logo
Lakroan'i Madagasikara
PMA

Ankehitriny ve anambadian-kiterahana ?

admin il y a 9 jours

Mandroso dia mandroso ny vokatry ny fikarohana tontosain’ireo manam-pahaizana any ivelan’I Madagasikara any. Mahakasika ny fampiterahana ny olombelona dia efa tekinika maro isan-karazany no azon’ny olombelona isafidianana hahazoana zaza raha sendra olana voajanahary. Tsy mijanona eo intsony anefa ny safidy efa neken’ny lalana ny fanambadian’ny lahy samy lahy ka akroy atao fa tong any “fampanarahana” ny olombelona. Fifampizarana.

Ankehitriny ve anambadian-kiterahana ?


Manaitra ny maro izany fanontaniana izany. Satria na Malagasy ianao na hafa fiaviana na Kristianina dia isany antony anambadiana ny hananana taranaka mpandova, mpandimby, mamelomaso ny fianakaviana. Mafy izany hoe lany taranaka, hoy ny fitenenana. Ankehitriny, efa miova sy mivoatra ny fiaraha-monina noho ny fandrosoana ara-teknolijia,indrindra ara-pitsaboana. Misy tsy te hiteraka, misy maniry fa tsy mahazo zaza, misy ny manala ny ao am-boahaka, ary misy ny maro anaka. Teraka ny olana.  Aiza ho aiza isika izao ? Fanadihadiana.

 

Mafana ny adi-hevitra eto Frantsa, sy ny resaka hidina an-dalam-be eo amin’ny mpanohitra sy ny mpanohana ny volavolan-dalàna antsoina hoe : PMA na “Procréation Médicalement Assistée”, ataoko dikanteny malalaka hoe : Fanampiana ara-pitsaboana amin’ny fahazoan-jaza. Anampiana ireo mitady zaza nefa tsy mahazo. Tany am-piandohana, tamin’ny taona 1994, ny PMA dia natokana ho an’ireo mpivady mitady zaza nefa tsy mahazo, ary lehilahy sy vehivavy. Na ny tokantranomaso na concubinage ka lehilahy sy vehivavy dia nekena koa tamin’io PMA voalohany io. Ny concubinage lahy samy lahy izay nekena ny fisiany taty amin’nytaona 1999, dia tsy mahazo PMA akory. Ny 17 May 2013 dia teraka ny PACS na Pacte Civil se Solidarité, izay tsy mariazy akory fa fiaraha-miaina maharitra eo amin’ny lehilahy sy vehivavy, na samy lehilahy, na samy vehivavy. Ny fankalazana izany dia tsy atao any amin’ny Mairie fa any amin’ny Tribonaly Ambaratonga voalohany na any amin’ny Ambasady raha tsy eto Frantsa ianao. Miova tanteraka izany ny atao hoe : tokantrano. Tsy Dada sy Neny sy ny zanaka intsony, fa mety samy ho lehilahy, na samy ho vehivavy kanefa tsy afa-miteraka ireo. Ilay vaha-olana nentin’ilay PMA voalohany izany tsy mety intsony fa tsy maintsy ovàna. Dia izany no mahatonga ity PMA, andian’ny faharoa ity izay manomboka iadian-kevitra ao amin’ny Antenimieram-pirenena frantsay ny Talata 24 septambra lasa teo. Nidina an-dalam-be ny mpanohitra izany PMA vaovao izany.

“PMA tsy misy ray”.

Ny Alahady 06 Oktobra no nidina an-dalam-be, araka izany, ny mpanohitra. Voatombana latsaky ny iray hetsy ireo mpilahatra, izay nantsoina Fikambanana miisa roapolo. Vitsy dia vitsy raha oharina tamin’ny “Manif pour tous” izay nanohitra ny “Mariage pour tous”, fito taona lasa izay Raha ny tsapa-kevitra[1] nataon’ny IPSOS dia voalaza fa 60 % ny Frantsay manohana ny PMA vaovao ho any samy vehivavy, ary 65 % ho an’ny vehivavy tokan-tena. Andohalika ny ranom-bary ho an’ny Fiangonana satria ny fianakaviana andrin’ny fiarahamonina no tandondomin-doza. Ho vaky sa ho tresaka .Rahefa namoaka ny heviny ny CCNE na Conseil Consultatif National d’Ethique ny 27 jona 2017, izay najoro ny 23 febroary 1983, taorian’ilay “bébé-éprouvette” frantsay voalohany ny taona 1982. Izay mety hanazava ny governemanta amin’izay mety ho fanapahan-kevitra ho raisiny, dia namoaka fanambarana ny Fivondronamben’ny Eveka eto Frantsa ny 28 jona 2017, ny ampitson’io ihany. Mametra-panontaniana momba ny fananan’anaka tsy misy ray ; sao lasa fitaovana fotsiny ny zaza ka tsy voatsimbina ny tena tombontsoany ; ny sehatra fitsaboana ve dia ho lasa hamalianana fotsiny ny faniriana mitranga ara-piaraha-monina ; dia tsy ho voafehy intsony ny PMA fa hitatra.  Ny “éthique” sy ny “morale” moa dia voambolana mitovy ihany. Ny éthique dia avy amin’ny teny grika (ethos, les moeurs, fomba), ary ny morale dia avy amin’ny teny latinina (mos /mores). Mety dikanteny nalaina tamin’ny teny grika ihany ny morale. Voafehin’ireo ny fitsipi-piainana ao anatin’ny fitondran-tena, izay mamaritra ny tsirairay sy ny fiaraha-monina. Tsoahina avy amin’izany ny soatoavina. Fahaiza-manavaka ny ratsy sy ny tsara ; ny marina sy ny lainga, miaro sy ny manapotika, sns…Fitsimbinana ny tsairairay amin’ny fifampitsimbinana ho fiarovana ny fiarahamonina sy ny tomboantsoa iombonana.

Ny fanambadiana na ny mariazy, hoy isika dia andry fototry ny fiaraha-monina, Efa misy endrika hafa anefa maro mamaritra ny fiaraha-miaina amin’izao fotoana izao araka ny voalazantsika etsy ambony.”Miahiahy izahay ho an’ny fiarahamonina”, hoy I Mgr Eric de MOULIN-BEAUFORT, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Frantsa, tamin’ny tafa nifanovana tao amin’ny Collège des Bernardins teto Paris, ny Alatsinainy 16 septambra 2019 lasa teo, manoloana ity volavolan-dalàna amin’ny fanampiana ara-pitsaboana ity eo amin’ny fananahana (PMA) endrika faharoa. Sao lasa filàna fotsiny ny fananan-janaka ka tsy raisina toy ny fanomezana fa raisina toy ny zo. Sao mijanona faniriana fa tsy raisina toy ny adidim-pitiavana, hisian’ny taranaka vanona. Ary aiza ilay ray ? Toa” PMA tsy misy ray” intsony, ity PMA vaovao ity.

Manan-kasina ny aina

Ahiahy no aroson’ny Fiangonana. Ilaina ny arofanina, fa mafy ny sangodim-panina ka mety tsy ho voafehy intsony ny vokany satria tsy mitsinjo lavitra. “Manan-kasina ny aina”, hoy ny Fiangonana : “Le don de la vie que Dieu, Créateur et Père, a confié à l’homme, impose à celui-ci de prendre conscience de sa valeur inestimable et d’en assurer la responsabilité[2], ka mila tandrovina toy ny anankadriamaso. Hoy koa ny teny fampidirana ao amin’ny Taratasy navoakan’ny Congrégation pour la Doctrine de la Foi, momba ny resaka bioetika, dikanteny ofisialy ihany : “ La dignité de la personne doit être reconnue à tout être humain, depuis sa conception jusqu’à sa mort naturelle »[3]  Tsy azo lalaovina na ho viraviraina ny aina. Miara-miasa amin’ny siansa ny Fiangonana fa tsy mifanohitra. Ny Malagasy taloha misao-bady momba sy ny fampirafesana noho ny fanirian-janaka. Efa mihena be ny toe-tsaina mitazona izany na dia anambadian-kiterahana ihany, fa tsy hadino ny hoe anambadian-ko namana. Amin’ny kabary am-panambadiana dia manontany fototra ny mpikabary satria mila taranaka vanona : “Izahay izao no solofo dimbin’ny ala, ny kolokolo dimbin’ny vary ary taranany”.Ary zazalahy sy zazavavy no manorina tokantrano. Tsy mifanipaka amin’ny fampianarana Kristianina izany[4], fa tena ao tsara.

Ankehitriny dia mandeha haingana ny fivoaran’ny fiarahamonina. Miaiky anefa fa fianakaviana mafy orina no mampanjary fiarahamonina maharitra. Lavitry ny fitiavan-tena fa manasina ny tena fitiavana. Anambadian-kiterahana,fanomezana izany fa tsy zo. Eto Frantsa dia hita fa ambany ny tahan’ny fanambadiana, ary mitombo ny zaza ateraka ivelan’ny fanambadiana, sy ny fisaraham-panambadiana. Mbola lavitra ny lalana diavin’ny Fiangonana hamerenana indray ny hasin’ny fanambadiana Kristianina aty amin’ny Tany Tandrefana. Ny mpivady Kristianina no tokony ho fanilo eo anivon’ny fiaraha-monina. Tafita ve ny fampianaran’ny Fiangonana – Konsily Vatikana II[5] : “…Ny fifankatiavan’ny mpivady dia asondrotra sy horaisina ao anatin’ny Fitiavan’Andriamanitra”

ELIASY Liva

 

[1] Sondage IPSOS-Sopra publié dans Le Monde du 17/9/2019

[2] Instruction DONUM VITAE du 22 Février 1987

[3] Instruction DIGNITAS PERSONAE sur certaines questions bioéthiques du 08 septembre 2008.

[4] Jenezy 2, 18

[5] Ao amin’ny Fiangonana eo anivon’izao tontolo izao GS Gaudium et Spes n°48


____

Fanampiny jereo Ny fiterahana amin’ny fanambadiana amin’ity rohy ity

http://www.vatican.va/archive/ccc_madagascar/documents/2331-2400_mg.html



Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 16 Oct. 2019 - 09:10-

    Catéchisme aux Philippines. Le gouvernement philippin a décidé d’introduire l’enseignement de la religion catholique dans les écoles publiques de l’archipel. Une initiative saluée par l’épiscopat local.

  • 16 Oct. 2019 - 08:00-

    Lozam-pifamoivozana teny amin'ny RN4. Nijanona nanampy ary nitondra ireo maratra mafy ao Maevatànana ny miaramila ao amin'ny ZRPS DELTA ny 15 oktobra raha nahita lozam-pifamoivozana tamin'iny lalam-pirenena faha efatra iny. Mpilalao basket avy any Mahajanga ireto niharam-boina ireto ary fa tsy nisy ny aina nafoy.

  • 15 Oct. 2019 - 12:15-

    Programme du championnat national basketball U18. Au gymnase couvert :

    08h00: AKAMASOA Analamanga # SERASERA Vakinankaratra (F)

    09h30: COSPN2 Atsinanana # TAMIFA Amoron'i Mania (F)

    11h00: ASCUT Atsinanana # FANDRASA Haute Matsiatra (F)

    12h30: FFPRO BCTM Vakinakaratra # ASCUT Atsinanana (G)

    14H00: DCA Diana # ASBM V7V (G)

    15H30: ASE Atsimo Andrefana # MFB-BBCM Menabe (F)

    16h30: FANDREFIALA Analamanga # FFPRO BCTM Vakinakaratra (F)

    18h00: SGPI Sava # SERASERA Vakinankaratra (G)

    19h39: TBC Atsimo Andrefana # AS FANANOLAHY Atsimo Atsinanana (G)

  • 15 Oct. 2019 - 07:50-

    Démission de Domenico Giani. Le Pape accepte la démission du commandant de la gendarmerie vaticane faisant suite à la diffusion illicite d’un communiqué signé par le commandant de la gendarmerie vaticane au sujet de la suspension « par précaution » de plusieurs employés du Vatican. Le Pape François apprécie un geste «qui lui fait honneur».

  • 14 Oct. 2019 - 07:22-

    14 octobre 1958 Proclamation de la République malgache. « En vertu des pouvoirs donnés à notre Congrès par l'article 76 de la Constitution française et l'article premier de l'ordonnance du Général de Gaulle, j'ai l'honneur de proclamer que Madagascar est un Etat et que cet Etat est une République dans la Communauté prévue par la Constitution du 4 octobre 1958 » telle est la proclamation effectuée par le Président Zafimahova, président du Congrès des assemblées provinciales, le 14 octobre 1958, à 10h 50. Le Congrès a approuvé la proclamation de la République malgache par 208 voix pour, zéro contre et 26 abstentions, 6 membres étant absents.

  • 11 Oct. 2019 - 13:34-

    Prix Nobel de la Paix 2019. Le prix Nobel de la paix 2019 a été attribué ce 11 octobre au Premier ministre éthiopien Abiy Ahmed Ali pour son travail important en faveur de la réconciliation, de la solidarité et de la justice sociale. Le prix vise également à reconnaître l'ensemble des acteurs œuvrant pour la paix et la réconciliation en Éthiopie et dans les régions de l'Afrique de l'Est et du Nord-Est. Abiy Ahmed Ali a lancé des réformes importantes qui donnent à de nombreux citoyens l'espoir d'une vie meilleure et d'un avenir meilleur. Le Comité Nobel norvégien estime que les efforts d'Abiy Ahmed méritent aujourd'hui d'être reconnus et méritent d'être encouragés.

  • 10 Oct. 2019 - 13:44-

    1468 médecins. Le Président de la République Malgache, Andry Rajoelina s’est participe à la 6ème conférence de reconstitution du Fonds mondial de lutte contre le sida, la tuberculose et le paludisme. Il a déclaré que "le pays manque cruellement d’infrastructures médicales et celles qui existent sont vétustes. Avec seulement 2 lits d’hôpitaux pour 10.000 habitants, les malades doivent parcourir de longues distances pour atteindre un centre de santé. Par ailleurs, nous comptons 1.428 médecins sur l’île, soit 8,6 médecins pour 100.000 habitants en zone urbaine, et 1 médecin pour 350.000 habitants en zone rurale."

  • 09 Oct. 2019 - 08:40-

    Résultats du championnat national U16 garçons et filles. Voici les résultats du mardi 8 octobre :

    TERRAIN N°01

    (F) SEPA BONGO(27) # SBBC(17)

    (G) FBCA(40) # DTSC(70)

    (G) FANDRASA(64) # 2BC(73)

    (F) ASLFA(46) # JCBA(40)

    (G) BCF A/M(59) # ASCUT(56)

    (G) ASBM(47) # BCTAM(78)

  • 09 Oct. 2019 - 08:10-

    Administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Le pape François vient de nommer Mgr Benjamin Ramaroson comme administrateur apostolique du diocèse d’Ambanja. Suite à cette nomination il adresse le message suivant : "Je confie cette nouvelle mission très lourde pour moi à vos prières, mais comme souligne l’homélie du dimanche dernier, apprenons à dire oui avec une foi même très petite comme un grain de moutarde nous pourrons déplacer une montagne. Implorez avec la Ste Vierge cette foi minime. Union de prières avec Marie Mère de Dieu et avec Bx Lucien Botovasoa."

  • 08 Oct. 2019 - 10:19-

    Organisation du Baccalauréat deuxième session. Selon Blanche Richard, Ministre de l’enseignement supérieur et de la recherche scientifique, les concepteurs des sujets du baccalauréat deuxième session exceptionnelle sont entrés en conclave depuis ce 7 octobre 2019. Si pour la conception des sujets d’une session de baccalauréat ordinaire il faut 40 jours pour le faire cette fois-ci les concepteurs doivent rédiger les sujets dans l’urgence pour être prêts disponibles le 23 octobre 2019.

  • 08 Oct. 2019 - 10:11-

    Baccalauréat deuxième session. Le président de la République lors de son intervention télévisée a expliqué qu’une deuxième session du baccalauréat sera organisé. Cette 2ème Session dite ‘deuxième session exceptionnelle’ sera organisée du 23 au 26 octobre 2019 sur tout l’ensemble du territoire malgache. Tous les candidats et candidates recalés qui ont été présents lors de la session du 30 septembre pourront participer à cette deuxième session.

  • 08 Oct. 2019 - 07:43-

    Le MEDEF à Iavoloha. Le Président Andry Rajoelina a reçu une délégation du Mouvement des Entreprises de France (MEDEF) ce 7 octobre 2019 au Palais d'État d'Iavoloha. Le Chef d'État a rassuré les représentants du MEDEF sur les efforts fournis par l'État malagasy pour la sécurisation des investissements et la mise en place de cadres juridiques stables. Ceci se traduisant par la lutte contre la corruption, la simplification des procédures et plus de transparence. Ce déplacement fait suite à la visite officielle du Président de la République en France au mois de mai dernier.

  • 07 Oct. 2019 - 09:15-

    Feon'i Lakroa. Rohy hanarahana ny fandaharana Feon'i Lakroa, vokarin'ny gazety Lakroa, gazetin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nandeha ny 1 oktobra 2019 https://youtu.be/_GrIpKvZ4EI

  • 07 Oct. 2019 - 08:52-

    Demande du Pape François. Le pape François demande aux baptisés de prier pour le Synode sur l’Amazonie, « événement ecclésial important », qui s’est ouvert ce 6 octobre 2019. Lors de l’angélus place Saint-Pierre, après la messe d’inauguration du Synode, le pape a souhaité « qu’il soit vécu dans la communion fraternelle et dans la docilité à l’Esprit Saint ».

  • 07 Oct. 2019 - 07:47-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa.

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa teny Soamandrakizay. Lahateny nataon’i Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, fiarahabana ny Papa Fransoa. Mgr Fulgence Razakarivony, M.S, dia evekan’Ihosy ary filohan’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny asa fanirahana ataon'ny lahika.    https://www.lakroa.mg/item-1907_articles_dossier_18-lahateny-nataonai-fulgence-razakarivony-ms-fiarahabana-ny-papa-fransoa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:02-

    Fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa, teny nentin’i Vavy Elyssa. Nekendraza, tanora vavy 21 taona avy ao amin’ny diosezin’i Maintirano, no nisolotena ny tanora vavy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony : https://www.lakroa.mg/item-1904_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-vavy-elyssa.html

  • 05 Oct. 2019 - 11:01-

    Fihaonan'ny tanora tamin'ny Papa Fransoa, teny nentin’i Rova Sitraka. Rova Sitraka Ranarison, tanora lahy 27 taona avy ao amin’ny disitrikan’Ambatolampy, no nisolotena ny tanora lahy nandritra ny fihaonan’ny tanora tamin’ny Papa Fransoa. Ity ny rohy ahitanao ny lahateny nataony. https://www.lakroa.mg/item-1903_articles_dossier_18-ny-fijoroana-vavaolombelona-nataonai-rova-sitraka.html

  • 04 Oct. 2019 - 06:59-

    Des urgences. Le Conseil du gouvernement du mercredi 2 octobre 2019  au Palais d’Etat de Mahazoarivo nous indique certaines urgences.

    Ministère de l’agriculture, de l’élevage et de la pêche. Accord pour la demande de dérogation à titre exceptionnel sur le délai de publication de l’avis d’appel d’offres relatif à la fourniture et livraison de 3000 tonnes de dolomie pour la Direction d’Appui à la Production Végétale (DAPV).

    Ministère de l’énergie, de l’eau et des hydrocarbures. Accord pour la demande de dérogation pour tous les travaux en adduction d’eau potable à réaliser dans le cadre du PIP 2019.

    Ministère de la communication et de la culture. Accord pour la réduction du délai de publicité d’avis d’appel d’offre en passation de marché concernant les travaux de réhabilitation.

  • 02 Oct. 2019 - 09:57-

    Fête de saint François. Le pape François participera à une célébration de la Création qui se tiendra dans les jardins du Vatican le jour de la Fête de saint François le 4 octobre 2019, à 12h30, indique le Saint-Siège trois jours plus tôt. A cette occasion, le Synode pour l’Amazonie (6-27 octobre) sera consacré au Poverello d’Assise.

  • 27 Sep. 2019 - 07:47-

    Nomination du nouveau directeur de Cabinet civil de la Présidence. Le Conseil des ministres qui s’est tenu au Palais d’Ambohitsorohitra (et non d’Iavoloha) le mercredi 25 septembre 2019, sur proposition du Président de la République a approuvé la nomination de Ranoromaro Lova Hasinirina, au poste de directeur de cabinet civil de la Présidence.

Du même auteur

religion
musique

Dans la même rubrique

societe
societe
Publicité