logo
Lakroan'i Madagasikara
Tsy fandriampahalemana

Tena mi-“flotte” tokoa

Ratalata Jean Ba il y a 6 années

Nalaza ny teny hoe "tsy iamboho adidy aho mon général" fa mitady halaza ratsy koa ny hoe "mi-flotte". Araho anie i Jean Ba Ratalata e.

Isan’ny olona be mpihaino raha i Ravalomanana. Na ilay filoham-pirenena teo aloha izany na ny jeneraly zandary amperinasa. Ity farany moa dia nomen’ny mpanatsatso anaram-bositra nifanaraka tamin’ireny fipoahan’ny baomba matetika ireny, fipoahana nandritra ny Tetezamita.

Isan’ny tena be mpanaraka ity jeneraly ity raha vao manokatra vava. Mainka raha izy mitafa amin’ny mpampita vaovao izany. Izy rahateo efa nilaza fa nianatra manokana momba ny serasera. Tsapa tokoa fa tia mifanerasera amin’ireo mpampita vaovao ny tenany.


Vao lany ny filoham-pirenena vaovao dia namory ireo mpanao gazety ny tenany miaraka amin’ireo lehiben’ny filaminam-bahoaka mahefa sy amperinasa. “Mi-flotte izahay mpitandro ny filaminana” izay no isan’ny notsoahin’ny olon-tsotra taorian’ny fampitam-baovao teny amin’ny gazety sy haino aman-jery rehetra. Saika nitatitra izay resaka izay tokoa ry zareo ireo. Nahoraka io teny io. Nanazava ireo manam-boninahitra ireo fa tsy mbola nandray azy ireo ny filoham-pirenena vaovao hatramin’ny nanaovany ny fianianany. Fanambarana toa fitarainana.


Nahoraka ilay feo. Tsy latsaka antsofon’ny marenina akory ilay teny. Nibitaka ny sasany tany ho any. Inona hoy ianao no nitranga ?

Nitehaka ireo tsy mataho-tody. Mpanarao-pahalemana. Raikitra ny fanafihana trano fivarotana tetsy sy teroa. Nitombo isa angaha no marimarina kokoa satria nisy foana izany. Isan’ny nalaza ilay fanafihana banky, Accès Banque, ao Andavamamba. Andro vao maraina, andro misandratra, raha vao nanokatra ny toeram-piasana ity banky ity. Kartie be olona. Tsy nahasakana ireo mpanao asa ratsy izany. Mi-flotte ianareo ? Tsy nisy izany fanambarana izany azy nanao ny nataony ireo jiolahy. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny sasany. Fony mbola nisy aza ny mpibaiko hentitra nanao izy nataon’ny jiolahy sy jiovavy mainka fa olona manambara ho ren-danitra ho ren-danitra fa miraviravy tanana !


Mi-flotte ireo mahay misambotra. Ireny fa mi-flotte eny andrano (ranomamy sy ranomasina) ireo andramena na boaderôzy no tena ao ambavan’ny rehetra. Ny mpanenjika no mi-flotte fa ireo henjehina kosa mahay milomano. Indreny fa misy tratra. Tampoka. Voalaza ao fa akaiky ny mpitondra ankehitriny ireo tratra ireo. Mpamatsy vola nandritra ny fampielezan-kevitra teo iny hono. Ity honohono ity kosa aloha dia ‘mampy’ “flotte” mampiroaroa saina tokoa. Voalaza koa fa mpiambina olona ambony teo amin’ny fitondrana nandritra ny Tetezamita ilay nanafika ny Accès Banque ary karohin’ireo mi-“flotte”.


Mi-“flotte” izany dia mitsingevaheva no azo handikana azy. Raha mitsingevaheva ireo mpitandro ny filaminana dia hita fa mitsingevaheva ihany koa ireo depiote vao voafidy teo. Efa 26 izao ireo tsy miankina no nifidianana azy teny ifotony ary izao efa miankin-doha mba ho azo antoka ny fanatanterahana ny fanamby natao tamin’ireo taranaka amam-para eny amin’ny fari-pifidianana. Tsy miankina izy ireo ary izao nifamatotra mba hitambatra ho antoko iray. Voalaza fa efa nifamatotra amin’ny antoko Mapar ny tsirairay tamin’ireo nanangana ny GPS. Nilokaloka ry zareo fa hitondra fanovana eo amin’ny fanaovana politika kinanjo ni-flotte sahady ilay lokaloka natao mba hahazoana ny fo sy ny vato fa ny fanao teo aloha sahady no miverina.


“Dia gaga ianao” manoloana ny zava-misy. Diso izay milaza fa gaga manoloana ny zava-misy. Vokatry ny fanoroana lalana ratsy nanomboka teo amin’ny 2009 no tena nisongadina io fanoroana lalana ratsy io. Miaramila tsotra nandray vozona akanjo manamboninahitra ? Nahazo tehaka. Efa tany no ni-“flotte” ny fibaikoana. Tokony ho nisy ny fanasaziana taty aoriana. Tsy re izany. Kolonely lasa miliaridera ? Zava-misy izany ary tsy mitarika fanadihadiana (maromaro ireo kolonely lasa miliaridera ireo fa tsy iray na roa akory). 2009 dia tahaka ny talata gorobaka ka vaky sambo ny firenena.


Santionany ihany izany tanisaina izany. Volamena naondrana antsokosoko, sokatra any ivelany vao tratra… Marina tokoa ny an’ilay jeneraly raha nilaza izy fa mi-flotte ry zareo.Mila manam-boninahitra sahy mampiseho fa manam-panahy sy tsy mitsingevaheva izany ny fanarenana ny firenena. Tsy miankina amin’ny baiko fotsiny izany. Izao no ilaina ilay antsoina hoe “ baïonnettes intelligentes”. Mahereza.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 23 Jul. 2019 - 14:50-

    Fanomezan-drà. Nanome rà maimaimpoana teny amin’ny HJRA Ampefiloha ireo polisy vaovao miisa 1098 tao amin’ny andiany “FENITRA”. Nitarika azy ireo ny minisitry ny filaminam-bahoaka, RAFANOMEZANTSOA Roger ary nanambara fa : “fanampiana sy ho vonjy aina ho an’ireo mpiray tanindrazana no nanaovana izao adidy izao satria izay manome rà dia mamonjy aina”.

  • 23 Jul. 2019 - 10:45-

    Eglise Catholique en Allemagne. D’après les dernières statistiques, 200 000 catholiques allemands ont quitté l’Église en 2018, contre 167 500 en 2017. Avec plus de 23 millions de membres, l’Église Catholique en Allemagne rassemble toujours 27 % de la population du pays soit plus d’un quart des allemands.

  • 22 Jul. 2019 - 14:37-

    Situation comique en foot au JIOI 2019. Pour la deuxième place du groupe A de ces JIOI 2019, dans le tournoi de football, un tirage au sort entre Madagascar et les Seychelles sera effectué, ce lundi soir, à 20h. Cela, pour savoir qui accédera à la demi-finale contre la Réunion et se jouera mercredi 24 juillet à 14h30. Ayant terminé avec un seul point à leur compteur tous les deux, les formations malgaches et seychelloises seront départagées par tirage au sort. Maurice est assurée de passer avec le nombre de but marqué (2).

  • 20 Jul. 2019 - 10:19-

    Ntsay Christian remplace Christian Ntsay. “Conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution, est nommé Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Monsieur NTSAY Christian” tel est le premier article du décret N°2019-1407, portant nomination du Premier Ministre, publié par la présidence de la République ce 19 juillet 2019. Le choix du premier ministre a été effectué sur la base des noms présentés par les députés majoritaires de l’IRD. Selon la "rumeur" Les trois noms présentés sont : Fienena Richarn Haja Resampa et Ntsay Christian. Il est donc reconduit (pour la deuxième fois) par le président Andry Rajoelina.

  • 19 Jul. 2019 - 08:45-

    JIOI 2019. Dans le cadre des Jeux des Îles, les Barea affrontent en premier les Seychelles. Le match se déroulera au stade Auguste Vollaire le 20 juillet à 14h15. Madagascar n’a pas perdu, lors des deux dernières rencontres entre les deux sélections, avec une victoire (0-1) le 11 juin 2016 et un match nul (1-1) le 29 mai 2018.

  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité