logo
Lakroan'i Madagasikara
Taona 2014 sy ny daty tsara marihana

Faha 120 taona nahaterahan’i Victoire Rasoamanarivo any an-danitra

Noro H. il y a 4 années

Olontsambatra malagasy voalohany i Victoire Rasoamanarivo. Feno 120 taona izao ny nahafatesany. Homarihina amin’ny vavaka sy ny hetsika maro samihafa ity taom-pahatsiarovana ity.

Faha 120 taona nahaterahan’i Victoire Rasoamanarivo any an-danitra
Ny 21 aogositra 1894 no nodimandry i Victoire Rasoamanarivo. Ho an’ny Fiangonana dia varavarana idirana amin’ny fiainana mandrakizay ny fahafatesana. Izany indrindra àry no ilazana fa feno 120 taona amin’ity 2014 ity ny nahaterahan’i Victoire Rasoamanarivo any an-danitra.

Vanim-potoana lehibe, tsy avelan’ny Fiangonana handalo fotsiny ity tsingerin-taona ity. Tohizina ny vavaka totoafo fangatahana ny hananganana azy ho olomasina. Hotsarovana amin’ny fomba manokana ireo daty nanamarika ny fiainany (jereo ny tondro etsy anila), ka hetsika toy ny fanaovana mariazy miara-mizotra, ohatra, no hanamarihana ny daty nanaovana mariazy azy sy Radriaka vadiny.


Tantara fohy


Tsiahivina fa  ny 30 avirily 1989, tao Antsonjombe Antananarivo, no nambaran’ny Papa Joany Paoly II fa olontsambatra i Victoire Rasoamanarivo. Tonga teto Madagasikara tokoa manko ny Papa tamin’izany. Tsy hohadinoina eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana sy ny Firenena io vanim-potoana io.

Eny Andohalo, eo anoloan’ny Katedraly, no misy ny lasapely mirakitra ny taolambalony. Misokatra ho an’ny rehetra io toerana io ary mandritra ny herinandro (afa tsy ny alahady) dia misy ny Sorona masina isa-maraina. Kristianina maro –Malagasy sy vahiny– no tonga mivavaka eny isan’andro. Amin’ny toerana fivahinianana masina toy itony moa dia ao ireo mandeha irery, ao koa ireo tonga miaraka maromaro: fianakaviana, paroasy, fikambanana masina isan-tsokajiny, sns. Tsy ary ho sahala avokoa ny antony ahatongavana eny, fa ny azo lazaina dia ny vavaka no itoviana. Ny fahafantarana ny fahamasinan-toetran’i Victoire no angatahana ny fanampiany am-bavaka.

Efa nisy ny boky nivoaka nitantara ny fiainan’i Victoire Rasoamanarivo. Taloha kelin’ny nanambarana azy ho olontsambatra dia efa vita tantara an-tsary izany, ho mora azon’ny rehetra izy io. Nisy koa ny tantara an-tsehatra sy ny fomba maro hafa nampahafantarana azy. Raha aravona dia nanana hatsaram-panahy nampitolagaga ireo niara-niaina taminy i Victoire Rasoamanarivo. Nanankina ny fiainany tamin’Andriamanitra ary nino sy natoky an’i Jesoa. Tsy nitsahatra nangata-bavaka tamin’i Masina Maria. Tia ny manodidina azy izy, indrindra fa ireo madinika sy mahantra. Nanaja ny tokantranony hatramin’ny farany ihany koa. Modely faka tahaka teo amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny maha kristianina.  Tamin’ny fotoana nandroahana ny Misionera, noho ny ady teo amin’i Frantsa sy Madagasikara, dia izy sy ny namany tao amin’ny Union Catholique no niankinan’ny Fiangonana. Hagagana ny an’ny Misionera rehefa tafaverina teto Madagasikara indray satria Fiangonana niroborobo no novantanin’izy ireo.


An’ i Madagasikara manontolo


Na dia ny diosezin’Antananarivo aza no nipoiran’i Victoire Rasoamanarivo dia ny Fiangonana eto Madagasikara no manan-jara fa manana olontsambatra lahika toa azy. Ho an’ny diosezy rehetra manerana ny Nosy araka izany ity fankalazana ity. Ireto misy vavaka voaoman’ny mpikarakara hatao isam-bolana mandritra ity taona ity:

Janoary:
mba hampitombo finoana ny fanajana an’i Victoire

Febroary: ho fanilo amin’ny manodidina azy ireo lahika mandray andraikitra

Marsa: mba hiaina tsara ny maha kristianina azy ny loham-pianakaviana

Avrily: ho an’ny renim-pianakaviana misedra olana sy voahitsakitsaka ary nilaozam-bady

Mey: ho voahaja ny hasin’ny mariazy ary ho betsaka ny hiroso ireo mbola anaty tokantrano maso

Jona: ho an’ny tanindrazana

Jolay: ho an’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora

Aogositra: ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra sy ny Fiangonana

Septambra: ho an’ireo olona manana fahasembanana sy ory ary mijaly, sy ireo any am-ponja

Oktobra: fitiavana manokana an’i Masina Maria sy ny Raozery masina

Novambra: ho an’ireo nody mandry

Desambra: ho an’ny fikambanana sy ny vaomieran’asan’ny Fiangonana

 

 

Ireo daty nanamarika ny fiainan’i Victoire Rasoamanarivo teo amin’ny fizorany tamin’ny finoana

17 Janoary 1864: Komonio Voalohany

14 marsa 1888: nanao Batemy ankamehana an'i Radriaka izy, mialoha ny hahafatesan’ity vadiny

20 avrily 1868: maty tampoka ny reniny

30 avrily 1989: nambaran’ny papa Joany Paoly II izay tonga teto Madagasikara ho olontsambatra izy

13 mey 1864: mariazin’izy sy Radriaka

18 aogositra 1894: narary izy

21 aogositra 1894: nodimandry izy

22 aogositra 1993: nafindra tao amin’ny Chapelle ao Andohalo izy

6 septambra 1876: filohan’ny ZMM (Zanak’i Masina Maria) voalohany izy

11 septambra 1864: Fankaherezana

1 novambra 1863: Batemy

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Oct. 2017 - 12:09-

    Blueline business. Blueline lance ce 18 octobre son offre dénommée Blueline business. Cette offre est destinée spécialement aux entreprises avec 3 pôles de compétence : offre de connectivité, intégration et infogérance et services hébergés.

  • 18 Oct. 2017 - 11:54-

    Récente publication. Santé : Message de la Commmission Episcopale de la Santé http://www.lakroa.mg/item-1197_articles_sport_18-la-commission-encourage-la-poursuite-de-la-lutte.html

  • 17 Oct. 2017 - 13:38-

    Senatera vaovao, minisitra vaovao. Araky ny fanambarana nataon’i Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika teny Iavoloha ny antoandron’ny 17 okitobra dia : voatendry ho loholon’i Madagasikara nisolo toerana an’i Ahmad i Rivo Rakotovao. Randriarimanana Harison Edmond kosa no voatendry ho minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana misolo ny toeran’i Rivo Rakotovao. Soritana fa efa nisahana io ministera io i Randriarimanana Harison Edmond. Izao fanapahana izao dia efa noraisina ny 12 okitobra fa izao vao nambara ampahibemaso.

  • 17 Oct. 2017 - 12:48-

    Bilan de la peste au 16 octobre. La situation de l’épidémie de la peste affecte actuellement 38 Districts, qui se trouvent dans 17 Régions de Madagascar. 805 cas de peste ont été notifiés, dont 595 de formes pulmonaires et 210 de formes buboniques. Le bilan fait état de 74 décès.  Parmi ces cas notifiés : 62 sont confirmés selon les résultats de l’Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ; 367 sont probables selon le test de diagnostic rapide (TDR) ; 377 sont des cas suspects. Source : Minsanp

  • 17 Oct. 2017 - 07:12-

    Deuxième session ordinaire. Selon l’article 75 de la Constitution l'Assemblée Nationale se réunit de plein droit en deux sessions ordinaires par an. La durée de chaque session est fixée à soixante jours. La première session commence le premier mardi de mai et la seconde, consacrée principalement à l'adoption de la loi de finances, le troisième mardi d'octobre. De même pour le Sénat comme le dispose l’article 84. Cette deuxième session commence ce 17 octobre à 14 heures pour les députés et 16 heures pour les sénateurs.

  • 17 Oct. 2017 - 06:37-

    Araka ny fanarahana akaiky ataon'ny #cellule_riposte_peste ireo ZAP nahitana ny trangana pesta ka nanakatonana ireo sekoly dia misy izy ireo no efa tsy misy ahiahiana intsony. Miverina mianatra noho izay ny mpianatra eny anivon'ireto ZAP ireto manomboka ny Alarobia 18 Oktobra ho avy izao:

    DREN ANALAMANGA:
    CISCO MANJAKANDRIANA

    • ZAP RANOVAO
    • ZAP AMBOHITROLOMAHITSY

    DREN ITASY:
    CISCO ARIVONIMAMO

    • ZAP ARIVONIMAMO I
    • ZAP ARIVONIMAMO II
    • ZAP ALAKAMISY KELY
    • ZAP AMPAHIMANGA
    • ZAP AMBATOMIRAHAVY

     CISCO MIARINARIVO
    • ZAP MIARINARIVO I
    • ZAP MANAZARA

     CISCO SOAVINANDRIANA
    • ZAP MAHAVELONA

    DREN HAUTE MATSIATRA:
    CISCO LALANGINA

    • ZAP ALAKAMISY AMBOHIMAHA 

    CISCO AMBOHIMAHASOA
    •ZAP AMPITANA
    •ZAP ISAKA
    •ZAP AMBOHINAMBOARINA

    DREN AMORON'I MANIA:
    CISCO FANDRIANA
    • ZAP IMITO

    DREN VAKINANKARATRA:
    CISCO ANTSIRABE I manontolo

     

    Cellule riposte/MEN

  • 16 Oct. 2017 - 07:29-

    Situation générale de la peste le 13 octobre. La situation épidémiologique du 1er août au 13 octobre 2017 est détaillée comme suit : 610 est le nombre total de cas rapporté (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).

    63 : Nombre de personnes décédées (cumul pour tout Madagasikara pour toute cette période et pour tout type de peste confondue).  Taux de létalité nationale : 10,3% (c’est le rapport du nombre de décès avec le nombre total des cas notifies). Source : Minsan.

  • 15 Oct. 2017 - 18:13-

    Atlantis Business School renforce sa présence auprès des écoles à Antananarivo. Le samedi 14 octobre Rasolofonjatovo Ny Aina, un des responsables du bureau de Atlantis Business School ou ABS offre à Antananarivo a rencontré les représentants de quelques écoles d’expression française pour présenter les avantanges et les possibilités de poursuivre les études au sein de l’ABS. ABS offre aux étudiants la possibilité d'étudier à Maurice pour obtenir un diplôme internationalement reconnu décerné par UUM (University Utara Malaysia)  prestigieuse université malaisienne. ABS est aussi accréditée auprès de he Association to Advance Collegiate School of Business des États-Unis.

  • 14 Oct. 2017 - 13:13-

    Fahatongavan’ny nofo mangatsiakan’ny Filoham-pirenena teo aloha Zafy Albert. Ny nofo mangatsiakan'ny Filoha Albert Zafy dia ho tonga eny Ivato ny 14 oktobra amin'ny 4 ora sy 10mn. Aorian'ny fanomezamboninahitra ho tontosanan’ny fanjakana, dia ho entina eny antranony eny Ivandry villa franchise ny vata mangatsiaka. Toy izao ny lalana hizorana: Ivato- Talatamaty-rond point Ankazomanga - route des hydrocarbures - Ivandry.

  • 14 Oct. 2017 - 12:21-

    Fanambaran’ny Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny fahalasanan’ny Filoha Zafy Albert. Ry Vahoaka malagasy, amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert tany amin’ny Nosy La Réunion. Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1992 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena. Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.

  • 13 Oct. 2017 - 14:04-

    Décès du Pr Zafy Albert. Le professeur Albert Zafy, ancien président de la République malgache, est décédé ce vendredi 13 octobre à l’hôpital de Saint-Pierre, selon la publication qu’on peut lire sur le site de la Présidence de la République de Madagasikara. Il a été évacué sur l'île de la Réunion ce jour 12 octobre. Le Professeur, fondateur du parti Undd et acuellement Président d’honneur, ancien Président de la république a été admis à la polyclinique d’Ilafy le 11 octobre 2017. Il est âgé de 90 ans. www.lakroa.mg présente ses condoléances à la famille. Paix à son âme.

  • 13 Oct. 2017 - 07:35-

    Situation épidémiologique à Madagascar du 1er août au 12 octobre 2017. Voici la situation épidémiologique : Au total : 561 cas dont 57 décédés. • Létalité globale est de : 10,2%. • Formes cliniques : 415 cas de Peste pulmonaire ; 144 cas de Peste bubonique ; 1 cas Peste septicémique ; 1 cas de peste non précisée. • Confirmés : 39, • Probable : 219, • Suspect : 303. Source : MSANP, Communiqué par : BNGRC.

  • 11 Oct. 2017 - 07:26-

    Lisitra fanampiny zap hanakatona sekoly, lisitra navoaka ny 10 okitobra. Miato ihany koa ny fampianarana amin'ireto toerana ireto, na ny sekoly miankina na ny tsy miankina. Misy amin'izy ireo no efa tsy nampianatra androany misy kosa ireo hikatona manomboka rahampitso 11 okitobra 2017= Dren Itasy, Cisco Soavinandriana : ZAP Antanetibe. Dren Haute Matsiatra, Cisco Vohibato : Zap Mahaditra. Dren Vakinankaratra, Cisco Antsirabe 1 : Zap Antsirabe Ampovoany, Zap Soamalaza Mahatsinjo, Zap Antsenakely Andraikiba, Zap Mahazoarivo Avarabohitra.

  • 10 Oct. 2017 - 13:59-

    Récentes parutions. Culture : http://www.lakroa.mg/item-1190_articles_culture_18-pesita-sy-fantsy.html. Social: http://www.lakroa.mg/item-1189_articles_societe_18-signature-daune-convention-entre-la-cnaps-et-la-flm.html

  • 10 Oct. 2017 - 13:32-

    Communiqé du Sefafi. Le Sefafi vient de publier un nouveau communiqué intitulé : “Intérêt légitime et droit à être informé”. Épidémie de peste, révision de la constitution, accueil de réfugiés syriens… Autant d’actualités polémiques qui ont soulevé un tollé, suscité l’incompréhension et l’indignation, semé le désarroi voire même la panique au sein de l’opinion et qui, dans certains cas, ont fini par indisposer le pouvoir ! L’État aurait pu éviter la psychose en tenant le public informé et en prenant les devants par des mesures d’urgence appropriées pour limiter la propagation de la maladie.

  • 10 Oct. 2017 - 07:23-

    Lisitra fanampiny. Ankoatra ireo ZAP sy CISCO voalaza eto ambany dia mihato ihany koa ny fampianarana eny anivon'ireto ZAP sy CISCO ireto mandritra ity herinandro ity:

    DREN ANALAMANGA CISCO ANJOZOROBE: ZAP ANJOZOROBE I

    DREN ITASY, CISCO ARIVONIMAMO:

    - ZAP ALAKAMISY KELY

    - ZAP AMPAHIMANGA

    - ZAP AMBATOMIRAHAVAVY

    DREN HAUTE MATSIATRA CISCO FIANARANTSOA MANONTOLO

    DREN ANALANJIROFOCISCO FENERIVE EST MANONTOLO

    DREN AMORON'I MANIA CISCO FANDRIANA: ZAP IMITO

    (Cellule riposte/MEN)

  • 07 Oct. 2017 - 08:28-

    Cisco sy zap tsy mianatra. Manoloana ny fitrangan’ny aretina pesita dia nandray fepetra samihafa ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Voalohany, misy ny  Fanadiovana faobe ny sekoly rehetra ao amin’ilay ZAP na CISCO misy ny marary ;  Fandrarahana fanafody ireo sekoly rehetra ao anatin’ny ZAP na ny CISCO ;  Fanakatonana ny sekoly ao anatin’ny 3 andro aorian’ny fandrarahana fanafody. Faharoa, misy ny fepetra ho raisina amin’ny herinandron’ny faha 9 oktobra ka hatao “Semaine d’observation” ny herinandron’ny miandoha ny 9 okitobra. Ka jereo anatin’ity rohy ity ny Cisco sy zap tsy mianatra mandritra io herinandro io : http://www.lakroa.mg/item-1183_articles_education_18-fepetra-noraisina-ho-fisorohana.html

  • 05 Oct. 2017 - 08:41-

    Premium class Soatrans. La coopérative Soatrans vient de lancer une nouvelle offre dénommée Premium class. Le lancement de cette offre a été effectué ce 3 octobre 2017. Avec cette offre les passagers sont sûrs de partir à l’heure indiquée quelle que soit le nombre de clients ayant réservés. Les voyageurs bénéficient de l’internet avec le Wi-Fi intégré à bord. Chaque voiture est dotée de gps cela permet de contrôler la vitesse employée et de suivre la voiture en temps réel. Les départs se font toutes les deux heures (6h, 8h, 10h le matin et 14h, 16h et 18h l’après-midi).

  • 05 Oct. 2017 - 07:42-

    Lahatsoratra farany. Santé : http://www.lakroa.mg/item-1180_articles_sport_18-pesita-misy-mpizesita-mahay.html

  • 03 Oct. 2017 - 06:58-

    Sekoly mikatona ho an’ny Cisco 6. Tahaka izao ny fanambarana navoakan’i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena : « Miato ny fampianarana amin'ireto toerana voalaza ireto amin'ity herinandro ity ho fanohizana ny fanadiovana ny sekoly (miankina sy tsy miankina): Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo, Toamasina I, Toamasina II.

    Amin'ny alatsinainy izany ny ankizy vao miverina mamonjy ny toeram-pianarany any amin'ireo toerana ireo ! »

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

religion
religion
Publicité