logo
Lakroan'i Madagasikara
Andron’ny mpifankatia sy ny Papa Fransoa

“Ny hafalian’ny eny mba ho mandrakizay”

R. Herménégilde il y a 4 années

Lahatsoratra nalaina tao amin'ny Lakroa nivoaka androany (13 février) ary mitondra ny datin'ny 16 febiroary 2014. Saint Valentin no ao an-tsaina raha andron’ny mpifankatia no resahina, isaky ny 14 febiroary. Nisafidy ny hampita fampianarana mikasika ny hasin’ny mariazy ny Papa tamin’io andro io ka nampiantso mpifamofo hihaona taminy. Tamin’ny alalan’ny mailaka no nanaovana ny fisoratana anarana.

“Ny hafalian’ny eny mba ho mandrakizay”
“Ny Ray Masina dia nanentana imbetsaka ny mpifankatia sy ny mpivady vao mba hiaina ny hafalian’ny fitiavana marina sy mamokatra, izay mitombo ao anatin’ny fahamasinana, amin’ny fakana tahaka ny Fianakaviana masina sy amin’ny fandraisana an’i Kristy ao amin’ny fiainam-pianakaviana. Ao anatin’izany ny fihavaozana isan’andro sy ho mandrakizay ny fanolorana feno sy tsy misy takalony ny tena ao anatin’ny fitiavana sakramentaly, izay mandray ny fahasoavan’ny misiterin’ny paka”. Io no nambaran’ny filohan’ny Filan-kevitra pontifikaly momba ny fianakaviana, ny arseveka Mgr Vincenzo Paglia tamin’ny 14 janoary 2014. Nilazana ny fanasan’ny Papa Fransoa ny mpifamofo maniry ny hihaona aminy ny 14 febiroary 2014. Teny fanentanana nitondrana ny fanasana ny hoe: “Ny hafalian’ny eny mba ho mandrakizay”. Ireo efa nanaraka fiofanana fanambadiana (na mariazy) na an-dalam-pikarakarana izany no niantefan’ny fanasana.


Nahatratra 3900 ireo nisoratra anarana hatramin’ny 30 janoary nifaranan’ny fisoratana anarana.


Fampisainana


Ny fampatsiahivana indrindra izay hasin’ny mariazy izay no tiana nampitaina tamin’ny fanasana, amin’ny maha sakramenta azy. Tandindon’ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Voajanahary ny fanambadiana ary antson’Andriamanitra, tahaka ny fiantsoana ho relijiozy sy pretra ihany koa. Fiombonam-piainan-dehilahy amim-behivavy. Fa tsy sanatria amin’ny lahy samy lahy na amin’ny vavy samy vavy. Tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra izany. Famaky amin’ny fotoanan’ny fanambadiana kristianina ny voalazan’ny bokin’ny Jenezy hoe: “Handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo” (2, 24).

Fitiavana no fototry ny fanambadiana. Mifankatia ny mpivady. Miombom-piainana ary mifanaiky amin’ny lafin-javatra maro izay hita amin’ny fiofanana mialoha ny fanambadiana ny antsipiriany. Ny ren’ny mpanatrika dia ilay fifanekena atao eny amin’ny otely masina, eo anatrehan’ny Fiangonana izay vavolombelona. Ilay teny ifanolorana. Iny no maha masina ny fanambadiana.

Raha tsiahivina ilay fifanekena fanao amin’ny fanambadiana kristianina dia tahaka izao: “Izaho R… dia mandray anao R… ho vadiko ary manome toky fa tsy hivadika aminao na an-kasoavana na an-karatsiana na inon-kidona na inon-kihatra, ka ho tia sy hanaja anao mandritra ny andro rehetra iainako.” Hohamarinin’ny pretra izany amin’ny teny tahaka izao: “Hankatoavin’Andriamanitra sy hohamasininy anie izay fifanekenareo teto anatrehan’ny Fiangonana izao ary hofenoiny tso-drano mitafotafo ianareo. Izay akamban’Andriamanitra aoka tsy hosarahin’olombelona.” Mahafaoka ny votoatin’ny fanambadiana kristianina katolika ireo teny ireo.


Ho an’ny mpivady rehetra


Marina fa tany Roma no nanaovan’ny Papa ny fampianarana. Fa amin’ny maha iray ny Fiangonana katolika dia miantefa amin’ny mpifamofo sy mikasa hiroso amin’ny fanambadiana kristianina katolika rehetra maneran-tany izany. Tsy takona afenina manko ny zava-misy mikasika ny fanambadiana ankehitriny, izay mandalo fotoan-tsarotra sy fivakisana na dia amin’ny fianakaviana fantatra fa kristianina aza. Very hasina ny fanambadiana ka sanatria toa lamaody na haitraitra fotsiny no anaovana azy. Zava-misy ny faharavan’ny fanambadiana noho ny antony maro, toy ny vono, fampirafesana, fijabahan’ny hafa amin’ny tokantrano. Matetika koa izany noho ny olan-drafozana sy vinanto, ny tsy fahampiam-bola. Eo koa ny tsy fahamatorana, satria kely loatra dia niditra amin’izany hitokan-trano izany, sns. Fa isan’ny fositra lehibe manimba ny fanambadiana ihany, ankoatra izay, ny tsy fahaizana mandefitra. Tsy tokony ho hita amin’ny fanambadiana kristianina ireo lesoka ireo. Ka izay no tena anton’ity hetsika nataon’ny Papa ity, hampatsiahivana ny hasin’ny fanambadiana sy ny maha sakramenta azy. Hisorohana ny fisarahana izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. “Mba ho mandrakizay ny hafalian’ny eny”. Ny fikoloana ny fitiavana no hahatanteraka izany. Ao anatin’izany ny fifampidinihina mandrakariva manoloana ny olana mety hitranga.


 


Tsara ho fantatra

Ara-tantara, misy telo ireo lazaina fa Saint Valentin izay samy maty maritiora. Ny iray, ohatra, dia pretra italianina maty maritiora tany Roma tany amin’ny taona 270, araka ny hita amin’ny rakibolana frantsay. Antony dia noho izy nitso-drano mariazy kanefa efa voararan’ny lalàna ny fanaovana izany. Tamin’ny taona 1496 izy no nasandratry ny Papa Alexandre faha 6 ho olomasina. Izay no nahatonga azy ho mpiahy ny mpifankatia.




Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité