany.

Hatomboka amin’ny taona 2020 ho avy izao ny fanamboarana na ny fanarenana ireto lalana ireto :

§ RNS1 (Tsiroanomandidy — Maintirano)

§ RN2 ary anatin’izany ny fanatsarana ny tetezan’i Mangoro sy ny tetezan’i Antsapazana

§ RN3B (Ambariomiambana — Andapa — Bealanana)

§ RN4, RN6, RN7 dia ny fanarenana ireo lalana ireo

§ RN8C (RN4 —Kandreho)

§ RNT8 (Bekopaka — Morondava)

§ RN9 (Analamisampy — Manja) ka ny fanamboarana ny fanohizana ny lalana Tsianisia — Andoharano (racordement RNQ) mahatratra 16 km dia efa amperinasa tanteraka. Hatomboka ihanykoa ny fanamboarana tetezana Mangoky (Bevoay) RN9 izay mahatratra valopolo sy valonjato metatra (880 m)

§ RNI1O(Andranovory — Ambovombe)

§ RNTI1 (Mananjary — Nosivarika — Mahanoro)

§ RN1I3 (Ambovobe — Taolagnaro)

§ RNS13 (RN7— Ambovombe)

§ RNI8 (Vangaindrano — Midongy — Befotaka)

§ RNT19 (Katsepy - Maintirano)

§ RNT20 (Ilaka Atsinanana — Antanambao Manampotsy)

§ RN23 (Mahanoro — Marolambo)

§ RN31 (RN6— Bealanana)

§ RN33A (RN4— Tsaratanana)

§ RN55 (RN9 — Morombe)

§ Ny fanarenana ny lalana ao an-tampon-tananan’i Fianarantsoa, Mahajanga, Toliara, Antsiranana, Toamasina

§ Ny fanamboarana ireo tetezana amin’ny làlana mankany amin’ireto tanana ireto: Beroroha, Besalampy, Ambalavao, Vohiposa

§ Ny fanamboarana ny Rocade Digue de Fiherenana

§ Ny fanamboarana ny lalana ao Antsohihy

§ Ny fanamboaran-dalana eny ambanivohitra mirefy valopolo kilometatra (80 km) sy tetezana any amin’ny faritra Boeny sy Diana.

NY PAOSITRA

Havaozina tanteraka ny paositra eto amintsika ary haverina amin’ny toerana tokony misy azy ny fandraharahan’ny paositra manerana ny nosy. Momba ny foto-drafitr’asa dia havaozina ny Foiben’ny Paositra Malagasy eo Antaninarenina izay vinavinaina ho vita amin’ny taona 2020. Havaozina koa ny biraon’ny Paositra miisa dimampolo sy roanjato (250) maneran’ny Madagasikara.

Mikasika ny “e-Paiement” dia hisy fiara-miasa amin’ny Sampandraharaham-panjakana, orinasa ary tranom-barotra lehibe maro eto amintsika. Ny tanjona dia ny hahatratrarana mpanjifa ny Paositra Money miisa telohetsy (300.000) ao anatin’ny roa taona (2021).

NY FITATERANA SY NY FIZAHANTANY

Hapetraka manokana ny politika vaovao eo amin’ny sehatry ny fitaterana mba hampivoarana haingana ny fizahantany eto amintsika.

Mba hahazoantsika manatsara sy mampiroborobo ny sehatry ny fizahantany dia tsy maintsy h atao ny fanitarana sy fampanarahana fenitra ny foto-drafitr’asa amin’ny fitaterana rehetra. Hatsangana amin’ny velaran-tany sivy hekitara (9 ha) alohan’ny vola desambra 2019 ny Tanana fialantsatra (village de vacances) any Ampefy.

Amin’ny fitaterana an-dalamby, efa natomboka ny asa fanamboarana ny tetezana ao Sahasinaka amin’ny zotra FCE ary hatao ny fividianana lohamasinina roa (2) mampitohy Fianarantsoa — Faritra Atsinanana izay vinaviaina ho vita alohan’ny desambra 2019.

Hatsaraina koa ny asa hatolotra ho an’ny fitateram-bahoaka na eto an-drenivohitra na any amin’ny faritra; singanina amin’izany ny fametrahana fitaterana mailaka La City - Tsarasaotra - Ivato – Talatamaty, izay kendrena ho vita alohan’ny volana desambra 2019.

Hosokafana ny habakabak’i Madagasikara mba hanatsarana ny sehatry ny fizahantany. Efa irosoana ihany koa ny fanadiovana sy ny fampiroboroboana ireo rantsamangaika sy ny orinasam-panjakana izay misehatra eo amin’ny fitaterana sy ny fizahantany.

Mbola an-dalana ny fampidinihina sy ny fifanarahana amin’ny fitantanana (Concession ou contrat de gestion) momba ireo seranam-piaramanidina hafa toa an’Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Morondava ary Taolagnaro. Manaraka izany dia eo am-panamboarana ny seranam-piaramanidina any Toliara sy Taolagnaro isika mahakasika ny famaritana ny faritry ny seranam-piaramanidina (limitation domaine aéroportuaire) sy fametrahana ny marika famantarana (balisage) izay kasaina ho vita amin’ity farany taona 2019.

Anisan’ny laharam-pahamehana ny fanamboarana ny seranam-piaramanidina any Bekopaka sy Ranohira mba hisitomana bebe kokoa ny mpizahatany. Hosokafana ny seranam-piaramanidina Andrakaka Antsiranana amin’ny sidina iraisam-pirenena; efa natomboka ny asa fandinihina ahatongavana amin’ izany.

Ankoatr’izay, efa hatomboka alohan’ny faran’ity taona ity ny fifanarahana amin’ireo mpiara- ombon’antoka rehetra mba hanavaozana ny Canal des Pangalanes avy aty Toamasina ka hatrany Mananjary, mba hitondrana fanampiana amin’ny fampivelarana ny seha-pihariana toy ny lavanila, ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany, ny fambolena, ny indostria, sy ny sisa.

Ho tohizana ny taona 2020 ny fanatsarana ny fifamoivoizana amin’ny Canal des Pangalanes ka ho vitaina ny ampahany Toamasina-Foulpointe ary Mananjary-Farafangana.

Farany, hisy fihaonambe mikasika ny fampiasam-bola eto Madagasikara (Wave Madagascar) amin’ny faha-17 ka hatramin’ny faha 20 Septambra ho avy izao eny amin’ny CCI Ivato ka mpandraharaha avy any ivelany mihoatra ny dimampolo (50) no ho tonga amin’ izany.

Hasaina amin’izany ireo mpandraharaha rehetra izay mety ho liana amin’ny fifanarahana amin’ny fitantanana toerana fandraisam-bahiny, seranam-piaramanidina, seranan-tsambo, fitaterana an- dranomasina sy an-habakabaka.

Hamboarina ary hovitaina amin’ny taona 2020 ny tobim-piantsonana an-dranomasina ao Foulpointe sy Sainte-Marie. Hatao ao anatin’ny efa-taona ho avy ny asa fanarenana sy fanitarana ny tobim- piantsonan-tsambo any Vohemar, Antsiranana, Mahajanga ary Toliara.

Farany, hatomboka ny fanadihadiana mahakasika ny fananganana tobim-piantsonan-tsambo vaovao ao Morondava sy Marohita Mananjary.



Ny tohiny dia ho hitanao ao amin'ity rohy manaraka ity



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Sep. 2019 - 11:56-

    Fondation. Le Président de la République a saisit le Président de la Haute Cour constitutionnelle sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution aussi la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que :

    Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

    Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

    Article 3.-  La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique

  • 19 Sep. 2019 - 10:05-

    Ambasadaoro 4 vaovao. Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, dia nankatoa ny fanendrena ho ambasadaoro an’i
    - Rajohnson Olivier Hugues Rija, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy  monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay.
    - Yvette Sylla, ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris
    - Albert Camille Vital, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy.
    - Jean Omer Beriziky, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles.

  • 19 Sep. 2019 - 08:35-

    Praiminisitra sady minisitry ny Raharaham-bahiny. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay ny 18 septambra no maha minisitra miandraikitra io asa io an’i Naina Andriatsitohaina farany, noho ity olom-pirenena ity nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC ny 18 septambra teo.

  • 19 Sep. 2019 - 07:37-

    Fanafoanana organismes rattachés. Entitra ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • 19 Sep. 2019 - 07:36-

    Paositra mpitatitra entana. Fantatra nandritra ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa hiverina amin’ny fitaterana entana (colis postaux) ny Ministeran’ny Paositra. Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava nandritra ny Filankevitra fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

Du même auteur

dossier
politique

Dans la même rubrique

dossier
dossier
Publicité