logo
Lakroan'i Madagasikara
Politika ankapoben’ny Fanjakana

Ny lahateny nataon'ny Praiminisitra (tapany faharoa)

admin il y a 1 moi

Araka ny Lalampanorenana ao amin'ny andininy faha 99 izay milaza fa ao anatin’ny telopolo andro nanendrena azy no anoloran’ny Praiminisitra ny fandaharan’asany momba ny fampiharana ny politika ankapoben’ny Fanjakana amin’ny Antenimiera izay afaka manome tolo-kevitra. Notontosaina ny 16 aogositra teo izany ka ny 4. Ny sehatry ny Tontolo iainana . 5- Ny lafiny Sosialy no atolotra amin'izao tapany faharoa izao.

Ny lahateny nataon'ny Praiminisitra (tapany faharoa)

(tohiny)

Ny tapany voalohany dia hitanao ao amin'ity rohy ity

https://www.lakroa.mg/item-1831_articles_dossier_18-ny-lahateny-nataon-ny-praiminisitra-tapany-fahar...


4. NY SEHATRY NY TONTOLO IAINANA

4.1. ANGOVO SY RANO FISOTRO MADIO HO AN’NY REHETRA ANTOKY NY FIVOARANA SY NY FAMPANDROSOANA NY FIRENENA NY ANGOVO SY NY RANO.

Mahakasika manokana ny angovo sy ny herinaratra dia hampitomboina avo roa heny ny famokarana herinaratra ao anatin’ny 5 taona. Hampiasaina bebe kokoa amin’izany ny angovo azo havaozina mbahampihenana tsikelikely ny fampiasana solika mahazatra antsika sy hifehezana ny saran’ny famokarana.

Efa natomboka ireo asa hoenti-manangana ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny rano ao Sahofika, hamokatra sivifolo ambizato mégawatts (190 MW), ary Volobe, hamokatra roapolo ambizato megawatts (120 MW). Ezahina ny hamita tanteraka ireo foibe famokarana herinaratra ireo alohan’ny faran’ny taona 2023.

Hanamboatra tobim-pamokarana herinaratra mitambatra (Centrales hybrides) isika amin’ny tanana 45 izay hamokatra hatrany amin’ny 40MW amin’ity taona 2019 ity ary anisan’izany Ambanja, Sambava, Antalaha, Nosy Be, Manajary, Ihosy, Betroka, Ranohira, Antsohihy, PortBergé, Mampikony, Toamasina, Sainte-Marie, Morondava, Ambovombe, Toliara, Miarinarivo, ...

Efa vita ny fanamboarana ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny biomasse (jatropha) ho an’ny tananan’i Tsihombe.

Marihana etoana fa isan’ny laharam-pahamehana miaraka amin’ny JIRAMA ny fanamboarana na ny fanatsarana ny foto-drafitrasa famatsiana herinaratra ny renivohitry ny Distrika rehetra eto Madagasikara. Noho izany, efa mijery akaiky ny fanatsarana ny fitantanana ny orinasa JIRAMA isika amin’izao fotoana izao ka raisina ho laharam-pahamehana amin’izany ny fanavaozana tanteraka ireo fifanarahana amin’ny mpandraharaha mpampanofa milina izay mitondra fatiantoka miavosa ho an’ny orinasa JIRAMA.

Ny ezaka goavana izay hatao ihany koa dia ny hanafoanana ny vesatry ny trosa ao amin’ny orinasa JIRAMA. Hisy koa ny ezaka manokana mahakasika ny vidin-jiron’i JIRAMA mba hampihenana tsikelikely ny tsy fitoviana ny vidin-jiro any amin’ny faritra (péréquation tarifaire) Hotohizana ihany koa ny fanomezana herinatra mivantana ny eny Ambanivohitra.

Hahazo herinaratra avy amin’ny rano (hydro-électricité), amin’ity taona 2019 ity, ny kaominina ambanivohitra 48 amin’ireto Distrika ireto: 15 ao Ambatondrazaka, 1 ao Amparafaravola, 2 ao Moramanga, 6 ao Bealanana, 3 ao Antsohihy, 3 ao Ambohimahasoa, 3 ao Tsiroanomandidy, 5 ao Anjozorobe, 1 ao Manjakandriana, 7 ao Ambositra ary 2 ao Toamasina II.

Hahazo herinaratra avy amin’ny masoandro (énergie solaire), amin’ity taona 2019 ity, ny kaominina ambanivohitra 28 amin’ireto Distrika ireto: 3 ao Antsiranana II, 1 ao Ambilobe, | ao Ambanja, 1 ao Ambalavao, 11 ao Toliara II, 2 ao Morombe, 1 ao Ambovobe, 1 ao Bekily, 2 ao Ampanihy, 1 ao Betioky, 2 ao Betafo, 1 ao Brickaville ary 1 ao Mahajanga II.

Hitarina amin’ity taona 2019 ity ny tambajotran’ny herinaratra ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Sambaina, Manjakandriana, Sahanivotry (Antsirabe II) ary Fandriana.

Ho an’ireo toeram-ponenana lavitry ny tambajotra dia hanaovana ezaka manokana ny fanapariahana ireo fitaovana isa-tokantrano manome herinaratra avy amin’ny masoandro “Projet kits solaires Johary”. Hanomboka amin’ny volana septambra ho avy izao ny fanapariahana ireo “kits” ireo ka mihoatra ny iray hetsy (100.000 kits) ny tokantrano hisitraka izany amin’ity taona 2019 ity ary hahatratra roa hetsy (200.000 kits) izany manomboka amin’ny taona 2020. Marihana manokana fa hirary ny vidiny hivarotana azy ireo ary ho azo aloa tsikelikely mba hitsinjovina ny fahefa-mividin’ny vahoaka.

Mahakasika ny rano dia hampitomboina ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ireo mpiarabelona manerana ny Nosy ary hatevenina ny asa efa natomboka eo amin’ny sehatry ny fanadiovana sy ny fidiovana.

Momba ny famatsiana ny faritra Atsimon’ny nosy manokana dia efa vita ny tambazotran’ Ampotaka izay mamatsy rano fisotro madio ny tananan’ny Sempeza, Beloha, Tsihombe, Ampotaka, Tranovaho, Marovato, Faux Cap. Ho vita amin’ny voalohan’ny taona 2020 ny tambazotran’i Sampona izay hamatsy ny tananan’ Amboasary, Maroalomainty, Maroalompoty, Ankilikira. Ary tsy maintsy hatomboka amin’ny taona 2020 ny fanamboarana ny tambazotran’i Bemamba.

Ho vitaina alohan’ny faran’ity taona 2019 ity ihany koa ny fanatsarana ny famatsian-dranon’ny tananan’Antananarivo sy ny manodidina azy (Grand Tana). Anisan’izany ny faritra Atsinanana (Ambohimangakely, Ambohimahitsy, Mahazo, Ambatomaro), ny faritra Andrefana (Itaosy, Ambohidrapeto), ny faritra Avaratra (Sabotsy Namehana, Ilafy, Lazaina), ny faritra AvaratraAndrefana (Ankandindravola, Ivato, Ambohidratrimo, Ambohitrimanjaka) ary ny faritra Atsimo (lavoloha, Mahalavolona, Alasora, Andoharanofotsy).

Ho vitaina toy izany koa ny fanamboarana na ny fanarenana ny famatsian-drano an’ireto tanana ireto : Ambanja, Ambilobe, Ambato-boeny, Antsirabe, Mananjary, Miarinarivo, Sambava, Toliara, Tsiroanomandidy, Kandreho, Mahabo, Marovoay, Vohémar, Ambatondrazaka, Antsohihy,Maintirano, Morondava, Ihosy, Antalaha, Belo sur Tsiribihina, Antsiranana, Fianarantsoa ary Toamasina.

Marihana etoana fa isan’ny laharam-pahamehantsika ny fanamboarana na ny fanatsarana ny foto-drafitrasa famatsian-drano ny renivohitry ny Distrika rehetra eto Madagasikara.

Momba ny Famatsiana solika dia nanao ezaka lehibe ny fitondram-panjakana tamin’ny fampihenana ny vidin-tsolika ho an’ny mpanjifa. Kanefa mbola misy Distrika 40 eto Madagasikara no tsy manana toby fivarotana solika (station-service).

Amin’ ity taona 2019 ity dia Distrika 5 amin’ireo mbola tsy manana no hahazo toby vaovao: 3 no efa vita (Anjozorobe, Andilamena, Mahabo), 2 eo andalam-panorenana (Ifanadiana, Belo-surTsiribihina). Tsy maintsy misy toby fivarotana solika iray farafahakely ny Distrika rehetra eto Madagasikara alohan’ny taona 2023.

4.2. FITANTANANA MAHARITRA NY HARENA VOAJANAHARY

Manomboka amin’ity taona 2019 ity ny fametrahana ny foto-drafitrasa maitso (infrastructure verte) amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ka ny ezaka hatao dia ny fambolen-kazo ho an’ny velaran-tany efatra alina hektara (40.000 ha) isan-taona eran’ny Madagasikara.

Mahakasika ny fiarovana ny ala dia atao laharam-pahamehana ny fanomezan-danja ny toekarena maitso (économie verte) sy ny toekarena mifampitsinjo (économie circulaire). Noho izany, hatomboka tamin’ity taona ity ny tetikasa fanodinana ny fako anakitelo, dia ao Toamasina, Antsiranana ary Antananarivo Avaradrano, mba azo hampiasaina hanoloana ny arina na saribao. Hatomboka tamin’ ity taona ity ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana mba hahafahana mametraka fivarotana antsinjarany ny entona (tavoahangyna gaz 1 hatramin’ny 4 kilao).

Eo amin’ny harena an-kibon’ny tany dia atao izay hifehezana haingana amin’ny fomba manara- drafitra ny fitantanana ireo harena an-kibon’ny tany sy ireo loharanon-karena stratejika. Hatsaraina ny lalàna mifehy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto amintsika mba hametrahana ny tanjona hisian’ny tamberina fampandrosoana ho an’ireo tanana sy ireo faritra rehetra manankarena eo amin’ny lafiny harena an-kibon’ny tany.

Ny volana Septembra 2019 ho avy izao dia hotohizana ny fanatsarana ny fitantanana ny fahazoan-dalana hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany. Ny volana Desambra 2019 dia hapetraka ny foibe ho an’ny volamena sy ireo vato sarobidy ary koa ny fanatsarana ny fomba sy fepetra fampidiram-bola amin’ny asa fitrandrahana. Hotohizana ihany koa ny fametrahana mari-drefy ny fangaraharana amin’ny fitantanana ny vola amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany, izany dia hovitaina alohan’ny volana jona 2020.

Noho izany, hatramin’ny volana Desambra 2020 dia hampidirina amin’ny sehatra manaradrafitra ny mpitrandraka volamena miisa roa hetsy (200.000 orpailleurs), ny mpanangona volamena diman- Jato (500) ary “Comptoirs de l’or” miisa dimampolo (50) no hatsangana.

Alohan’ny faran’ny volana Jona 2020 dia hosokafana ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon’ny tany vaovao miisa dimampolo (50 PE), ny fahazoan-dalana mikaroka harena ankibon’ny tany miisa dimanjato (500 PR) ary ny fahazahoan-dalana hitrandraka ho an’ireo mpitrandraka madinika miisa dimanjato (500 PRE).

Mba hahazoantsika tombontsoa betsaka eo amin’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany dia tsy maintsy atao ny fampihenana ny fanondranana ireo akora fototra mbola tsy voahodina amin’ny alalan’ny fametrahana orinasam-panodina manakaiky ireo toeram-pitrandrahana ary ny fampiofanana ireo mponina manodidina izany.

5. NY LAFINY SOSIALY

5.1. FANABEAZANA SY FIOFANANA HO AN’NY REHETRA

Hiantohan’ny fanjakana ny fahafahan’ny olona rehetra mahazo fanabeazana sy fiofanana mahomby, indrindra ho an’ny zaza sy tanora Malagasy. Hamboarina hanaraka ny fenitra ny sekoly. Hampifanarahina amin’ny filan’ny tsenan’ny asa ny fanofanana omena ny tanora. Hapetraka any amin’ny faritra ireo foibe fanofanana arak’asa ho an’ny tanora. Havaozina hifanaraka amin’ny fivoaran’ny teknolojia ny fitaovana enti-mampianatra any anivon’ny EPP, CEG, Lycée ary Oniversite.

Ao anatin’ny fampandrosoana ny kaominina andraisan’ny rehetra anjara sy ny fitsinjarampahefana dia hisy EPP vaovao ahitana efitra 12 miisa telopolo (30) hatsangana amin’ity taona 2019 ity, any amin’ireto toerana ireto : Andemaka-Vohipeno, Ifanadiana, Farafangana, Manja,

Mitsinjo-Toliara, Matsaborilaidama-Ambilobe, Soavina-Betafo, Brickaville, SahalavaFianarantsoa, Ambatolahy- Fianarantsoa, Ankadinandriana-Antananarivo Avaradrano,

Antanetibe-Ambohimangakely, Iavoloha Atsimondrano, Antanimena- Tana Ville, AmbohipoTana-Ville, Ankorondrano-Tana Ville, Ambodirano-Tana Ville, Analamahitsy-Tana Ville,

Andranomena-Tana Ville, Alakamisy-Ambositra, Morombe, Ampitsaharana-Soavinandriana,

Befalafa-Taolagnaro, Andranomadio-Tsiroanomandidy,Beandrarezona-Bealanana, SahavoloFenerivo Atsinanana, Asabotsy-Ambatondrazaka, Amborovy- Mahajanga, Andrefatsena-Ihosy, Antanimbarinandriana-Vohemar.

Misy ihany koa ny fananganana CEG vaovao valo (8) ahitana efitra 24 amin’ireto toerana ireto: Analamahitsy-Tana Ville, Soamahamanina-Miarinarivo, Analamalotra-Toamasina II , Manakara,

Anivorano Avaratra, Tsararano-Mahajanga I, Tanambao Taolagnaro, TsimahavaokelyMorondavaLycées vaovao enina (6) ahitana efitra roa ambinifolo no hatsangana koa amin’ity taona ity dia aoTongarivo-Tanjombato, Vatomasina-Vohipeno, Ambondromamy-Ambatoboeny, Fanandrana- Toamasina II, Scama-Antsiranana I, Mahavatsy I-Toliara.

Hisy ihany koa manomboka amin’ ity taona ity:

• Ny fananganana toeram-piofanana momba ny fambolena ahitana efitra roa ambinifolo (12) miisa iraiky ambinifolo (11) manerana ny nosy ao Soavina-Betafo, Vatomandry, Maevatanana,Andoharanomaintso-Isandra, Bealanana, Brickaville, Antampon’i Ihorombe, Tsihombe,Tsiroanomandidy, Ambilobe ary Moramanga.

• Ny fanamboarana Ivo-toeram-piofanana arak’asa fototra ahitana efitra roa (2) amin’ireto toeranasivy ambinifolo (19) ireto: lakora, Ambohimahasoa, Ikongo, Soanierana Ivongo, Anosiben’ Ala,Beloha, Manja, Antanambao Manampotsy, Port-Bergé, Morombe, Ikalamavony, Vondrozo,Soalala, Besalampy, Morafenobe, Kandreho, Ambinagny-Antalaha, Sainte-Marie, Mananjary

• Ny fanokafana ny “cantines scolaires” ho an’ireo faritra lavi-dalana sy marefo ao anatin’ny faritra Androy, Antsinanana, Vakinankaratra ary Analamanga

• Ny fanamboarana dabilio miisa sivy arivo sy iray alina (19.000) haely eran’ny nosy

• Ny fizarana boky miisa roa tapitrisa (20.000.000 de livres) ho an’ny mpianatra hiatrika fanadinana

• Ny fizarana “kits scolaires” amin’ny endriny vaovao.

Amin’ity taona 2019 ity dia hotohizana ny fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo mpampianatra rehetra. Efa napetraka ny vaomiera manokana mba hisahana ny fanapahankevitra amin’ny fandraisana mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana rehetra. Izany no natao dia mba hialana amin’ny fitongilanana sy ho fanomezan-danja ny mangarahara.

Ny taona 2020 dia ho tohizana ny ezaka fanatsarana ny fampianarana sy fiofanana ara-teknika sy arak’asa eto amintsika. EPP vaovao ahitana efitra 12 miisa 63, CEG vaovao ahitana efitra 24 miisa 8, Lycées vaovao ahitana efitra 12 miisa 6, Toeram-piofanana momba ny fambolena ahitana efitra roaambinifolo (12) miisa 15, Ivo-toeram-piofanana arak’asa fototra ahitana efitra roa (2) miisa 21 no hatsangana eran’ny faritra roa amby roapolo (22).

Hotohizana ny fanamboarana dabilio ka tsy tokony hisy intsony amin’ny taona 2020 ny mpianatra mipetraka amin’ny tany ao am-pianarana any amin’ny sekoly rehetra manerana ny nosy. Hotohizana ihany koa ny fividianana boky ho an’ny mpianatra sy ny fizarana kits scolaires.

Raha momba ny Fampianarana ambaratonga ambony dia napetraka ho laharam-pahamehana ny fanamboarana Oniversite 4 ho an’Antsirabe, Fénérive-Est, Soavinandriana ary Morondava ka hatomboka ny volana septambra 2019 ny fananganana azy ireo. Ny taona 2020 dia hatsangana ny Oniversite miisa enina (6) hafa koa ho an’Ambovombe, Mandritsara, Antalaha, Ambatondrazaka, Farafangana ary Ihosy.

5.2. FAHASALAMANA: ZO FOTOTRA HO AN’NY OLOMBELONA

Hampitomboina ny teti-bola ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Laharam-pahamehana ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny reny bevohoka ary ireo zokiolona. Hatsaraina ny fampitaovana ny hopitaly sy ireo toeram-pitsaboana samihafa. Efa amperin’asa ireo fiarabe fitsaboana 11 alefa any amin’ireo faritra saro-dalana sy lavitra ny toerampitsaboana.

Efa napetraka ny fepetra momba ny fiarovana ny valan’aretina toy ny pesta, ny ebola, ny bonibony. Efa mipetraka ny paik’ady hisoroana sy hiadiana amin’ireo valan’aretina ireo ary efa miasa andro aman’alina ny rafitra mandrindra ny asa hiatrehana an’izany. Momba ny Ebola manokana dia tohizana ny fanamafisana ny fanaraha-maso (surveillance et dépistage) eo amin’ireo tobin-tseranam- plaramanidina sy seranan-tsambo eto Madagasikara ka foibe fanaraha-maso ara-pahasalamana valo (8) no efa miasa ao Antsiranana, Nosy Be, Mahajanga, Ivato, Toamasina, Toliara, Taolagnaro, Sainte- Marie.

Ho fampiroboroboana ny fahasalamana eny ifotony sy fampanarahana fenitra ny toerampitsaboana dia efa an-dalana ny fanamboarana ireto foto-drafitrasa vaovao ireto:

Toeram-pitsaboana fototra CSB miisa telo ambinifolo (13) manaraka ny fenitra sy mitovy firafitra no hatsangana amin’ity taona 2019 ity any Motombositra-Beloha, AmbodiranoVondrozo, Ankaratra- Ambilobe, Sendrisoa-Ambalavao, Ranohira-lhosy, Ambatomitsangana-

Soavinandriana, Mahatsara Ilafy-Ambatondrazaka, Ambonivohitra Ambatondrazaka, BekodokaBesalampy, Manja, Talatan’ Angavo-Ankazobe, Antetezanintsina-Antalaha ary ManjarivoManakara.

Efa an-dalana ihany koa ny asa fanamboarana hopitaly manara-penitra “Centres Hospitaliers de District” (CHD) miisa telo ambinifolo (13) any amin’ireto distrika ireto: Analalava, Mandritsara, Mampikony, Antanambao Manampotsy, Beloha Androy, Antsalova, Ankilizato, Manandriana, Ambohimahasoa, Vohibato, lakora, Ivohibe, Vondrozo.

Hamboarina manomboka amin’ ity taona 2019 ity ihany koa:

• Ny « Centre Hospitalier de Référence Régionale » (CHRR) vaovao any Maintirano

• Ny « Unité de transplantation rénale » eny amin’ny CHU Andohatapenaka ka ao anatin’izany ihany koa ny hanokafana ny unite de hémo-dialyse maimaimpoana

• Ny fampitaovana ny CHD Beloha Androy, Manandriana ary Ambohimahasoa amin’ny « matériels techniques de blocs opératoires » ary torak’izany ihany koa ny ho an’ireo CHU miisa 11 eran’i Madagasikara

• Ny fanamboarana ny Ivo-toerana fitsaboana ny fo sy ny voa ao Befelatanana.

Amin’ny taona 2020 dia hatao ary hamafisina ny fampitaovana ireo toeram-pitsaboana vaovao maro namboarina tamin’ny taona 2019 ireo.

Ny taona 2020 dia hotohizana ny fanamboarana CSB miisa 13 dia ny any Ambatoaranana (Antanifotsy), Ilanjana (Manandriana), Antanivony (Fandriana), Maroanakomby (Ambatofinandrahana), Belintsaka Tanambao (Ambatofinandrahana), Belavenona Janjina (Ambatofinandrahana), Ambohitsaony (Ambatofinandrahana), Mahatsara Soalazaina (Ambatondrazaka), Vatolatsaka (Betioky Sud), Befotaka, Mahatalaky (Taolagnaro), Beampombo (Betroka) et Beangily (Bekily).

Efatra amby ny folo (14) ny CHD vaovao hamboarina amin’ny taona 2020 dia ny any Andramasina, Anjozorobe, Ambatomainty, Vavatenina, Port-Berge, Befandriana Avaratra, Antanifotsy, Soanierana- Ivongo, Amboasary Atsimo, Mitsinjo, Bekily, Lalangina, Mandoto ary Vohipeno.

Amin’ny taona 2020 ho avy izao dia:

• Hotohizana ny fampitaovana ny CHD manerana ny Faritra 22.

• Homena fitaovana ny CHU (Centre hospitalier universitaire) Analamanga ka anisan’izany ny « Bunker » ao amin’ny HJRA Hatsangana ny “radio numérique” ary hampiana ny toeram-pandidiana any Mahajanga.

• Hatsangana any Mahajanga, Antsiranana, Fianarantsoa ary Toliara ny “Unités de nephrology” miaraka amin’ny “Centre de hémo-dialyse” maimaimpoana. 

• Hampiana ny toeram-pandidiana any Toliara.

Ny fanarenana ny tobim-pahasalamana efa misy eran’ny nosy dia hotohizana hatrany.

Ankoatr’ireo rehetra ireo dia horaisin’ny Fanjakana an-tanana ny fitsaboana ireo tena sahirana. Hisy ny tahirim-bola hatokana amin’izany ka miainga avy any amin’ny Fokontany ny fifantenana ireo olonatena sahirana hisitraka izany.

Amin’ny taona 2020 dia hisy ny tetibola hatokana handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fitsaboana ireo zokiolona mihoatra ny dimy amby enimpolo (65) taona sy ny reny bevohoka ary ny zaza latsaky ny dimy (5) taona.

 5.3. TOERAM-PONENANA SY FANANANTANY

Laharam-pahamehana ny fanorenana tanana vaovao isaky ny renivohi-paritany rehetra. Koa ho an’Antananarivo dia ny fametrahana ny foto-drafitrasa “Tanamasoandro” dia hatomboka amin ity taona 2019 ity.

Ankoatr’izay dia trano fonenana miisa dimy alina (50.000) no hatsangana eran’ny nosy ao anatin’ny dimy taona. Ezahina ny hanorenana fonenana mendrika ho an’ireo tokantrano marefo miisa valopolo amby zato (180). Hatomboka ihany koa amin’ity taona ity ny fanamboarana trano fonenana ao Fianarantsoa, Toliara ary Mahajanga miaraka amin’i orinasa SEIMAD ary ny trano fonenana any Toamasina, Antsiranana sy Antananarivo miaraka amin’i orinasa ANALOGH.

Ao anatin’izany rehetra izany, dia hotohizana ny ezaka hahafahana manampy ireo tantsaha Malagasy hahazo karatany ka faritra 10 no hisitraka izany (Bongolava, Amoron’i Mania,

Matsiatra Ambony, DIANA, SOFIA, Boeny, Androy, Alaotra-Mangoro, Antsinanana, Analamanga). Eo ankilan’izany dia handraisana fepetra manokana ireo antontan-taratasy tsy ara-dalana ka nahazoana tanim-panjakana tamin’ny fomba tsy mendrika.

Hovitaina amin’ity taona ity ny « Guichet unique foncier » ka birao miisa sivy (9) no hatsangana amin’ity taona ity: Befandriana Avaratra, Sakaraha, Andapa, Bealanana, Amparafaravola, Vangaindrano, Betafo, Ambatofinandrahina, Ambalavao. Eo anilan’izany dia hapetraka ihany koa amin’ny taona 2020 ny Birao Ifotony ny Fananan-tany (BIF) amin’ireto toerana ireto: Mahajanga II, Toliara Il, Vavatenina, Ambatoboeny ary Faratsiho.

Biraon’ny fananan-tany miisa telopolo sy roanjato (230) no hatsangana ka ny taona 2019 amin’ny faritra Analamanga, Itasy, Analanjirofo ary ny taona 2020 any amin’ny faritra Atsinanana sy Vakinankaratra.

Tsy zoviana amintsika fa fanamby goavana ny mahakasika ny fananan-tany eto Madagasikara ka noho izany dia ezaka maro no hatao. Anisan’izany ny fanamarinana sy fanomezana “Titres Fonciers” miisa dimanjato sy efatra arivo sy iray alina (14.500 titres fonciers) ary “Certificats fonciers” miisa dimy arivo sy telo alina sy iray hetsy (135.000 certificats fonciers) amin’ity taona 2019 ity. Mahakasika izay ihany, ny vina ho an’ny taona 2020 dia “Titres Fonciers” miisa roa arivo sy telo alina (32.000) ary “Certificats fonciers” miisa dimy hetsy (500.000) no ho vitaina.

5.4. FAMPIVOARANA ASA MENDRIKA ARY FANOMEZAN-DANJA MANOKANA NY VEHIVAVY SY NY

TANORA

Omena tosika ireo tanora lahy sy vavy izay mamorona asa amin’ny alalan’ireo tetikasany.

Ny Programam-pirenena “Fihariana” dia fitaovana iray lehibe hahatongavana amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika ho an’ny tanora eto amintsika.

Omena fiofanana ho matihanina eo amin’ny sehatry ny fihariany ihany koa ireo tanora tantsaha ary ho tolorana tany izy ireo (Titre vert). Hapetraka ny banky hamatsy vola manokana ny fandraharahana ara-toe-karena ary hamoraina ny fisitrahana izy ireo izany. Noho izany dia omena vahana ny fifaninanana masina, fampirantiana sy famokarana eny anivon’ny faritra rehetra. Hisy ireo fepetrahoraisina hahafahan’ny vehivavy misitraka ny fanampiana ara-teknika amin’ny famoronana asa mampidi-bola sy mahavelona.

Efa natao ny ezaka manokana nampiakarana ny karama farany ambany ho roa hetsy ariary (200.000Ariary). Homena lanja ny asa fitiliana any amin’ny orinasa ataon’ny Sampana fandraharahana ny asa eran’ny nosy.

5.5. FAMPIVOARANA SY FAMPITAOVANA ARY FAMETRAHANA NY TANORA MALAGASY AMIN’NY TOERANA MENDRIKA

Ny tanora, araka ny tenin’ny Filoham-pirenena ombieny ombieny, no ankehitrinin’ny Firenena. Noho izany dia ampiana sy tohanana araka ny tokony ho izy ary faran’izay tratra izy ireo. Ankoatra ny fanohanana efa voatanisa etsy ambony dia homen-danja lehibe ny fitaizana sy famolavolana azy ireo ara-panatanjahan-tena.

Hapetraka ny fomba rehetra hanatanterahana ny programma “sport-études”. Torak’izany ihany koa ny fametrahana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra sy mpiofana ara-panatanjahan-tena mendrika.

Ezahina ny hametraka ny sata manokana ho an’ny atleta matianina. Ezahina ihany koa ary hatsaraina hatrany ny fampitaovana ireo federasiona rehetra.

Hapetraka eto Madagasikara ny “Bureau permanent d’alliance de haut niveau pour le sport et l’éducation physique en Afrique”. Vina lehibe tokoa izy io mba ho fanatsarana hatrany ny fanofanana sy fitsinjovana ny tanora Malagasy.

Hatsaraina sy havaozina ihany koa ny fiofanana arak’asa maharitra ho an’ireo mpampianatra EPS sysport-santé sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny miasa eny anivon’ireny ivon-toerana mikarakara ny tanora ireny.

Ho fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena, momba ny fanatanjahan-tena sy ny fampivoaranany tanora dia hatsangana sy harenina ary havaozina ireo foto-drafitrasa maro isankarazany atoanatin’ny fe-potoana fohy ny taona 2019-2020.

Ao anatin’izany ireto programan’asa ireto:

• Fananganana Académie Nationale des Sports avo lenta ao amin’ny Foto-drafitrasan’ny Tanamasoandro sy any amin’ny renivohi-paritany dimy hafa

• Fanavaozana ny kianjaben’i Mahamasina mba hahazaka olona hatramin’ny dimy alina (50.000)

• Fananganana stades ary gymnases manara-penitra any amin’ny renivohi-paritra izay mbola tsymisy

• Fanamboarana dobo filomanosana manara-penitra (piscines olympiques) any amin’ny renivohi- paritany enina (6) sy ao Antsirabe. Efa hatomboka amin’ity taona ity ny any Mahajanga sy Toliara

• Fananganana boulodromes misy gradins any amin’ny renivohi-paritra roa amby roapolo (22) maneran’ny nosy

• Fanavaozana ny Académie Nationale des Sports ao Ampefiloha Antananarivo

• Fametrahana sy fampitaovana ny foto-drafitrasa « Parcours de santé » any amin’ny renivohi- paritany enina (6) ka hatomboka amin’ity taona ity ny any Fianarantsoa sy Antananarivo Fanavaozana ary fampitaovana ny Institut National de la Jeunesse ao Carion

• Fananganana Courts de tennis manara-penitra any amin’ny renivohi-paritany enina (6) ka hatomboka amin’ity taona ity ny eto Antananarivo.

 5.6. SERASERA SY KOLOTSAINA

Momba ny serasera dia hatao laharam-pahamehana ny fanitsiana ny lalana momba ny serasera amin’ny haino aman-jery. Hapetraka ny Autorité Nationale de la Régulation de la Communication Médiatisée na ANRCM.

Hezahina manokana ny fampanarahana toetr’andro ny haino amanjerim-bahoaka (ORTM).

Hoezahina amin’izany ny fanatsarana ny fandraisan’ny kaominina rehetra manerana ny nosy ny haino amanjerim-bahoaka.

Havaozana ny Centre d’Etudes et de Formation Multimédia (CEFOM) ao Maibahoaka Ivato mba hanaraka ny filana takian’ny toetr’andro.

Ankoatra izany dia mitaky kolontsaina mifanaraka amin’ny tena maha-Malagasy izay mampivoitra ny soatoavina lovain-jafy ny fanantanterahana izao programan’asa izao.

Tohizana ny famerenana indray ny fanabeazana ny maha-olom-pirenena ka efa ampiasaina fatratra amin’izany ny haino aman-jerim-bahoaka. Hatevenina ny ezaka mba hanentanana ny rehetra amin’ny fitiavana, ny fanajana ary ny fikolokoloana ny fananana iombonana amin’ny alalan’ny Asa tagnamaro.

Havaozina ireo vakoka ara-kolontsaina sy ara-tantara maro dia maro misy eran’i Madagasikara ary hanamboatra mozea koa isika hampirantiana ny harem-bakoka ananantsika manerana ny faritra maro.

Tsara ny manamafy etoana fa ho vitaina alohan’ny volana Jona 2020 ny asa famitana ny Rovan’ Antananarivo.

Farany, hanomboka amin’ity taona ity ny asa fanamboarana ny Akademia Nasionaly Taozavatra sy Kolontsaina na “Académie Nationale des Arts et de la Culture” mba hahafahantsika manofana sy mampivoatra ireo ho tena matihanina amin’ny sehatry ny kolontsaina. Tanjona ny hitantanantsika amin’ny tokony izy ireo harena rehetra ananantsika eo amin’ny sehatry ny kolontsaina.

 

Ramatoa Filoha,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Mazava izao ny tanjona tiana ho tratrarina dia « NY HANENJIKA NY FAHATARAN’I MADAGASIKARA ARY HAMPANDROSO AZY EO AMIN’NY SEHATRA REHETRA ».

Ny fanatanterahana ity programan’asa ity dia mila diplomasia mavitrika izay hanamafy sy hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara. Efa natomboka ny fanadiovana sy ny fanatsarana ny anjara andraikitr’ireo masoivoho Malagasy rehetra any ivelany. Ho tendrena tsy ho ela ireo Ambassadeurs na Chargés d’Affaires na Consul hitantana ireo masoivoho ireo. Hiompana bebe kokoa amin’ny lafiny fifandresen-dahatra ara-toe-karena sy ara- barotra iraisam-pirenena manomboka izao ny diplomasia Malagasy.

Hiezaka koa isika hanatanteraka ireo tetik’asa rehetra voatanisa ato anatin’ity programan’asa ity amin’ny alalan’ny herintsika sy ny vokatry ny harentsika. Kanefa tsy atao an-kilabao ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika. Ao anatin’izany dia efa natomboka ny fandrafetana ny Drafi-pirenena ho amin’ny fampandrosoana na “Plan Emergence Madagascar” 2019-2023 mba handrindrana ny asa sy ny ezaka hanandratana ny firenena.

Ny tao-trano tsy vitan’ny irery, ilaina indrindra indrindra koa ny fahaizana miara-miasa sy fahaizana mandrindra ny asa atao: koa manainga antsika eto anivon’ny Antenimieram-pirenena, manentana ihany koa antsika vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba hifanome tànana an-kitsipo sy am- pirahalahiana ho fampandrosoana maharitra ny firenena.

Eto am-pamaranana dia ambarako etoana ny fahavononan’ny Governemanta tarihiko amin’ny fanatanterahana haingana ity programan’asa ity. Misaotra indrindra anareo rehetra ny tenako nampiantrano sy nandray izao famelabelarana izao.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 20 Sep. 2019 - 11:56-

    Fondation. Le Président de la République a saisit le Président de la Haute Cour constitutionnelle sur la conformité de la création d’une fondation avec l’article 49 de la Constitution aussi la Haute Cour Constitutionnelle émet l’Avis que :

    Article premier.- La création d’une fondation par le Président de la République n’est pas contraire à l’article 49 de la Constitution.

    Article 2.- Le Président de la République ne doit exercer aucune fonction au sein de cette fondation.

    Article 3.-  La fondation doit respecter scrupuleusement son objectif d’intérêt général et doit être dissociée de toute connotation politique

  • 19 Sep. 2019 - 10:05-

    Ambasadaoro 4 vaovao. Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny raharaham-bahiny ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, dia nankatoa ny fanendrena ho ambasadaoro an’i
    - Rajohnson Olivier Hugues Rija, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy  monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay.
    - Yvette Sylla, ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris
    - Albert Camille Vital, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy.
    - Jean Omer Beriziky, ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny « Royaume de Belgique » sady solon-tena maharitra ao amin’ny Vondrona Eoropeana ao Bruxelles.

  • 19 Sep. 2019 - 08:35-

    Praiminisitra sady minisitry ny Raharaham-bahiny. Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta no voatendry hisahana vonjy maika ny asan’ny minisitry ny raharaham-bahiny izay ny 18 septambra no maha minisitra miandraikitra io asa io an’i Naina Andriatsitohaina farany, noho ity olom-pirenena ity nirotsaka hofidina ho Ben’ny tanànan’Antananarivo izay nankatoavin’ny OVEC ny 18 septambra teo.

  • 19 Sep. 2019 - 07:37-

    Fanafoanana organismes rattachés. Entitra ny Filankevitry ny Minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019, ny amin’ny tokony hanafoanana ireo «organismes rattachés» tsy tena hita fototra izay ilaina azy, na manao asa mifanontona amina organismes hafa fa mandany volam-bahoaka fotsiny araka ny toromariky ny Filoham-pirenena. Ilaina ny fahaiza-mitantana ka hofoanana ireo « organismes rattachés » sy ireo « subventions » miompampana avy amin’ireo minisitera isan-tokony ho an’izy ireny, izay miisa 211 ankehitriny ary mandany vola mitentina 1319 lavitrisa ariary isan-taona.

  • 19 Sep. 2019 - 07:36-

    Paositra mpitatitra entana. Fantatra nandritra ny Filankevitry ny minisitra, natao tao amin’ny Lapam-panjakana tao Iavoloha ny alarobia 18 septambra 2019 fa hiverina amin’ny fitaterana entana (colis postaux) ny Ministeran’ny Paositra. Ny ministeran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia nanazava nandritra ny Filankevitra fa hamerina indray ny asa fitsinjarana entana indray izy ireo manerana ny Nosy ka haka sy hanarina ireo toerana tafiditra ao anatin’ny fananany miparitaka manerana ny Nosy ahafahana miasa manaraka ny fenitr’ireo orinasa lehibe eran-tany manao ny asa fitsinjarana entana.

  • 18 Sep. 2019 - 12:15-

    Réunion du conseil des cardinaux. La 31ème réunion du Conseil des cardinaux s’est ouverte le mardi 18 septembre, en présence du Pape François. Les travaux, qui se concentrent sur la nouvelle Constitution apostolique, prendront fin jeudi 19 septembre.

  • 16 Sep. 2019 - 08:35-

    Résultats championnats nationaux n1a :

    MVP Dame : RANDRIATAHINA Sarobidy (SBBC Boeny)

    Meilleure Marqueuse : RAHERIMANANA Rondro Emerachine N°06 (ANKARATRA) : 217 Points

    3ème PLACE DAME : ANKARATRA Vakinankaratra

    VICE-CHAMPIONNE : MB2ALL Analamanga

    CHAMPIONNE : SBBC Boeny

    MVP Homme :RAMANAMPAMONJY MORY (GNBC Vakinakaratra)

    Meilleur Marqueur : FARALAHY Monja Romain N°11 (ASCB Boeny) : 275 Points

    3ème PLACE HOMME : ASCUT Atsinanana

    VICE-CHAMPION : COSPN Analamanaga

    CHAMPION : GNBC Vakinankaratra

  • 14 Sep. 2019 - 10:10-

    Facebook Flex. L'offre permet de passer au mode gratuit 24h/24 et 7j/7 sans avoir besoin d’un forfait internet. Les utilisateurs peuvent tchater, poster des messages, aimer et partager sur Facebook. L’offre s’enrichit davantage pour permettre au plus grand nombre d’avoir accès à internet avec l’enrichissement de l’offre Facebook Flex. Lire l'article sur http://www.lakroa.mg/item-1878_articles_newtech_18-enrichissement-des-fonctionnalitas-du-service.html

  • 12 Sep. 2019 - 09:45-

    Omby 28 tafaverina tao Andriapady Betroka. Taorinan’ny halatr’omby nitranga tao Andriapady ny 9 septambra lasa teo, omby miisa 28 no tafaverina amin'ny tompony raha 1 no maty. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny zandary avy ao Andriadapy sy Jangany ary ireo fokonolona izany.

  • 12 Sep. 2019 - 06:55-

    EPP vaovao vao hatao. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 30 ireo EPP ahitana efitrano 12 avy, hatomboka sy hotanterahana amin’ity taona ity ka isan’ny hahazo izany ny faritr’i Vatovavy Fito Vinany, ny Atsimo atsinanana, ny Menabe, ny Atsimo Andrefana, ny Diana, Vakinankaratra, Atsinanana, Haute Matsiatra, Analamanga, Amoron’i Mania, Itasy, Anosy, Bongolava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Boeny, Ihorombe, Sava.

  • 12 Sep. 2019 - 06:54-

    CEG 8 sy lycée 6. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa miisa 8 ireo CEG ahitana efitrano 24 isany avy any amin’ny faritr’Analamanga, Itasy, Atsinanana, Vatovavy Fito Vinany, Diana, Boeny, Anosy, Menabe.

    Miisa 6 ireo Lycée ahitana efitrano 12 atao any amin’ny faritr’Analamanga, Vatovavy Fito Vinany, Boeny, Atsinanana, Diana, Atsimo andrefana.

  • 12 Sep. 2019 - 06:52-

    Seha-pampianarana fambolena sy fiompiana. Notsiahivina nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra natao ny 11 septambra teo fa iisa 11 ireo centres agricoles ahitana efitrano miisa 12 isanisany avy any amin’ny faritr’i Vakinankaratra, Atsinanana, Betsiboka, Haute Matsiatra, Sofia, Atsinanana, Ihorombe, Androy, Bongolava, Diana, Alaotra Mangoro. Ary Centre de formation aux métiers de base ahitana efitrano miisa 2 isanisany avy any Ihorombe, Haute Matsiatra, Vatovavy Fito Vinany, Analanjiorofo, Alaotra Mangoro, Androy, Menabe, Atsinanana, Sofia, Atsimo Andrefana, Boeny, Melaky, Betsiboka, Sava.

  • 11 Sep. 2019 - 08:37-

    Championnat national N1A homme/dames 2ème phase. Les résultats lors de la journée du mardi 10 septembre 2019 :

    (D) JEA Vakinakaratra # ASA Analamanga (71-35)

    (H) COSPN Analamanga # CNAPS Itasy (81-64)

    (D) ASCUT Atsinanana # BCEST Atsimo Andrefana (52-38)

    (H) MB2ALL Analamanga # ASCUT Atsinanana (74-83)

    (H) ECBBA Analamanga # ASCB Boeny (48-87)

    (H) SEBAM Boeny # 2BC Analanjirofo (99-45)

  • 10 Sep. 2019 - 11:00-

    Le Saint-Père à l'île Maurice. Il s'agissait de la dernière étape du voyage apostolique du Pape François dans l’Océan indien, après le Mozambique et Madagascar. Le pape a célébré une messe à Port-Louis et à rencontrer les dirigeants. Dans son discours, le Pape François salue la capacité des Mauriciens à reconnaître, respecter et harmoniser les différences existantes selon un projet commun.

  • 10 Sep. 2019 - 06:48-

    Vonona handray an’i Mgr Rosario Saro Vella. Ny 12 septambra 2019 amin'ny 9 ora sy sasany maraina no ho tsenaina eo Mahasoa Anjiro i S.E Mgr Rosario Saro Vella sdb, eveka vaovaon'ny diosezin'i Moramanga. Ny 8 jolay 2019 izy no nahazo ny fanendrena azy hiasa eto Moramanga. “Efa vonona avokoa amin'ny fandraisana ny diosezy” hoy Mompera Claudio Roberti izay vikera jeneraly. Izy kosa no nitantana ny diosezy nandritra ny fotoana naha voatendry an'i Mgr Gaetano Di Pierro hiasa ao amin'ny diosezin'i Farafangana sy amin'ny andraikitra administrateur azy.

  • 10 Sep. 2019 - 06:46-

    Nahavita be i Mgr Gaetano Di Pierro. Voatendry hiasa any amin’ny diosezin’i Farafangana i Mgr Gaetano Di Pierro izay nitantana ny diosezin’i Moramanga. Diosezy vaovao ny tao Moramanga izay n atsangana ho diosezy ny 13 mey 2006. Mgr Gaetano Di Pierro no eveka voalohany nitantana io diosezy vaovao io. Maro ny aa nataony tao anatin’ny diosezy : nahavita nitsidika ireo izay tena lavitra indrindra ary dia an-tongotra ny maro amin’izany, nanorina toeram-panofanana ho pretra sy ny fananganana fiangonana maro, niantso ireo relijiozy hiasa ato anatin'ny diosezy ka tao ireo mikarakara ny jamba, mahantra, sembana…

  • 09 Sep. 2019 - 12:46-

    BEPC ce jour. L’examen du BEPC commence ce lundi 9 septembre jusqu’au jeudi 12 septembre avec dans la matinée le malagasy et l’après-midi le SVT. Le nombre d’inscrit a diminué passant de 347.946 la session dernière à 328 200 candidats pour cette année. Les candidats seront répartis dans 1 034 centres d’examen dans tout Madagascar (2 centres de plus par rapport à le dernière session). Par ailleurs, 25 candidats aux besoins spécifiques (candidats en situation de handicap : malvoyants, sourds-muets, …) se sont inscrits à l’examen du BEPC.

  • 07 Sep. 2019 - 10:45-

    Rencontre du Pape François avec les autorités. Dans le cadre de son voyage pontifical à Madagascar, le Pape François a tenu sa première prise de parole devant un public au palais d’Etat à Iavoloha. « Si nous devons reconnaitre, valoriser et apprécier cette terre bénie pour sa beauté et son inestimable richesse naturelle, il n’est pas moins important de le faire également pour cette âme qui vous donne la force de rester engager avec la vie », a-t-il déclaré.

  • 06 Sep. 2019 - 16:06-

    Tonga soa eny Ivato ny Papa. Tonga aloha eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Papa Fransoa raha oharina amin'ny fotoana voatondro. Noraisin'ny Filoha Rajoelina mivady izy teo ampidinanana ary nisafo ny miaramila sy ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Mandray tanana an'ireo Eveka kosa avy eo taorian'ny firedonana ny hiram-pirenena roa tonta avy eo.

  • 06 Sep. 2019 - 13:12-

    Voyages pontificaux. Le Pape François prend l’avion en ce moment, direction Antananarivo, où il devrait atterrir vers 16h30. Aucun engagement public n’est prévu après son arrivée sur le sol malgache.

Du même auteur

dossier
politique

Dans la même rubrique

dossier
dossier
Publicité