logo
Lakroan'i Madagasikara
Fananan-tany

Milalao tany ny Gasy !

Nangonin'i JRR il y a 12 jours

Maro ny fandaharanasan'ny Filoham-pirenena izay ahitana resaka tany na misy akony amin'ny fananan-tany. Isan'ny malaza ankehitriny ny fananganana ny Tana-Masoandro ao Antananarivo Atsimondrano. Misy koa any Mahajanga ka fananganana building kosa. Ireo resaka fanatsarana vokatry ny fambolena toy ny fampiakarana ny tahan'ny vokatra kakao oahatra. Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Lakroan'i Madagasikara no zaraina amintsika (Lahrana 4149, alahady 6 oktobra 2019, pejy faha-3).

Milalao tany ny Gasy !


Manana olana goavana isika amin’ny resaka fananan-tany. Lasa olana ara-piarahamonina mihitsy aza ny fananan-tany. Tato ho ato dia mivadika resaka politika lalina ihany koa. Saika manerana ny firenena dia andrenesana olana avokoa : fifandonana, fikomiana, tribonaly, fidirana am-ponja, faharavan’ny fianakaviana, fahantrana ary fahafatesana aza. Hatreto anefa mbola tsy misy fomba mazava iatrehana ireny olana ireny fa vao mainka miditra amin’ny kizo lalina sy midadasika kokoa.

 

Ny hoe « milalao tany ny Gasy » dia fomba ilazana ny fomba iatrehantsika ity olana goavana ity, nefa toa tsotsorina sy hamaivanina. Ny fomba notinaizan’ny kolosaina sy ny fiarahamonina nolovaina nefa sarotra zakaina. Te hanao dingan-dava ny handroso isika ka farany milalao afo ihany. Satria na tsy mirehitra aza ny tanimena, ny firehetan’ny ala etsy sy eroa dia faharavan’ny tany. Ka toy ny milalao afo isika amin’ity resaka tany ity.

 

Olana ara-panjakana

Amin’ny fitantanana ny fananan-tany, ny lafin-tany, ny fanajariana ny tany, ary ny lalàna momba ny fananan-tany no misy olana tsy mazava nefa tsy voavaha. Sampandraharaham-panjakana nampiditra olona am-ponja maro ny resaka risoriso eny amin’ny « domaine », saingy mifamatotra amin’ny fomban’ny minisitra sy ny fitsarana no mampidi-kizo olona maro. Ary rehefa idiran’ny politika ny raharaha vao mainka maloto.

« Hilatsaka ho ben’ny tanàna indray Ingahy Maire, ka tsy sahy miditra amin’ny olan’ny tany loatra, sao mifanohitra amin’ny vahoaka ka tsy lany. Dia mahay roa : tsy te ho ratsy endrika anatrehan’ny vahoaka ; nefa manantena tohana amin’ny mpanambola dia manao sotrobe lava tango, mahay atsy mahay aroa ».

Havan’ny olona ambony ao amin’ny fitondrana ramatoa, ka dia manery sampandraharam-panjakana iray manontolo hanao ny taratasiny, na tsy ara-dalàna aza ; satria misy olona ambony afaka mitrerona ny mpiasa. Asa na « soa » na « ratsy » ny mbola tsy nisian’ny Camera, fa dia voatery nanao sonia na tsy nankatoavina aza ireo mpiasa voatery. Matahotra famindran-toerana na fanesorana amin’ny asa. Dia nanaiky tsy fidiny. Akaiky anefa Antanimora raha misy ny « oaia !oay ».

Nanao kabary ny filoha fa hamerina ny tany amin’ny vahoaka ary hizara izany amin’ny olona. Faly ny mpihaino, saingy fampielezan-kevitra ireny, toa mifanohitra amin’ny fametrahana tany tan-dalàna. Nampiroborobo ny fanaovana an-keriny fananan’olona anefa ny kabary te ho lany.

Dia lalaovintsika ity resaka fanan-tany ity.

 

Olana ara-drazana

Ny fifampitoriana eny amin’ny tribonaly koa anefa dia tsy resaka fangalaran-tany, fa resaka fananan-tany araka ny lovan-drazana tsy mifanojo amin’ny lalàm-panjakana. Manjary fiarahamonina roa samy hafa no fehezin’ny lalàna raha resaka fandovana, ka ny rariny araka ny lalàna manjary tsy rariny ara-piarahamonina. Isika anefa te ho tany tan-dalàna. Koa ny fandovana ve no tsy niova nanaraka ny lalàna sa ny lalàna no tsy mifanaraka amin’ny fandovana ? Natao ho an’iza moa izany ny lalàna ?

Ny vazaha, rehefa tonga teto amintsika dia nametraka ny fananan-tany ho araka ny fihariana tiany hatao. Koa ny fanjakana politika no nametraka ny fandaminana amin’ny fananan-tany. Ny fandovana malagasy anefa tsy resaka fihariana, fa fananana fotsiny. Koa na mahantra aza fa manana lova dia mifikitra eo, na dia iray dia ihany aza. Koa tsy mifanojo ny lalànan’ny fananan-tany sy ny politikam-pihariana ; tsy nihatra ny fitantanana ny lafin-tany sy ny politikam-panajariana araka ny politikam-pihariana. Ny fandaminana ara-politika hitantanana ny tany sy ny fanavaozana tian-katao ara-pihariana no tsy mazava. Dia manjary ady tany ny resaka fandovana fa tsy fihariana ara-toe-karena. Ny tian’ny fanjakana hatao anefa dia fampandrosoana ara-pihariana ; koa hifanohitra hatrany ny resaka fananan-tany araka ny fandovana, sy ny fananan-tany ara-pihariana moderina. Dia tsy hanaja ny fomban-tany ny lalàna, ary hanohitra ny lalàna ny fiarahamonina. Izany no tsy mampandroso ny fiharian’ny isam-pianakaviana sy ny firenena satria miparitaka amin’ny isan’ny taranaka ny tany. Zary mampahantra ny fihariana nolovaina. Politikam-pihariana rahateo kabary ambony vavahady. Izany no manjo ireo « concession » an’ny vazaha, nanjary tany honenana. Nanjavona ny kafe, ny voly fanondrana, ny fambolem-bary (Samangoky, Fiherenana sy Teheza…), fa mpifindra monina no mizara lova.

Ny politika ankapobeny sy ny lalàna ihany anefa no manova ny fananan-tany. Fomba ahafahana mamorona asa koa izany, mba tsy hivangongo an-tanàn-dehibe ny olona, ka hiteraka Andralanitra vaovao.

 

Andao ho eny amin’ny volana e !

Asa ! Hainareo ve ny tantaran-dRapeto e ? Tantara toa kilalao fahiny, saingy tantaran’ny nofinofim-pamoronana ho an’ny Malagasy te hanakatra ny habakabaka misy iny volana iny. Tsy anjara masoandro akory ! Tsy tana-masoandro e ! Tara-bolana. Rapeto ilay lehilahy goavam-be, Malagasy voalohany nanakatra ny volana ho kilalaon-janany. Rapeto ilay afaka namorona aingam-panahy ara-java-kanto nolovain-jafy amin’ny valiha torofolo. Rapeto ilay nanajary an’i Betsimitatatra ho tanimbary namatsy an’Antananarivo. Rapeto ilay nanao tohodrano voalohany, nefa tsy navoakan’ny sekoly ambony, saingy nahazoantsika an’Itasy ho farihy mpamatsy hazandrano an’i Madagasikara. Rapeto ilay nanome rano ny ombin-dRasoalao anabaviny tany Mandrindrano ; Rasoalao ilay mpiompy omby tamin’ny faritra afovoany andrefan’ny Nosy ka nampiroborobo ny fiompiana Jamoka, sady atao sorona no natao Jaka. Izany no fanajariana ny tany mahomby nifanaraka amin’ny fiharian-karena nivelomany… angano !angano !

Andao hanovo amin’ny anganon’ny Ntaolo sao misy fandaminana ny fiainana hifamatotra amin’ny tany amin’ireny.


Jaozandry


Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 16 Oct. 2019 - 09:10-

    Catéchisme aux Philippines. Le gouvernement philippin a décidé d’introduire l’enseignement de la religion catholique dans les écoles publiques de l’archipel. Une initiative saluée par l’épiscopat local.

  • 16 Oct. 2019 - 08:00-

    Lozam-pifamoivozana teny amin'ny RN4. Nijanona nanampy ary nitondra ireo maratra mafy ao Maevatànana ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA ny 15 oktobra raha nahita lozam-pifamoivozana tamin'iny lalam-pirenena faha efatra iny. Mpilalao basket avy any Mahajanga ireto niharam-boina ireto ary fa tsy nisy ny aina nafoy.

  • 15 Oct. 2019 - 12:15-

    Programme du championnat national basketball U18. Au gymnase couvert :

    08h00: AKAMASOA Analamanga # SERASERA Vakinankaratra (F)

    09h30: COSPN2 Atsinanana # TAMIFA Amoron'i Mania (F)

    11h00: ASCUT Atsinanana # FANDRASA Haute Matsiatra (F)

    12h30: FFPRO BCTM Vakinakaratra # ASCUT Atsinanana (G)

    14H00: DCA Diana # ASBM V7V (G)

    15H30: ASE Atsimo Andrefana # MFB-BBCM Menabe (F)

    16h30: FANDREFIALA Analamanga # FFPRO BCTM Vakinakaratra (F)

    18h00: SGPI Sava # SERASERA Vakinankaratra (G)

    19h39: TBC Atsimo Andrefana # AS FANANOLAHY Atsimo Atsinanana (G)

  • 15 Oct. 2019 - 07:50-

    Démission de Domenico Giani. Le Pape accepte la démission du commandant de la gendarmerie vaticane faisant suite à la diffusion illicite d’un communiqué signé par le commandant de la gendarmerie vaticane au sujet de la suspension « par précaution » de plusieurs employés du Vatican. Le Pape François apprécie un geste «qui lui fait honneur».

  • 14 Oct. 2019 - 07:22-

    14 octobre 1958 Proclamation de la République malgache. « En vertu des pouvoirs donnés à notre Congrès par l'article 76 de la Constitution française et l'article premier de l'ordonnance du Général de Gaulle, j'ai l'honneur de proclamer que Madagascar est un Etat et que cet Etat est une République dans la Communauté prévue par la Constitution du 4 octobre 1958 » telle est la proclamation effectuée par le Président Zafimahova, président du Congrès des assemblées provinciales, le 14 octobre 1958, à 10h 50. Le Congrès a approuvé la proclamation de la République malgache par 208 voix pour, zéro contre et 26 abstentions, 6 membres étant absents.

  • 11 Oct. 2019 - 13:34-

    Prix Nobel de la Paix 2019. Le prix Nobel de la paix 2019 a été attribué ce 11 octobre au Premier ministre éthiopien Abiy Ahmed Ali pour son travail important en faveur de la réconciliation, de la solidarité et de la justice sociale. Le prix vise également à reconnaître l'ensemble des acteurs œuvrant pour la paix et la réconciliation en Éthiopie et dans les régions de l'Afrique de l'Est et du Nord-Est. Abiy Ahmed Ali a lancé des réformes importantes qui donnent à de nombreux citoyens l'espoir d'une vie meilleure et d'un avenir meilleur. Le Comité Nobel norvégien estime que les efforts d'Abiy Ahmed méritent aujourd'hui d'être reconnus et méritent d'être encouragés.

  • 10 Oct. 2019 - 13:44-

    1468 médecins. Le Président de la République Malgache, Andry Rajoelina s’est participe à la 6ème conférence de reconstitution du Fonds mondial de lutte contre le sida, la tuberculose et le paludisme. Il a déclaré que "le pays manque cruellement d’infrastructures médicales et celles qui existent sont vétustes. Avec seulement 2 lits d’hôpitaux pour 10.000 habitants, les malades doivent parcourir de longues distances pour atteindre un centre de santé. Par ailleurs, nous comptons 1.428 médecins sur l’île, soit 8,6 médecins pour 100.000 habitants en zone urbaine, et 1 médecin pour 350.000 habitants en zone rurale."

  • 09 Oct. 2019 - 08:40-

    Résultats du championnat national U16 garçons et filles. Voici les résultats du mardi 8 octobre :

    TERRAIN N°01

    (F) SEPA BONGO(27) # SBBC(17)

    (G) FBCA(40) # DTSC(70)

    (G) FANDRASA(64) # 2BC(73)

    (F) ASLFA(46) # JCBA(40)

    (G) BCF A/M(59) # ASCUT(56)

    (G) ASBM(47) # BCTAM(78)

  • 09 Oct. 2019 - 08:10-

    Administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Le pape François vient de nommer Mgr Benjamin Ramaroson comme administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Suite à cette nomination il adresse le message suivant : "Je confie cette nouvelle mission très lourde pour moi à vos prières, mais comme souligne l’homélie du dimanche dernier, apprenons à dire oui avec une foi même très petite comme un grain de moutarde nous pourrons déplacer une montagne. Implorez avec la Ste Vierge cette foi minime. Union de prières avec Marie Mère de Dieu et avec Bx Lucien Botovasoa."

  • 08 Oct. 2019 - 10:19-

    Organisation du Baccalauréat deuxième session. Selon Blanche Richard, Ministre de l’enseignement supérieur et de la recherche scientifique, les concepteurs des sujets du baccalauréat deuxième session exceptionnelle sont entrés en conclave depuis ce 7 octobre 2019. Si pour la conception des sujets d’une session de baccalauréat ordinaire il faut 40 jours pour le faire cette fois-ci les concepteurs doivent rédiger les sujets dans l’urgence pour être prêts disponibles le 23 octobre 2019.

  • 08 Oct. 2019 - 10:11-

    Baccalauréat deuxième session. Le président de la République lors de son intervention télévisée a expliqué qu’une deuxième session du baccalauréat sera organisé. Cette 2ème Session dite ‘deuxième session exceptionnelle’ sera organisée du 23 au 26 octobre 2019 sur tout l’ensemble du territoire malgache. Tous les candidats et candidates recalés qui ont été présents lors de la session du 30 septembre pourront participer à cette deuxième session.

  • 08 Oct. 2019 - 07:43-

    Le MEDEF à Iavoloha. Le Président Andry Rajoelina a reçu une délégation du Mouvement des Entreprises de France (MEDEF) ce 7 octobre 2019 au Palais d'État d'Iavoloha. Le Chef d'État a rassuré les représentants du MEDEF sur les efforts fournis par l'État malagasy pour la sécurisation des investissements et la mise en place de cadres juridiques stables. Ceci se traduisant par la lutte contre la corruption, la simplification des procédures et plus de transparence. Ce déplacement fait suite à la visite officielle du Président de la République en France au mois de mai dernier.

  • 07 Oct. 2019 - 09:15-

    Feon'i Lakroa. Rohy hanarahana ny fandaharana Feon'i Lakroa, vokarin'ny gazety Lakroa, gazetin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandeha ny 1 oktobra 2019 https://youtu.be/_GrIpKvZ4EI

  • 07 Oct. 2019 - 08:52-

    Demande du Pape François. Le pape François demande aux baptisés de prier pour le Synode sur l’Amazonie, « événement ecclésial important », qui s’est ouvert ce 6 octobre 2019. Lors de l’angélus place Saint-Pierre, après la messe d’inauguration du Synode, le pape a souhaité « qu’il soit vécu dans la communion fraternelle et dans la docilité à l’Esprit Saint ».

  • 07 Oct. 2019 - 07:47-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa.

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa. Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, dia evekan’Ihosy ary filohan’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny asa fanirahana ataon'ny lahika.    https://www.lakroa.mg/item-1907_articles_dossier_18-lahateny-nataonai-fulgence-razakarivony-ms-fiarahabana-ny-papa-fransoa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:02-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa, teny nentin’i Vavy Elyssa. Nekendraza, tanora vavy 21 taona avy ao amin’ny diosezin’i Maintirano, no nisolotena ny tanora vavy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony : https://www.lakroa.mg/item-1904_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-vavy-elyssa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:01-

    Fihaonan'ny tanora tamin'ny Papa Fransoa, teny nentin’i Rova Sitraka. Rova Sitraka Ranarison, tanora lahy 27 taona avy ao amin’ny disitrikan’Ambatolampy, no nisolotena ny tanora lahy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony. https://www.lakroa.mg/item-1903_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-rova-sitraka.html

  • 04 Oct. 2019 - 06:59-

    Des urgences. Le Conseil du gouvernement du mercredi 2 octobre 2019  au Palais d’Etat de Mahazoarivo nous indique certaines urgences.

    Ministère de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche. Accord pour la demande de dérogation à titre exceptionnel sur le délai de publication de l’avis d’appel d’offres relatif à la fourniture et livraison de 3000 tonnes de dolomie pour la Direction d’Appui à la Production Végétale (DAPV).

    Ministère de l’énergie, de l’eau et des hydrocarbures. Accord pour la demande de dérogation pour tous les travaux en adduction d’eau potable à réaliser dans le cadre du PIP 2019.

    Ministère de la communication et de la culture. Accord pour la réduction du délai de publicité d’avis d’appel d’offre en passation de marché concernant les travaux de réhabilitation.

  • 02 Oct. 2019 - 09:57-

    Fête de saint François. Le pape François participera à une célébration de la Création qui se tiendra dans les jardins du Vatican le jour de la Fête de saint François le 4 octobre 2019, à 12h30, indique le Saint-Siège trois jours plus tôt. A cette occasion, le Synode pour l’Amazonie (6-27 octobre) sera consacré au Poverello d’Assise.

  • 27 Sep. 2019 - 07:47-

    Nomination du nouveau directeur de Cabinet civil de la Présidence. Le Conseil des ministres qui s’est tenu au Palais d’Ambohitsorohitra (et non d’Iavoloha) le mercredi 25 septembre 2019, sur proposition du Président de la République a approuvé la nomination de Ranoromaro Lova Hasinirina, au poste de directeur de cabinet civil de la Présidence.

Du même auteur

religion
musique

Dans la même rubrique

politique
politique
Publicité