logo
Lakroan'i Madagasikara
Tafatafan'ny talata

Izay nesorina no tiana haverina

Ratalata Jean Bà il y a 5 années

Misy ny votoatiny ary misy ny fisehony ivelany momba itony fanendrena PM itony.

Zava-droa loha no votoatin-dresaka eny anivon’ny fiaraha-monina eny tao anatin’ny andro vitsivitsy amin’izao faramparan’ny volana febiroary izao.
Andaniny, ny resaka “insécurité” etsy sy eroa. Tena manjaka ny tsy fandriampahalemana. Saika isak’alina dia misy vaky trano eny amin’ny fokontany maro mba tsy ilazana hoe ny fokontany tsirairay.
Ankilany, nahazo laka ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny olom-pirenena Andry Nirina Rajoelina. Ity farany ity no hitafatafantsika anio e.

Meeting

Tsiahivina fa ny zoma 21 febiroary no nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny filohan’ny Tetezamita teo aloha. Tamin’ny alina no nanaovany izany valan-dresaka izany. Voatery tsy maintsy nihaino azy ireo manana vaovao amin’io fotoana io ary mampita io alina io, na ampahany ihany aza, izay ventin-kevitra nampitainy. Mba tsy hanao “ratage” araka ny filazan’ireo mpilaza vaovao.
Feno tanteraka ny toerana fandraisana olona tao amin’ity hotely nanaovana ny “conférence de presse”. Feno an’ireo mpikatroka ao anatin’ny MAPAR. Lasa fomba fanaon’ny olona maro indrindra ireo mpanao politika ity manao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ka feno mpanohana ny toerana hitafatafana. Ohatra, nanao izany Ratsiraka. Mila tsy ifandrenesana ny horakoraka amin’izay fotoana izay. Ahitana fa misy sinema ao.
Dia nasehon’i olom-pirenena fa mahay sinema izy. Nanao fomba fitenin’ny mpanao politika vehivavy i Rajoelina nanatsafa ilay mpanao politika miaro ny tontolo iainana. Nanao fitenin’ny olon’antitra ihany koa raha nilaza fa amin’ny 2018 ny “rendez-vous”. Nampiseho havinirana raha nilaza momba ny filoha izay notohanany. Hainy io. Tahaka ireny olona nianatra teatira ireny ny tenany.
Ny tonga ao antsaina raha mijery ny fomba nofinidin’ny olom-pirenena Rajoelina nanazava ny heviny dia tahaka ireny izy niverina avy any Afrika ireny ka nisy nosoniaviny tany ary dia notsipahiny. Ny vahoaka no nalainy ho namana. Eto indray dia tahaka izany. Ny mpikambana sy mpanohana MAPAR no nalainy ho namana hitsipahany ny toeran’ny praiminisitra.
Dia manao tahaka azy koa ireo mpitantana ny MAPAR raha toa ka nanambara ny anaran’ny PM nasolo an’i Rajoelina. Efa nalefan’izy ireo tany amin’ny Prezida ilay anarana fa na izany aza dia avy hatrany dia navoaka ho fanta-bahoaka. Fomba fiasa tsy tena mifanaja loatra izany. Raha tena tsy maintsy natao dia tokony ho tany amin’ny Antenimieram-pirenena no nanao izany ny MAPAR satria ao amin’ny Antenimiera no manolotra azy fa tsy andalambe na vory vahoaka.

Votoatiny

Izay ny endrika ivelany. Raha fehezina ny nambaran’ny olom-pirenena Rajoelina dia nilaza izy fa tsipahiny ireo Birao nasionalin’ny MAPAR izay nanolotra ny tenany ho Praiminisitra. Mangataka io Birao Nasionaly io izy hanendry olon-kafa indray.
Dia nivory tokoa ilay Birao Nasionaly ary namoaka anarana. Nambara ampahibemaso indray izany anarana izany ny alatsinainy 24 febiroary teo nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety.  
Ny olana eto dia ny finiavana tsy hamaha olana. Olona efa teo nandritra ny 5 taona nisian’ny Tetezamita ity natolotra ho praiminisitra ity. Olona tena akaikin’ny filoha Rajoelina. Milaza mazava izany ny olom-pirenena Rajoelina fa te hitantana ny tohin’ny tantaram-pirenena fa tsy ho mpitazana fotsiny ihany izy.
Ny lafiny mahatsara ny maha praiminisitra olona teo nandritra ny 5 taona dia mitohy ny asa. Tsisy loatra ny fisalasalana. Efa samy tao anatin’ny Tetezamita izany ny filoham-pirenena sy ny PM.
Ny lafiny ratsy anefa no ho betsaka. Ho olana ny fisian’ny aloky ny filohan’ny Tetezamita izay mieloelo ao. Olana ihany koa ny vesatra amin’ny fahitana ny MAPAR hatrany amin’ny Antenimiera ka hatreo amin’ny governemanta.
Olana faharoa ny fahitana fa mampiseho mivantana ny MAPAR fa vonona ny hifanenjana amin’ny HVM na ny PMP, Plateforme de la Majorité Présidentielle, ny MAPAR.
Ny Lalam-panorenana dia mametraka loha roa eo amin’ny fahefana mpanatanteraka. Ny zava-misy ankehitriny dia hisy loha telo ao izany ny Filoham-pirenena, ao ny Governemanta, ary ny fahatelo dia any amin'ny toerana misy ny fiasan’i Andry Rajoelina. Ho lasa lapa vaovao izany toeram-piasany izany.
Tsy azo hadinoina koa ny filohan’ny mpanohitra. Izay mbola tsy fantatra. Ho hery hafa koa io.
Dia manahirana tokoa ny mitazana an’ireto mpanao politika malagasy ireto.

Partager l'article:

Lakroa en direct
  • 18 Jul. 2019 - 14:15-

    USA. Le cardinal DiNardo interpelle Donald Trump sur les droits des migrants. «Il est contraire aux valeurs américaines et chrétiennes de chercher à empêcher aux personnes d’émigrer ici quand elles fuient pour sauver leurs vies et pour trouver une sécurité pour leurs familles», déclare le cardinal DiNardo.

  • 18 Jul. 2019 - 11:27-

    Birao maharitra AN. Vita ny fifidianana ny mpikambana ireo mandrafitra ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Toy izao izany : Filohan’ny Antenimierampirenena : Razanamahasoa Christine Harijaona, Ambatofinandrahana (IRD). Filoha Lefitra Antananarivo : Rasolonjatovo Honoré, Faratsiho (IRD). Filoha Lefitra Antsiranana : Rahelihanta Jocelyne, Antsiranana I (IRD). Filoha Lefitra Fianarantsoa : Razafitsiandraofa Jean Brunelle, Ikongo (IRD). Filoha Lefitra Mahajanga : Rahantanirina Lalao, Mahajanga I (IRD). Filoha Lefitra Toamasina : Michelle Bavy Angelica, Fenérive Est (IRD). Filoha Lefitra Toliara : Rabenirina Jean Jacques, Betioky Atsimo (IRD).
    Questeur 1 : Henri Jean Michel, Ambovombe (IRD). Questeur 2 : Rakotomanga Lantoarivola Sedera, Antananarivo II (IRD). Questeur 3 : Rabenirina Maminiaina Solondraibe, Ambohidratrimo (TIM).
    Mpampakateny : Angèle Solange, Amboasary Atsimo (Mahaleotena). Mpampakateny lefitra : Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina, Antananarivo III (IRD).

  • 17 Jul. 2019 - 09:30-

    Mercato-Jeremy Morel. En fin de contrat avec l'OL, l’international malgache Jeremy Morel signe pour un an de contrat avec le Stade Rennais. « Je suis très enthousiaste et fier de rejoindre le Stade Rennais F.C. Je vais faire du mieux possible pour apporter mon expérience au club. J’avais plusieurs sollicitations mais sportivement je me voyais plus ici. J’espère avoir fait le bon choix. À moi de tout faire sur le terrain pour remercier le Président de sa confiance », a-t-il déclaré.  

  • 16 Jul. 2019 - 09:30-

    Désensablement. La piscine naturelle du Parc National Isalo est de nouveau ouverte à la baignade depuis le vendredi 12 juillet dernier. « La profondeur et la propreté de l’eau ont été testées par les agents de Madagascar National Parks afin de s’assurer que toutes les conditions requises pour la baignade durant la haute saison touristique 2019 soient au mieux », déclare Madagascar National Parks sur Facebook.

  • 15 Jul. 2019 - 14:30-

    Jeux des îles. A l’île Maurice, les sportifs venant des sept îles de l'océan Indien s'affronteront sur quatorze disciplines : athlétisme, badminton, le basketball, boxe, cyclisme, football, haltérophilie, judo, natation, tennis de table, voile, beach volley et volleyball. Pour cette édition, l’ouverture officielle se fera le 19 juillet et prendra fin le 28 juillet.

  • 15 Jul. 2019 - 13:00-

    FMF. Lova Ramisamanana ne pourra se présenter à la course pour être à la tête de la fédération malgache de football. Il l’évoque sur sa page Facebook ainsi, « j’ai le regret de vous annoncer que je ne pourrai pas me présenter à la présidence de la fédération malagasy de football, faute de n’avoir pu réunir les 3 cautions requises. Nous nous sommes battus jusqu’au bout mais nous n’avons pu faire face à certains obstacles. »

  • 15 Jul. 2019 - 08:30-

    CAN 2019. Suite à leur victoire respective contre la Tunisie et le Nigéria, le Sénégal et l’Algérie disputeront la finale de cette édition de la Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, les Fennecs ont battu ces Lions de la teranga lors de la phase de poule sur le score de 1-0 avec le but de Youcef Belaili.

  • 11 Jul. 2019 - 06:30-

    Fandaminana. Handamina ny polisim-pirenena ho an’ny alakamisy alina araka ny resadresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Polisim-pirenena. Nanome ireo toromarika manodidina ny filaminana mandritra ny fijerena baolina kitra amin’izao Can izao izy ireo. Maro ny polisy hiasa amin’io alin’ny alakamisy io raha ny nambaran’ireto tompon’andraikitra ao amin’ny polisim-pirenena ireto.

  • 09 Jul. 2019 - 13:30-

    Supporter les Barea. L’inscription est ouverte pour aller supporter les Barea en Egypte pour leur quart de finale contre la Tunisie. Les billets sont disponibles auprès de l’Air Madagascar à Analakely. Adressez-vous à la même agence pour plus d’infos.

  • 06 Jul. 2019 - 13:00-

    Pape François – Poutine. Le président russe Vladimir Poutine a rencontré le pape François au Vatican le 4 juillet pour une discussion privée de 55 minutes. Le pape François et Poutine ont discuté de questions d'actualité en Syrie, en Ukraine et au Venezuela, ainsi que de questions environnementales et de questions concernant l'Eglise catholique en Russie, selon le bureau de presse du Saint-Siège.

  • 05 Jul. 2019 - 11:00-

    CAN 2019. La CAF a rejeté les plaintes contre la RDC pour match truqué. Suite à l’insuffisance de preuve réelle, les accusations de corruption de la fédération zimbabwéenne de football vis-à-vis de leur gardien de but ont été rejeté. De ce fait, le match entre Madagascar et la RDC dans le cadre des huitièmes de finale aura bel et bien lieu dimanche prochain.

  • 05 Jul. 2019 - 08:30-

    Wi-fi gratuit. Le mercredi 10 juillet prochain, le wi-fi gratuit sera disponible à Antananarivo. Il sera possible de se connecter librement, sur quatre zones incontournables de la capitale comme au jardin Antaninarenina, à l’arrêt bus Ambohijatovo, au jardin Antanimena et au pont de Behoririka.

  • 04 Jul. 2019 - 10:30-

    Nicolas Dupuis. Selon Jeune Afrique, Nicolas Dupuis est 31ème dans le classement des entraîneurs les mieux payés en Afrique. Il perçoit 7000€ par mois, selon les chiffres publiés par le média. Le sélectionneur de l’Egypte, Javier Aguirre, est le coach le mieux rémunéré sur le continent avec un salaire mensuel de 108 000 euros.

  • 03 Jul. 2019 - 15:15-

    CAN 2019. Anicet Andrianantenaina et Carolus Andriamanitsinoro intègrent l’équipe type de la phase de poule de cette Coupe d’Afrique des Nations. Pour rappel, Anicet était l’homme du match pendant la rencontre face à la Guinée. Carolus l’était à son tour pendant le match contre le Nigéria.

  • 03 Jul. 2019 - 14:30-

    FIER-Mada. Tanterahana ny alarobia 7 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao ny FIER-Mada faha 21, ao amin’ny kianja Makis Andohatapenaka. Amin’izany dia hisy ny lao-bary an-dasy hiompana amin’ny « fandrosoana maharitra : tetik’asam-panjakana vatsiana vola amin’ny voajanahary sy ifampierana amin’ny tantsaha eny ifotony ».

  • 03 Jul. 2019 - 13:15-

    Energie solaire. La nouvelle technologie solaire pourrait produire de l'eau potable propre pour des millions de personnes dans le besoin. Des appareils appelés alambics solaires utilisent le soleil pour évaporer l'eau salée et condenser la vapeur en eau potable saine. Les chercheurs ont mis au point un nouveau système accélérant le processus d'évaporation, permettant ainsi à un petit alambic solaire de fournir toute l'eau potable dont une famille a besoin.

  • 03 Jul. 2019 - 08:30-

    Fampandrenesana. Tapaka ny lalana : -Lalana Dr Rajaonah- Pharmacie Ankadifotsy- EKAR Antanimena- ESCA ny saboty 6 jolay 2019. Voarara ho an’ny fifamoivoizan’ny  fiara rehetra tsy an-kanavaka ny ampahany amin’ireo lalana ireo. Izany dia noho ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Sekoly Les Lutins Ankadifotsy, araky ny fampandrenesana.

  • 02 Jul. 2019 - 08:00-

    Supporter les Barea. Une offre exceptionnelle est disponible pour les 8è de finale de cette CAN. Elle est à 2.200.000 ar ( Billet d avion A/R +Hebergement+Transfert hôtel-stade+ Billet d entrée stade ) 298.000 ar ( Visa de séjour ) 198.000 ( Passeport ) soit 2.688.000 AR Départ d Ivato samedi 06 juillet - retour Ivato Lundi 08 juillet Appareil A 380 . Plus d infos contacter Air MADAGASCAR

  • 01 Jul. 2019 - 10:30-

    USA-Corée du Nord. Le président Donald Trump et le président nord-coréen Kim Jong Un se sont rencontrés dimanche dans la zone démilitarisée (entre la Corée du Nord et du Sud) fortement fortifiée et ont convenu de relancer les pourparlers sur le programme nucléaire de Pyongyang. Trump, faisant pression pour obtenir un accord définissant un héritage, est devenu le premier dirigeant américain assis à entrer en Corée du Nord.

  • 01 Jul. 2019 - 08:00-

    Barea. Suite à son deuxième carton jaune lors de cette phase de poule, Marco Ilaimaharitra ne pourra pas jouer lors des huitièmes de finale. Pour rappel, il a reçu son premier avertissement contre le Syli national. Cliquez sur le lien pour lire l’article : https://www.lakroa.mg/item-1755_articles_sport_18-les-barea-saenvolent-vers-un-huitiame-de-finale-historique.html

Du même auteur

monde
politique

Dans la même rubrique

chronique
chronique
Publicité